“Lesona 197: Fiomanana amin’ireo fitsapam-pahaizana sy tetikasa sarotra: –Raha efa miomana ianareo dia tsy hatahotra,–” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fiomanana amin’ireo fitsapam-pahaizana sy tetikasa sarotra,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Amin’ny ezaka ataontsika mba handranto fianarana dia matetika isika no tendrena hanao asa sarotra mba hovitaina. Rehefa mitodika any amin’i Jesoa Kristy ny zatovo ary manao ny anjarany mba hiomanana sy haharetana any an-tsekoly dia afaka manampy azy ireo ho lasa mahay ireo zavatra ampanaovina azy amin’ny fianarany ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ireo fomba hiomanana amim-pahombiazana amin’ireo fitsapam-pahaizana sy tetikasa sarotra.
Sahanasa fianarana azo atao
Sahirana amin’ireo fitsapam-pahaizana na tetikasa any an-tsekoly
Hevero ny hanomboka ny lesona amin’ny alalan’ny fizarana ireto rafi-tantara manaraka ireto. Zarao mba hasolo ny fizarana ireo rafi-tantara iray manontolo ny fehezan-teny voalohany amin’ny tsirairay amin’izy ireo ary avy eo dia angataho ny mpianatra mba hilaza antony mety mahatonga an’i Sam sy i Emma hahatsapa ny zavatra tsapany.
Tsy tia manao fitsapam-pahaizana any an-tsekoly i Sam satria matetika izy no tsy mahay izany tsara. Matetika izy no mitebiteby rehefa manao ilay fitsapam-pahaizana sady toa manadino ny ankamaroan’ny zavatra nianarany.
Sahirana be i Emma rehefa omena tetikasa lehibe na taratasim-panadinana ao amin’ny kilasiny any an-tsekoly. Mahatsapa ho tototra izy satria betsaka ny asa izay tsy maintsy ataony ary manana fironana izy hanemotra ny fotoana hanaovana izany mandra-pahatongan’ny iray na roa andro alohan’ny handefasana ilay tetikasa na taratasim-panadinana. Vokatr’izany dia matetika no tsy vita na zara fa vita ny fitsapam-pahaizana averiny amin’ny mpampianatra.
Asao ny mpianatra mba hieritreritra ireo fotoana izay mety ho nahatsapany toa an’i Sam na Emma. Hazavao fa mahazatra ny mahita mpianatra tsy matoky tena any an-tsekoly, indrindra fa amin’ny fanadinana sy tetikasa sarotra. Mety hanampy ny mampahatsiahy azy ireo fa dingana mitohy mandritra ny androm-piainana ny fianarana. Tonga eto an-tany isika mba hianatra sy hivoatra.
Asao ny mpianatra rehefa mandalina mba hifantoka amin’ireo fahamarinana sy fahatsapana ara-panahy izay afaka manampy azy ireo hahomby amin’ny fitsapam-pahaizana na tetikasa any an-tsekoly.
Mianatra avy amin’ny soratra masina
Hazavao fa ny soratra masina dia tsy mampianatra manokana ny fomba hiomanana amin’ireo fitsapam-pahaizana na tetikasa any an-tsekoly. Kanefa rehefa mampihatra ny soratra masina amin’ny tenantsika isika (jereo ny 1 Nefia 19:23 ), dia afaka mahita fahamarinana izay afaka manampy antsika amin’ny fomba isan-karazany, anisan’izany rehefa miatrika olana eo amin’ny fianarantsika isika.
Hevero ny hizara ny kilasy ho vondrona maromaro mba hamita ity sahanasa fandalinana manaraka ity.
Karohy ao amin’ny soratra masina ireo fahamarinana izay afaka manampy anao amin’ny ezaka ataonao mba hahomby amin’ny fanadinana sy ny tetikasa any an-tsekoly. Afaka mitady andinin-tsoratra masina samihafa ianao, na afaka mandalina ny sasany amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto na izy rehetra:
Inona avy ireo fahamarinana hitanao ka afaka manampy anao hahomby amin’ireo fitsapam-pahaizana na tetikasa any an-tsekoly?
Mba hanampiana ny mpianatra hifampianatra dia hevero ny hanasa azy ireo hitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo fahamarinana hitan’izy ireo.
Tokony ho afaka hamantatra fahamarinana maro avy ao amin’ny soratra masina nohalalinin’izy ireo ny mpianatra. Ireto misy ohatra vitsivitsy: afaka manazava ny saiko ny Fanahy Masina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:15 ); raha vonona aho dia tsy mila matahotra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:9, 30 ); rehefa mivavaka mandrakariva aho dia hanamasina ny asako ho an’ny fiadanan’ny fanahiko Andriamanitra (jereo ny 2 Nefia 32:8–9 ); afaka manao ny zava-drehetra aho amin’ny alalan’i Jesoa Kristy (jereo ny Filipiana 4:13 ).
