Seminera
Fiomanana amin’ny fianarana sy asa hatao any aoriana: Topimaso ankapobeny


“Fiomanana amin’ny fianarana sy asa hatao any aoriana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fiomanana amin’ny fianarana sy asa hatao any aoriana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fiomanana amin’ny fianarana sy asa hatao any aoriana

Fiomanana amin’ny fianarana sy asa hatao any aoriana

Topimaso ankapobeny

Nandidy antsika hikatsaka fianarana sy fanabeazana ny Tompo. Izany dia manampy antsika hitovy kokoa Aminy sy hanomana antsika amin’ireo fahafahana azo araraotina any aoriana. Amin’ny alalan’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, ny Tompo dia manolotra safidy izay afaka manampy antsika hanao laharam-pahamehana ny fianarana ara-panahy rehefa mandranto fianarana isika. Afaka manomana sy manao drafitra ho an’ny fianarana sy ny asa isika miaraka amin’ny fanampiany.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Ny maha-zava-dehibe ny fianarana

Sosokevitra amin’ny fandaminana ny fotoana: Hevero ny hampianatra ity lesona ity amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana. Ny fanaovana izany dia afaka manampy ny mpianatra hahita ny maha-zava-dehibe ny mandray ny fianarany amim-pahamatorana. Raha ampianarina any amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 dia azonao atao ny mampianatra ity lesona ity mandritra io herinandro io.

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fianarana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra amin’ny olon-dehibe na mpitarika iray mikasika ny maha-zava-dehibe ny fianarana. Azon’izy ireo atao ny mifanakalo hevitra momba ireo fahafahana ara-pianarana azo nararaotina izay tena sarobidy tamin’izy ireo sy ny anton’izany.

  • Taratasy zaraina:Ny maha-zava-dehibe ny fianarana

Fianarana ho an’ny tenantsika manontolo

Soso-kevitra momba ny fandaminana ny fotoana: Raha manana mpianatra amin’ny taona famaranana any amin’ny lisea na ny sekoly ambaratonga faharoa ianao, dia tsara indrindra ny mampianatra ity lesona ity alohan’ny hanombohan’izy ireo misoratra anarana any amin’ny oniversite na na ny fianarana ambony hafa. Ohatra, ny fe-potoana farany ho an’ny fararano fisoratana anarana ho an’ny taom-pianarana ao amin’ny BYU dia ny fiandohan’ny volana nôvambra. Ho an’ny BYU–Idaho sy ny BYU–Hawaii, ny fe-potoana farany ho an’ny fararano dia amin’ny fiandohan’ny volana febroary.

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hanao drafitra hanohizana ny fianarana ara-pivavahana eo am-panatanterahana ny fianarany tsy ara-pivavahana any aoriana.

Mamantatra ireo tanjaka sy fahafaha-manaoanananao

Sosokevitra momba ny fandaminana ny fotoana: Ity lesona ity dia tokony hampianarina alohan’ilay lesona izay mitondra ny lohateny hoe “Mampivelatra fahaiza-manao sy fahafaha-manao.” Raha toa ka mitaky fampiarahana lesona ny fandaharam-pampianaranao dia mety hahomby ny fampianarana ireo lesona roa ireo miaraka.

Tanjon’ny lesona: Hanampy ireo mpianatra hiomana amin’ireo anjara asa sy asa any aoriana amin’ny alalan’ny famantarana ireo tanjaka sy fahafaha-manao ilain’izy ireo ampitomboina amin’izao fotoana izao.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hamantatra ireo tanjaka sy fahafaha-manao ananan’izy ireo izay afaka manomana azy ireo amin’ny andraikitra sy asa any aoriana. Azon’izy ireo atao izany amin’ny alalan’ny famakiana ny tsodranon’ny patriarika na ny fakana hevitra amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana.

  • Taratasy zaraina:Fanombantombanana ataon’ny tena manokana momba ny fahaiza-manao sy fahafaha-manao

Mampivelatra ny fahaiza-manao sy fahafaha-manao

Sosokevitra momba ny fandaminana ny fotoana: Ity lesona ity dia tokony hampianarina aorian’ilay lesona izay mitondra ny lohateny hoe “Mamantatra ireo tanjaka sy fahafaha-manao anananao.” Raha toa ka mitaky fampiarahana lesona ny fandaharam-pampianaranao dia mety hahomby ny fampianarana ireo lesona roa ireo miaraka.

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hanao drafitra mba hampivelarana fahaiza-manao sy fahafaha-manao izay hanomana azy ireo amin’ny asa sy ireo andraikitra hafa any aoriana.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ireo fahaiza-manao sy fahafaha-manao izay mety hilain’izy ireo hananana ho an’ny asa na ireo andraikitra any aoriana. Azon’izy ireo atao ny mampiasa ireo izay hitan’izy ireo tao amin’ilay lesona mitondra ny lohateny hoe “Mamantatra ny tanjaka sy ny fahafaha-manao anananao.” Asao izy ireo hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo mampivelatra ireo fahaiza-manao na fahafaha-manao ireo mandritra ireo taona maha-zatovo azy.