“Lesona 186: Mikolokolo fomba fisainana mahasoa: Afaka manampy antsika hanitsy ireo eritreritra tsy mahasoa i Jesoa Kristy,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Mikolokolo fomba fisainana mahasoa,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 186: Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetsehampo
Mikolokolo fomba fisainana mahasoa
Afaka manampy antsika hanitsy ireo eritreritra tsy mahasoa i Jesoa Kristy
Mety hisy fiantraikany mahery vaika eo amin’ny zavatra tsapantsika sy ny zavatra ataontsika ny eritreritsika. Rehefa ampandraisintsika anjara amin’ny fomba fitantanantsika ny eritreritra ao amintsika ny Mpamonjy, dia afaka manampy antsika handresy eritreritra tsy mahasoa Izy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampitombo fahatsiarovan-tena amin’ny zavatra eritreretin’izy ireo sy hametraka fomba fisainana mahasoa.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Fihetsika manoloana ny andro ratsy iray
Ho fanombohana ny fotoam-pianarana dia azonao atao ny mampiseho ireto toe-javatra manaraka ireto ary asao ireo mpianatra hanoratra ny eritreritra voajanahary mety hananan’izy ireo ao anatin’ireo toe-javatra tsirairay ireo. Manaova fanitsiana amin’ireo toe-javatra mba hifanaraka tsara kokoa amin’ny zavatra ilain’ny mpianatra.
Mandeha manatrika hetsika fihaonana amin’ny olon-kafa aho ka mahatsapa fa zara raha mahafantatra ny olona ao aho.
Tsy maintsy miaraka amin’ny olona iray izay tsy mifankahazo amiko aho.
Maheno olona mitsikera ny Fiangonana aho.
Nahazo vokatra ratsy aho tamin’ny fanadinana izay nianarako mafy.
Asao ny mpianatra handinika ny hatetiky ny fahitan’izy ireo ny fomba fisainany manokana sy ny hoe manampy na marina kokoa ve ireo fomba ireo sa tsia.
Azonao atao ny mizara amin’ny mpianatra fa hanao fanazaran-tena hanasa ny fanampian’ny Mpamonjy izy ireo mba hanitsiana ireo fisainana diso sy tsy mahasoa. Asao ny mpianatra hikatsaka fitarihana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hahatakarana tsara kokoa ny fomba fisainan’izy ireo manokana, indrindra rehefa manoloana toe-java-tsarotra.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36 , ka tadiavo ny zavatra asain’ny Tompo hataontsika.
Inona no hitanao?
Inona, araka ny eritreritrao, no dikan’ny hoe mibanjina ny Mpamonjy ao an’eritreritsika?
Ohatra sasany amin’izany ireto manaraka ireto: misaintsaina ny amin’izay mety hataon’ny Mpamonjy ao anatin’ny toe-javatra atrehintsika, mitady fomba mety hampiharana ireo fampianarany amin’ilay toe-javatra ary mahatsiaro ny fitiavany.
Nahoana no mety ho sarotra ny mibanjina ny Mpamonjy ao an-tsaintsika?
Raha niresaka momba io soratra masina io ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra hoe:
Tsy maintsy aorina mafy eo amin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany ny fifantohantsika. Mitaky ezaka ara-tsaina be ny fiezahana mibanjina Azy amin’ny eritreritra rehetra. Kanefa rehefa manao izany isika dia hisinda ireo tahotra sy ahiahy. (Russell M. Nelson, “Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika ,” Liahona , mey 2017, 41.)
Mba hahitana ny fomba ahafahan’ny fitodihana amin’ny Tompo hisy fiantraikany eo amin’ny eritreritra, dia hevero ny hanasa ny mpianatra hitantara ny toe-javatra niainan’ny Mpaminany Joseph tao amin’ny Fonjan’i Liberty. Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa nogadraina tsy ara-drariny izy raha mbola niharan’ny fanenjehana mahery vaika kosa ny Olomasina. Azon’ny mpianatra atao ny mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–9 manontolo na ny ampahany amin’izany, ka hitady ny fomba nanampian’ny Tompo an’i Joseph tamin’ny ahiahy sy ny tahotra nananany.
