“Lesona 191—Ny maha-zava-dehibe ny fianarana: Zava-dehibe amin’ny fivoarantsika ny fianarana,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Ny maha-zava-dehibe ny fianarana,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 191: Fiomanana amin’ny fianarana sy ny asa hatao any aoriana
Ny maha-zava-dehibe ny fianarana
Zava-dehibe amin’ny fivoarantsika ny fianarana
Tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika hianatra sy hamita fianarana mandritra ny fiainantsika. Ny fanaovana izany dia tena ilaina amin’ny fivoarantsika eto an-tany sy mandritra ny mandrakizay. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fianarana.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Nahoana no zava-dehibe ny fianarana?
Mba hanampiana ireo mpianatra hanomboka hieritreritra ny maha-zava-dehibe ny fianarana dia zarao ity rafi-tantara manaraka ity:
Alaivo sary an-tsaina hoe misy mpianatra iray antsoina hoe Sara izay tsy tia mianatra. Mihevitra izy fa fandaniam-potoana izany ary miteraka rarin-tsaina be loatra ho azy. Ankoatra izay dia tsy manana fahazotoana firy amin’ny fianarana izy satria tsy dia nahay izy tany am-pianarana. Aleony miaraka amin’ny namany, na maka aina ao an-trano, na mandeha miasa.
Asao ny mpianatra hieritreritra raha toa ka efa nanana olana toa an’i Sara izy ireo. Hazavao fa ity lesona ity dia hanampy azy ireo hahafantatra ny antony hitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy antsika mba hianatra.
Mety hanampy ny mampahatsiahy ireo mpianatra fa ny fianarana dia mety ho fianarana izay atao amin’ny fomba ôfisialy, toy ny any an-tsekoly. Ny fianarana ihany koa dia mety ho fianarana izay mitranga ao anatina toe-javatra tsotsotra, toy ny any an-trano na mandritra ireo zavatra hafa ataontsika isan’andro.
Mamoròna lohateny mitondra ny lohateny hoe “Nahoana no zava-dehibe ny fanabeazana?” eny an-tampon’ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao. Rehefa mandalina ianao androany dia mitadiava fanambarana avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hahitana ny lanjan’ny fianarana eo amin’ny fiainanao. Ampidiro ao anatin’ilay lisitra ao amin’ny diarinao ireo hevi-baovao sy fahatsapana ara-panahy tonga ao aminao.
Halalino ny maha-zava-dehibe ny fianarana
Omeo fotoana ny mpianatra handalina soratra masina sy ireo teny nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay mampianatra momba ny maha-zava-dehibe ny fianarana sy ny famitana fianarana. Afaka mandalina ny loharanom-pitaovana sasany na izy rehetra ao amin’ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Ny maha-zava-dehibe ny fianarana” ny mpianatra. Amporisiho izy ireo mba hirakitra ao amin’ny lisitra nataony ao anatin’ny diary fandalinany izay hevi-baovao hitany.
Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona kely ary omeo soratra masina iray sy fehezan-teny iray hohalalinina ny olona tsirairay ao amin’ny vondrona. Angataho ny mpianatra hanazava amin’ny ambiny ao amin’ny vondrona misy azy ny zavatra nianarany tao amin’ny vakiteny nampiandraiketina azy ireo.
Ireto soratra masina sy teny nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana manaraka ireto dia afaka manampy anao hahatakatra kokoa momba ny zavatra andrasan’ny Tompo sy ny fanirian’ny Tompo mba handrantoanao fianarana. Rehefa mandalina ianao dia tadiavo ireo fahamarinana mikasika ny maha-zava-dehibe ny fianarana.
Soratra masina hohalalinina:
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:77–80, 118 ; 130:18–19
Fampianarana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana:
Nampianatra izao ny Filoha Russell M. Nelson:
Anjaranareo ny manovo fianarana. Tsy misy olon-kafa afaka manovo izany eo amin’ny toeranareo. Na aiza na aiza misy anao, miezaha mba hanana faniriana lalina ny hianatra. Ho antsika Olomasin’ny Andro Farany, ny manovo fianarana dia tsy tombontsoa fotsiny ihany fa andraikitra masina. “Ny voninahitr’ Andriamanitra dia ny faharanitan-tsaina” (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:36 ). Ny fianarantsika dia ho an’ny mandrakizay tokoa. …
Ny fomba fijery lavitra toy izany dia hanampy anao hanao safidy tsara momba ny fianarana.