Hevero ny hanasa mpianatra maromaro hamaly ny voalohany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. Azonao atao ny manondro fahamarinana sasantsasany eny amin’ny solaitrabe ary manasa ireo mpianatra izay nanoratra izany mba hamaly ilay fanontaniana miaraka amin’izany fahamarinana izany ao an-tsaina.
Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ireo fahamarinana hitanao manampy anao amin’ireo fitsapam-pahaizana na tetikasa any an-tsekoly?
Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahan’ny Tompo manampy anao amin’ny enti-modinao rehefa mampihatra ireo fahamarinana ireo amin’ny fianaranao ianao?
Hevero ny hangataka mpianatra vitsivitsy, ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo momba ireo fanontaniana teo aloha, hizara ohatra mikasika ny fomba nandraisan’izy ireo ny fanampian’ny Tompo tamin’ny enti-modin’izy ireo. Asao izy ireo hizara ny fiantraikan’ireo zavatra niainany ireo teo amin’ny zavatra tsapan’izy ireo ho an’ny Mpamonjy.
Ity ampahany amin’ny lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hieritreritra fomba manokana ahafahan’izy ireo miomana ny hahomby amin’ny fitsapam-pahaizana na tetikasa sarotra. Mba hanaovana izany dia azonao atao ny mampiseho ireto toromarika manaraka ireto ary manome fotoana ny mpianatra hamoronana valinteny miaraka amin’ny namana iray na vondrona kely iray.
Alaivo sary an-tsaina hoe nanana fahafahana ianao hanome torohevitra olona iray tahaka an’i Sam na i Emma mikasika ny fomba hahombiazana amin’ny fitsapam-pahaizana na amin’ireo tetikasa sarotra ao an-tsekoly. Soraty izay torohevitra homenao. Ampidiro ao anatin’izany ireo andian-teny avy ao amin’ny soratra masina izay heverinao fa mety hanampy. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy mba hitarihana ny valinteninao:
Inona no afaka manampy anao hitadidy sy hampiasa ny zavatra efa nianaranao?
Ahoana no ahafahanao manao izay tsy hahavariana anao rehefa mandalina ianao?
Inona no afaka manampy anao hisoroka ny fangatahana andro?
Inona no afaka manampy anao hanatsara ny fahafahanao mieritreritra mazava tsara?
Inona no azonao atao mba hampandraisana anjara ny Tompo amin’ny fiomananao?
Rehefa avy nomena fotoana ampy hamoronana ny valinteniny ny mpianatra dia asao izy ireo hizara izany amin’ny iray kilasy. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireo hevi-baovao izay zaraina ary amporisiho ny mpianatra mba hirakitra an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinany izay torohevitra tsy mbola neritreretin’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hizara ohatra mikasika ny fomba nanampian’ny sasany amin’ireo sosokevitra ireo azy ireo.
Raha mila fanampiana amin’ny fieritreretana hevitra ny mpianatra dia hevero ny hanolotra sosokevitra vitsivitsy, anisan’izany ny sasany amin’ireto manaraka ireto:
Raiso an-tsoratra ny zavatra ianaranao ao an-dakilasy ary avereno jerena matetika izany. Hazavao amin’ny mpiara-mianatra iray ny zavatra ianaranao, na amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana, na namana iray.
Apetraho ny findainao ary sakano tsy hipoitra ireo tranonkala mahavariana ao amin’ny internet rehefa mandalina ianao.
Zarazarao hatao mandritra ny andro na herinandro maro ny fandalinanao. Manaova fandaharam-potoana dia araho tsara izany. Raha taraiky ianao amin’ny fanarahana izany, dia aza miandry hatramin’ny farany vao hanenjika.
Mitadiava toerana mangina mba handalinana, ary ataovy mandritra ireo fotoana izay tsy maha-reraka loatra anao mandritra ny andro ny fandalinana. Karakarao ny vatanao amin’ny alalan’ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana, ny fahazoana torimaso ampy tsara, ary ny fanaovana fanatanjahan-tena tsy tapaka.
Makà fotoana hianarana sy hanomanana ny fanahinao amin’ny alalan’ny fandalinana soratra masina. Mivavaha sy mifadia hanina indraindray mba hahazoana fanampiana sy fitarihana.
