Seminera
Lesona 187—Mifehy ny adin-tsaina sy ny fitebitebena: Afaka mampahery antsika i Jesoa Kristy


“Lesona 187: Mifehy ny adin-tsaina sy ny fitebitebena: Afaka mampahery antsika i Jesoa Kristy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Mifehy ny adin-tsaina sy ny fitebitebena: Afaka mampahery antsika i Jesoa Kristy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 187—Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po

Mifehy ny adin-tsaina sy ny fitebitebena

Afaka mampahery antsika i Jesoa Kristy

zatovo ianjadian’ny adin-tsaina

Miaina adin-tsaina avokoa isika rehetra. Ny adin-tsaina dia afaka manampy antsika hahavita ireo adidy fanao isan’andro sy hiatrika ireo fanambin’ny fiainana. Mety hisy vokany ratsy amintsika anefa ny adin-tsaina maharitra sy ny fahatsapana tebiteby. Afaka manampy antsika ny Tompo. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra sy hampihatra fahaiza-manao eo amin’ny fitodihana any amin’ny Tompo mba hifehezana ny adin-tsaina sy ny fitebitebena.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ny adin-tsaina sy ny Lesona 187—Mifehy ny adin-tsaina sy ny fitebitebena: Afaka mampahery antsika i Jesoa Kristy

Fanamarihana: Mety hanampy ny mahafantatra fa tsy mila manam-pahaizana manokana momba ity lohahevitra ity ianao vao afaka mampianatra ity lesona ity. Mivavaha mba hahazoana ny fitarihan’ny Fanahy Masina, araho ny ao anatin’ireo raki-kevitra ary matokia ny mpianatrao. Raha toa ny mpianatra ka mametraka fanontaniana izay tsy fantatrao ny fomba hiresahana izany na mizara ny olana atrehin’izy ireo manokana, dia asao izy ireo hikatsaka fanampiana avy amin’ny Tompo, sy avy amin’ny ray aman-dreniny, sy avy amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ary avy amin’ireo matihanina eo amin’ny fahasalamana ara-tsaina.

Mba hanampiana ny mpianatra hiomana handalina momba ny adin-tsaina sy ny fitebitebena dia asao izy ireo hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra izay miteraka adin-tsaina na fitebitebena eo amin’ny fiainan’ny zatovo iray. Raha ilaina dia azon’izy ireo asiana faribolana izay heveriny fa adin-tsaina telo na efatra voalohany.

Hazavao izao manaraka izao:

Ny adin-tsaina sy ny fitebitebena dia ampahan-javatra mahazatra mandrafitra ny fiainana. Toy izany no famalian’ny atidoha sy ny vatana izay izay zavatra ilaina atrehana toy ny olana ao an-trano, na ny fitsapam-pahaizana any am-pianarana, na ny fandraisana fanapahan-kevitra manan-danja iray. Ny adin-tsaina sy ny fitebitebena amin’ny fatrany antonony dia afaka manampy antsika hifantoka sy hanatratra tanjona ary hiaro ny vatana. Na izany aza, ny adin-tsaina be loatra na ny fitebitebena lava loatra dia mety ho lasa olana.

  • Araka ny hevitrao, ahoana no ahafahanao milaza fa ara-dalàna sy ara-pahasalamana ny adin-tsaina sy ny fitebitebena sy ahafahanao milaza fa be loatra izany?

Henoy ny valintenin’ireo mpianatra ary hevero ny hampiditra an’ireto zavatra manaraka ireto.

Raha ianjadian’ny adin-tsaina na fitebitebena be loatra ianao, dia mety harary matetika, na harary an-doha, na ho tezi-dava, na hisy fiovana goavana eo amin’ny fiiavanao hisakafo, na tsy dia hahavita mifantoka. Ny fitebitebena efa lasa aretina dia mety hiseho amin’ireto soritr’aretina manaraka ireto ihany koa: fahatsapana fihotakotahana, na fofonaina tonga haingana sy tsy tapaka, na fahalemena sy fahalainana, na olana eo amin’ny torimaso, na olana eo amin’ny fandevonan-kanina, na fifantohana tsy miato amin’ny fitebitebena, na tsy fahafahana mieritreritra mazava tsara.