Fomba fieritreretana tsy mahasoa
Mba hahatakarana ny fomba mety hanampian’ny fitodihana amin’ny Tompo ao an-tsaintsika antsika dia hevero ny hanao ity sahanasa manaraka ity:
Asehoy ity tabilao manaraka ity izay nalaina avy tamin’ny Finding Strength in the Lord: Emotional Resilience (Mahita hery ao amin’ny Tompo: Ny fananana herin-tsaina) ary alamino ho vondrona kely na tsiroaroa ny mpianatra. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hisafidy iray na roa farafahakeliny amin’ireo fomba fisainana tsy marina ary hifanakalo hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity. Ankoatra izany dia azon’ny mpianatra atao ny miezaka mamantatra ireo fomba fisainana tsy marina hafa izay tsikaritr’izy ireo.
Misy fomba fisainana tsy marina fanampiny izay azonao ampiasaina ho solony na fanampin’ireo izay voalaza eto. Mba hahitana ohatra amin’ny fomba fisainana tsy marina hafa, dia jereo ny Mahita hery ao amin’ny Tompo: Ny fananana herin-tsaina .
Fomba fisainana tsy mahasoa
Fanazavana
Ohatra
Fomba fisainana tsy mahasoa
Mandika vilana
Manao vinavina midadasika loatra na diso manoloana ny zavatra iray izay nitranga.
“Tsy nahomby tamin’ity enti-mody ity aho, tsy mahay matematika aho izany.”
Fomba fisainana tsy mahasoa
Maika hanatsoaka hevitra
Fiheverana an-tendrony ny eritreritry ny hafa na ny fakana sary an-tsaina ny mety ho vokatra ratsy indrindra mety hitranga.
“Azoko antoka fa mihomehy ahy izy ireo.”
Fomba fisainana tsy mahasoa
Tsy mijery ny lafin-tsaran-javatra
Mandà ireo zava-nitranga tsara rehetra satria mihevitra ianao hoe tsy misy dikany izy ireny.
“Nilaza ny ray aman-dreniko hoe nety tsara ilay fampisehoana nataoko, saingy fantatro fa tian’izy ireo fotsiny aho hahatsapa hoe tsy nampaninona ireo fahadisoana nataoko.”
Fomba fisainana tsy mahasoa
Manitatra
Manitatra ny fahalemenao na mampitaha izany amin’ny tanjaky ny hafa.
“Zara raha afaka miresaka amin’olona aho, ary rehefa mba afaka aho dia tsy mba mahay mivazivazy tahaka azy.”
Manaova fanazaran-tena amin’ny fihetsika manoloana ireo eritreritra tsy mahasoa
Hevero ny hizara amin’ny mpianatra tsirairay ilay taratasy zaraina hoe “Manitsy ireo eritreritra tsy mahasoa na tsy marina” amin’ny mpianatra tsirairay. Mariho fa hanao fanazaran-tena izy ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ireo zava-nitranga noresahina tany am-piandohan’ny fotoam-pianarana.
Hevero ny hanao izao manaraka izao mba hamaritana sy hanehoana ohatra ary hampiharana fahaiza-manao mba hanitsiana ireo eritreritra ratsy na tsy marina:
Farito: Rehefa manana eritreritra ratsy isika dia afaka manao izay hahatonga izany ho tsara amin’ny alalan’ny:
Famantarana ilay eritreritra tsy mahasoa na tsy marina.
Fametrahana fanontaniana iray na roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
Manaova maodely: Hevero ny haka ho maodely io fahaiza-manao io amin’ny alalan’ny fampiasana ny andalana voalohany ao amin’ilay tabilao etsy ambany miaraka amin’ny iray kilasy.
Fantaro ny eritreritra tsy mahasoa na tsy marina izay mety ho setrin’ilay zava-mitranga. Ny ohatra sasantsasany dia mety hahitana ny hoe “mitsara ahy ny olona rehetra” na “tsy haiko ny miaina amin’ny toe-javatra toy izany. Tsara kokoa ho an’ny olona rehetra raha toa ka tsy mandeha fotsiny aho.”
