Seminera
Lesona 193—Mamantatra ireo tanjaka sy fahaiza-manao anananao: Miomana amin’ny asa hatao sy ireo anjara asa hafa any aoriana


“Lesona 193—Mamantatra ireo tanjaka sy fahaiza-manao anananao: Miomana amin’ny asa hatao sy ireo anjara asa hafa any aoriana,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Mamantatra ireo tanjaka sy fahaiza-manao anananao,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 193: Miomana amin’ny fianarana sy ny asa hatao any aoriana

Mamantatra ireo tanjaka sy fahaiza-manao anananao

Miomana amin’ny asa hatao sy ireo anjara asa hafa any aoriana

zatovo manao tetikasa iray

Rehefa miomana amin’ireo andraikitra sy ny fahafahana hahazo asa any aoriana ny zatovo dia mety hanampy azy ireo ny hamantatra ireo tanjaka sy fahaiza-manao tsy ampy na ilain’izy ireo hampitomboana. Afaka mitarika azy ireo hahita ny tanjany sy ny fahalemeny ny Raintsika any An-danitra rehefa mikatsaka ny fanampiany izy ireo. Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hiomana amin’ireo andraikitra sy amin’ny fahafahana hahazo asa any aoriana amin’ny alalan’ny famantarana ireo tanjaka sy fahaiza-manao ananany amin’izao fotoana izao sy ny fahaizana izay ilaina ampitomboan’izy ireo.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Fanamarihana: Ny lesona iray ao aoriana ao izay mitondra ny lohateny hoe “Mampitombo ny fahaiza-manao sy ny fahafaha-manao” dia hifantoka amin’ny fanampiana ireo mpianatra hampivelatra ny sasany amin’ireo fahaiza-manao sy fahafaha-manao izay hitan’izy ireo ato amin’ity lesona ity. Raha toa ka mitaky fanambarana lesona ny fandaharam-pampianaranao dia mety hahomby ny fampianarana ireo lesona roa ireo miaraka.

Tanjaka sy fahaiza-manao ilaina mba hahombiazana

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo anjara asa samihafa mety hatrehin’ny mpianatra any aoriana, toy ireto manaraka ireto.

  • Mpianatra

  • Mpianatra asa

  • Ray na reny

  • Vady

  • Mpiasa

Azonao atao ny manao zavatra amin’ny antsipiriany kokoa ka manasa mpianatra vitsivitsy hizara asa azo atao any aoriana vitsivitsy izay mety mahaliana azy ireo ka hanoratra izany eny amin’ny solaitrabe toy izay hampiditra ny hoe mpiasa ho iray amin’ireo anjara asa.

Afaka mifanakalo hevitra tsiroaroa na ao anatina vondrona kely momba ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra. Hevero ny hampiandraikitra ny vondrona tsirairay ny iray amin’ireo andraikitra ireo mba hifanakalozana hevitra, na azonao atao ny mangataka azy ireo rehetra mba hifanakalo hevitra momba ireo anjara asa rehetra.

  • Inona avy ireo fahaiza-manao na fahafaha-manao sasantsasany izay mety hanampy ny olona iray hahomby amin’ireo anjara asa ireo?

Asao ny vondrona tsirairay hizara ny zavatra nifanakalozan’izy ireo hevitra. Azonao atao ny manasa vondrona mba ho eny amin’ny solaitrabe ary hanoratra eo akaikin’ilay anjara asa mifanaraka amin’izany ny sasany amin’ireo fahaiza-manao na fahafaha-manao izay hitan’izy ireo. Raha mila fanampiana ny mpianatra dia hevero ny hanome sosokevitra momba ny sasany amin’ireo fahaiza-manao voatanisa ao anatin’ilay taratasy zaraina afaka kelikely eo mandritra ny lesona.

Aorian’ny fifanakalozan-kevitra ataonao dia zarao ity manaraka ity mba hanampiana ireo mpianatra hiomana amin’ny ambin’ny lesona:

Eritrereto ireo andraikitra na ny asa mahaliana anao ny hanao azy any aoriana. Eo am-pandalinanao androany dia katsaho ny fitarihan’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hamantatra ireo tanjaka sy fahaiza-manao efa anananao izay afaka manomana anao amin’ireo andraikitra ireo. Andramo ihany koa ny mamantatra ny fahaiza-manao sy ny fahafaha-manao mbola ilainao ananana izay hanampy anao ho vonona tsara kokoa amin’ny hoavy.