Nampianatra izao ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Jeffrey R. Holland

Diniho ireo fambara maneho faharerahan-tsaina eo amin’ny tenanao sy eo amin’ny hafa izay mety ho azonao ampiana. Toy ny amin’ny fiaranao ihany, aoka ianao ho malina amin’ny fiakaran’ny mari-pana izany hoe ny fiakaran’ny fahatezerana, sy amin’ny hafaiganam-pandeha mafy loatra izany hoe ny fanenjehana hanao zavatra be loatra, na amin’ny tsy fahampian’ny solika izany ny tsy fahampian’ny hery. … Ahitsio izay tokony hahitsy. Ny havizanana no fahavalo iraisantsika rehetra. (Jeffrey R. Holland, “Tahaka ny Vilany Ariana,” Liahona, nôv. 2013, 41)

sary famantarana ny taratasy zarainaHazavao fa mety hiaina ambaratongana adin-tsaina sy fitebitebena samihafa isika amin’ny fotoana samihafa. Asehoy ity tabilao manaraka ity ary asao ny mpianatra mba hifandimby hamaky ireo ambaratongan’ny adin-tsaina efatra miaraka amin’ny mpianatra miara-miasa aminy iray. Asao izy ireo mba hifampizara zavatra iray izay tiany hotsaroana momba ny ambaratonga tsirairay.

Ireo ambaratongan’ny adin-tsaina efatra

Ireo ambaratongan’ny adin-tsaina efatra

Omeo fotoana vitsivitsy ny mpianatra hisaintsainana sy hanombantombanana ny ambaratongan’ny adin-tsaina sy ny fitebitebena misy azy ireo amin’izao fotoana izao. Angataho izy ireo hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Amin’ny ankapobeny, inona ny ambaratongan’ny adin-tsaina tsapanao fa mamaritra tsara anao?

  • Inona no tsapanao momba ny fahafahanao mampihena ny adin-tsainao rehefa ilaina izany?

Isika rehetra dia afaka manatsara ny fahaizantsika mamantatra rehefa ao anatin’ny adin-tsaina na fitebitebena be loatra isika. Afaka manatsara ny fahafahantsika mitodika any amin’ny Tompo koa isika mba hahazoana fanampiana. Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia mitadiava fomba hanasana ny fanampian’ny Tompo rehefa mifehy ny adin-tsaina sy ny fitebitebena ianao.

Ny fanampian’ny Tompo

Vakio ny maromaro amin’ireto andininy manaraka ireto, ka tadiavo ny fomba mety hiantefan’izany amintsika rehefa mahatsapa adin-tsaina na fitebitebena be loatra isika: Salamo 55:22; Isaia 40:29; Matio 11:28; Môzià 24:14–15.

  • Inona no nianaranao avy tamin’ireo andininy ireo?

    Mety hahita fahamarinana maromaro ny mpianatra, toy ireto manaraka ireto: rehefa manatona ny Mpamonjy miaraka amin’ny enta-mavesatsika isika dia afaka manome antsika fiadanana sy fitsaharana Izy; na rehefa mitodika any amin’ny Tompo isika dia afaka manamaivana ny enta-mavesatsika sy mampahery antsika Izy.

  • Ahoana no mety hampiharana ireo fahamarinana ireo amin’ny adin-tsaina sy ny fitebitebena

Ohatra avy ao amin’ny soratra masina

Mety hanampy ny miresaka ohatra vitsivitsy momba ireo fahamarinana ireo. Makà minitra vitsivitsy handinihana ny soratra masina mba hahitana ohatra momba ny olona niaina adin-tsaina na fitebitebena.

