“Lesona 184: Mikarakara ny Vatantsika: Fitandremana ny lalàn’ny fahasalamana ara-batana,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Mikarakara ny Vatantsika,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
Fanomezana tsy mampino avy amin’ny Ray any An-danitra be fitiavana ny vatantsika. Manaja izany fanomezana izany isika amin’ny alalan’ny fanaovana safidy feno fahendrena amin’ny fikarakarana ny vatantsika. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra haneho fankasitrahana ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fikarakarana ny vatany.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Fanamarihana: Rehefa mampianatra ity lesona ity dia zava-dehibe ny mitadidy fa mety ho sarotra ho an’ny mpianatra sasany ity lohahevitra ity. Ny fikarakarana ny vatany dia sarotra indrindra ho an’ireo miaina fikorontanana eo amin’ny fisakafoanana, ireo manana fahasembanana, sy manana aretina mafy ary miaina toe-javatra hafa.
Ampio ny mpianatra hiomana handalina ity lesona ity amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hizara ny fanerena tsapan’ny olona sy ny toe-tsain’ny olona momba ny bika aman’endrik’izy ireo. Ny fomba iray hanaovana izany dia ny fanoratana ny teny hoe Vatana eny amin’ny solaitrabe ary asao ny mpianatra hizara ny eritreriny mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto:
Inona avy ireo fanerena samihafa mety ho tsapan’ny olona momba ny vatany?
Inona avy ireo toetra samihafa ananan’ny olona momba ny vatany?
Asao ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo:
Inona no zavatra tsapanao momba ny vatanao? Nahoana?
Manao ahoana araka ny fahatsapanao ny fikarakaranao ny vatanao? Nahoana?
Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia mitadiava fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina mba hahafantaranao ny fomba ahafahanao mikarakara ny vatanao.
Fahamarinana avy amin’ny Tompo momba ny vatantsika
Vakio ilay andiam-pehezan-teny voalohany ao amin’ilay fizarana hoe “Masina ny vatanao ” ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy ([2022], 23).
Inona no zavatra nanaitra anao?
Soraty eny amin’ny solaitrabe izay fahamarinana rehetra lazain’ny mpianatra rehefa mizara izany izy ireo. Asao ny mpianatra hanazava ny antony ahatsapany fa manan-danja amin’ny zatovo ankehitriny izany fahamarinana izany.
Raha tsy lazain’ny mpianatra ity dia ampidiro ao amin’ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Fanomezana mahatalanjona avy amin’ny Ray any An-danitra ny vatanao .
Inona no mety ho fiantraikan’ny fahafantarana fa ny vatantsika dia fanomezana avy amin’ Andriamanitra eo amin’ny fihetsika asehontsika manoloana izany?
Inona no mety ho fiantraikan’ny fahafantarana io fahamarinana io amin’ny fomba fikarakarana ny vatantsika?
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra io fitsipika io sy ny fomba hikarakarana ny vatantsika izay fanomezana nomena antsika, dia azonao atao ny manasaratsaraka ny taratasy zaraina “Mikarakara ny vatantsika” ho eny amina toeram-piantsonana hanovozana fianarana miisa efatra. Azonao atao ny mandrindra ny kilasy ho vondrona kely izay afaka mihodina mitety ireo sahanasa fianarana tsirairay. Azonao atao ny manome taratasy iray izay apetraka eo amin’ny toeram-piantsonana hanovozana fianarana tsirairay mba hanatanterahan’ny mpianatra ilay ampahany mitaky fanoratana any amin’ny faran’ny fizarana tsirairay. Avy eo dia afaka mamaky ny zavatra nosoratan’ny vondrona hafa ny mpianatra ary manampy zavatra amin’izany
Ahoana no ahafahan’ny hevitry ny hafa hisy fiantraikany eo amin’ny zavatra tsapantsika momba ny vatantsika?
Inona no tsy mampitovy an’ireo fahamarinana tian’ny Tompo ho fantatsika ao amin’ny Genesisy 1:26–27 sy ao amin’ny 1 Korintiana 6:19–20 amin’ny hafatra mety ho azontsika avy amin’ny hafa?