Aza matahotra ny hanatratra ny tanjonao, na ny nofinofinao mihitsy aza! Saingy fantaro fa tsy misy hitsin-dalana ny fahatongavana ho mpianatra mendrika indrindra sy mahay. Ny fianarana no tsy mampitovy ny hoe mangetaheta ny ho afaka hanampy ny hafa sy ny hoe afaka manampy ny hafa. (Russell M. Nelson, “What Will You Choose? ” Ensign , jan. 2015, 32)
Nilaza izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Izaho sy ianao dia eto an-tany mba hiomana ho amin’ny mandrakizay, hianatra ny fomba fianarana, hianatra zavatra manan-danja eo amin’ny lafiny ara-batana sy tena ilaina mandrakizay, ary hanampy ny hafa hianatra fahendrena sy fahamarinana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:1 ). Ny fahatakarana hoe iza isika, avy aiza isika ary nahoana isika no ety an-tany dia mametraka andraikitra lehibe eo amin’ny tsirairay amintsika mba hianatra ny fomba fianarana sy hianatra hitia ny mianatra. (David A. Bednar, “Learning to Love Learning ,” Ensign , feb. 2010, 27)
Ny Filoha Camille N. Johnson, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, dia nizara izao:
Tokony hanovo ny fianarana sy ny fiofanana rehetra azontsika atao isika mba hahafahantsika ho vonona. Vonona hanompo ao amin’izao tontolo izao sy ny Fiangonana. Vonona ny ho mpanoro hevitra sy namana hendry ho an’ny vadintsika. Vonona ny ho mpampianatra mahomby ho an’ireo zanatsika sy ireo tanora izay tarihintsika. Arakaraka ny ianarantsika bebe kokoa, no hahafahantsika mametraka fitarihana lehibe kokoa ho amin’ny tsara.” (Camille N. Johnson, “Seek Learning by Study and by Faith ” [BYU–Pathway Worldwide devotional, Oct. 19, 2021], byupathway.org ).
Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy :
Tian’ny Ray any An-danitra hianatra foana ireo zanakavaviny sy zanakalahiny. Manana antony ara-batana sy ara-panahy ianao ny hikatsaka sy hitia fianarana. Ny fandrantoana fianarana dia tsy natao hitadiavam-bola fotsiny ihany. Ampahany amin’ny tanjonao mandrakizay mba ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra kokoa izany. …
Mitadiava fahafahana hampivelarana ny sainao sy hampitomboana ny fahaiza-manao anananao. Mety ho tafiditra ao anatin’ireo fahafahana ireo ny fianarana ara-dalàna any an-tsekoly na ny fiofanana arak’asa sy ny fianarana ataon’ny tena manokana avy amin’ireo loharanom-pahalalana atokisanao. Ampandraiso anjara amin’ny ezaka ataonao ny Tompo dia hitarika anao Izy. Rehefa mianatra momba ny tontolo manodidina anao ianao dia mianara ihany koa momba ny Mpamonjy izay nahary izao tontolo izao. Halalino ny fiainany sy ny fampianarany. Ampidiro ao anatin’ny fianarana ataonao mandritra ny fiainana ny seminera sy ny institiota ary ny fandalinana ny filazantsara ataon’ny tena manokana. (Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy [2022], 31 )
Raha nozarainao ho vondrona ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny zavatra hitany amin’ireo mpikambana ao amin’ny vondrona misy azy ireo. Alohan’ny hizarana azy ireo dia hazavao fa ny fahaizana mampiasa fomba fisainana tia manadihady dia fahaiza-manao manan-danja iray izay hanampy azy ireo mandritra ny androm-piainany. Ny fananana fisainana tia manadihady dia ny fahafahana mampifandray ny hevitra sy manombantombana azy ireo. Asehoy ity torolalana manaraka ity mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ny fisainana tia manadihady mandritra ny fifanakalozan-kevitry ny vondrona:
Fintino ny zavatra nianaranao avy amin’ny soratra masina sy ny teny nambara.
Rehefa avy nizara ireo famintinana rehetra ny mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:
Inona avy ireo zavatra mitovy hitanao tao anatin’ireo teny nambara sy soratra masina nianaranao?
Inona no nampiavaka ny tsirairay tamin’ireo soratra masina na teny nambara izay nianaranao?
