“Lesona 192—Fianarana ho an’ny fanahy manontolo: Sady mikatsaka fianarana ara-panahy no mikatsaka fianarana tsy ara-pivavahana,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Fianarana ho an’ny fanahy manontolo,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 192: Miomana amin’ny fianarana sy ny asa hatao any aoriana
Fianarana ho an’ny fanahy manontolo
Sady mikatsaka fianarana ara-panahy no mikatsaka fianarana tsy ara-pivavahana
Manasa antsika ny Tompo mba handranto fianarana ara-panahy sy fianarana tsy ara-pivavahana “mba hahatonga [antsika] ho vonona amin’ny zava-drehetra,” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:80 ). Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hanao drafitra hanohizana ny fianarany ara-panahy eo am-pandrantoany fianarana tsy ara-pivavahana any aoriana.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Manokàna fotoana ho an’ny Tompo ao anatin’ny fianaranao
Hevero ny hanomboka ny lesona amin’ny alalan’ny fizarana ity rafi-tantara manaraka ity:
Alaivo sary an-tsaina hoe milaza amin’ny iray amin’ireo namanao ianao fa manatrika seminera ianao. Rehefa avy nanazava ny atao hoe seminera ianao dia manontany ilay namanao hoe, “Nahoana ny olona iray no tokony hanokana fotoana hanatrehana kilasy tahaka izany?”
Inona no holazainao amin’ilay namanao?
Hevero ny hametraka fanontaniana fanampiny toy izao manaraka izao mba hanampiana ireo mpianatra hahita ny fomba nitahian’ny fanatrehana seminera ny fiainan’izy ireo.
Ahoana no nitahiana anao noho ny nanokananao fotoana ho an’ny Tompo tao anatin’ny fianaranao tamin’ny alalan’ny fanatrehana seminera?
Inona no fiovana nentin’ny seminera teo amin’ny fianarana akademika ataonao?
Hazavao fa aorian’ny fahavitan’ny mpianatra ny seminera dia hanana fahafahana hanohy ny fianarany ara-pivavahana izy ireo mandritra ny taona maha-tanora azy ireo. Ity lesona ity dia hampahafantatra ny mpianatra ireo fahafahana azo araraotina ireo.
Amporisiho ny mpianatra mba hihaino tsara ireo bitsiky ny Fanahy, izay afaka manampy azy ireo hamantatra ny maha-zava-dehibe ny fandrantoana fianarana ara-panahy mandritra ny fianarana akademika ataon’izy ireo. Azonao atao koa ny manasa ireo mpianatra hikatsaka fitarihana avy amin’ny Ray any An-danitra mikasika izay safidy ho an’ny fampianarana ara-pivavahana horantovina any aoriana.
Ny mahazava-dehibe ny fianarana ara-panahy
Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mampianatra ny Tompo fa tokony handalina lohahevitra maro mifono fahalalana isika mba hahafahantsika miomana hanompo ny hafa. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:78–80, 118 mba hitadiavana ny torohevitra avy amin’ny Tompo.
Raha mifototra amin’ireo zavatra nianaranao tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo, dia inona no angatahin’ny Tompo mba hianarantsika mba hahafahantsika miomana hanompo ny hafa?
Mety hahita fahamarinana mitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Manasa antsika ny Tompo mba hifantoka sady amin’ny fahalalana ara-panahy no amin’ny fahalalana tsy ara-pivavahana rehefa mikatsaka fianarana. Mety hanampy ny manazava fa ny fianarana tsy ara-pivavahana dia entina hilazana ny fianarana izay tsy mifandray mivantana amin’ireo fampianaran’ny filazantsara.
Inona no holazainao amin’ny olona iray izay mahatsapa fa tsy manam-potoana ho an’ny fianarana ara-pivavahana satria mifantoka loatra amin’ny fianarana tsy ara-pivavahana?
Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitrareo mikasika ilay fanontaniana teo aloha dia mety hanampy ny manasa ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:34 . Afaka mitady fampianarana izay manampy azy ireo hahita tsara kokoa ny antony hitiavan’ny Tompo mba hifantohana amin’ny fampianarana ara-pivavahana sy tsy ara-pivavahana izy ireo.
