Seminera
Lesona 96—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:49–102: “Manerana izao tontolo izao, mankamin’ny olombelona rehetra”


“Lesona 96—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:49–102: -Manerana izao tontolo izao, mankamin’ny olombelona rehetra,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana(2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:49–102,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 96: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:49–102

“Manerana izao tontolo izao, mankamin’ny olombelona rehetra”

ny olon-drehetra manerana izao tontolo izao

Tamin’ny fararanon’ny taona 1832 dia nanomboka niverina tao Kirtland, Ohio, ireo misiônera raha avy nitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ka anisan’izany i Jared Carter sy i Stephen Burnett. Fotoam-piravoravoana tokoa izany noho ireo loholona nitondra tatitra mikasika ny fanompoana ny Tompo tany atsinanan’i Etazonia. Tsy ela dia maro no nanaiky handray antso fanampiny ary hanohy hanompo. Amin’izao androntsika izao dia afaka manompo ny Tompo amin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsarany ihany koa isika. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ny faniriana araka an’i Kristy ny hizara ny filazantsara amin’ny olon-drehetra manerana izao tontolo izao.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny tany iray manontolo

sarintanin’izao tontolo izao

Mba hanampiana ny mpianatra hahazo sary an-tsaina ny isan’ireo zanak’ Andriamanitra eto an-tany sy ny isan’ireo izay mila ny filazantsarany dia azonao atao ny manomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’nyfampisehoana ny sarintanin’izao tontolo izao. Hevero ny hangataka ny mpianatra mba hanonona izay anarana firenena rehetra mandalo ao an-tsainy ao anatin’ny iray minitra na azonao asaina manondro firenena maromaro eo amin’ilay sarintany izy ireo. Afaka mijery ny isan’ny olona mipetraka ao amin’ny firenena misy anao na manerana izao tontolo izao ihany koa ny mpianatra.

Avadiho ho lasa momba ny filazantsaran\’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny manerana izao tontolo izao ny resaka. Afaka mametraka fanontaniana toy izao ianao:

  • Aiza no manompo ireo misiônera manerana izao tontolo izao? Aiza no tsy misy azy ireo?

  • Manao ahoana ny isan’ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany maneran-tany raha ampitahaina amin’ny fitambaran’ny olona manerana izao tontolo izao? Manao ahoana ny isan’ireo mpikamban’ny Fiangonana ao amin’ny faritra misy anao raha ampitahaina amin’ny fitambaran’ny isan’ny mponina ao amin’ny faritra misy anao?

newsroom.ChurchofJesusChrist.org

Azonao atao ny mangataka ny mpianatra mba hisaintsaina ny zavatra tsara azon’izy ireo atao amin’ny alalan’ny fisafidianana ny hanao asa fitoriana. Vakio ity teny nambara manaraka ity ary asao ireo mpianatra mba hizara ny eritreriny na ny zavatra tsapany.

Nampianatra izao manaraka izao ny Filoha Russell M. Nelson:

Filoha Russell M. Nelson

Ny olona rehetra dia mendrika ny hanana fahafahana ny hahafantatra momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Ny olona rehetra dia mendrika ny hahafantatra hoe aiza no ahafahany mahita fanantenana sy fiadanana izay “mihoatra noho ny fahalalana rehetra” [Filipiana 4:7]. (Russell M. Nelson, “Mitory ny filazantsaran’ny fiadanana,” Liahona, mey 2022, 7)

Angataho ny mpianatra mba hanoratra ny zavatra sasantsasany ao an-tsain’izy ireo mba hamaliana ireto tari-dresaka manaraka ireto:

Makà fotoana hisaintsainana momba ny zavatra tsapan’ Andriamanitra momba ireo zanany manerana izao tontolo izao. Inona no zavatra very izay tokony ho an’ireo olona maro noho ny tsy fahalalana momba an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny? Inona no fantatrao ary inona no fitahiana izay efa noraisinao ka afaka manova ny fiainan’ny olon-kafa?