Halalino ity torohevitra nomen’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Filoha Russell M. Nelson sy ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ka tadiavo izay afaka manampy amin’ny endriky ny vatantsika:
Isaky ny mijery fitaratra ianao dia jereo ho toy ny tempolinao ny vatanao. Izany fahamarinana izany, izay tokony hanehoantsika fankasitrahana isan’andro, dia afaka ny hisy fiantraikany tsara eo amin’ireo fanapahan-kevitra raisinao mikasika ny fomba hikarakaranao ny vatanao sy ny fomba hampiasanao izany. Ary ireo fanapahan-kevitra ireo no hamaritra ny anjaranao. (Russell M. Nelson, “Fanapahan-kevitra ho an’ny Mandrakizay ,” Liahona , nôv. 2013, 107)
Miangavy anareo aho … mba hanaiky bebe kokoa ny tenanareo, tafiditra ao anatin’izany ny bikan’ny vatanareo sy ny fomba fanaonareo, miaraka amin’ny fanenana kely kokoa ny hitovy amin’ny olona hafa. Samy hafa avokoa isika rehetra. Ny sasany lava ary ny sasany fohy. Ny sasany botabota ary ny sasany manifinify. Ary saika ny olon-drehetra mihitsy amin’ny fotoana iray na amin’ny fotoana hafa no maniry ny ho lasa zavatra hafa! Hoy anefa ny mpanoro hevitra iray ho an’ny zatovovavy: “Ianao dia tsy afaka miaina ny fiainanao miaraka amin’ny fitebitebena fa mibanjina anao izao tontolo izao. Rehefa avelanao hampamenamenatra anao ny hevitry ny olona dia mamoy ny herinao ianao. … Ny fanalahidin’ny fahatsapana [fahatokian-tena] dia ny fihainoana mandrakariva ny ao anatinao—[ilay tena ianao.]” Ary ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra, ilay tena ianao dia “sarobidy noho ny voahangy” [Ohabolana 3:15 ]. (Jeffrey R. Holland, “To Young Women ,” Liahona , Nov. 2005, 29)
Soraty ny zavatra iray izay heverinao fa tian’ny Tompo holazainao amin’ny olona iray izay tsy mahavita mahatsapa zavatra tsara momba ny vatany.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:124 , ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Tompo momba ny torimaso.
Mety ho olana ara-pahasalamana lehibe ny tsy fahampian-torimaso. Ny ankamaroan’ny manam-pahaizana dia manoro hevitra ny zatovo mba hatory adiny 8 ka hatramin’ny adiny 10 isan-kalina (jereo ny National Sleep Foundation, “How Much Sleep Do You Really Need?,” Oct. 1, 2020, thensf.org ). Ny tsy fahampian-torimaso dia mety hahatonga ny olona iray ho reraka, zara raha mahavita zavatra ary mora ianjadian’ny olana ara-batana sy ara-tsaina. Ny fahatsapana harerahana dia mety hahatonga antsika ho mora voan’ny fakam-panahy.
Resaho miaraka amin’ny vondrona misy anao ny torohevitra homenao ny olona iray izay te hanatsara ny fahazarana apetrany momba ny torimaso na ny olona izay hatoronao azy mba hakana torohevitra. Soraty eo amin’ny taratasy nomena ny hevitrao.
Ny hoe midonana-poana dia midika hoe mandanilany ny fotoanantsika, kamokamo, na manalavitra ny asa. Vakio ny iray na roa amin’ireto andininy manaraka ireto, ka tadiavo ny zavatra tsapan’ny Tompo momba ny fidonanaham-poanan’ny zanany: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:42 ; 60:13 ; 75:3 .
Nahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Tompo hazoto sy hiasa mafy isika fa tsy hidonana-poana?
Ahoana ny fomba nitahian’ny Tompo anao rehefa niezaka ny havitrika sy hazoto hiasa?
Ahoana no ahafahan’ny fanatanjahan-tena sy ny fananana fiainana feno fahavitrihana manatsara ny fahasalamantsika ara-tsaina? Ahoana no ahafahan’izany manampy antsika hanompo ny Tompo?
