“Lesona 190: Manorina fifandraisana mahasoa: Manorina fifandraisana matanjaka amin’ny fianakaviana sy ny namana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Manorina fifandraisana mahasoa,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 190: Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po
Manorina fifandraisana mahasoa
Manorina fifandraisana matanjaka amin’ny fianakaviana sy ny namana
Tian’ny Ray any An-danitra ho tia Azy sy ireo olona manodidina antsika isika. Rehefa mampivelatra fifandraisana akaiky amin’ny fianakaviana sy ny namana isika dia afaka mahazo fampiononana sy hery ary ny fanohanana ilaina mandritra ny fotoana tony sy ireo fotoana feno fahasarotana. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hikatsaka ny fanampian’ny Tompo mba hanorenana fifandraisana izay mitondra anjara biriky hanatsarana ny fahasalaman’izy ireo sy hanomezana izay mahasoa azy ireo amin’ny ankapobeny.
Sahanasa fianarana azo atao
Inona no manan-danja indrindra?
Asao ny mpianatra hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo zavatra tsapany fa manan-danja indrindra eo amin’ny fiainana.
Asehoy ity teny nambara manaraka ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany.
Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, dia nampianatra mikasika ireo zavatra izay manan-danja indrindra;
2:3
Rehefa mitodika any amin’ny Raintsika any An-danitra isika sy mikatsaka ny fahendreny mikasika ireo zavatra manan-danja indrindra dia mianatra tsy tapaka indray ny maha-zava-dehibe ireo fifandraisana lehibe efatra: ny fifandraisana amin’ Andriamanitra, amin’ny fianakaviantsika, amin’ny mpiara-belona, ary amin’ny tenantsika. (Dieter F. Uchtdorf, “Ny amin’ireo zavatra izay manan-danja indrindra ,” Liahona , nôv. 2010, 21)
Asao ny mpianatra hanisy faribolana ireo andian-teny nosoratany teny amin’ny solaitrabe izay mampiseho fa ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra sy ny hafa dia anisan’ireo zavatra manan-danja indrindra eo amin’ny fiainana. Raha ilaina dia ampio hoe “ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra sy ny hafa” eo amin’ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe.
Hazavao fa ity lesona ity dia hifantoka amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa. Asao ny mpianatra hieritreritra momba ny sasany amin’ireo fifandraisany amin’olona amin’izao fotoana izao ary raha toa ireo fifandraisana ireo ka mitondra azy ireo hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra sy manome azy ireo ny tanjaka sy ny fanohanana ilainy eo amin’ny fiainany. Afaka misaintsaina ihany koa izy ireo hoe ahoana no tian’ny Tompo hanamafisan’izy ireo ny fifandraisana efa misy na hanorina fifandraisana vaovao.
Ny fifandraisantsika amin’ny hafa
Zarao ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Ohatra amin’ny fifandraisana manan-danja teo amin’ny Tantaran’ny Fiangonana sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana,” ary asao ny mpianatra hitady porofon’ity fahamarinana manaraka ity: Fomba iray ahafahan’ Andriamanitra mitahy ny fiainantsika sy manamafy orina ny finoantsika ny fifandraisana manan-danja amin’ny hafa. (Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)
Mieritrereta fomba hanampiana ireo mpianatra hampiasa ilay taratasy zaraina. Fomba iray hanaovana izany ny mandamina azy ireo ho vondrona ahitana mpianatra telo ary manendry ny mpikambana tsirairay ao amin’ny vondrona mba handalina ny iray amin’ireo ohatra ao amin’ilay taratasy zaraina. Rehefa mahavita ny fandalinana ny ohatr’izy ireo ny mpianatra dia amporisiho izy ireo hifandimby hizara amin’ny vondrona misy azy ny zavatra nianarany mikasika ny fomba ahafahan’ Andriamanitra mitahy antsika amin’ny alalan’ny fifandraisantsika amin’ny hafa.
