“Lesona 195: Mampandray anjara ny Tompo amin’ny fianaranao: –Homba anao Aho,–” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Mampandray anjara ny Tompo amin’ny fianaranao,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 195: Fahombiazana any an-tsekoly
Mampandray anjara ny Tompo amin’ny fianaranao
“Homba anao Aho”
Te hanampy antsika amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, anisan’izany ny ezaka ataontsika mba hianatra sy hahazo fanabeazana ara-dalàna. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampandray anjara ny Tompo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fianarany rehefa mikatsaka fianarana amin’ny alalan’ny fandalinana sy amin’ny alalan’ny finoana izy ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Toe-javatra sarotra
Alaivo sary an-tsaina ny tenanao ao anatin’ny iray na ny maromaro amin’ireto toe-javatra manaraka ireto:
Kivy ianao amin’ny taranja iray any am-pianarana ary te hilavo lefona.
Manana fanontaniana mikasika ny fanohizana ny fianaranao ianao ao anatin’ireo taona maha-tanora anao. Tsy fantatrao hoe aiza no tokony hanohizanao ny fianaranao, na hoe tokony hanao izany ve ianao.
Ao anatin’ny herinandro voalohany amin’ny asanao vaovao ianao ary tsapanao fa tsy mahay ilay asa na ny andraikitra omena anao ianao.
Inona no hataonao raha ao anatin’ny iray amin’ireo toe-javatra iainana ireo ianao? Iza no hitodihanao mba hahazoana fanampiana?
Mivavaka amin’ny Ray any An-danitra aho mba hahazo fanampiana alohan’ny handalinako na hanombohako tetikasa iray ho an’ny fianarako.
Maneho faniriana amin’ny Raiko any An-danitra aho ao anatin’ny vavaka ataoko manokana mba hanana ny Fanahy miaraka amiko rehefa mianatra any an-tsekoly.
Miezaka tsy tapaka ny hivoatra aho amin’ny ezaka ataoko mba hianatra miaraka amin’ny fanampian’i Jesoa Kristy.
Miantehitra amin’ny fanampian’ny Fanahy aho ary mahafantatra ny fiasan’izany ao anatin’ny fandalinako sy ny fianarako.
Fianarana avy amin’ireo mpianatra ao amin’ny soratra masina
Halalino ireto soratra masina manaraka mikasika ny olona izay niatrika toe-javatra sarotra sy mampiahiahy ireto. Mitadiava ohatra mikasika ny fomba nampandraisan’ireo olona ireo anjara ny Tompo rehefa nikatsaka fahatakarana izy ireo.
Tamin’ny fomba ahoana no nampandraisan’ireo olona ireo anjara ny Tompo tamin’ny fianaran’izy ireo?
Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny Tompo azy ireo?
Araka ny zavatra nianaranao dia ahoana no hamenoanao ity fehezan-teny manaraka ity? Rehefa mampandray anjara ny Tompo amin’ny fianarantsika isika dia afaka …Izy.
Inona no fantatrao momba ny Tompo ka manome toky anao fa hanampy anao amin’ny fianaranao Izy?
Fomba ampandraisana anjara ny Tompo amin’ny fianaranao
Raha ny enti-modinao no resahina dia amin’ny fotoana manao ahoana no mety hanampy ny fampandraisana anjara ny Tompo?
Soraty ao amin’ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao ny andian-teny hoe Afaka mampandray anjara ny Tompo amin’ny fianarako aho amin’ny alalan’ny …. Mitanisà hevitra maro araka izay azonao eritreretina momba ny fampandraisana anjara ny Tompo amin’ireo zavatra atao mifandray amin’ny fianarana izay hitanao.
Inona no zavatra niainanao rehefa nampandray anjara ny Tompo tamin’ny fianaranao ianao?
Misaintsaina sy manao asa araka ireo fahamarinana
Inona no nianaranao na tsapanao momba ny Tompo ka mahatonga anao te hampandray anjara Azy amin’ny fianaranao?
Inona no zavatra iray na roa azonao atao mba hampandraisana anjara ny Tompo amin’ny fianaranao?