Eritrereto ny zavatra holazainao amin’ny namana iray izay niteny an’io eritreritra tsy mahasoa na tsy marina io. Mety hahitana izao ny ohatra sasantsasany: “Mieritreritra ve ianao fa marina 100% ny hoe mitsara anao ny hafa? Mety hoe manahy ny amin’ny tenany koa ve izy ireo?” sy ny hoe “Mahafinaritra ahy ianao. Tsy mahafaty antoka ny mahafantatra anao.”
Eritrereto ny fomba mety hanampian’ny fieritreretana ny Mpamonjy sy ny fampianarany amin’ny fanitsiana io eritreritra io. Ohatra, ny mpianatra dia mety hieritreritra momba ny hatsaram-panahin’ny Mpamonjy tamin’ny hafa, na ilay soratra masina manao hoe, “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa” (Jaona 13:34 ). Ao anatin’io maodely io dia azonao atao mihitsy aza ny mizara ny zavatra nambaran’ny Tompo ao amin’ny Isaia 55:8 mba hanampiana ny mpianatra hahita fa ny eritreriny momba antsika dia matetika tsy mitovy amin’ny antsika.
Manaova fanazaran-tena: Asao ny mpianatra hiasa ao anaty vondrona kely maromaro mba hiasa amin’ny ambin’ilay tabilao, hanoratra ny zavatra mety holazain’izy ireo amin’ny namana iray manana io eritreritra io sy ny fomba mety hanitsian’ny Mpamonjy amim-pitiavana io eritreritra io.
Amin’ny fiafaran’ny lesona dia hameno ny andalana banga eo amin’ny farany ambanin’ilay taratasy zaraina ny mpianatra.
Tranga
Inona no eritreritra tsy mahasoa na tsy marina mety hanananao?
Raha nanana izany eritreritra izany ny namana iray dia inona no holazainao aminy?
Ahoana no mety hanitsian’ny Mpamonjy io eritreritra io?
Mandeha manatrika hetsika fihaonana amin’ny olon-kafa izay tsy hahafantaranao na iza na iza ianao.
Tsy maintsy miaraka amin’ny olona iray izay tsy mifankahazo aminao ianao.
Maheno olona mitsikera ny Fiangonana ianao.
Nahazo vokatra ratsy ianao tamin’ny fanadinana izay nianaranao mafy.
Rehefa avy nomena fahafahana hizara ny zavatra nosoratany tao amin’ilay taratasy zaraina ny mpianatra dia hevero ny hanasa azy ireo hieritreritra zavatra tsy mahasoa na tsy marina izay mety hananan’izy ireo sy hanoratra izany eo amin’ny tsanganana mifanaraka amin’izany eo amin’ny andalana farany. Amporisiho izy ireo hampiditra ilay zava-nitranga izay afaka mitondra mankany amin’io eritreritra io. Asao ny mpianatra hanohy hampihatra io fahaiza-manao io amin’ny alalan’ny famenoana ireo toerana malalaka roa hafa eo amin’io andalana io.
Azonao atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fanirian’ny Mpamonjy sy ny fahafahany manampy antsika eo anatrehan’ireo eritreritra manahirana sy tsy marina ao amintsika rehefa mibanjina Azy ao an-tsaintsika isika.
Ity zavatra niainana manaraka avy amin’ny Loholona Ryan K. Olsen ao amin’ny Fitopololahy ity dia afaka manampy amin’ny fanehoana fa ny fijerena ireo eritreritsika amin’ny alalan’ny fomba fijery hafa dia afaka manampy antsika hanitsy ireo eritreritra tsy marina.
10:52
Fomba fisainana tsy marina
Fanazavana
Ohatra
Izy rehetra na tsy misy
Mahita zavatra na olona iray amin’ny lafy tsarany rehetra na amin’ny lafy ratsiny rehetra. Mitadiava andian-teny amin’ny alalan’ny teny toy ny hoe foana foana ary tna oviana na oviana .
“Izay zavatra tsy mety no lazaiko foana foana.”