Taorian’ny fitsidihany ny Havoana Komôrà tamin’ny septambra 1823, dia nizara antsipiriany momba ny zavatra niainany sy ny fitsidihan’ny anjely Môrônia tamin’ny fianakaviany i Joseph Smith. Nanohy nizara ny traikefany sy ny fahitana hitany tamin’ireo olona akaiky azy indrindra i Joseph. Raha nampahatsiahy ireo fihaonana masina ireo i Lucy Mack Smith, renin’ny Mpaminany, dia nirakitra izao manaraka izao izy:
Namory ny zanakay izahay isaky ny hariva. Raha ny hevitro dia nahitana ny trangan-javatra tsy mahazatra indrindra tamin’ny fianakaviana rehetra niaina teto ambonin’ny tany ny tao amin’ny fianakavianay, nipetraka nanao faribolana ny rehetra, ny ray, ny reny, ny zanakalahy ary ny zanakavavy nihaino tamim-pifantohana sy tamim-pientanentanana ny fampianarana ny filazantsara nataon’ny zazalahy iray. …
… Nanenika ny tranonay ny firaisan-tsaina sy ny fahasambarana mamy indrindra. Tsy nisy fifandirana nanelingelina ny fiadananay, ary nanjaka teo aminay ny fitoniana. (Lucy Mack Smith, ao amin’ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 486 )
Inona no nanan-danja taminao momba ny fianakaviana Smith araka io tantara io?
Ahoana no mety ho nanampian’ny fitiavana tsapan’i Joseph tao an-tranony azy hanatanteraka ny antsony manan-danja?
Inona no ianaranao avy amin’io ohatra io mikasika ny fomba ahafahan’ Andriamanitra mitahy anao, na ny fomba ahafahanao manampy ny hafa ho voatahy, amin’ny alalan’ny fifandraisana manan-danja?
Raha nipetraka tany Nauvoo, Illinois, i Joseph Smith dia nieritreritra ny tombontsoa azo avy amin’ny fifandraisana manan-danja:
Horaisiko ho isan’ireo fitahiana lehibe indrindra, raha ory eto amin’ity tontolo ity aho, ny hananako ny anjarako izay hahitako rahalahy sy namana manodidina ahy. (Teachings: Joseph Smith , 466 )
Asao ny mpianatra hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianarany sy ny fomba ahafahan’ Andriamanitra mitahy antsika amin’ny alalan’ny fifandraisantsika misy eo amintsika sy ny hafa.
Inona no nianaranao momba ny hasarobidin’ny fanorenana fifandraisana manan-danja amin’ny hafa eo amin’ny fiainanao?
Nahoana no mety hisy fiantraikany amin’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra sy ny fahasalamantsika ary ny zavatra mahasoa antsika amin’ny ankapobeny ny fanorenana sy fanamafisana fifandraisana amin’ny hafa?
Azonao atao ny mandany fotoana hiresahana momba ny fahaiza-manao amin’ny fanorenana fifandraisana. Omeo tapa-taratasy kely tsy misy na inona na inona ny mpianatra tsirairay. Amporisiho izy ireo hanoratra zavatra iray farafahakeliny izay afaka manampy olona iray hanorina na hanamafy orina fifandraisana amin’ny olona iray hafa. Angony ireo tapa-taratasy ary vakio mafy amin’ny iray kilasy ny maromaro amin’izany. Raha ilaina, dia zarao amin’ny mpianatra ny sasany amin’ireto hevitra ireto na izy rehetra.
Mitadiava tombontsoa iombonana.
Fantaro ary ampiasao ny anaran’ny olona.
Mitsikia.
Mihainoa tsara rehefa miresaka ny hafa.
Derao sy dokafy amin-kitsimpo ny olona.
Aza mitsara na mitady fahadisoana.
Mampisehoa fahalianana marina.
Ento am-bavaka amin’ny anarany ny olona.
Katsaho ny hiantra olona.
Manàna faharetana.
Mitadiava fahafahana manompo.
Omeo fotoana ny mpianatra ao am-pianarana mba hampiharana ny sasany amin’ireo fahaiza-manao fanorenana fifandraisana ireo. Ity ohatra manaraka ity dia mety hanampy raha toa ka tsy mifankahafantatra anarana tsara ny mpianatra. Raha efa mifankahalala anarana ny mpianatrao dia hevero ny hisafidy fahaiza-manao hafa hampiharina.