Soraty ny torohevitrao ho an’ny zatovo iray izay maniry ny hampivoatra ny haavon’ny fanatanjahan-tena sy ny asa ataony.
Vakio ireto andininy manaraka ireto ary tadiavo ny torohevitry ny Mpamonjy mikasika ny safidy amin’ny sakafo ara-pahasalamana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:16–20 ; 89:10–16 .
Ifanakalozy hevitra ny sasany amin’ireo sakana mahatonga ny tsy fihinanana sakafo ara-pahasalamana. Mizarà fomba vitsivitsy ahafahantsika mikatsaka ny fanampian’ny Tompo sy mandresy ireo sakana ireo.
Manorata lisitra telo mitondra ny lohateny hoe “Alaviro,” “Indraindray,” ary “Ara-pahasalamana” miaraka amin’ny vondrona iray. Miaraha miasa ka misafidiana sakafo mahazatra hitanao isan’andro. Ifanakalozy hevitra izay sokajy tokony hisy an’io sakafo io.
Aorian’ny fifandimbiasana dia asao ny mpianatra mba hizara ny zavatra nianarany sy izay ahiahy mety hananany. Mety hilaina ireto fanontaniana manaraka ireto:
Nahoana no mety ho sarotra ny manana fahazarana ara-pahasalamana sy mikarakara tsara ny vatantsika?
Nahoana araka ny eritreritrao no afaka manampy ny fitadidiana fa fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny vatantsika?
Ahoana no nanampian’ny Tompo anao na ny olona iray fantatrao mba hanana fahazarana ara-pahasalamana?
Asao ny iray kilasy hizara fahamarinana na zavatra niainana izay mety hanampy amin’ireo olana na ahiahy izay lazain’ny mpianatra.
Mba hamaranana dia asao ny mpianatra hanoratra ao amin’ny diary fandalinany ny zavatra tsapan’izy ireo fa tian’ny Tompo hataon’izy ireo mba hikarakarana tsara kokoa ny vatan’izy ireo
Ny Filoha Russell M. Nelson, izay mpandidy fo taloha, dia nampianatra hoe:
Arakaraka ny maha-ela velona ahy no ahazoako fahalalana bebe kokoa. Izany fahalalana izany dia manampy ahy hahatakatra fa ny fanomezana ny vatantsika dia fahagagana lehibe. Vatana tokana no omen’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana antsika tsirairay. Nohariny ho tabernakely ho an’ny fanahintsika izany, mba hanampiana antsika tsirairay ao anatin’ny fikatsahantsika hanatanteraka ilay tanjona feno amin’ny fahariana antsika. Ny vatantsika dia mamela antsika tsirairay hiaina ilay drafitra lehiben’ny famonjena izay namboariny ho an’ireo zanany sarobidy rehetra. Tiany ho tonga tahaka Azy kokoa isika amin’ny farany ary hiverina hiara-hiaina Aminy. Tsy ho tanteraka izany fitahiana lehibe izany raha tsy nahazo vatana aloha isika ao aanatin’ity fotoana fizahan-toetra ity. (Russell M. Nelson, “Your Body: A Magnificent Gift to Cherish ,” New Era , Aug. 2019, 2)
Nanazava ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
16:20
Ny fanokanana ny fiainana ho masina dia manaja ilay fanomezana tsy manam-paharoa, dia ny vatana nofo sy taolana izany izay zavatra noharin’ Andriamanitra tahaka ny endriny mihitsy. Ny tanjona lehibe indrindran’ny fiainana an-tany dia ny hanomezana ny fanahy tsirairay vatana toy izany ary hianarany mampihatra ilay safidim-pitondrantena nomena azy ao anatin’ny tabernakelin’ny nofo. … Ao amin’ity tontolo lavo ity, ny vatana sasany dia hisy kilema, na ho tapaka, na zara raha afaka ny hiaina, kanefa ampy ny halavan’ny fiainana ho an’ny fanahy tsirairay ary ny vatana tsirairay dia hitsangana amin’ny maty. (D. Todd Christofferson, “Reflections on a Consecrated Life ,” Liahona , Nov. 2010, 17)