Moa ve misy zavatra ao amin’ny teny nambara iray na soratra masina iray izay manome hevitra anao momba ny zavatra iray ao anatina teny na soratra masina iray hafa?
Fahamarinana momba ny maha-zava-dehibe ny fianarana
Omeo fahafahana ny mpianatra hizara ireo fahamarinana hitany tao anatin’ny fandalinana sy ny fifanakalozan-kevitra nataony. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ilay fanontaniana tany am-piandohan’ny lesona hoe: “Nahoana no zava-dehibe ny fianarana?,” ary asaivo manoratra ireo fahamarinana nianarany manodidina ilay fanontaniana ny mpianatra. Afaka mizara fahamarinana mitovitovy amin’izao manaraka izao ny mpianatra:
Hevero ny ifanakalozo hevitra ireo hevi-baovaon’ny mpianatra momba ireo fahamarinana hitan’izy ireo amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy izao manaraka izao:
Inona amin’ireo fitsipika hitanao no manan-danja indrindra aminao? Nahoana?
Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fianarana hisy fiantraikany eo amin’ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
Ahoana no nahitanao ireo fitahiana avy amin’ny fianarana teo amin’ny fiainanao na ny fiainan’ny hafa?
Hazavao amin’ny teninao manokana izany
Ampahatsiahivo ny mpianatra ilay rafi-tantara momba an’i Sara tany amin’ny fiandohan’ny lesona. Aorian’ny fizarana ireto torolalana manaraka ireto dia omeo fotoana ny mpianatra hirakitra valin-teny ao amin’ny diary fandalinany.
Amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany dia mamoròna valin-teny azonao zaraina amin’i Sara izay afaka manampy azy hahatakatra bebe kokoa ny maha-zava-dehibe ny fianarana. Mampidira farafahakeliny toko sy andinin-tsoratra masina iray na teny nambaran’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana ao anatin’ny valin-teninao. Azonao atao koa ny mampiditra ny fijoroana ho vavolombelona anananao na mitantara zavatra niainanao.
Hevero ny hanome fahafahana ny mpianatra hizara ny valin-teniny amina mpianatra miara-miasa aminy iray. Afaka mizara ny valin-teniny amin’ny iray kilasy koa ny mpianatra vitsivitsy izay vonona.
Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra hizara ny zavatra nianarany sy tsapany fa tiany hotsaroana. Afaka mirakitra ny eritreriny sy ny zavatra tsapany ao amin’ny diary fandalinany izy ireo. Hevero ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny maha-zava-dehibe ny fianarana.
Nampianatra izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Heveriko fa ny fanalahidin’ny fianarana dia ny fianarana ny fomba fianarana. Ny olana dia tsy ny fianarana raikipohy iray ao anatin’ny matematika na fitadidiana andian-kevitra avy ao amin’ny boky momba ny toekarena, na zavatra hafa. Amiko ny lanjan’ny fianarana dia ny fitadiavana izay tokony hatao rehefa tsy fantatrao izay tokony hatao. Izany no atolotry ny fianarana. Afaka mijery boky ianao, afaka mandeha ao amin’ny Google, afaka mandeha any amin’ireo loharanom-pitaovana fanovozan-kevitra isan-karazany. Saingy inona no ataonao rehefa tsy misy valiny ao anaty boky? Mihevitra ny olon-drehetra fa fantatr’i Google avokoa ny zava-drehetra. Tsia. Inona no ataonao rehefa tsy fantatrao ny momba ny zavatra iray? Izay no zavatra ataon’ny fianarana. Manolotra fitaovana ho anao izy. Mahafinaritra izany. Mandrisika izany. Ivon’ny filazantsara izany: mianatra, mitombo, mivoatra. Noho izany dia manasa ireo tanora rehetra ireo aho mba hikatsaka ny fanampian’ny Fanahy Masina mba hahafahan’izy ireo mianatra ny fomba hianarana sy mianatra mitia ny mianatra. (David A. Bednar, “I Have Learned for Myself ” [BYU–Pathway Worldwide devotional, Oct. 23, 2018], byupathway.org )
Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales (1932–2017) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
14:33
Manomana anao hanana fahafahana hahita asa tsara ny fianarana. Mametraka anao amin’ny toerana tsaratsara kokoa mba hanompo sy hitahy ireo manodidina anao izany. Hametraka anao amin’ny lalan’ny fianarana mandritra ny androm-piainana izany. Hampatanjaka anao izany mba hiadianao amin’ny tsy fahalalana sy ny hadisoana. Nampianatra i Joseph Smith hoe: “Ny fahalalana dia mandroaka ny haizina, ny tebiteby sy ny fisalasalana; satria ireny dia tsy afaka ho hita any amin’izay toerana misy ny fahalalana. … Misy hery ao anatin’ny fahalalana” [Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 265 ]. … Ny fianarana dia hanomana anao amin’izay ho avy. (Robert D. Hales, “Miatrika ireo fanamby apetrak’izao tontolo izao ankehitriny ,” Liahona , nôv. 2015, 45)
Ny teny nambaran’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny taratasy zaraina ao anatin’ny lesona sy ao amin’ny fizarana “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia milaza fianarana mitia mianatra. Raha toa ka handray soa avy amin’ny torolalana fanampiny mikasika ny fomba hitiavana mianatra ny mpianatra dia hevero ny hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:
Inona no tokony hotiavina momba ny fianarana? Nahoana isika indraindray no manadino izany?