Ireto manaraka ireto misy ohatra: i Daniela tao an-davaky ny liona (jereo ny Daniela 6); i Maria rehefa nanambara ny anjely fa ho renin’ny Zanak’ Andriamanitra izy (jereo ny Lioka 1:26–56); “Ny ahiahin’” i Jakoba rehefa niantso ny vahoakany hibebaka izy (Jakoba 4:18; jereo ihany koa ny Jakoba 1:4–5; 2:3); Joseph Smith rehefa tsy fantany izay fiangonana tokony harahina (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:1–20) na fony izy nigadra tao amin’ny Fonjan’i Liberty (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121).

Rehefa nahita ohatra iray ny mpianatra dia amporisiho izy ireo hamerina hijery ilay tantara ao amin’ny soratra masina ary hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto miaraka amin’ny mpianatra iray hafa. Rehefa avy nomena fotoana ampy dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nosoratan’izy ireo.

  • Inona ny ambaratongan’ny adin-tsaina tsapanao fa mifanaraka amin’io toe-javatra io?

  • Ahoana no mety ho fiantraikan’ny adin-tsaina sy ny fitebitebena ao anatin’io toe-javatra io eo amin’ny fitondran-tenan’ilay olona?

  • Inona no nataon’ilay olona mba hitodihana any amin’ny Tompo hahazoana fanampiana amin’ny adin-tsainy na ny fitebitebeny?

Anontanio ny mpianatra ny fomba ahafahan’izy ireo mitodika any amin’ny Tompo mba hahazoana fanampiana amin’ny adin-tsainy sy ny fitebitebeny. .

3:54

Reach Up to Him in Faith

President Russell M. Nelson teaches that just as the woman who was healed by touching the robe of Jesus, we can receive strength and direction by reaching out to Him as well.

Fahaiza-manao eo amin’ny fifehezana ny adin-tsaina sy ny fitebitebena

Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra fahaiza-manao izay afaka manampy azy ireo hifehezana ny adin-tsaina sy ny fitebitebena dia hevero ny hanao ny iray amin’ireto sahanasa manaraka ireto na izy roa.

Eritrereto ny adin-tsaina na ny fitebitebena tsapanao. Rehefa manandrana ireto fahaiza-manao manaraka ireto ianao dia tadiavo izay famantarana maneho fa manampy anao izy ireo.

  1. Manaova fisaintsainana amim-pahatsiarovan-tena.

    Farito: Hazavao fa ny fahatsiarovan-tena dia ny maha-eo amin’izao fotoana izao, tsy arahina fandikana na fitsarana ny zavatra iainantsika. Ny fomba iray hanaovana izany dia ny fifantohana amin’ny fofonaintsika amin’ny alalan’ny fanaovana fanazaran-tena tsotra momba ny fifohana rivotra.

    Manaova maodely: Na dia mety hahatsapa ho tsy mahazo aina kely aza ianao sy ny mpianatra rehefa manao izany miaraka amin’ny iray kilasy, dia lazao fa mendrika ny handramana io fahaiza-manao io ary ahazoana tombontsoa maro. Hazavao fa ny mpianatra dia hanao izao manaraka izao:

    • Mifoha rivotra lalina sy miadana amin’ny oronao izay atao vitsivitsy, ka miatoa kely isaky ny mahavita iray.

    • Ataovy mahazo aina tsara ny sorokao. Miezaha miaina ka kibonao no hihetsiketsika fa tsy ny sorokao.

    • Miezaha mifantoka amin’ny fofonainao. Raha toa ka mivily lalana ny eritreritrao, dia avereno moramora any amin’ny fahatsapanao ilay ianao miaina ny sainao.

    Raha tsy izany dia azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hifoka rivotra mandritra ny efatra segaondra, hitazona izany mandritra ny dimy segaondra ary hamoaka izany mandritra ny enina segaondra. (Azon’ny mpianatra atao ny manovaova ilay fanazaran-tena raha ilaina.)

    Alohan’ny fotoam-pianarana dia hevero ny hanao fanazaran-tena hampihatra izany fahaiza-manao izany samirery. Azonao atao mihitsy aza ny mijery ny fitempon’ny fonao mialoha sy aorian’ny fampiharana an’io fahaiza-manao io mba hahitana raha mihena ny fitempon’ny fonao, izay mety ho famantarana fa mihena ny adin-tsainao. Hevero ny hizara amin’ny kilasinao ny fiantraikan’ilay fahaizana teo aminao.