Farito: Hazavao fa ny fampiasana ny anaran’ny olona dia fahaiza-manao manampy amin’ny fanorenana fifandraisana mahasoa. Hazavao fa ny Tompo dia miantso antsika amin’ny anarantsika (jereo ny Genesisy 35:10 ; Lioka 19:5 ; Enôsa 1:5 ; Joseph Smith—Tantara 1:17 ). Anontanio ny mpianatra hoe inona no tsapan’izy ireo rehefa mahafantatra sy miantso azy ireo amin’ny anarany ny hafa.
Manaova ohatra: Ampahafantaro ny mpianatra fa hampanaovina fanamby izy ireo hifankahafantatra ny anarany sy hifampiantso amin’ny anarany. Hazavao fa fomba iray hahatsiarovana ny anaran’ny olona ny fanoratana izany sy ny famerenana mamaky izany. Rehefa manonona ny anaran’ny tsirairay ao amin’ny kilasy ianao dia asao ny mpianatra hanoratra izay anarana tsy fantany.
Mety hanampy ihany koa ny manontany ireo mpianatra hoe inona no misakana tsy hahatadidiana ny anaran’ny olona sy ny fomba mety handresena ireo sakana ireo.
Manaova fanazaran-tena: Omeo minitra vitsivitsy ny mpianatra hamerina hijery ireo anarana nosoratany. Dia avelao izy ireo hanao fanazaran-tena. Azonao ampiarahana tsiroaroa izy ireo ary jereo raha afaka miara-miasa amin’ny fanononana ny anaran’ny tsirairay ao amin’ny kilasy. Anontanio hoe iza no afaka manonona samirery ny anarana tsirairay ao amin’ny kilasy ary raha misy afaka dia asao izy ireo hanao izany. Raha toa ka azo atao ny mampanao fanamby iray hafa azy ireo dia asao ny mpianatra hiova toerana fipetrahana ary avy eo dia jereo raha mbola afaka milaza ny anaran’ny rehetra ny mpianatra.
Raha ampy ny fotoana dia mifidiana fahaiza-manao fanampiny. Ohatra, asao ny mpianatra hitady zavatra mampitovy azy ireo amin’ny hafa. Azon’izy ireo atao ny miara-miasa amin’olona ao amin’ny efitrano izay tsy mahazatra azy ny miara-miasa aminy ary mifanontany mba hahafantarana izay zavatra mitovy mahaliana azy ireo. Afaka mifindra eny amin’ny mpianatra hafa izy ireo avy eo mba hamerina ilay fanazaran-tena. (Mba hanambarana ireo fahaiza-manao roa ireo dia amporisiho ny mpianatra hifampiantso amin’ny anarany mandritra ilay dingana.)
Fampiharana ataon’ny tena manokana
Mijoroa ho vavolombelona momba ny fitiavana tsapan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho an’ny mpianatra tsirairay. Mijoroa ho vavolombelona fa Andriamanitra dia afaka mitahy sy manamafy orina ny fiainan’izy ireo amin’ny alalan’ireo fifandraisana manan-danja izay katsahiny haorina sy hokolokoloina. Azonao atao ihany koa ny mizara ohatra iray amin’ny hoe voatahy sy mahazo hery amin’ny alalan’ny fifandraisana amin’ny olona eo amin’ny fiainanao manokana.
Asao ny mpianatra hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanao izao manaraka izao:
Eritrereto ny fomba mety ho tian’ny Tompo hanampiana anao hanamafy orina fifandraisana efa misy na hanorina fifandraisana vaovao. Ampiasao ny zavatra nianaranao androany, ka manaova drafitra hanamafisana ny fifandraisanao amin’io olona io. Ampidiro ao ny fomba hitodihanao any amin’ny Tompo mba hahazoana fanampiana amin’io dingana io.
Ny ampahany hoe “Mianara ” amin’ny toko faha-8 ao amin’ny boky torolalana Puiser de la force dans le Seigneur : résilience émotionnelle (2021) dia manome hevitra sy soso-kevitra hanamafisana ny fifandraisana amin’ny hafa.
