“Lesona 194—Fampitomboana ny fahaiza-manao sy ny fahafaha-manao: Mandroso miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fampitomboana ny fahaiza-manao sy ny fahafaha-manao,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 194: Fiomanana amin’ny fianarana sy ny asa any ariana any
Fampitomboana ny fahaiza-manao sy ny fahafaha-manao
Mandroso miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo
Rehefa manao ny anjarantsika isika dia afaka manampy antsika hanana fahaiza-manao sy fahafaha-manao izay hanampy antsika hiomana amin’ny andraikitra any aoriana any sy hanatratra izay tokony hahatongavantsika amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hanao drafitra mba hampitomboana ny fahaiza-manao sy ny fahafaha-manao izay hanomana azy ireo amin’ny asa any aoriana any sy ireo andraikitra hafa.
Sahanasa fianarana azo atao
Ity lesona ity dia hahomby indrindra aorian’ny fampianarana ilay lesona mitondra ny lohateny hoe “Mamantatra ny tanjaka sy ny fahaizana anananao .” Raha toa ka tsy afaka nampianatra izany lesona izany ianao dia ampiasao ireo sahanasa sasany ao anatin’izany mandritra ity lesona ity.
Mifantoha amin’izay halehanao
Atombohy amin’ny alalan’ny fampisehoana ireto sary manaraka ireto ny lesona na manaova sary mitovitovy amin’izany eny amin’ny solaitrabe. Azonao atao ny manondro ny sary voalohany rehefa mamaritra ilay zatovovavy voalohany voalaza ao anatin’ilay rafi-tantara etsy ambany, ary avy eo manondro ilay sary faharoa rehefa mamariparitra ilay zatovo faharoa.
Alaovy sary an-tsaina hoe nahafantatra tanora roa ianao izay mahatsapa ho tsy mitovy mihitsy amin’ny fahaiza-manao sy ny fahaizana ananan’izy ireo. Ny voalohany dia manana talenta maro izay mora tsikaritra, ary ilay faharoa kosa dia mahatsapa indraindray fa tsy manana ny talenta ilaina mba hahombiazana eo amin’ny fiainana.
Asehoy ireto sary manaraka ireto ary asao hizara ny zavatra asehon’izany ny mpianatra. Afaka mizara lesona ara-panahy azony ianarana avy amin’ilay tabilao eo amin’ilay sary izy ireo.
Alohan’ny hizarana ny teny nambaran’ny Loholona Clark G. Gilbert ao amin’ny Fitopololahy dia mety hanampy ny manazava fa ny solampy amin’ny tsipika iray dia mifandray amin’ny fivoaran’izany mizotra miakatra na mizotra midina.
Ny Loholona Clark G. Gilbert ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra momba ny maha-zava-dehibe ny fifantohana amin’izay itodihanao eo amin’ny fiainana fa tsy amin’ny hoe aiza no hanombohanao:
10:1
Zara raha miankina amin’ny teboka iantombohantsika ny hoavintsika fa miankina betsaka kokoa amin’ny solampy arahintsika. Hitan’i Jesoa Kristy [ny hery anaty masina ananantsika] na manao ahoana na manao ahoana ny fiantombohantsika. … Ny zavatra ataontsika amin’izay nomena antsika no jeren’i Kristy. Raha mifantoka amin’ny teboka fiantombohantsika izao tontolo izao, Andriamanitra kosa dia mifantoka amin’ny solampy arahintsika. Amin’ny fomba fikajin’ny Tompo dia hanao ny zava-drehetra Izy hanampiana antsika hampitodika ny solampy arahintsika hitodika mankany amin’ Andriamanitra. (Clark G. Gilbert, “Lasa mahomby kokoa ao amin’i Kristy: Fanoharana momba ny solampy ,” Liahona , nôv. 2021, 20)
Inona no zavatra nianaranao mikasika an’i Jesoa Kristy avy tamin’ny tenin’ny Loholona Gilbert?
Inona no hitanao tao amin’io teny nambara io izay afaka manome fanantenana sy fankaherezana ho anao rehefa mampivelatra talenta, na fahaiza-manao, na fahafaha-manao ianao?
Hazavao fa ity lesona ity dia hifantoka amin’ny fampivelarana ireo fahaiza-manao sy fahafaha-manao izay afaka manampy antsika hiomana amin’ny asa any aoriana any na amin’ireo anjara asa hafa hosahanintsika.