Ahoana no ahafahan’ny fifantohana amin’ny fampianarana ara-pivavahana miaraka amin’ireo fianarana akademika hafa ataonao manamafy ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
Rehefa avy mifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana teo aloha ireo mpianatra dia hevero ny hampiseho sy hizara ity teny nambaran’ny Filoha Henry B. Eyring manaraka ity.
Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanoritsoritra ireo fitahiana afaka ny ho azontsika rehefa miezaka mampifandanja ny fianarana ara-panahy sy tsy ara-pivavahana isika:
Ny fianarana ara-panahy no tokony laharam-pahamehantsika. … Mazava fa ny fanaovana ny fianarana ara-panahy ho lohalaharana dia tsy manafaka antsika amin’ny fianarana zavatra tsy ara-pivavahana. Ny mifanohitra amin’izany aza, mampisy tanjona ny fianarantsika zavatra tsy ara-pivavahana izany ary mamporisika antsika hiezaka mafy kokoa amin’izany.
Raha hazonintsika amin’ny toerana tokony hisy azy ny fianarana ara-panahy, dia tsy maintsy hanao safidy sarotra vitsivitsy isika eo amin’ny fomba hampiasantsika ny fotoanantsika. Saingy tsy tokony hisy velively ny fanaovana safidy an-tsitrapo hamela ny zavatra ara-panahy ho lasa ambinkambin-javatra eo amin’ny lamina arahina eo amin’ny fiainantsika. Tsy tokony hisy velively izany. Hiteraka loza izany. Mety tsy tonga dia hibaribary ilay loza amin’ny voalohany, na mety tsy hazava akory eto amin’ny fiainana an-tany aza. Kanefa tsarovy fa liana amin’ny fianarana ianao izay tsy ho an’ny fiainana an-tany fotsiny fa ho an’ny fiainana mandrakizay koa. Rehefa hitanao mazava amin’ny fomba fijery ara-panahy izany fahamarinana izany dia hametraka ho lohalaharana ny fianarana ara-panahy ianao nefa tsy hanamaivan-danja ny fianarana ny tsy ara-pivavahana. Raha ny marina dia hiasa mafy kokoa mihoatra noho ny tokony hanaovanao izany ianao eo amin’ny fianarana zavatra tsy ara-pivavahana raha tsy manana izany fahitana ara-panahy izany. (Henry B. Eyring, “Education for Real Life ,” Ensign , Oct. 2002, 17–18).
Ireo safidy momba ny fianarana ara-pivavahana ao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana
Ny Ray any An-danitra dia nanome antsika ireo rafi-pampianarana tohanan’ny Fiangonana izay afaka manampy antsika hanao laharam-pahamehana ny fianarana ara-panahy. Ireo rafitra azo avy amin’ny fanentanam-panahy ireo dia noforonina mba hitahiana ny zanak’ Andriamanitra.
Ampio ireo mpianatra hahafantatra ireo safidy ho an’ny fianarana ara-pivavahana mandritra ireo taona maha-tanora azy ireo.
Makà fotoana hamakiana sy hifanakalozana hevitra momba ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Institiota fianarana ny Filazantsara” miaraka amin’ny iray kilasy. Omeo fahafahana hametraka fanontaniana momba ny institiota ny mpianatra. Mety hanampy ny manasa mpampianatra na mpianatra institiota eo an-toerana hiresaka momba ny institiota sy hamaly fanontaniana.
Na dia manatrika ny tsirairay amin’ireo rafi-pampianaran’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana (DFF) aza ireo mpianatra manerana an’izao tontolo izao, dia mety hanampy ny mampiseho amin’ny mpianatra ireo safidy izay tena misongadina ao amin’ny faritra misy anao. Afaka manampy ity tabilao manaraka ity.
Faritra ara-jeôgrafika voakasika
Ireo rafi-pampianaran’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana (DFF).
Faritra ara-jeôgrafika voakasika
Faritra rehetra maneran-tany
Ireo rafi-pampianaran’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana (DFF).
Institiota fianarana ny filazantsara; BYU–Pathway Worldwide
Faritra ara-jeôgrafika voakasika
États-Unis sy Canada
Ireo rafi-pampianaran’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana (DFF).
Brigham Young University; BYU-Idaho
Faritra ara-jeôgrafika voakasika
Azia sy Nosy Pasifika
Ireo rafi-pampianaran’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana (DFF).