Ny hery anaty ananantsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

Hazavao fa ny olona sasany dia mety ho kivy rehefa asaina mieritreritra ny fahaiza-manao sy ny fahaha-manao ananan’izy ireo satria mahatsapa ho tsy dia manan-talenta sy manana fahaiza-manao tahaka ny hafa izy ireo. Misy fahamarinana mandrakizay ampianarina ao amin’ny soratra masina izay afaka manampy rehefa mahatsapa toy izany isika.

Halalino ny sasany amin’ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto, ka tadiavo ireo fahamarinana mandrakizay izay afaka manampy antsika hamantatra ny fahaizantsika manatratra ilay hery anaty ananantsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

1 Samoela 16:7; Filipiana 4:13; Jakôba 4:7; Almà 26:12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10.

  • Inona no fahamarinana hitanao izay afaka manampy olona iray mahatsapa fa tsy manana fahaiza-manao na fahafaha-manao mba hahombiazana eo amin’ny fiainana?

Afaka manasongadina fahamarinana mitovy amin’ireto manaraka ireto ny mpianatra: Ny Tompo tsy mijery ny ivelany, fa ny fo kosa (jereo ny 1 Samoela 16:7); Afaka manao ny zava-drehetra isika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, izay afaka manome hery antsika (jereo ny Filipiana 4:13; Almà 26:12); Lehibe ny hasarobidintsika eo imason’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10).

  • Ahoana no hanampian’ireo fahamarinana ireo antsika rehefa mahatsapa ho kivy isika momba ny fahaiza-manaontsika?

Mamantatra ireo tanjaka sy fahaiza-manao anananao

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra izay nohariana araka ny endriny antsika dia nomena hery sy fahaizana samihafa isika tsirairay. Mety hisy mpianatra izay manana olana amin’ny famantarana ny tanjaka sy ny fahaiza-manao nomen’ Andriamanitra azy ireo.

Ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny sasany amin’ireo fomba ahafahantsika mamantatra ireo talenta sy tanjaka ary fahaiza-manao izay nomen’ny Raintsika any An-danitra antsika:

Loholona Ronald A. Rasband

Ny talenta nomen’ Andriamanitra antsika tamim-boalohany dia miharihary ao anatin’ireo zavatra mahaliana antsika ka ataontsika. Raha manontany tena momba ny talenta anananao ianao dia ataovy lisitra ireo zavatra tianao ny manao azy. Ampidiro ao anatin’izany ireo zavatra rehetra ankafizinao eo amin’ny sehatra samihafa eo amin’ny fiainanao, izay mahakasika ny ara-panahy, ny mozika, ny tantara an-tsehatra, ny fianarana, ny fanatanjahan-tena, sy ny sisa. Halalino sy saintsaino ny tsodranon’ny patriarika nomena anao mba hahazoana hevi-baovao sy fitaomam-panahy. Miresaha amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana, namana azo itokisana, mpampianatra ary mpitarika. Matetika ny hafa dia mahita zavatra ao amintsika izay sarotra amintsika ny mahita azy. (Ronald A. Rasband, “Parables of Jesus: The Parable of the Talents,” Ensign, Aug. 2003, 34)

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fahafantarana ny talentanao, na ny tanjakao, na ny fahaiza-manaonao amin’izao fotoana izao anao rehefa mieritreritra momba ireo andraikitra na fahafahana hahazo asa any aoriana ianao?

Omeo fotoana ny mpianatra mandritra ny fotoam-pianarana mba hahita ireo tanjaka sy fahaiza-manao ananany sy ilainy ampitomboana mba hiomanany bebe kokoa amin’ireo andraikitra na fahafahana hahazo asa any aoriana Ireto manaraka ireto dia misy hevitra sasantsasany mikasika ny fomba ahafahanao manampy ny mpianatra hanao izany. Eo am-panaovana ireo sahanasa ireo, dia asao izy ireo hikatsaka fitaomam-panahy avy amin’ny Ray any An-danitra mba ho afaka ny hahita ny tenany tahaka ny fahitany azy ireo.