Asao ny mpianatra hieritreritra fahaiza-manao na fahafaha-manao izay tiany hampitomboana mba hiomanana tsara kokoa amin’ireo anjara asa hosahanin’izy ireo na ny tolotr’asa ho azony any aoriana any. Afaka mitanisa izany ao amin’ny diariny izy ireo. Mety hanampy ny manasa ny mpianatra hijery ireo fanamarihana izay mety ho nataon’izy ireo nandritra ny lesona mitondra ny lohateny hoe “Mamantatra ny tanjaka sy ny fahafaha-manao anananao .”
Amporisiho ireo mpianatra rehefa mandalina anio mba hifantoka amin’ny fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina izay afaka manampy azy ireo hahatakatra kokoa ny fomba ahafahan’izy ireo mampivelatra ny talentany, na ny fahaiza-manaony, na ny fahafaha-manaony miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo.
Fampitomboana ny fahaiza-manao sy ny fahafaha-manao
Alohan’ny hanasana ireo mpianatra handray anjara amin’ity sahanasa fandalinana manaraka ity dia asao izy ireo hieritreritra ny fomba ahafahan’ny Tompo manampy azy ireo hampivelatra fahaiza-manao sy fahafaha-manao.
Ataovy ao anaty vondrona kely ireo mpianatra avy eo mba hahafahan’izy ireo mahita fahamarinana avy ao amin’ny soratra masina. Azonao omena andininy samihafa ny vondrona tsirairay ary angataho izy ireo hamaky sy hifanakalo hevitra ary hanoratra fahamarinana na fitsipika iray eny amin’ny solaitrabe mifototra amin’ilay soratra masina nomena.
Vakio ireto andininy manaraka ireto ary mitadiava fahamarinana. Eritrereto ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana ireo manampy anao amin’ny ezaka ataonao hampivelatra fahaiza-manao sy fahafaha-manao.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:7 ; 46:8–9 ; 75:3, 29 ; 1 Nefia 7:12
Asao ny mpianatra hizara ny fahamarinana hitany. Afaka mizara fahamarinana mitovitovy amin’izao manaraka izao izy ireo:
Araka ny hevitrao dia inona no ifandraisan’ireo fahamarinana ireo amin’ny fiezahana hanana talenta, na fahaiza-manao, na fahafaha-manao?
Oviana ianao na ireo olona fantatrao no nanana fahafahana nampitombo fahaiza-manao na fahafaha-manao tamin’ny fampiharana ny iray na ny maromaro tamin’ireo fahamarinana ireo?
ChurchofJesusChrist.org
4:39
Mampivelatra sy mampiasa ny talentanao
Ity ampahany amin’ny lesona ity dia natao mba hanomezana fahafahana ireo mpianatra hanao drafitry ny tena manokana mba hampitomboana talenta, na fahaiza-manao, na fahafaha-manao izay hitan’izy ireo fa afaka manampy azy ireo hiomana amin’ireo andraikitra na tolotr’asa any aoriana any. Amporisiho ny mpianatra hiantehitra amin’ny Fanahy rehefa mitady fomba hivoarana sy hianarana izy ireo. Azonao atao ny mampahatsiahy ny mpianatra fa tonga ho azy ny talenta sasany, fa ny hafa kosa mitaky asa sy ezaka manokana.
ChurchofJesusChrist.org
3:31
Zarao ilay taratasy zaraina manao hoe “Fampitomboana ny fahaiza-manao sy ny fahafaha-manao.” Alohan’ny hanomezana fotoana ny mpianatra hiasa amin’izany dia hevero ny hamita ohatra iray miaraka amin’ny iray kilasy. Asao ny mpianatra hieritreritra fahaiza-manao na fahafaha-manao iray mba hifantohany, ary avy eo dia asao izy ireo hieritreritra ny fomba ahafahan’izy ireo mamita ny dingana tsirairay mba hampivelarana izany fahaiza-manao na fahafaha-manao izany.
Rehefa miasa samirery amin’ilay drafitra ny mpianatra dia mety hanampy ny mampahatsiahy azy ireo ny fahaiza-manao na ny fahafaha-manao izay notapahiny fa tiany hampitomboina tao amin’ny lesona mitondra ny lohateny hoe “Famantarana ny talenta sy ny fahaizana anananao .”