BYU-Hawaii
Faritra ara-jeôgrafika voakasika
Utah sy ireo faritany manodidina
Ireo rafi-pampianaran’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana (DFF).
Ensign College
Alohan’ny hanasana ireo mpianatra hamantatra ny momba ireo rafi-pampianarana hafa ao amin’ny DFF dia hevero ny hanampy ireo mpianatra hanombantombana hoe iza amin’ireo rafi-pampianarana ireo no tena sahaza azy ireo.
Ny fomba iray azonao anaovana izany dia amin’ny alalan’ny famoronana zava-miseho vitsivitsy izay mamaritra ny olona mety tsara amin’ny rafi-pampianarana tsirairay. Safidy iray hafa ny fanomezana ny mpianatra ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Inona no rafi-pampianarana ao amin’ny DFF mety amiko?” Rehefa avy namaky ilay taratasy zaraina ireo mpianatra ary nahita ny zavatra ilainy sy ny faniriany dia asao izy ireo hitady ny rafi-pampianarana izay mety ho sahaza azy ireo.
Asio marika ireo teny ambara izay tsapanao fa tena mamaritra anao:
Noho ny asa na andraikitra hafa dia mila manana fahafahana hanovaova ny fandaharam-potoanako aho.
Efa nahazo naoty tsara aho taloha.
Hahazo tombony aho amin’ny fananana mpanoro hevitra ara-pianarana.
Ho sahirana aho amin’ny fahazoana ny vola ilaina handoavana ny saram-pianarana any amin’ny oniversite.
Mety ho sahirana aho amin’ny fidirana any amin’ny ankamaroan’ny oniversite.
Liana amina traikefa ara-pianarana akademika hentitra aho.
Liana amina kilasy kelikely aho.
Mikasa ny hianatra any amin’ny oniversite aho fa tsy any amin’ny iray amin’ireo oniversiten’ny Fiangonana.
Tanjon’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana: Hamokatra mpanara-dia an’i Jesoa Kristy izay mpitarika eo anivon’ny tokantranony sy ny Fiangonana ary ny fiarahamonina misy azy.
[Pejy 1]
“Mampiasa ny fampianarana ny Tompo amin’ny fanangonana lehibe an’i Isiraely izay mitranga ao amin’ny Fiangonana ankehitriny. Manomana izao tontolo izao amin’ny fiverenany Izy, ary ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana dia iray amin’ireo loharano maro hampiasainy amin’izany ezaka izany. Ny rafi-pampianarana tsirairay dia manao zavatra miavaka mba hitahiana ny Fiangonana maneran-tany. Ny rafi-pampianarana tsirairay dia manana tanjona sy andraikitra manokana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba tsy hitovy amin’izao tontolo izao, sy tsy hitovy amin’izy samy izy, izay zavatra mahavariana tokoa.”
—Loholona Clark G. Gilbert, Mpiandraikitra ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana
MIDIRA HO MPIKAMBANA mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa momba ny fahafahana azo araraotina tsirairay: cesinfo.byu.edu .
MBA HIDIRANA amin’ny iray amin’ireo safidy ireo dia mandehana ao amin’ny apply.ChurchofJesusChrist.org .
FANTARO BEBE KOKOA ny momba ny rafi-pampianarana tsirairay ao amin’ny pejy manaraka ao amin’ity taratasy zaraina ity.
[Pejy 2]
Ny institiota dia toerana iray ivorian’ny tanora miaraka amin’ny namana, na any am-pianarana na tsy any am-pianarana, izay manana faniriana hiaina ireo fahamarinana mandrakizay eo am-piatrehana ireo zavatra tena misy eto an-tany ao anatin’ny fiainana andavanandro. Ny tanjon’ny institiota dia ny hanampy ireo tanora hahita sy hampihatra ireo fomba mahomby mba hahatongavana kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy.
Ny institiota dia manatona an’ireo mpianatra any amin’ny toerana misy azy ireo amin’ny dia ara-pinoana ataon’izy ireo. Izany dia toerana iray hiainan’izy ireo:
Fandaharam-pianarana mifototra amin’i Kristy avy amin’ny soratra masina sy ireo fampianarana ara-paminaniana.