    Manaova fanazaran-tena: Asao ny mpianatra hameno ilay tabilao. Rehefa manao izany izy ireo dia amporisiho hijery ny zavatra tsapa ara-batana rehefa misokatra sy mikainkona ny havokavony rehefa miaina izy ireo. Asao izy ireo mba hijery raha toa ka variana izy ireo ary inona avy ireo karazana eritreritra sy fahatsapana mahavariana azy ireo. Diniho ny mpianatra ary aza manandrana mifehy na mitsara azy ireo, fa avereno amin’ny fomba fifohan’izy ireo rivotra fotsiny ny fifantohan’izy ireo.

    Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra tsapany. Raha tianao dia azonao atao ny manasa azy ireo hijery ny fitempon’ny fon’izy ireo mialoha sy aorian’ny fanazaran-tena ary hanao tatitra raha toa ka nihena izany.

    • Nahoana no mety hanampy io fahaiza-manao io rehefa miady saina na mitebiteby isika?

  2. Mifantoha amin’ny fankasitrahana.

    Farito: Makà fotoana hijerena izay tsara momba ny tenanao sy izao tontolo izao. Saintsaino indrindra ny zavatra nataon’ny Tompo ho anao sy ireo olona manodidina anao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:7). Ny fomba iray hanaovana izany dia ny fanoratana zavatra dimy izay maha-feno fankasitrahana anao isan’andro ao anaty diary fankasitrahana iray.

    Manaova maodely: Hazavao fa ny mpianatra dia afaka manao diary iray manokana na mampiasa ampahany amin’ny diary iray izay efa ananany, toy ny diary fandalinany ho an’ny seminera. Afaka manoratra ny eritreriny ao amin’ny toerana firaketan-javatra an-tsoratra ao amin’ny findainy koa izy ireo. Ity sahanasa ity dia ahitana ireto dingana manaraka ireto:

    • Manorata zavatra dimy farafahakeliny izay maha-feno fankasitrahana anao, indrindra ireo zavatra nataon’ny Tompo ho anao.

    • Soraty ny antony maha-feno fankasitrahana anao amin’ireo zavatra ireo.

    • Miezaha manohy ny fanaovana izany isan’andro.

    Andramo amin’ny tenanao ity fahaiza-manao ity alohan’ny fotoam-pianarana. Azonao atao ny mizara ampahany amin’ny zavatra niainanao sy ny fihetseham-ponao.

    Manaova fanazaran-tena: Asao ny mpianatra hanoratra zavatra dimy manokana izay maha-feno fankasitrahana azy ireo, indrindra fa ireo zavatra nataon’ny Tompo ho azy ireo sy ny fianakaviany ary ireo olona hafa akaikin’ny fon’izy ireo. Angataho izy ireo hanoratra koa ny antony maha-feno fankasitrahana azy ireo amin’ireo zavatra ireo.

    • Inona no tsapanao rehefa avy nampihatra io fahaiza-manao io?

    • Nahoana no mety hanampy io fahaiza-manao io rehefa miady saina na mitebiteby ianao?

Asao ny mpianatra hizara fahaiza-manao hafa ampiasainy mba hanampiana amin’ny fifehezana ny adin-tsainy sy ny fitebitebeny. Ireto misy ohatra vitsivitsy: mivavaka amin’ny Tompo, mametra ny fampiasana ny teknôlôjia, maka aina kely, mazoto miasa, mandinika ny zavatra antenainao, tsara fanahy amin’ny tenanao, ary mifantoka amin’ny olon-kafa.

Farano amin’ny alalan’ny fikatsahana fitarihana avy amin’ny Tompo mba hanaovana drafitra hoe inona no tokony hatao sy rahoviana sy impiry no hanasana ny Mpamonjy mba hanampy anao hifehy ny adin-tsainao sy ny fitebitebenao.