Iza no fantatrao fa toa tia mianatra? Inona no ataony hanehoany ny fitiavany mianatra?
Inona no afaka manampy anao hampitombo ny fitiavanao mianatra?
Asao ny mpianatra hizara ny fomba nampitomboan’izy ireo ny fankasitrahana na ny fitiavana mihitsy aza ny fianarana sy ny fahafahana mianatra. Hevero ny hitanisa izany eny amin’ny solaitrabe. Ampio ny mpianatra hahita fa arakaraka ny ankasitrahantsika ny fianarantsika sy ny fahafahana mianatra no hiezahantsika mafy kokoa hianatra sy hitombo ary hivoatra.
Mety ho kivy ny mpianatra rehefa mahatsapa fa tsy mahay mianatra. Ny sasany dia mety ho sahirana mandritra ireo fotoana napetraka tsara mba hianarana na mandritra ireo fotoana tsotsotra mba hianarana saingy hanampy azy ireo ny Tompo. Ireto soso-kevitra manaraka ireto dia afaka mitarika ny mpianatra rehefa mikatsaka ny fianarana ara-pihetseham-po sy ara-tsaina ary ara-panahy izy ireo.
Ampiharo ny finoana. Raha mino ianao fa afaka manampy anao hahatratra ny fisandratana Andriamanitra dia ho mora kokoa aminao ny hino fa afaka manampy anao hianatra matematika na izay taranja manahirana anao Izy. Manàna fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Ny fampiharana finoana dia manampy anao ho feno fankasitrahana amin’ny fanamarihana mikasika ny zavatra natao na dia midika izany hoe ho latsaka ny naoty ho azo na tsy maintsy mamerina manao ilay zavatra indray.
Aoka ianao tsy hihambahamba eo anatrehan’ny fahavononanao hianatra. Ireo mpianatra izay manandrana mameno ny fepetra takin’ny fampianarana sy ny fe-potoana amin’ny fomba maimaika sy feno tsy firaharahiana, na amin’ny fanisinisiana marika ny efajoro kely fotsiny dia mety tsy hahazo ilay tombontsoa ahafahana mianatra zavatra. Mifanohitra amin’izany kosa, ireo mpianatra izay mitady fifandraisana, fahafahana manao zavatra azo araraotina ary fahatsapana te hanatratra tanjona dia afaka ny hiova amin’ny alalan’ny traikefa azo avy amin’ny fianarana. Mianatra izy ireo mba hahafahany miova sy mivoatra ary mitombo.
Aoka ianao ho vonona ny hiova. Aoka ianao ho vonona ny hiova sy hamantatra hoe ahoana no mety hameran’ny fomba fisainanao sy ny fihetsikao ankehitriny ny fahaizanao mianatra. Mitadiava fomba hivoarana rehefa ambany kokoa noho ny nantenainao ny zava-bitanao tamin’ny fitsapam-pahaizana na enti-mody iray. Mety hiteraka vokatra vaovao ny fiovana.
Mitadiava fahafahana hianatra sy hivoatra. Satria manan-danja amin’ny Tompo ny fianarana, dia hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy ary hahita tanjaka ara-pihetseham-po sy ara-tsaina ary ara-panahy ianao rehefa mikatsaka fahafahana hianatra sy hivoatra.