Lesona 185—Manorina tanjaka ara-pihetseham-po ao amin’ny Tompo: Mampitombo ny fahatokiantsika ny fanampian’ny Tompo eo anatrehan’ireo olana ara-pihetseham-po ananantsika
“Lesona 185—Manorina tanjaka ara-pihetseham-po ao amin’ny Tompo: Mampitombo ny fahatokiantsika ny fanampian’ny Tompo eo anatrehan’ireo olana ara-pihetseham-po ananantsika,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Manorina tanjaka ara-pihetseham-po ao amin’ny Tompo,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 185: Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po
Manorina tanjaka ara-pihetseham-po ao amin’ny Tompo
Mampitombo ny fahatokiantsika ny fanampian’ny Tompo eo anatrehan’ireo olana ara-pihetseham-po ananantsika
Satria tia antsika ny Ray any An-danitra dia nandefa ny Zanany Jesoa Kristy Izy mba hampahery sy hampionona antsika mandritra ireo fotoan-tsarotra eo amin’ny fiainana. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hanana fahatokian-tena fa hanohana azy ireo ny Mpamonjy eo amin’ny fanorenana tanjaka hiatrehana ny olana ara-pihetseham-po.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Toe-javatra sarotra ara-pihetseham-po
Eritrereto ny olana ara-pihetseham-po mahazo anao, na mety ho tojo anao tsy ho ela. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:
Manao ahoana ny fomba fiatrehanao toe-javatra sarotra ara-pihetseham-po? Nahoana?
Amin’ny alalan’ny maridrefy 1 hatramin’ny 10 (1 = tsy matoky mihitsy; 10 = faran’izay tena matoky), hatraiza ny handrefesanao ny fahatokianao fa afaka manampy anao sady hanampy ao anatin’ireo toe-javatra ireo ny Mpamonjy? Nahoana?
Fananana tanjaka hiatrehana ny olana ara-pihetseham-po
Tafiditra ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny hoe miatrika olana sy fahasahiranana isika rehetra mandritra ity fiainana ity. Na izany aza, rehefa mitodika any amin’i Jesoa Kristy sy miantehitra amin’ny famindram-pony sy ny fahasoavany isika dia afaka manampy antsika hanorina tanjaka hiatrehana ny olana ara-pihetseham-po Izy. Ny fananana tanjaka hiatrehana ny olana ara-pihetseham-po dia:
Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, ka tadiavo ny fomba niatrehan’ny Mpamonjy ny toe-javatra tsirairay. Raketo an-tsoratra izay fihetseham-po nasehon’ny Mpamonjy sy ny zavatra nataony.
Toe-javatra sarotra ara-pihetseham-po
Ny fomba niatrehan’ny Mpamonjy izany
Toe-javatra sarotra ara-pihetseham-po
I Jaona Mpanao Batisa dia novonoina tamin’ny alalan’ny baikon’i Heroda Antipasy.
Ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanambara izao:
Ho fanampin’ny fanomezana mendri-kaja ny famonjena dia nanolotra antsika fanampiana sy fampiononana ny Mpamonjy rehefa miatrika ireo fahoriana sy fakam-panahy ary fahalemena iainantsika eto amin’ny fiainana an-tany isika. … Afaka manome toky anareo aho fa i Kristy dia mahafantatra foana ireo zava-tsarotra iainantsika eto amin’ny fiainana an-tany. Takany avokoa ny alahelo sy ny fijaliana ary ny fanaintainana ara-batana ary koa ireo olana ara-pihetseham-po sy ara-panahy atrehintsika. Feno famindram-po ny kibon’ny Mpamonjy, ary vonona mandrakariva Izy hamonjy antsika. Vitany izany satria niainany manokana ary nalainy tao anatin’ny nofo ny fanaintainana avy amin’ny fahalementsika sy ny kilemantsika.
Tamin’ny halemem-panahy sy fanetrentena no nidinany ambanin’ny zava-drehetra sy nanekeny hatao tsinontsinona, nolavina ary nalain’ny olona baraka, noratraina noho ny fandikan-dalàna nataontsika sy ny helotsika. Niaritra ireo zavatra ireo Izy ho an’ny rehetra, ka nitondra teo Aminy ny fahotan’izao tontolo izao, ka nahatonga Azy ho mpikarakara antsika faratampony ara-panahy Izy.
Rehefa manakaiky Azy isika, ka mamela ny tenantsika hokarakarainy ara-panahy, dia ho afaka ny hitondra eo amintsika ny ziogany izay mora, sy ny entany izay maivana, ka hahita izany fampiononana sy fitsaharana nampanantenainy izany. Ankoatra izany dia hahazo ny hery izay ilaintsika rehetra isika mba handresena ireo zava-tsarotra, sy fahalemena, ary alahelo eo amin’ny fiainana, izay tena sarotra hiaretana raha tsy misy ny fanampiany sy ny fanasitranany. (Ulisses Soares, “Jesoa Kristy: Ilay Mpanasitrana ny fanahintsika,” Liahona, mey 2021, 83–84)
Inona avy ireo fahamarinana azontsika ianarana momba an’i Jesoa Kristy sy ny fahafahany manampy antsika avy fandalinana nataontsika?
Ahoana no ahafahan’ny fitodihana any amin’ny Mpamonjy sy ny fanarahana ny ohatra nasehony amim-pinoana manampy ny olona iray hanorina tanjaka bebe hiatrehana ny olana ara-pihetseham-po?
Maka sary an-tsaina ny fanampian’ny Mpamonjy
Akimpio ny masonao ary alaivo sary an-tsaina ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty miaraka aminao mandritra ny fotoan-tsarotra lalovanao. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
Aiza no hifandraisan’ny Mpamonjy aminao mandritra ny fotoan-tsarotra lalovanao? Inona no mety ho nataony raha niaraka taminao Izy?
Inona no mety hoeritreretinao na ho tsapanao rehefa eo akaikin’i Jesoa Kristy ianao?
Ahoana no mety hanampian’ny fanatrehany sy ny fitiavany ary ny fanohanany anao hitantana sy handresy ny adin-tsainao?
Eo anatrehan’ny zavatra fantatrao momba ny Mpamonjy, inona no mety holazainy aminao? (Azonao atao ny mampiasa andian-teny avy ao amin’ny soratra masina izay nolazainy tamin’ny hafa.) Inona no mety hasainy ataonao? Iza no mety hasainy mifandray aminao mba hahazoana fanampiana fanampiny?
Oviana ianao na ny olona fantatrao no nahatsapa ny fanampian’ny Mpamonjy nandritra ny toe-javatra sarotra ara-pihetseham-po?
Nahoana araka ny eritreritrao no mahatonga antsika hanana tanjaka bebe kokoa hiatrehana ny olana ara-pihetseham-po ny fitodihana any amin’ny Tompo?