Fikarohana traikefa momba ny fomba famakivakiana ireo toe-javatra ara-panahy sy ireo toe-javatra mifantoka amin’ny fanaovan-javatra mahasoa eo amin’ny fiainana.
Toerana ahitana fanajana, fahatakarana an-tsaina, ary fahazoana aina mba handraisana anjara, hametrahana fanontaniana ary hahazoana fomba fijery.
Fampianarana atao an-jotra sy mivantana, atrikasa ary fifanakalozan-kevitra.
Mahazoa fampahalalana misimisy kokoa ao amin’ny institute.ChurchofJesusChrist.org .
Ny BYU–Pathway Worldwide dia manao izay hananan’ny rehetra fahafahana hahazo mari-pahaizana avy amin’ny oniversite.
Afaka mandray soa avy amin’ny BYU–Pathway Worldwide ireo mpianatra izay maniry ny hanaraka fampianarana an-jotra, na te hanorina fahatokian-tena ara-pianarana, na mila fotoana bebe kokoa hamantarana izay tokony hatao aorian’ny lisea na sekoly ambaratonga faharoa.
Ny BYU–Pathway Worldwide dia mikarakara mpianatra any amin’ny firenena maherin’ny 180.
Atao an-jotra tanteraka ny fampianarana, ary ambany lavitra noho ny any amin’ireo sekoly hafa ny saram-pianarana.
Afaka mahazo mari-pankasitrahana manan-kery eo amin’ny sehatry ny asa ireo mpianatra ary afaka miroso amin’ny fahazoana diplaoma an-jotra amin’ny alalan’ny BYU–Idaho sy Ensign College.
Maharitra herintaona na latsaka ny famitana fianarana hahazoana ny mari-pankasitrahana atolotra tsirairay.
Mahazoa fampahalalana misimisy kokoa ao amin’ny cesinfo.byu.edu .
Ny iraka ataon’ny Brigham Young University (BYU) dia ny hanampy ny tsirairay amin’ny fikatsahany ny fahalavorariana sy ny fiainana mandrakizay. Ny BYU dia manolotra fotoam-pianarana voafaritra tsara ianarana taranja maro ao anatina tontolo iray mampandrisika izay hanantenana ny fanolorantena ho amin’ny fahamendrehana sy hanatratrarana tanteraka ilay ambaratonga azon’ny olombelona hahatongavana. Ny BYU dia mikatsaka ny hanana mpianatra manam-pinoana sy manan-tsaina ary manan-toetra miavaka izay manana fahaiza-manao sy faniriana hanohy hianatra sy hanompo ny hafa mandritra ny androm-piainany.
Ny BYU dia manolotra fahafahana mianatra izay manentana ny fanahy ka manambatra fahamarinana ara-panahy, fananana traikefa amin’ny fanaovana fikarohana, ary fianarana arahina fampiharana mivantana ho an’ny mpianatra rehetra.
Izy io dia sehatra manosika amin’ny firosoana hanohy fianarana any amin’ny ambaratonga ambony ao amin’ny oniversite sy hanana anton’asa.
Izy io dia manolotra fahafahana mahazo ireo zavatra iainana mahazatra amin’ny oniversite miaraka amin’ny fanatanjahan-tena karakarain’ny NCAA sy fampisehoana zavakanto sy mozika izay manana haavo mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena.
Mahazoa fampahalalana misimisy kokoa ao amin’ny cesinfo.byu.edu .
Ny BYU–Idaho dia manorina fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ary mampivelatra ny fitsipiny ao anatin’ny tontolo akademika sy ara-kolontsaina ary ara-tsôsialy mahasoa. Ny kilasy dia natao hanolorona ny zavatra tena iainana marina eto amin’izao tontolo izao mba hanomanana ireo mpianatra manana fahalianana sy fahaiza-manao isan-karazany amin’ny fianarana sy ny asa mandritra ny androm-piainana. Ny BYU–Idaho dia mikatsaka ny hanolotra fampianarana avo lenta amin’ny sarany mora ho an’ny mpianatra maro araka izay tratra.
Misy mari-pahaizana atolotra ho an’ireo taranja mihoatra ny 100.