Ireo hevitra hafa hanampiana amin’ny fanadinana any an-tsekoly dia azo jerena ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny.”
Eritrereto ny zavatra nianaranao
Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra nianarany sy tsapany tao amin’ny lesona izay afaka manampy azy ireo eo amin’ny fiainany. Fomba iray hanaovana izany ny fanasana ireo mpianatra hamaly ity fanontaniana manaraka ity ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa mitaky fotoana, fiomanana, faharetana ary fanazaran-tena ny fahatongavana ho mpianatra mahomby. Amporisiho izy ireo hanohy hiantehitra amin’ny Mpamonjy mba hahazo fanampiana sy fitarihana.
Nampianatra izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Tena manan-danja tanteraka amin’ny fianarana ny fanaovana fitsapam-pahaizana matetika. Ny fitsapam-pahaizana mahomby dia manampy antsika hampitaha izay zavatra ilaintsika fantarina amin’izay efa fantatsika marina momba ny lohahevitra iray manokana. Manolotra fenitra izay ahafahantsika mandrefy ny fianarantsika sy ny fivoarantsika ihany koa izany. …
… Ny ezaka ataontsika hiomanana amin’ireo zavatra iainana eto an-tany izay misedra antsika dia tokony hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy izay “nitombo saina sy tena tsikelikely sady nandroso fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona” [Lioka 2:52 ]: izay fitambarana fahavononana ara-tsaina, ara-batana, ara-panahy, ary ara-piarahamonina mifandanja tsara. (David A. Bednar, “Dia hosedraintsika amin’izany izy ireo ,” Liahona , nôv. 2020, 8, 9)
Ny Rahavavy Mary N. Cook, izay tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany teo aloha dia nampianatra hoe:
Katsahonareo ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana. Mianatra amin’ny alalan’ny finoana isika rehefa manovo amim-pahavitrihana fahalalana ara-panahy amin’ny alalan’ny vavaka, ny fandalinana ny soratra masina sy ny fankatoavana ary rehefa mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina izay mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana rehetra. Raha manao ny anjaranareo eo amin’ny fanovozana fahalalana ianareo dia afaka manazava ny sainareo ny Fanahy Masina. Rehefa miezaka ny manao izay hahamendrika ny tenanareo ianareo dia hanome torolalana anareo ny Fanahy Masina ary hampitombo ny fahalalanareo. (Mary N. Cook, “Katsahonareo ny fianarana: Manana asa tokony hatao ianareo ,” Liahona , mey 2012, 121)
Nampianatra toy ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Misy oha-pitenenana iray manao hoe: “Tsy maintsy manatrika eo ianao vao mahazo fandresena.” Raha lazaina amin’ny teny hafa dia tsy maintsy manatrika eo ianao vao afaka ny hianatra. Na mivantana io na an-jotra, na amin’ny alalan’ny fampianarana atrehan’olona marobe mivantana na fifanakalozan-kevitra, na ao anatina vondrona lehibe na kely, na manao ahoana na manao ahoana ny endriky ny fianarana, araka izay hita miharihary, dia mianatra isika mba hianatra amin’ny alalan’ny fiaraha-mivory mba hahazo torolalana. Saingy tena mila manatrika izany isika. Mivonòna hianatra, mifandraisa amin’ny hafa mba hampahery, ary manolora tena hanao asa. (Gerrit W. Gong, “We Seek after These Things ” [Brigham Young University devotional, 16 ôkt. 2018], speeches.byu.edu )
Raha afaka mahazo tombontsoa avy amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny fomba hahatsapana fahatokian-tena bebe kokoa amin’ny fahaiza-manaon’izy ireo amin’ny fitsapam-pahaizana ny mpianatra dia hevero ny hizara ireo hevitra etsy ambany sy hanasa ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny fomba hiatrehan’izy ireo ireo andinin-tsoratra masina na fanontaniana sarotra amin’ny fanadinana iray.
Ireto misy hevitra hanampiana anao:
Ampiasao ny tananao na ny taratasy iray mba hanakonana ireo valiny azo omena eo ambanin’ilay fanontaniana. Izany dia hanampy anao hifantoka amin’ilay fanontaniana fa tsy ho variana amin’ny valiny diso.
Vakio mihoatra ny indray mandeha ireo fanontaniana mampikorontan-tsaina mba hahazoana antoka fa takatrao izany. Ny famakiana ireo fanontaniana haingana loatra dia mety hahatonga anao hanao fahadisoana.
Miatoa dia mieritrereta rehefa avy mamaky ny ampahany tsirairay amin’ny fanontaniana lava iray. Ny fahatakarana ireo ampahany kelikely kokoa amin’ny fanontaniana iray dia mety hanampy anao hahita ny valiny.