Ny toe-javatra misy eo amin’izao tontolo izao

Fotoana feno fifaliana ny septambra 1832 tao Kirtland, rehefa niverina avy nanao asa fitoriana ireo misiônera ary nanao tatitra ny zavatra niainan’izy ireo tany amin’ny faritany tatsinanana Amerikana. Nandray torolalana avy tamin’ny Tompo i Joseph Smith nandritra io fotoana io. Ny sasany tamin’ireo torolalana noraisiny dia niompana tamin’ny toe-javatra misy eo amin’izao tontolo izao sy ny zavatra ilain’izao tontolo izao.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:49–53 mba hitadiavana ireo teny sy andian-teny nampiasain’ny Tompo hamariparitana ny zavatra niainan’ireo olona manerana izao tontolo izao.

Asao ny mpianatra mba hizara ireo teny sy andian-teny hitany ary ny dikan’izy ireo araka ny eritreriny. Azo antoka fa hilaza zavatra manodidina ny lohahevitry ny fahotana sy ny fahababoana izy ireo. Mety hahatsikaritra ihany koa ny mpianatra fa tao anatin’ny haizina ny olona sady nitaraina noho ireo toe-javatra ireo. Midika izany fa nahatsapa ho tsy nanan-kery sy nalahelo ary tao anatin’ny fanaintainana izy ireo. Azon’ny mpianatra atao ny mizara ny fomba nahitany fa ny fahotana dia miteraka fanaintainana sy alahelo ary mitondra any amin’ny fahababoana. Ampitandremo ny mpianatra tsy hizara antsipirian-javatra izay mety maneho tsy fanajana manoloana ny fiainan’olona iray manokana.

Nanantitrantitra ny Tompo fa na ireo mpikamban’ny Fiangonany aza dia niaina haizina sy fanamelohana tamin’izany fotoana izany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:54–57 mba hahitana ny zavatra nahatonga ny haizina sy ny fanamelohana ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana.

  • Inona no hitanao?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo momba ny maha-zava-dehibe ny Bokin’i Môrmôna sy ireo fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana?

Ampio ny mpianatra hahatakatra ny zavatra tsapan’i Jesoa Kristy sy ireo mpianany rehefa mahita ny olona mijaly ao anaty fahotana sy haizina izy ireo. Afaka mandalina samirery na ao anaty vondrona kely ny iray na roa amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto izy ireo.

  • Inona ireo teny izay manampy anao hahatakatra ny zavatra tsapan’ny Mpamonjy momba ireo izay ao anaty fahotana na haizina? Eritrereto hoe mety ho toy ny ahoana ny fahasahiranana iainana ao anaty fahotana sy haizina.

  • Nahoana no mety hanampy ny fahatakarana ny zavatra tsapan’ny Tompo?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny Bokin’i Môrmôna manampy olona iray handresy ny haizina ara-panahy araka ny eritreritrao?

Ny feon’ny Mpamonjy

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:60–62 mba hitadiavana ny zavatra nasain’i Jesoa Kristy nataon’ireo lehilahy ireo. Mety hanampy ny fahafantarana fa “ireto zavatra ireto” ao amin’ny andininy 60 sy “ireo zavatra” ao amin’ny andininy 61 dia miresaka momba ny zavatra nambaran’ny Tompo ao amin’ny fizarana 84, ka tafiditra ao anatin’izany ny fahatsiarovana ny Bokin’i Môrmôna.

  • Inona no zavatra nasain’i Jesoa nataon’izy ireo?

  • Inona ireo fitahiana ho azon’izy ireo raha amin’ny alalan’ny fanekena ny fitarihany?

Avelao ny mpianatra hizara ny zavatra nianaran’izy ireo. Fahamarinana iray izay mety ho hitan’izy ireo ny hoe Tian’i Jesoa Kristy isika hizara ny Bokin’i Môrmôna sy ny fijoroantsika ho vavolombelona amin’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra manerana izao tontolo izao.

