Seminera
Lesona 188—Miatrika alahelo sy fahaketrahana: Afaka manampy antsika handresy ireo olana ara-pihetseham-po eo amin’ny fiainana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany


“Lesona 188—Miatrika alahelo sy fahaketrahana: Afaka manampy antsika handresy ireo olana ara-pihetseham-po eo amin’ny fiainana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Miatrika alahelo sy fahaketrahana,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 188: Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po

Miatrika alahelo sy fahaketrahana

Afaka manampy antsika handresy ireo olana ara-pihetseham-po eo amin’ny fiainana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany

zatovo malahelo mipetraka miankina eo amin’ny rindrina

Nampanantena ny Mpamonjy fa afaka mahazo ny fahafenoan’ny fifaliana isika ao Aminy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:36). Na izany aza, ny fotoanan’ny alahelo sy ny fahakiviana dia ampahany mahazatra mandrafitra ny fiainantsika ety an-tany. Indraindray isika dia mety hanana fahatsapana famoizam-po sy fahaketrahana mahery vaika. Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia nanome loharanom-pitaovana hanampiana antsika handroso ao anatin’ny finoana mandritra ireo fotoana hiainana fahasarotana ara-pihetseham-po. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahany mahazo fanampiana rehefa mahatsapa alahelo sy fahaketrahana.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Toy ny onjan-dranomasina ny fihetseham-po

Fanamarihana: Mety hanampy ny mahafantatra fa tsy voatery ho manam-pahaizana manokana momba ity lohahevitra ity ianao vao afaka mampianatra ity lesona ity. Mivavaha mba hahazoana ny fitarihan’ny Fanahy Masina, araho ny ao anatin’ny fitaovana fampianarana, ary matokia ny mpianatrao. Raha toa ny mpianatra mametraka fanontaniana izay tsy hainao valina na mizara ny olana atrehiny manokana dia asao izy ireo hitady fanampiana avy amin’ny Tompo, ny ray aman-dreniny, sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ary ireo matihanina amin’ny fahasalamana ara-tsaina.

Ho fanombohana, dia mampisehoa sary na horonan-tsary iray ahitana onjan-dranomasina. Zarao na fintino ity andiam-pehezan-teny manaraka ity.

tongotra ao anaty fasika/onja

Alaivo sary an-tsaina hoe mijoro eny amoron-dranomasina ianao ary mijery ny onjan-dranomasina. Ny onja dia tahaka ireo zavatra tsapantsika. Misy onja sasany mikapoka moramora eo amin’ny tongotrao rehefa mijoro ao anaty rano ianao na rehefa mandehandeha eo amin’ny faritra marivo eo amin’ny rano. Amin’ny fotoana hafa dia mety ho tafiditra lalina kokoa ao anaty rano ianao ary mety hamely anao mafy kokoa na amin’ny fomba tsy ampoizina mihitsy aza ny onja, ka mahatonga anao tsy hahavita hijoro tsara. Indraindray dia mety hamely mafy anao ny onja lehibe ary mety hoe vao lasa ny iray dia tonga ny iray hafa. Mety ho sahirana ianao mamindra ary mety ho kendan’ny rano mihitsy aza na sahirana miaina.

Makà fotoana hisaintsainana ny fomba azo ampiharana io fanoharana io amin’ny olana ara-pihetseham-po toy ny alahelo, ny fahakiviana ary ny fahaketrahana.

Mba hanampiana ny mpianatra hanombantombana ny fahatakarany ity lohahevitra ity dia azonao atao ny manome ny sasany amin’ireto teny nambara manaraka ireto mba hodinihin’ny mpianatra.

Saintsaino ombam-bavaka ireto teny nambara manaraka ireto. Raketo ao anatin’ny diarinao hoe manao ahoana ny fiantefan’ny tsirairay amin’ireo teny nambara ireo eo aminao (ka ampiasao ny valiny hoe “eny,” “fantatro ny ankamaroany,” “fantapantatro ihany,” ary “tsy fantatro mihitsy”).

  • Fantatro ny fahasamihafana misy eo amin’ny alahelo sy ny fahakiviana ary ny fahaketrahana.

  • Fantatro ireo famantarana ny fahaketrahana.

  • Fantatro hoe aiza no hahazoana fanampiana raha mahatsapa ho ketraka aho.

  • Fantatro ny fomba ahafahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manampy ahy rehefa malahelo na ketraka aho.