  • Asao ny mpianatra hanoratra ireo zavatra mahaliana azy ireo. Asao izy ireo hieritreritra momba ireo fahafahana azo araraotina hahazoana asa izay azon’izy ireo katsahina ka mifandray amin’ireo zavatra mahaliana azy ireo. Hevero ny hanolotra fanampiana amin’ny alalan’ny fanomezana sosokevitra mikasika ireo asa mety ho azo atao izay mifanentana amin’ny zavatra mahaliana ireo mpianatra.

  • Asao ireo mpianatra izay nahazo ny tsodranon’ny patriarika mba hamaky izany ary hitady ny zavatra manampy azy ireo hahatakatra momba ny tenan’izy ireo.

  • Manasà vondrona kely misy mpianatra mba hifanakalo hevitra momba ny tanjaka sy ny fahaiza-manao izay hitan’izy ireo teo amin’ny tsirairay. Azonao atao ihany koa ny mifandray amin’ny ray aman-dreny na ny mpitarika ao amin’ny fisoronana alohan’ny fotoam-pianarana ary mangataka azy ireo hanoratra zavatra fohy iray izay mamaritra ny sasany amin’ireo fahaiza-manao hitan’izy ireo ao amin’ny mpianatr’izy ireo.

  • sary famantarana ny taratasy zaraina Zarao ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Fanombantombanana ataon’ny tena manokana momba ireo fahaiza-manao sy fahafaha-manao” ary omeo fotoana ny mpianatra hamitana izany. Hazavao fa ity fanombantombanana ity dia ahitana ny lisitr’ireo fahaiza-manao izay tadiavin’ny mpampiasa amin’ny mpiasany amin’ny ankapobeny.

Fanombantombanana ataon’ny tena manokana momba ny fahaiza-manao sy fahafaha-manao

Ho an’ny tsirairay amin’ireto fanambarana manaraka ireto, dia refeso ny fatokian-tenanao amin’ny alalan’ny fampiasana ny maridrefy 1 (tsy matoky) ka hatramin’ny 5 (tena matoky).

  1. Afaka mifampiresaka tsara amin’ny hafa aho.

  2. Feno faharisihana aho.

  3. Tia miasa mafy aho.

  4. Afaka mieritreritra aho ao anatina toe-javatra sarotra ary mahita vahaolana amin’izany.

  5. Vonona ny hianatra sy hanandrana zava-baovao aho.

  6. Marin-toetra sy azo itokisana aho.

  7. Mahay miara-miasa amin’ny hafa aho.

  8. Afaka miantehitra amiko ny olona amin’ny fanaovana asa izay ampiandraiketina ahy.

  9. Afaka mandamina sy mampiasa tsara ny fotoanako aho.

  10. Vitako ny tonga ara-potoana.

Rehefa avy nomena fotoana ampy hanaovana ireo sahanasa entina hisaintsainana teo aloha ireo ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny hevi-baovaony sasany amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ireto manaraka ireto.

  • Inona no hevi-baovao voarainao momba ny tenanao?

  • Ahoana no ahafahan’ny zavatra nianaranao manampy anao hiomana tsara kokoa amin’ny hoavy?

Mba hanampiana ny mpianatra hamintina sy hahatsiaro ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny lesona androany, dia hevero ny hampiseho ireto tari-kevitra manaraka ireto ary hanasa ny mpianatra hirakitra an-tsoratra ny valin-tenin’izy ireo ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo:

  • Ny tanjaka na fahaiza-manao iray ananako izay afaka manampy ahy amin’ny andraikitra hosahaniko any aoriana dia …

  • Ny fahaiza-manao na fahafaha-manao iray tiako hampitomboina mba hiomanako tsara kokoa amin’ny andraikitra hosahaniko any aoriana dia …

Hazavao fa ao anatin’ny lesona iray ao aoriana ao (“Mampitombo ny fahaiza-manao sy ny fahafaha-manao”) dia homena fahafahana hieritreritra ny fomba ahafahany mampitombo ny fahaiza-manao sy ny fahafaha-manao izay hitan’izy ireo ny mpianatra ao amin’ilay tari-kevitra faharoa. Azonao atao ny manasa azy ireo hanomboka hieritreritra ny fomba ahafahany mampitombo ireo fahaiza-manao na fahafaha-manao ireo amin’izao fotoana izao. Mijoroa ho vavolombelona momba ny fahafahan’ny Tompo sy ny fahavononany hanampy azy ireo mba hivoatra.