Nanazava ny Loholona Adrián Ochoa ao amin’ny Fitopololahy hoe:
Mety ho sarotra ny fiainana, ary indraindray isika dia mety hahatsapa tebiteby, na hareraham-panahy aman-tsaina, na tsy fankamamiana ny tenantsika. Kanefa tadidio fa ho an’ny fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po, ny fampiasam-batana sy ny asa mafy dia manampy amin’ny fananana fomba fijery tsara. Ny fikolokoloanao ny vatanao koa dia mitondra soa ho an’ny sainao sy manampy anao hahatsiaro fa zanak’ Andriamanitra ianao, ary afaka ny hatoky tena sy ho faly. Mifandray avokoa ny lafiny ara-pihetseham-po sy ny lafiny ara-batana ary ny lafiny ara-panahintsika. (Adrián Ochoa, “Be Strong, Be Healthy, Be Smart ,” New Era , Oct. 2013, 42)
Ny Eveka Gérald Caussé ao amin’ny Episkôpà Mpiahy dia nilaza hoe:
Ireo fahazarana apetrakao ankehitriny mikasika ny fahasalamanao manokana dia hisy fiantraikany aminao ara-nofo sy ara-panahy mandritra ny androm-piainanao. Tsy tokony hampifantohanao any amin’ny fanarahana ny fironana tsy misy dikany hita eo amin’izao tontolo izao ny sainao. Tsy vitan’ny hoe tokony hanala tavy etsy na eroa na tokony hibata fonjam-by roapolo kilao fanampiny mba ho nofosana tahaka ny mpianatra mpiray efitrano aminao fotsiny izany! Ny tanjona dia ny hahazoana aina kokoa sy hahitana filamanana ara-nofo sy ara-panahy . Izany dia hanome anao ilay tombontsoa tena tsara mba hanana fahasalamana tsara mandritra ny androm-piainanao, izay hitondra fifaliana sy fahatokian-tena ho anao eo amin’ny fahaiza-manao anananao eto an-tany ary fahafantarana tsara kokoa ilay hery anaty anananao izay maharitra mandrakizay. (Gérald Caussé, “Harmony of Body and Spirit: A Key to Happiness ” [Brigham Young University devotional, Oct. 13, 2020], 5, speeches.byu.edu )
2:3
Mety hilaina ny miresaka momba ny fahadiovan’ny tena manokana miaraka amin’ny kilasinao, ary tsarovy fa tsy mitovy ny fitsipika mifehy ny fitaovam-pidiovana sy ny fahafahana mahazo izany eto amin’ny faritra rehetra eto amin’izao tontolo izao. Raha misafidy ity sahanasa ity ianao dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:41 , ka hitady ny tenin’ny Tompo momba ny fahadiovana. Ny fomba iray ahafahantsika mikarakara ny vatantsika, izay fanomezana mahatalanjona, dia ny fampiharana ny fanadiovana tsara ny tena manokana.
Amin’ny alalan’ny fampiasana ny maridrefy 1 (mahalana) ka hatramin’ny 5 (matetika) dia asao ny mpianatra hisaintsaina mangina hoe manao ahoana ny fikarakaran’izy ireo ny fanadiovan’izy ireo ny tenan’izy ireo manokana. Mety ho hita ao anatin’izany ireto manaraka ireto:
Sasao tsy tapaka amin’ny savony sy rano ny tananao.
Diovy amin’ny kofehy fanadiova-nify ary borosio isan’andro ny nifinao.
Mandroa ary sasao tsy tapaka ny volonao.
Sasao tsy tapaka ny akanjonao.
Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe nasaina nanangana trano heva fidiovana manokana iray izy ireo na nasaina nanao famelaberalana ho an’ny fiaraha-mientana iray an’ny Fiangonana. Asao izy ireo hiresaka momba ireo fitahiana avy amin’ny fahadiovan’ny tena manokana sy ny fomba ahafahan’izany manampy antsika haneho fankasitrahana ny Ray any An-danitra.