Lesona 189: Hatao tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy: Dingana iray hahatongavana tahaka ny Mpamonjy kokoa
“Lesona 189: Hatao tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy: Dingana iray hahatongavana tahaka ny Mpamonjy kokoa,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Hatao tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Lesona 189: Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po
Hatao tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy
Dingana iray hahatongavana tahaka ny Mpamonjy kokoa
Ireo tsindry sy ny zavatra andrandraina maro eo amin’ny fiainana dia mety hahatonga antsika ho sahirana amin’ny fikatsahana ny tonga lafatra na hieritreritra amim-pahadisoana fa ny tenantsika ihany no tokony hanao izay hahatonga lafatra antsika. Noho ny sorona lehibe nataon’ny Mpamonjy dia afaka ny “hatao tanteraka ao Aminy” isika (Môrônia 10:32). Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra ireo eritreritra diso mifandray amin’ny fikatsahana ny tonga lafatra ary afaka manampy azy ireo hitodika amin’ny Tompo.
“Tsapako hoe mila manao mody faly kokoa sy manana fiainana milamina kokoa noho izay tena iainako aho.”
Toy ny ahoana ny habetsahan’ny olona manana eritreritra tahaka ireo raha ny fahatsapanao azy?
Nahoana ny olona no mety halaim-panahy hieritreritra toy izany?
Nanazava ny Loholona Vern P. Stanfill ao amin’ny Fitopololahy hoe:
Ny fikatsahana ho tonga lafatra dia mitaky fenitra tsy azo takarina sy napetraky ny tena manokana izay mampitaha antsika amin’ny hafa. Miteraka fahatsapana ho meloka, sy fiasan-tsaina, ary mety hitarika antsika hiala sy hitokana izany. (Vern P. Stanfill, “Ilay fijinjana tsy tonga lafatra,” Liahona, mey 2023, 113)
Eritrereto ny fomba mety hahatonga anao ho mora manana eritreritra mikatsaka ny tonga lafatra. Azonao atao ny mirakitra an-tsoratra ny valin-teninao amin’ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinanao.
Ahoana no ampitahanao ny tenanao amin’ny hafa amin’ny fomba tsy mahasoa?
Ahoana no ahafahanao mitodika amin’ny Tompo mba hiadiana amin’izany karazana fisainana izany?
Tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy
Nizara ny zavatra azontsika ifantohana ny Loholona Vern P. Stanfill mba handresena ireo eritreritra mikatsaka ny tonga lafatra:
11:2
Tsarovy fa ny fikatsahana ho tonga lafatra dia tsy mitovy amin’ny hoe hatao tanteraka ao amin’i Kristy….
Ny hoe hatao tanteraka ao amin’i Kristy dia … dingana, arahin’ny fitarihana feno fitiavan’ny Fanahy Masina, mba ho lasa tahaka ny Mpamonjy kokoa. Ireo fenitra dia apetraky ny Ray any An-danitra tsara fanahy sy feno fahalalana ary voafaritra mazava tsara amin’ireo fanekempihavanana izay hanasana antsika mba hataontsika. Manamaivana antsika amin’ilay ziogan’ny fahatsapana ho meloka sy tsy ampy fahatsarana izany, ary manantitrantitra mandrakariva ny maha isika antsika eo imason’ Andriamanitra. (Vern P. Stanfill, “Ilay fijinjana tsy tonga lafatra,” Liahona, mey 2023, 113)
Inona no tsapanao fa manan-danja ao amin’io teny nambara io?
Rehefa nitsidika ireo mponina fahiny tany Amerika ny Mpamonjy dia nanamafy indray fa ny fahatongavana ho tanteraka dia zavatra iriny sy irin’ny Rainy ho antsika rehetra. Vakio ny 3 Nefia 12:48 (jereo ihany koa ny Matio 5:48), ka tadiavo ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy.
Ny olona sasany dia mety miady amin’ny fananana eritreritra mikatsaka ny tonga lafatra rehefa mamaky io andininy io.
Amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’ny teny nambaran’ny Loholona Stanfill antsika hahatakatra kokoa ny zavatra izay ampianarin’ny Mpamonjy ao anatin’io andininy io?
Ahoana no ahafahan’izany manampy antsika hitodika any amin’ny Tompo rehefa mitolona amin’ny fisainana mikatsaka ny tonga lafatra isika?
Lasa tahaka ny Mpamonjy kokoa
Ifanakalozy hevitra hoe inona ireo andian-teny hitanao ao amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo na ireo teny nambara ireo izay:
Nanampy anao tany aloha tany tamin’ireo fahatsapana ho tsy mahavita ny zavatra nandrasana taminao.
Anananao fanontaniana.
Tianao hampiharina amin’ny fiainanao.
Fanoloana ny fikatsahana ny tonga lafatra amin’ny fahatongavana ho tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy
Ity fahaiza-manao manaraka ity dia afaka manampy antsika hanitsy ny fomba fisainana mikatsaka ny tonga lafatra sy hifantoka amin’ny fiezahana ho tonga tsaratsara kokoa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Rehefa mahatsikaritra fisainana mikatsaka ny tonga lafatra ianao, dia apetraho amin’ny tenanao ireto fanontaniana manaraka ireto:
Ahoana no mety ho tian’ny Mpamonjy hijereko ny tenako amim-pangorahana sy amim-paharetana?
Ahoana no ahafahako manaiky sy miantehitra amin’ny Mpamonjy sy ny heriny mba hanampy ahy, fa tsy miezaka manao samirery ny zava-drehetra?
Misafidiana iray amin’ireo ohatra momba ny eritreritra mikatsaka ny tonga lafatra any am-piandohan’ny lesona. Valio ireo fanontaniana etsy ambony sady mieritreritra izany ihany.