Seminera
Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po: Topimaso ankapobeny


“Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po

Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po

Topimaso ankapobeny

Rehefa mamakivaky ny fiainana isika dia miatrika toe-javatra iainana maro izay sarotra iainana ara-pihetsehampo. Afaka mitodika amin’ny Tompo isika mba hahazoana fanampiana ka ho lasa manana herin-tsaina kokoa hifehy ny fihetseham-po. Ireto lesona manaraka ireto dia mamporisika ny mpianatra hikarakara ny vatan’izy ireo, hampitombo fomba fisainana mahasoa, hikatsaka ny fanampian’ny Tompo rehefa miatrika rarin-tsaina, tebiteby, alahelo sy fahaketrahana; ary hanorina sy hanatanjaka ny fifandraisany amin’ny hafa.

Soso-kevitra amin’ny fandaminana ny fotoana: Ireo lesona ireo dia azo ampianarina amin’ny fotoana rehetra mandritra ny taom-pianarana na mandritra ny herinandro izay tiana hanaovana izany ao amin’ny fandaminana ny fotoana ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy. Na izany aza dia mety ho tsara indrindra ny mampianatra ny “Manorina tanjaka ara-pihetseham-po ao amin’ny Tompo” tsy mifanelanelana amin’ireo lesona manarakaraka izany. Afaka manampy kokoa ny mpianatra izany mba hianatra sy hampihatra ireo fahaiza-manao izay mifandray manokana amin’ireo lesona ireo.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Mikarakara ny vatantsika

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra haneho fankasitrahana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fikarakarana ny vatan’izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra tsapan’izy ireo momba ny vatan’izy ireo sy ny zavatra ataon’izy ireo mba hikarakarana izany. Azon’izy ireo saintsainina ihany koa ny fiantraikan’ny fihetsika sy ny zavatra ataon’izy ireo amin’ny vatany eo amin’ny fahasambaran’izy ireo, ny tanjany, ny zava-bitany, ary ny fifandraisany amin’ Andriamanitra.

  • Taratasy zaraina:Mikarakara ny vatantsika

Manorina tanjaka ara-pihetseham-po ao amin’ny Tompo

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hatoky fa hanohana azy ireo ny Mpamonjy amin’ny fanorenana tanjaka ara-batana sy ara-pihetseham-po.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo toe-javatra iainana feno olana ara-pihetsehampo izay atrehin’izy ireo na mety hatrehin’izy ireo amin’ny hoavy sy ny zavatra azon’izy ireo atao ao anatin’ireny toe-javatra ireny. Mety te hiresadresaka momba ny ao an’eritreriny amin’ny rainy na ny reniny na olona iray ao amin’ny fianakaviany izy ireo. Azonao tsindriana fa ny fomba fijerin’ny olon-kafa dia mety hanampy indraindray amin’ny fiatrehana olana ara-pihetseham-po.

Fiezahana hanana fahazarana hanana fomba fisainana mahasoa

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hiezaka hanana fahatsiarovan-tena amin’ny zavatra eritreretin’izy ireo sy hiezaka hanana fahazarana hanana fomba fisainana mahasoa.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hifantoka amin’ireo karazan-javatra mandalo ao an’eritreritr’izy ireo sy hanoratra izany rehefa miatrika toe-javatra sarotra na rehefa mifandray amin’ny hafa izy ireo.

Taratasy zaraina: “Manitsy ireo eritreritra tsy mahasoa sy tsy marina”

Mifehy ny rarin-tsaina sy ny tebiteby

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hamantatra sy hampihatra ireo fahaiza-manao hitodihana amin’ny Tompo mba hifehezana ny rarin-tsaina sy ny tebiteby.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra momba ny fotoana iray vao tsy ela izay nahatsapan’izy ireo fa nananany rarin-tsaina na tebiteby momba ny zavatra iray. Amporisiho izy ireo mba hisaintsaina ireo fahombiazana sy fahasarotana izay niainan’izy ireo rehefa niatrika rarin-tsaina sy tebiteby.

  • Taratasy zaraina:Ireo ambaratonga efatra amin’ny rarin-tsaina

Fiatrehana ny alahelo sy ny fahaketrahana

Tanjon’ny lesona: Hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahany mahazo fanampiana rehefa mahatsapa alahelo sy fahaketrahana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Mba hanomanana ny mpianatra handalina ireo fomba tsara hiatrehana ny alahelo sy ny fahaketrahana dia zarao ity teny ambara manaraka ity: “Fantatro ny fomba ahafahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manampy ahy rehefa mahatsapa malahelo na ketraka aho.” Asao ny mpianatra hanombantombana amim-bavaka ny fahamarinan’io teny ambara io amin’izy ireo sy ny halehiben’ny fatokisan-tenan’izy ireo hizara izany amin’ny hafa.

  • Zavatra haseho: Sary na horonan-tsary iray maneho onjan-dranomasina

  • Taratasy zaraina:Mikatsaka fanampiana

Hatao tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatakatra ireo eritreritra diso mifandray amin’ny fikatsahana ny tonga lafatra sy ny fomba hahafahan’izy ireo mitodika amin’ny Tompo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny fomba ahafahan’izy ireo mamariparitra ny maha-samy hafa ny fikatsahana ny tonga lafatra sy ny fahatongavana ho tanteraka amin’ny alalan’i Kristy. Afaka misaintsaina izy ireo hoe ahoana no mety hahatonga azy ireo halaim-panahy hieritreritra fa tsy maintsy miezaka ny ho tanteraka amin’ny herin’ny tenany manokana izy ireo.

  • Taratasy zaraina:Hatao tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy

Manorina fifandraisana mahasoa

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hikatsaka ny fanampian’ny Tompo mba hanorenana fifandraisana izay mitondra anjara biriky hanatsarana ny fahasalaman’izy ireo sy hanomezana izay mahasoa azy ireo amin’ny ankapobeny.