4:16
Ilay lahatsoratra hoe “Édifier des relations significatives ” ao amin’ny Liahona (pejy 6–9) tamin’ny aogositra 2018 dia manasongadina fomba azo hanorenana fifandraisana matanjaka kokoa amin’ireo olona eo amin’ny fiainanao.
Ireo lahatsoratra hoe “L’exemple du Sauveur dans la façon de se faire des amis ” ao amin’ny Liahona (pejy 74) tamin’ny desambra 2019 dia manome fanampiana hanamafisana ny fifandraisana amin’ny hafa sy handresena ny fahatsapana ho manirery.
Nanazava ny Filoha Dieter F. Uchtdorf tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany hoe:
2:3
Manorina izany fifandraisana izany isika isaky ny olona iray—amin’ny alalan’ny fihainoana ny filan’ny hafa, ny fanompoana azy ireo, ary ny fanomezana ny fotoanantsika sy ny talentantsika. Tena nitolagaga aho tamin’ny rahavavy iray izay novesaran’ny fanambin’ny taona sy ny aretina saingy nanapa-kevitra fa na dia tsy afaka manao be aza izy dia afaka mihaino. Ary noho izany, isan-kerinandro izy dia nitady olona izay hita ho manana olana sy kivy ary dia nandany fotoana niaraka tamin’izy ireny, nihaino azy ireny. Tena fitahiana teo amin’ny fiainan’ny olona maro izy. (Dieter F. Uchtdorf, “Ny amin’ireo zavatra izay manan-danja indrindra ,” Liahona , nôv. 2010, 22)
Nampianatra izao ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:
2:3
Taona maro lasa izay dia mpanolotsaina voalohan’ny filohan’ny distrika iray tany atsinanan’i Etazonia aho. Mihoatra noho ny indray mandeha izy no niteny tamiko rehefa izahay ho any amin’ireo sampana kely tao amin’ny distrikanay hoe: “Hal a! rehefa mihaona amin’olona ianao, ka mandray azy ho toy ny hoe ao anaty fahasahiranana lalina, dia matetika ianao no tsy ho diso fihevitra.” Tsy vitan’ny hoe marina ny azy, fa hitako tao anatin’ireo taona nifandimby fa mbola ambany loatra aza ny tombantombana nataony. (Henry B. Eyring, “Miezaha, miezaha, miezaha ,” Liahona , nôv. 2018, 90).
Fomba iray hanorenana fifandraisana matanjaka kokoa ny fisorohana ny fitsaratsarana. Raha mitondra vokatsoa ho an’ny mpianatra ny fampiharana fahaiza-manao hanampiana azy ireo tsy hitsaratsara dia hevero ny hanao ity sahanasa manaraka ity:
Alamino ho vondrona kely maromaro ny mpianatra ary amporisiho izy ireo hieritreritra ireo hevi-diso na fitsaratsarana mety hataon’ny zatovo momba ny hafa. Ampitandremo ny mpianatra mba tsy hanonona olona manokana fantany na toe-javatra mety ho fantany. Asehoy ireto teny nambara manaraka ireto ary asao ny vondrona tsirairay mba hifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahan’ny iray na ny maromaro amin’ireo teny nambara ireo manampy ny zatovo handresy ny fakam-panahy hitsara ny hafa.
“Zanakalahy na zanakavavin’ny Ray any An-danitra koa izy ireo.”
“Azo inoana fa manao izay tsara indrindra vitany izy ireo.”
“Mety mandalo zavatra tsy fantatro izy ireo.”
“Betsaka kokoa ireo zavatra itoviantsika mihoatra noho ireo zavatra tsy itoviana.”
“Manana ny tanjany sy ny fahalemeny ny olona rehetra.”
“Tia azy ireo ny Mpamonjy ary izay zavatra tsara indrindra no iriany ho azy ireo.”
Rehefa avy mifanakalo hevitra momba ireo teny ambara ireo ny mpianatra dia mametraha fanontaniana toy izao manaraka izao:
Ahoana no ahafahan’ny fialana amin’ny fakam-panahy hitsara ny hafa manampy antsika ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa?