Manam-pahaizana amin’ny sehatra misy azy avy ireo mpampianatra ary mametraka ny fampianarana sy ny fanoroana hevitra ny mpianatra ho laharam-pahamehan’izy ireo.
30 ny isan’ny mpianatra anaty kilasy amin’ny ankapobeny.
Mahazoa fampahalalana misimisy kokoa ao amin’ny cesinfo.byu.edu .
Ny BYU–Hawaii izay mifantoka amin’ireo mpianatra avy any Oseania sy avy any amin’ireo firenena manamorona an’i Azia dia manomana ireo mpianatra ho ohatra fakan-tahaka ho an’izao tontolo izao eo amin’ny fisian’ny filaminana sy firaisan-kina ao anatin’ny fahasamihafana ara-kolonsaina amin’ny alalan’ny fiainana ny fampianaran’i Jesoa Kristy. Ireo nahazo mari-pahaizana avy amin’ny BYU–Hawaii dia voaomana ho amin’ny asa fanompoana mandritra ny androm-piainany. Maneho ny fahaiza-misaina sy ny toetra miavaka ananan’ny mpitarika izay mpanompo izy ireo.
Mahazoa fampahalalana misimisy kokoa ao amin’ny cesinfo.byu.edu .
Ny Ensign College izay mifantoka amin’ireo mpianatra avy amin’ny faritra Utah dia mamokatra mpianatr’i Jesoa Kristy mahay sy azo itokisana. Ny fandaharam-pampianarana mifototra amin’ny fahaiza-manao dia manao izay hahazoan’ny mpianatra traikefa izay manomana azy ireo hahazo karama tsara ao anatin’ny herintaona ka hatramin’ny efa-taona. Tontolo mifono fikolokoloana ara-panahy no mameno ny fianarana lalina tanterahina ao amin’ny efitrano fianarana.
Afaka misoratra anarana amin’izany ny rehetra.
Misy safidy atolotra miisa 25 mahery izay ahazoana mari-pankasitrahana mihoatra ny 25, izay azo ampiasaina mba hirotsahana amin’ny fianarana ahazoana mari-pahaizana grade d’associé na licence.
Ireo mari-pankasitrahana sy mari-pahaizana an-jotra dia afaka ny ho azo amin’ny alalan’ny BYU–Pathway Worldwide.
Misy ny vondron’ny mpianatra isan-karazany.
Mahazoa fampahalalana misimisy kokoa ao amin’ny cesinfo.byu.edu .
Rehefa avy nomena fotoana ampy namakiana sy nandinihana ireo safidy atolotra ireo ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizara ny zavatra nianarany amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra mahakasika fanontaniana toy ireto manaraka ireto:
Inona avy ireo hevi-baovao azonao rehefa nandinika ireo safidy atolotra ireo ianao?
Inona no porofo hitanao momba ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny zavatra iriny ho an’ireo zanany?
Inona avy ireo fanontaniana mbola anananao?
Mamoròna drafitra hanaovana ho laharam-pahamehana ny fianaranao ara-panahy amin’izao fotoana izao sy any aoriana.
Raha mbola manana taona vitsivitsy ao amin’ny seminera ianao dia manorata tanjona iray hanohizana ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fianarana ara-panahy.
Raha efa akaiky hamita ny seminera ianao dia soraty ny dingana manaraka hataonao.
Ahoana no hanampian’ny drafitra nataonao anao mba hanohy hanakaiky kokoa ny Mpamonjy?
Asao ihany koa ny mpianatra izay vonona mba hizara ny drafitra nataony amin’ny iray kilasy. Amporisiho izy ireo hiresaka amin’ny ray na reny, na mpitarika ao amin’ny Fiangonana, na mpanoro hevitra iray momba ny drafitr’izy ireo sy ny fanantenan’izy ireo ho an’ny hoavy.
Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny lanjan’ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fianarana ara-panahy.
Ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) dia namaritra ny maha-zava-dehibe ny fanaovana ny fianarana ara-pivavahana ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainanao.