Valio tanteraka ireo fanontaniana efa misy valiny voasoratra na fanontaniana famakafakana. Avereno vakina ny fanontaniana tsirairay mba hahazoana antoka fa namaly ny ampahany rehetra tamin’ilay fanontaniana ianao, ary avereno jerena ireo valinteny nosoratanao.
(Succeed in School: Study and Life Skills for Youth [2021], 60 )
Raha mety hahasoa ny mpianatra ny fifanakalozan-kevitra momba ny fitantanana ny fotoana mandritra ny fanadinana dia eritrereto ity sahanasa ity. Azonao atao ny mandamina ny mpianatra ho vondrona kely maromaro ary omeo hevitra iray hosahanina ny vondrona tsirairay. Asao izy ireo hieritreritra ireo fomba azon’izy ireo hampiharana ilay hevitra rehefa miomana amin’ny fanadinana izay hataony manaraka.
Ireto misy fomba vitsivitsy hitantanana ny fotoananao rehefa manao fanadinana:
Manazara tena
Raha azo atao dia manaova fanadinana fanazaran-tena mialoha. Ny fanaovana fanazaran-tena dia hanampy anao hahazo aina kokoa amin’ny endrik’ilay fanadinana. …
Manapaha hevitra hoe iza amin’ireo fizarana no tokony hofenoina voalohany
Rehefa manomboka ny fanadinanao ianao dia jereo manontolo izany mba hahitana raha toa ka misy fizarana izay ho sarotra kokoa ary mila fotoana misimisy kokoa. …
Vakio tsara ny fanontaniana tsirairay
Ny famakiana tsara ny fanontaniana tsirairay dia hanampy anao hitsitsy fotoana satria amin’izay ianao dia tsy mila miverina intsony amin’ireo fanontaniana izay tsy takatrao. …
Valio aloha ireo fanontaniana mora
Ny famaliana ireo fanontaniana mora kokoa dia afaka manampy amin’ny fanorenana ny fahatokian-tenanao. Raha manana olana amin’ny fanontaniana iray manokana ianao dia mifindrà any amin’ny fanontaniana iray hafa. …
Hamarino ny valinteninao
… Ampiasao izay fotoana sisa tavela hiverenana mamaky ilay fanadinana dia hamarino ny valinteninao.
(Succeed in School: Study and Life Skills for Youth [2021], 63 )
Hevero ny hifanakalo hevitra momba ireto manaraka ireto raha toa ka afaka mahazo tombontsoa avy amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny fieritreretana zavatra tsara sy ny fifehezana ny rarin-tsaina ny mpianatra. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Ahiahy sy rarin-tsaina . Asao ny mpianatra hitanisa ireo fomba ahafahan’izy ireo mieritreritra zavatra tsara misimisy kokoa sy mandresy ny rarin-tsain’izy ireo mandritra ny fanadinana.
Ireto misy hevitra hanampiana anao:
Fomba iray hifehezana ny ahiahy ny maka sary an-tsaina ny Tompo miaraka aminao ary mamerina ireo teny izay nolazainy. Ohatra hoe: “Matokia; Izaho izany; aza matahotra” (Matio 14:27 ). Azonao atao ihany koa ny mamerina milaza amin’ny tenanao fehezan-teny milaza zavatra tsara tahaka ireto:
“Efa vonona amin’izany aho.”
“Afaka miatrika ity toe-javatra ity aho.”
“Ara-dalàna izany fahatsapana tebiteby izany. Matanjaka aho ary afaka mandresy azy ireo.”
“Mahafehy ny eritreritro sy ny fahatsapako aho. Afaka miaina amim-pitoniana aho.”
Ny rarinn-tsaina dia izay tsapanao rehefa miahiahy na matahotra momba ny zavatra iray ianao. Mety hanampy anao ireo sosokevitra eto ambany ireto:
Eritrereto indray ny zavatra antenainao.
Aza miahiahy ny amin’ny zavatra tsy voafehinao.
Mifantoha amin’ny zavatra efa hainao tsara.
Aza mampitaha ny tenanao amin’ny hafa.
Manaova fanazaran-tena.
Manompoa ny hafa.
Makà aina.
Mifantoha amin’ny fankasitrahana.
Zarazarao ho ampahany kely kokoa ireo asa lehibe na sarotra.
Manaova dingana kely iray mandroso izao.
(namboarina avy tamin’ny Succeed in School: Study and Life Skills for Youth [2021], 82 , 88 )