Ny alahelo sy ny fahaketrahana

Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa ny alahelo sy ny fahakiviana dia zavatra sarotra kanefa singa manan-danja eo amin’ny fivoarantsika. Toy ny onja kelikely kokoa izy ireny, fihetsika miseho mahazatra manoloana ireo olana sy fahadisoam-panantenana eo amin’ny fiainana. Hazavao fa ny fahaketrahana dia zavatra hafa mihoatra noho ny hoe alahelo fotsiny. Ny fahaketrahana dia misy fiantraikany maharitra sady ratsy amin’ny fomba fisainan’ny olona iray, eo amin’ny zavatra tsapany ary eo amin’ny fihetsiny (toy ny onja lehibe kokoa). Ny soritr’aretin’ny fahaketrahana dia ny alahelo tsy mety afaka, ny famoizam-po, ny fahatsapana ho tsy misy dikany, ny tsy fahampian-kery, ny fahaverezan’ny fahalianana amin’ny zavatra nahafinaritra teo aloha, ny fahatsapana ho toy ny enta-mavesatra ho an’ny manodidina ny tena, ary ny fananana eritreritra te ho faty na te hamono tena. Ankoatra izany, rehefa ketraka ny olona sasany dia mety hahatsapa ho voasakana izy ireo eo amin’ny fahafahany mamantatra ny Fanahy. (Jereo ny “Understanding Sadness and Depression,” in Strength in the Lord: Emotional Resilience [2021], 75.)

Rehefa mieritreritra ny fiainanao manokana ianao dia saintsaino hoe karazana onja manao ahoana no mety hamaritra ny toe-pihetseham-ponao amin’izao fotoana izao.

Rehefa mandalina ianao androany dia katsaho ombam-bavaka ireo bitsiky ny Fanahy mba hanampy anao sy ireo izay fantatrao fa ao anatin’ny alahelo sy fahaketrahana.

Ny Isaia 61:1–3 dia mamaritra fomba maro ahafahan’ny Mpamonjy manampy antsika. Vakio ireo andinin-tsoratra masina ireo ka tadiavo ireo andian-teny izay eritreretinao fa azo ampiharina mba hanampiana olona iray izay malahelo na ketraka. Ny teny hoe “ahy” ao amin’ireo andininy ireo dia manondro an’i Jesoa Kristy, ilay Mesia.

  • Inona avy ireo teny na andian-teny nanan-danja taminao? Inona no hitanao ka afaka manampy olona iray izay miady amin’ny alahelo na ny fahaketrahana?

Ireo mpianatra dia mety hilaza ny fahafahan’ny Mpamonjy manampy, mampionona, ary mampitraka ny torotoro fo, ireo izay voageja na mahatsiaro ho voageja, ireo izay malahelo, ary ireo izay mahatsapa fanahy reradreraka.

Rehefa avy nomena fahafahana hizara ireo mpianatra dia asehoy ity teny nambaran’ny Rahavavy Reyna I. Aburto manaraka ity. Afaka manampy ireo mpianatra ny teny nambarany mba hamantatra ny zavatra azon’izy ireo atao mba hikatsahana fanampiana.

Nampianatra ny Rahavavy Reyna I. Aburto, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany hoe:

2:3

Na inona re miseho, mitoera eto!

Mijoro ho vavolombelona ny Rahavavy Aburto fa afaka manampy ireo zanak’ Andriamanitra rehetra ny Mpamonjy mba hizaka ireo rofy ara-tsaina sy ara-batana.

Rahavavy Reyna I. Aburto

Toy ny faritry ny vatana rehetra, ny atidoha dia mety ianjadian’ny aretina, fihotakotahana ary fikorontanana ara-tsimika. Rehefa marary ny saintsika, dia afaka mikatsaka fanampiana avy amin’ Andriamanitra isika, sy avy amin’ireo manodidina antsika ary avy amin’ireo matihanina eo amin’ny fitsaboana ny saina. …

… Tsy maninona mihitsy ny mahatsapa hoe malahelo na mikorontan-tsaina indraindray. Ny alahelo sy ny tebiteby dia fihetseham-po ara-boajanahary ao amin’ny olombelona. Saingy raha toa isika ka malahelo foana ary raha toa ny alahelontsika misakana ny fahafahantsika hahatsapa ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany ary ny fitarihan’ny Fanahy Masina, dia mety ianjadian’ny harerahan-tsaina na tebiteby na karazana korontana ara-pihetseham-po iray hafa isika. (Reyna I. Aburto, “Na inona re miseho, mitoera eto!,” Liahona, nôv. 2019, 57)

  • Inona avy ireo fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny hafatry ny Rahavavy Aburto?

Ampio ny mpianatra hahatakatra ilay fahamarinana hoe rehefa mijaly ny saintsika dia tokony hitady fanampiana avy amin’ Andriamanitra sy avy amin’ireo manodidina antsika ary avy amin’ireo matihanina eo amin’ny fitsaboana ny saina isika.