Mianara aminy, ao anatin’ny fianarana rehetra ataonareo. Mikatsaha fahalalana avy amin’ilay Mpampianatra ao anatin’ny fandalinana rehetra ataonareo. Izany fahalalana izany dia hameno amin’ny fomba mahatalanjona ny fiofanana tsy ara-pivavahana azonao ary hanome fahafenoana ny fiainanao sy ny toetranao izay tsy ho tonga amin’ny fomba hafa. (Gordon B. Hinckley, in Conference Report, Oct. 1964, 118)
Nampianatra izao ny Filoha M. Russell Ballard tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Ho anareo tanora mpitovo kosa dia tokony hisoratra anarana amin’ny institiota fianarana filazantsara ianareo. Raha toa ka mianatra ao amin’ny sekolin’ny Fiangonana ianareo dia atsofoy tsy tapaka ao anatin’ny taom-pianarana iray ny kilasy fianarana filazantsara. Tsy maintsy mitozo amin’ny fitadiavana fomba hianarana sy hitomboana ary handraisana fitaomam-panahy sy fitarihan’ny Fanahy Masina ianareo mandritra io fotoana manan-danja hiomanana amin’ny asa fitoriana ny filazantsara na fanambadiana mandrakizay io sy ny fiainana amin’ny maha-olon-dehibe anareo. Afaka manampy anareo hahatratra izany tanjona izany ny fandalinana tsara sy ombam-bavaka ny filazantsara amin’ny alalan’ny seminera, ny institiota na kilasy fianarana filazantsara.
Na mianatra ao amin’ny sekolin’ny Fiangonana ianareo na tsia, na mianatra eny amin’ny oniversite ianareo na tsia, dia aza mieritreritra hoe be atao loatra ka tsy afaka mandalina ny filazantsara. Hanome fandanjalanjana eo amin’ny fiainanareo ny seminera, institiota na ireo kilasy fianarana filazantsara ka hanampy ny fianarana tsy ara-pivavahana ataonareo amin’ny fanomezana anareo fahafahana ny handany fotoana hianarana ny soratra masina sy ny fampianaran’ny mpaminany sy ny apôstôly. (M. Russell Ballard, “Taranaka tanora tsara indrindra, ,” Liahona , mey 2015, 69)
Nampanantena izao ny Filoha Russell M. Nelson:
Iray amin’ireo faniriana lalina ato am-poko ny mba hahazoanareo izay rehetra omanin’ny Tompo mba hambara aminareo. Hanampy anao ny seminera sy institiota.
Ny fahazoana diplaoma ao amin’ny seminera sy institiota dia hampitombo ny fahafahanao tena hahay ireo zavatra manan-danja indrindra izay hataonao eo amin’ny fiainana. Ho anao ilay tena fifaliana! (Russell M. Nelson, “A Personal Invitation to Participate in Seminary and Institute ,” Feb. 4, 2019, ChurchofJesusChrist.org )
Ao anatin’ireo horonan-tsary ireo dia mijoro ho vavolombelona momba ny maha-zava-dehibe ny institiota ireo tanora efa lehibe manerana izao tontolo izao.
Ny mpianatra dia afaka mandray soa avy amin’ny famoronana fehezan-teny misy ny hoe “nahoana” izay mamaritra ny antony maha-zava-dehibe ny fahazoana fanabeazana ara-panahy ho azy ireo. Ohatra, ny mpianatra dia afaka mameno ity fehezan-teny manaraka ity ao amin’ny diary fandalinany: “Zava-dehibe amiko ny fikatsahana fianarana ara-panahy satria …”
Azonao atao ihany koa ny mametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra ny antony maha-zava-dehibe ny fianarana ara-panahy ho azy ireo.
Nahoana no zava-dehibe aminao ny mahazo fahalalana ara-panahy rehefa mikatsaka fahalalana tsy ara-pivavahana ianao?
Nahoana no zava-dehibe amin’ny fivoaranao ara-panahy ny fandraisana fampianarana ara-panahy miaraka amin’ny fampianarana tsy ara-pivavahana?
Rehefa avy namaky ny teny nambaran’ny Filoha Henry B. Eyring tao amin’ny lesona ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny zavatra niavaka tamin’izy ireo tao anatin’ny teny nataony. Apetraho ity fanontaniana manaraka ity avy eo:
Asao ny mpianatra hieritreritra momba ny laharam-pahamehan’izy ireo amin’izao fotoana izao amin’ny fianarana ary hieritreritra raha afaka ny handray soa avy amin’ny fanaovana fanitsiana izy ireo.