Ampio ny mpianatra hahatakatra hoe nahoana i Jesoa Kristy no maniry antsika mba hizara ny filazantsarany amin’ny olon-drehetra. Azonao atao ny manomboka amin’ny fanampiana ny mpianatra hahita ireo fitahiana tian’ny Tompo horaisin’ny olon-drehetra. Ity sahanasa manaraka ity dia afaka ny ho fomba iray mahafinaritra ho an’ny mpianatrahiarahana miasa amin’ny namana mpiara-mianatra iray rehefa mandalina misimisy kokoa ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84 izy ireo.

Asehoy ireto torolalana manaraka ireto ary ampio ny mpianatra hanaraka azy ireo. Ho an’ny dingana 2 dia azonao atao ny mifantina misiôna manokana mialoha mba hahafahan’ny mpianatra misafidy.

  1. Misafidiana olona iray izay afaka ny ho “mpiara-mitory” aminao mandritra ny ambin’ny lesona.

  2. Misafidiana misiôna iray eto amin’izao tontolo izao izay tianao hanompoana. (Raha miteny amin’ny fiteny hafa ilay misiôna nosafidinao dia jereo ny fomba ahafahanao mianatra haingana ny fomba fiarahabana ny mpiara-mitory aminao amin’izany fiteny izany.)

  3. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:64–73, ary tanisao ireo fitahiana izay irin’i Jesoa Kristy homena ireo rehetra izay manaiky Azy sy ny filazantsarany.

  4. Mifanakaloza hevitra momba ny fomba ahafahan’ny fitahiana tsirairay notanisainao manampy olona iray handresy ny haizina sy ny famatoran’ny fahotana.

Omeo fahafahana ny mpianatra mba hizara ireo fitahiana goavana izay azo avy amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy.

4:39
  • Raha afaka mizara zavatra iray momba an’i Jesoa Kristy amin’ny olona iray izay tsy mahafantatra na tsy manaraka Azy ianao dia ho inona izany?

Ireo naman’ny Mpamonjy

Makà fotoana hisaintsainana ny antony mahatonga ny tovovavy sy tovolahy maro dia maro hanaiky amim-pahavononana ny antso avy amin’ny Tompo mba ho misiônera misahana asa fanompoana na misiônera mampianatra ny filazantsara.

Eo am-pisaintsainan’ny mpianatra dia azonao angatahina izy ireo hizara olona izay fantany fa naharay antso vao haingana avy amin’ny Tompo mba handeha hanompo. Raha misy dia azonao atao ny mizara zavatra iray ao amin’ny tambajotran-tserasera momba ny olona iray izay manambara amin’ny fianakaviana sy ny namana ny antsony handeha hanao asa fitoriana. Ampio ny mpianatra hahita ilay fifaliana izay tonga eo amin’ireo izay maniry ny hanompo ny Tompo.

  • Inona ireo zavatra sasantsasany izay mety sarotra na mampatahotra momba ny fanompoana ny Tompo amin’ny maha-misiônera?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaky ireto andininy manaraka ireto miaraka amin’ny “mpiara-mitory” aminy. Azonao asaina izy ireo hisafidy roa na telo amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy izay manome fahatokian-tena ireo izay te hizara ny filazantsara amin’ny hafa. Afaka mizara ny zavatra nianarany amin’ireo mpianatra hafa niara-niasa tsiroaroa ny mpianatra roa niara-niasa tsirairay ao am-pianarana.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:77–88 mba hitadiavana ireo teny fankaherezana avy amin’ny Tompo ho an’ireo izay mety hatahotahotra hanaiky antso hanompo Azy.

Afaka mizara teny fankaherezana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ihany koa ianao. (Jereo ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny.”)

  • Inona amin’ireo tenin’ny Tompo ireo no nisarika ny sainao?

  • Nahoana no horaisin’i Jesoa Kristy ho tahaka ny namany ireo izay mitory ny filazantsarany araka ny zavatra nianaranao androany? (jereo ny andininy 77).

  • Inona ny zavatra nianaranao androany izay manampy anao hahatakatra kokoa ny zavatra tsapan’ny Tompo momba ny olon-drehetra manerana izao tontolo izao? Inona avy ireo dingana mety hasain’ny Fanahy Masina horaisinao vokatry ny zavatra nianaranao?