Manamafy orina ny fifandraisantsika amin’ny hafa amin’ny fomba ahoana ny fieritreretana zavara tsara momba ny hafa sy ny fisorohana ny fitsaratsarana?
Raha toa ka mitondra vokatsoa ho an’ny mpianatra ny fianarana momba ny famahana olana amin’ny fomba mahasoa dia hevero ny hampiseho na hamintina ireto fampahalalana manaraka ireto:
Ny tsy fitovian-kevitra sy ny fahasamihafana amin’ny hafa dia ampahan-javatra voajanahary amin’ny fifandraisana amin’ny hafa. Mety hitranga izany noho ny fahasamihafan’ny soatoavina, ny hevitra, ny fomba fiheverana, ny antony manosika hanao zavatra, ary ny faniriana. Ny fianarana miatrika ireo fahasamihafana ireo amin’ny fomba mahasoa dia afaka manamafy ny fifandraisanao amin’ny hafa. …
Rehefa misy tsy fitoviana eo amin’ny tsirairay dia mety ho sarotra aminao ny mampita mazava tsara ny hevitrao kanefa tsy tonga amin’ny fifandirana. Ny fampiasana hafatra mifantoka amin’ny “izaho” dia afaka manampy anao hilaza ny ahiahinao sy ny fihetseham-ponao ary ny zavatra ilainao amin’ny fomba mora kokoa ho an’ny mpihaino ny mandre sy mahatakatra azy. Ny hafatra mifantoka amin’ny “izaho” dia mifantoka amin’ny fihetseham-ponao sy ny zavatra niainanao manokana fa tsy amin’ny fomba fijerinao ny zavatra nataon’ilay olon-kafa na tsy vitany.
Ny ampahany voalohany amin’ny hafatra mifantoka amin’ny “izaho” dia mamaritra sy maneho ny fihetseham-ponao manokana, izay manan-danja amin’ny famahana ny fifandirana na ny tsy fitovian-kevitra. Manampy amin’ny fampihenana ny fahatsapana te hiaro tena izany ary manamora ny fifampihainoana. (Finding Strength in the Lord: Emotional Resilience [2021], 136 )
Mba hanehoana io fitsipika io dia zarao ireto ohatra manaraka ireto na asao ny mpianatra hieritreritra ohatra avy aminy manokana:
Ohatra ana hafatra mifantoka amin’ny “ianao”
Ohatra ana hafatra mifantoka amin’ny “izaho”
“Tsy mihaino na miezaka mahazo izay tiako holazaina mihitsy ianao.”
“Mahatsapa ho toy ny tsy misy mihaino aho na tsy misy mahatakatra izay lazaiko.”
“Tsy mba asianao fiheverana na fihetseham-po mihitsy ny fanomezana omenao na ny fihetsika asehonao.”
“Mahatsiaro ho tsy manan-danja sy atao tsinontsinona aho.”
Alamino tsiroaroa ny mpianatra ary asehoy ity sahanasa manaraka ity:
Dingana 1: Manapaha hevitra hoe iza no ho mpiara-miasa 1 ary iza no ho mpiara-miasa 2. Ny mpiara-miasa 1 dia hanomboka amin’ny fieritreretana hafatra mahazatra mifantoka amin’ny “ianao” izay efa reny. Ny mpiara-miasa 2 dia hamaly ka hamadika ireo hafatra mifantoka amin’ny “ianao” ireo ho lasa hafatra mifantoka amin’ny “izaho.”
Dingana 2: Ampifamadiho ny mpiara-miasa 1 sy 2, ary avereno ny dingana 1.
Dingana 3: Miaraha mieritreretra fihetsika feno fitiavana tokony hatao rehefa tsy noraisina araka izay nandrasana ny hafatra mifantoka amin’ny “izaho.”
Mba hamaranana ny lesona dia asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany avy amin’ilay sahanasa sy ny fomba mety hampiasany ny sasany amin’ireo fahaiza-manao ireo amin’ny namany sy ny fianakaviany.