Mitadiava fanampiana avy amin’ Andriamanitra sy ny hafa ary ny matihanina

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra kokoa io fitsipika io dia asao izy ireo hamoritra taratasy iray hizara telo mba hamoronana boky kely iray. Ao anatin’ilay boky kely dia afaka mirakitra ny zavatra nianarany momba ny fitadiavana fanampiana amin’ny alahelo na ny fahaketrahana izy ireo. Mety afaka manampy azy ireo na ny olona akaikin’ny fony izany amin’izao fotoana izao na any aoriana any. Azon’ny mpianatra homena lohateny ireo fizarana telo hoe “Mitadiava fanampiana avy amin’ Andriamanitra,” “Mitadiava fanampiana avy amin’ny hafa,” ary “Mitadiava fanampiana avy amin’ireo matihanina.” sary famantarana ny taratasy zaraina Avy eo dia omeo ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Mitady fanampiana.” Afaka miasa irery na ao anaty vondrona kely ny mpianatra ary manoratra ao anatin’ilay boky keliny ny valin-teniny amin’ireo fanontaniana tao anatin’ilay taratasy zaraina.

Mitady fanampiana

Mitadiava fanampiana avy amin’ Andriamanitra

Nampanantena fanampiana masina ny Ray any An-danitra mba hahafahantsika mizaka ireo olana rehetra eto amin’ny fiainana an-tany. Nampanantena fomba maro hahatongavan’ny fanampiany Izy. Raha tsy mahita ny fanampiany amin’ny fomba iray isika, dia zava-dehibe foana ny tsy milavo lefona. Tohizo ny fitadiavana. Eo Izy.

  • Inona no zavatra fantatrao mikasika ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy izay manome anao fahatokian-tena fa afaka manampy anao hiady amin’ny alahelo sy ny fahaketrahana Izy Ireo?

Vakio ny Jakôba 2:8; Almà 26:27–28; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36; 136:29. Mitadiava fomba ahafahantsika mikatsaka ny fanampian’ny Tompo rehefa malahelo na ketraka isika.

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mba hataontsika rehefa malahelo na ketraka isika?

  • Inona avy ireo fomba hafa ahafahantsika mikatsaka fanampiana avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Raha tsy zavatra tena mahakasika loatra ny tena manokana, dia mizarà zavatra niainanao teo amin’ny fitadiavana fanampiana avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.


Mitadiava fanampiana avy amin’ny hafa

Nanazava ny Filoha Spencer W. Kimball hoe:

Filoha Spencer W. Kimball

Tena mandinika antsika Andriamanitra ary miambina antsika Izy. Saingy matetika amin’ny alalan’ny olona iray hafa no hanomezany izay ilaintsika. (Teachings of Presidents of the Church: Spencer W. Kimball [2006], 82)

Rehefa malahelo na ketraka isika, dia mety halaim-panahy hisintaka na hitokantokana lavitry ny hafa. Ny fanaovana izany dia mety hametra ny fahafahantsika mahita ny fanampiana omen’ny Ray any An-danitra antsika. Ny fitadiavana fanampiana amin’ny hafa dia mety hahitana ny firesahana amin’ny ray aman-dreny, na olona azo itokisana ao amin’ny fianakaviana, na mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Tanisao ireo zavatra roa na telo izay azon’ny olona manana olana iray atao mba hanatonana ny hafa na hamelana ny hafa hanampy azy ireo.

Raha tsy zavatra tena mahakasika loatra ny tena manokana, dia zarao ny fotoana iray izay nanampian’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na namanao anao nandritra ny fotoana niainana alahelo na fahaketrahana.


Mitadiava fanampiana avy amin’ny matihanina

Ny loharanom-panampiana manan-danja iray azontsika tadiavina dia ny fahendren’ireo mpitsabo azo itokisana misahana ny fahasalamana ara-tsaina. Eritrereto ilay fampitahana ny alahelo sy ny fahaketrahana amin’ny onjan-dranomasina tany aloha. Rehefa malahelo isika (miatrika onja kelikely kokoa), dia tokony hanaraka ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahafantarana ny fotoana hitadiavana ny fanampian’ny matihanina. Kanefa kosa, raha mahatsiaro ho ketraka na te hamono tena isika (miatrika onja lehibe), dia tena ilaina ny mitady ny fanampian’ny matihanina.