Fanjohian-kevitra amin’ny alalan’ny fihetseham-po
Mitsara toe-javatra iray mifototra amin’ny zavatra tsapanao.
“Mahatsiaro tena ho meloka aho. Tsy maintsy hoe nanao zavatra tsy mety aho izay.”
Fanitarana fahatany
Rehefa niaina zavatra iray ianao dia ampiharinao amin’ireo zavatra hafa rehetra iainanao izany.
“Tsy tiako ny zavatra nolazain’ny mpampianatra ahy. Mpampianatra tsy mahay izy izany.”
“Nandainga tamiko ilay namako. Tsy marin-toetra amin’ny zava-drehetra izy izany!”
Karazana fanambarana misy hoe “Tokony”
Milaza amin’ny tenanao hoe tokony ho toy ny ahoana ny zava-drehetra.
“Tokony hahay kokoa ity noho ny amin’izao aho.”
Ho fanombohana ny fotoam-pianarana dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hamorona rafi-tantara ho an’ny zatovo iray. Azon’ny mpianatra atao ny mieritreritra anarana iray ho an’ilay zatovo ary avy eo dia mamorona zavatra izay mety hitranga aminy mandritra ny andro sarotra iray. Ireo ohatra mety holazain’ny mpianatra dia mety hoe matory foana nefa efa naneno ny fanairana ka dia tara any an-tsekoly, mikoropaka ary manadino zavatra ao an-trano, olona iray milaza zavatra mandratra ao an-dakilasy, misy zavatra lasa tsy mety ao amin’ny asa noho ny fanapahan-kevitry ny olona iray hafa, sy ny sisa. Mety hanampy ny mitarika ny hevitry ny mpianatra ho amin’ny hoe mety ny fanaovan’ilay zatovo tsirambina no mety ho nahatonga ireo olana sasany atrehiny, fa ny olana hafa kosa dia tsy azony fehezina mihitsy.
Rehefa tsy mandeha tsara ny fiainana dia karazana eritreritra manao ahoana no anananao? Hatraiza ny fahalalanao hoe misy ireo karazana eritreritra ireo?
Raha toa ka ilaina ny hahitan’ny mpianatra ohatra iray amin’ny fanitsian’ny Tompo ny eritreritra, dia hevero ny hampiasa ity ohatra manaraka ity na ny hanasa ny mpianatra hieritreritra ohatra hafa avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana rehefa nanampy ireo izay kivy ny Tompo mba hieritreritra amin’ny fomba marina kokoa ny toe-javatra niainan’izy ireo.
Ampahatsiahivo ny mpianatra ny fotoana nanomezan’ny Mpaminany Joseph Smith ireo pejy miisa 116 ao amin’ny Bokin’i Môrmôna an’i Martin Harris. Rehefa hitan’i Joseph fa very ireo pejy ireo ka tsy ho hita intsony dia natao tatitra izy hoe: “Very avokoa ny zava-drehetra! Very avokoa ny zava-drehetra! Inona no hataoko?” (Lucy Mack Smith, Tantara, 1845 131, , josephsmithpapers.org ; sorabaventy nohavaozina).
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:1, 9–10 ka tadiavo ny fomba nanazavan’ny Tompo ny fomba fisainan’i Joseph.
Fomba iray ahafahan’ny mpianatra manitsy ny fomba fieritreretany ny fahafantarana ny fomba fieritreretan’ny Mpamonjy momba azy ireo. Azonao atao ny maneho izany amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hamaky ny Jeremia 29:11 , ka hitady ny zavatra tsy mampitovy ny eritreritry ny Mpamonjy momba ny vahoakany tamin’ny andron’i Jeremia amin’ny eritreritr’ireo vahoaka momba ny tenan’izy ireo. Avy eo dia azonao atao ny manasa ireo mpianatra hieritreritra ohatra amin’izao androntsika izao mikasika ny zavatra mety tsy hampitovy ny eritreritsika momba ny tenantsika amin’ny fomba fieritreretan’ny Mpamonjy momba antsika. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hifanakalo hevitra momba ireto manaraka ireto.