Ampiasao ireto dingana manaraka ireto mba hanampiana anao hanao drafitra amin’ny fampivelarana ny fahaiza-manao sy ny fahafaha-manao izay hanomana anao amin’ireo andraikitra sy tolotra’asa any aoriana any:
Manorata fahaiza-manao na fahafaha-manao iray izay tianao hampitomboana mba hanampiana anao hiomana amin’ny asa na ny andraikitra hafa hosahaninao any aoriana any.
Ahoana no hanampian’io fahaiza-manao na fahafaha-manao io anao hitovy kokoa amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
Mametraha tanjona iray voafaritra tsara mba hanampiana anao hampitombo io fahaiza-manao na fahafaha-manao io. Mitanisà dingana na hetsika roa na telo hataonao mba hanatratrarana io tanjona io.
Inona no fahazarana na ireo fahazarana izay hovainao mba hanatratrarana ny tanjonao? Atombohy amin’ny zavatra kely. Mitanisà fahazarana iray na roa azonao ovaina na ezahina ananana isan’andro. Tsy voatery ho zavatra goavana izany.
Ahoana no hikatsahanao ny fanampian’ Andriamanitra amin’ny drafitrao? Azonao atao ny mitady soratra masina milaza ny fomba ahafahanao manao izany. Anisan’izany ny Ohabolana 3:5–6 ; 2 Nefia 32:3 ; Etera 12:27 ; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:7 .
Asao ireo mpianatra manana fahavononana mba hifampizara ampahany amin’ny drafitr’izy ireo, na tsiroaroa izany na ao anaty vondrona kely. Zarao hiaraka tsiroaroa ny mpianatra ary omeo fahafahana izy ireo hizara hevitra. Azonao atao ny mampiseho tari-kevitra toy ireto manaraka ireto mba hanampiana amin’ny fitarihana ny karazana fanehoan-kevitra azon’ny mpianatra atolotra:
Zavatra iray tiako amin’ny drafitra nataonao ny …
Isan’ny nanampy ahy hanatratra ny tanjoko ny …
Hevitra iray hafa azonao andramana mba hampahomby anao ny …
Amporisiho ny mpianatra hanatanteraka ny drafitra izay napetrany ho an’ny tenany. Mijoroa ho vavolombelona momba ny fahaizan’ny Tompo sy ny fahavononany hanampy azy ireo eo am-piezahan’izy ireo mampivelatra ny fahaiza-manao sy ny fahafaha-manao ananany mba hanomanana ny hoavy.
Nampianatra toy izao ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Ny olona tsirairay dia tonga eto an-tany amin’ny maha-olona miavaka azy. Mety misy zavatra hiraisana eo amin’ny samy mpianakavy saingy ny tsirairay amintsika dia samy manana ny maha-izy azy antsika. Ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanoratra hoe: “Ny olona tsirairay eto amin’ity fiainana ity dia nomena ireo talenta sy fahaiza-manao izay noraisany tany amin’ny fiainany talohan’ny nahaterahana. Ny sasany noho ny fankatoavana lalàna dia nahazo talenta iray ary ny sasany iray hafa.”
Nohazavain’ny Tompo tsara fa tsy tsara ho antsika ny mamerina fotsiny Aminy ireo talenta nomeny antsika. Mila manatsara sy manampy ny talentantsika isika. Nampanantena Izy fa raha mampitombo ny talentantsika isika dia hahazo fifaliana mandrakizay.