Vakio ity teny nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ka tadiavo ny zavatra nomen’ny Ray any An-danitra mba hanampiana antsika rehefa manana olana isika:

Loholona Jeffrey R. Holland

Mitadiava ny torohevitra avy amin’ny olona azo antoka izay nandia fanofanana manokana voamarina sy manana ny fahaiza-manao amin’ny maha-matihanina ary manaja ny soatoavina. Aoka hitsotra amin’izy ireo ianao mikasika ny tantaranao sy ny olana mahazo anao. Diniho amim-bavaka sy amim-pahamatorana ny torohevitra sy ny vahaolana omen’izy ireo. Raha toa voan’ny appendicite ianao, dia manantena Andriamanitra fa hangataka tsodranon’ny fisoronana ianao sady handray ny fitsaboana tsara indrindra mety hisy. Tahaka izany ihany koa ny amin’ny aretina ara-pihetseham-po. Miandrandra antsika ny Ray any An-danitra hampiasa ireo fanomezam-pahasoavana mahatalanjona rehetra izay nomeny mandritra ity fotoampitantanana feno voninahitra ity. (Jereo ny Jeffrey R. Holland, “Tahaka ny vilany ariana,” Liahona, nôv. 2013, 41)

Soraty ao amin’ilay boky kelinao ny ampahany amin’ny teny nambaran’ny Loholona Holland izay nanan-danja taminao.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ho an’ny olona iray ny mitady fanampiana matihanina amin’ny fahaketrahana?

Ampio ny mpianatra hamantatra ny toerana ahafahan’izy ireo mikatsaka fanampiana matihanina. Ny hevitra dia mety ho tsotra toy ny firesahana amin’ny mpanoro hevitra iray ao amin’ny sekoly, na amin’ny ray aman-dreny, na amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana azo itokisana mba hanampiana azy ireo hahita olona matihanina sahaza. Azonao atao ny manasa ny mpianatra mba hamantatra ny laharan’ny telefaonina fanaovana antso na ny tranonkala momba ny fisorohana ny famonoan-tena ao amin’ny faritra misy anao (jereo ny suicide.ChurchofJesusChrist.org ho an’ny laharan’ny telefaonina fanaovana antso hahazoana fanampiana sy ireo loharanom-pitaovana). Azon’izy ireo atao ny manoratra ireo loharanom-pitaovana ireo ao amin’ny boky keliny. Azon’ny mpianatra atao ny manisy marika ny pejy momba ny fisorohana ny famonoan-tena ao amin’ny tranonkalan’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fitaovana elektrônika.

Ireo loharanom-pitaovana hiresahana momba ny famonoan-tena dia azo jerena ao amin’ny suicide.ChurchofJesusChrist.org sy ao amin’ny “Sahanasa fianarana fanampiny” ato amin’ity lesona ity.

Ny sasany izay miady amin’ny fahaketrahana dia mety hahatsapa fa miteraka enta-mavesatra be loatra ho an’ny hafa sy ho an’ny Tompo mihitsy aza izy. Ampio ny mpianatra hitadidy ny fitiavan’ny Tompo sy ny faharetany ary ny heriny lavorary eo amin’ny fiainan’izy ireo ary hitadidy fa maniry ny hanampy antsika hitondra ny enta-mavesatsika Izy. Azonao atao ny mampahatsiahy amim-pitiavana ireo mpianatra fa misy foana ny fanantenana ho an’ny olona izay tratran’ny fahaketrahana na mieritreritra ny hamono tena.

Avereno jerena ny zavatra nianaranao

Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny antony maha-zava-dehibe ny mitady fanampiana avy amin’ Andriamanitra sy ny hafa ary ireo matihanina rehefa miatrika alahelo sy fahaketrahana. Afaka mizara ny zavatra nianarany sy tsapany androany ny mpianatra vitsivitsy, raha toa ka tsy zavatra mikasika loatra ny tena manokana izany.

Asao ny mpianatra hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina rehefa mameno ity manaraka ity izy ireo.

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao na ao amin’ny boky kelinao ny momba izao manaraka izao:

  • Ny zavatra hataonao hitadiavana ny fanampian’ny Tompo raha malahelo na ketraka ianao (mety ho tafiditra ao anatin’izany ny soratra masina hovakinao na ny mozika masina izay mitondra fanantenana ho anao)

  • Ny zavatra hataonao mba hanatonana ny hafa rehefa malahelo na ketraka ianao

  • Ny zavatra mety hataonao mba hanampiana olona iray malahelo na ketraka

  • Ny zavatra mety holazainao amin’ny olona iray manana olana ary manontany tena raha toa ka tokony hitady mpanoro hevitra momba ny fahasalamana ara-tsaina izy

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia afaka ny “hamafa ny ranomaso rehetra amin’ny maso[ntsika]” (Apokalypsy 21:4) ary “hanodidina [antsika] amin’ny sandrin’ny fitiava[ny]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:20).