Nambaran’ny Tompo ao amin’ny fanambarana maoderina ireo fitsipika ao amin’ity fanoharana ity: “Saingy tsy mankasitraka ny sasany Aho, satria … afeniny ny talenta izay efa nomeko azy noho ny tahotra ny olona. … Tsy holanilanianao foana ny fotoana, sady tsy halevinao ny talentanao mba tsy hahazoana mahafantatra izany.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:2, 13 ) (Ronald A. Rasband, “Parables of Jesus: The Parable of the Talents ,” Ensign , aog. 2003, 34)
Nampianatra ny Loholona Lawrence E. Corbridge ao amin’ny Fitopololahy hoe:
Ho antsika izay mahatsiaro ho tsy manana na inona na inona raha talenta sy fanomezam-pahasoavana no resahina, dia mampahery ny mahafantatra fa ity fanasana ity dia tsy natao hampitolagaga ny hafa amin’ny hoe iza isika na inona no zavatra fantatsika . Fa ny fahazavantsika kosa dia ny Fahazavan’izao tontolo izao izay hita taratra ao amintsika rehefa miezaka fotsiny isika hanao izay nataony. Izay ilay izy. Miteny amintsika ny Tompo mba hanaraka Azy fa tsy ho menatra na tsy ho vonona ny hiavaka. Aza menatra mihazona ny fahazavany. Aza matahotra ny hamirapiratra. (Lawrence E. Corbridge, “Valiant in the Testimony of Jesus Christ ,” Ensign , Sept. 2011, 36)
Nampianatra ny Loholona L. Tom Perry (1922–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
Nomena talenta sy fahaiza-manao maro isika rehetra. Ny sasany dia nomena talenta amin’ny fihirana, ny sasany amin’ny fandokoana, ny sasany amin’ny fitenenana, ny sasany amin’ny fandihizana, ny sasany amin’ny fanamboarana zavatra tsara tarehy amin’ny tanany, ary ny sasany amin’ny fanaovana asa fanompoana feno fangorahana. Ny sasany mety manana maro ary ny hafa manana vitsivitsy ihany. Tsy ny habeny no zava-dehibe fa ny ezaka ataontsika mba hampivelarana ny talenta sy ny fahaiza-manao azontsika. Tsy mifaninana na amin’iza na amin’iza ianao. Mifaninana amin’ny tenanao fotsiny ihany ianao mba hanao ny tsara indrindra amin’izay azonao. Ny talenta tsirairay izay azo dia tena ilaina ary hanome fahafaham-po goavana anao mandritra ny fiainanao. (L. Tom Perry, “Youth of the Noble Birthright ,” Ensign , Nov. 1998, 74.)
Rehefa manasa ireo mpianatra ianao mba hifanakalo hevitra momba ny fomba nahafahan’izy ireo na ny hafa nampitombo fahaiza-manao na fahafaha-manao niaraka tamin’ny fanampian’ny Tompo, dia azonao atao ny mampiasa ireto ohatra fanampiny manaraka ireto:
2:3
Jereo ny horonan-tsary “La puissance d’un témoignage personnel ,” manomboka amin’ny mari-potoana faha-0:57 ka hatramin’ny 3:03. Asao ny mpianatra hitady ny zavatra nandrisika ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hianatra teny anglisy ho fiomanana ho amin’ny asa tiany hatao.
2:3
Hazavao fa tamin’ny andron’ny Mpamonjy, ny “talenta” dia vato mizana ary koa vola be. Ao amin’ny soratra masina ny Mpamonjy dia nampiasa talenta mba hampianarana fahamarinana mikasika ny maha-zava-dehibe ny fampiasana ireo fanomezam-pahasoavana nomen’ Andriamanitra antsika amim-pahendrena (jereo ny Matio 25:14–30 ). Ireo fanomezam-pahasoavana ireo dia mety ahitana ny fahalalana, na fanomezam-pahasoavana, na fahaizana izay nomeny antsika.
Amin’izao fotoampitantanana misy antsika izao ny Mpamonjy dia niresaka momba ireo talenta ao amin’ny fampianarany tamin’ny vondrona loholona iray izay nantsoina hitory ny filazantsara. Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:1–3, 13 , ka hitady ny torohevitra nomen’ny Tompo. Angataho izy ireo hieritreritra ny fomba ifandraisan’io torohevitra io amin’ireo fahaiza-manao nomen’ny Tompo antsika.
Azonao atao ny mametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hizara ny heviny:
Inona no fanomezana sarobidy nomen’ny Tompo an’ireo loholona ireo ka tsy nampiasain’izy ireo na nozarainy tamin’ny hafa? (Raha ilaina dia ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny Tompo dia nanome azy ireo fahalalana ny filazantsarany. Tsy faly ny Tompo tamin’ny tsy fahavononan’ireo loholona hanokatra ny vavany hizara ny filazantsara.)
Inona no fahamarinana ianaranao avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny tokony hataontsika amin’ireo fanomezam-pahasoavana sy fitahiana nomen’ Andriamanitra antsika?
Mety hahita fahamarinana mitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Manantena antsika hampiasa ireo fitahiana nomeny antsika ny Tompo.
Ahoana araka ny eritreritrao no mety hampiharana io fahamarinana io amin’ny talentantsika sy ny fahaizana ananantsika?
Inona no maha-samy hafa ny fisafidianana ny hampiasa na tsy hampiasa ny talentantsika sy ny fahaizantsika eo amin’ny fiainantsika sy ny fiainan’ny hafa?