Seminera
Lesona 97—Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 6: Mahatakatra fotopampianarana sy mahazo fahalalana ara-panahy


“Lesona 97—Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 6: Mahatakatra fotopampianarana sy mahazo fahalalana ara-panahy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 6,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 97: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84

Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 6

Mahatakatra fotopampianarana sy mahazo fahalalana ara-panahy

zatovo iray manisy marika ao amin’ny soratra masina

Ny fifehezana fotopampianarana dia afaka manampy ny mpianatra hanorina ny fototry ny fiainan’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary manampy azy ireo hianatra sy hampihatra fitsipika avy amin’ Andriamanitra mba hahazoana fahalalana ara-panahy.

Sahanasa fianarana azo atao

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana: Manakatra

Mba hanampiana ny mpianatra hahafantatra tsara ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ireo fizarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sisa tavela dia hevero ny hanome minitra vitsy azy ireo mba hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andininy ireo ao amin’ny soratra masiny. Afaka mahita ny lisitry ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ny mpianatra ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023).

Azonao atao avy eo ny manasa ny mpianatra hanao ity sahanasa manaraka ity ao anaty vondrona kely mba hampitomboana ny fahatakaran’izy ireo ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Alaivo antoka fa tsy maharitra mihoatra ny 10 ka hatramin’ny 15 minitra ny fanisiana marika ao amin’ny soratra masina sy ny fanaovana ity sahanasa ity. Izany dia hanome fotoana ampy tsara ho an’ny mpianatra mba hanazarany tena amin’ny fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy aoriana kely ao amin’ity lesona ity.

Manaova lisitra ahitana ireo zava-tsarotra mahazatra atrehin’ireo zatovo eo amin’ny fiainan’izy ireo andavanandro.

Mitadiava andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay afaka manampy amin’ny fiatrehana ireo toe-javatra ireo. Vakio ireo andinin-tsoratra masina nofidinao ary miomàna hizara amin’ny iray kilasy ny valinteninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no fomba hanazavanao amin’ny teninao manokana ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo?

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ireo fampianaran’i Jesoa Kristy ao amin’ireo andininy ireo ny zatovo hiatrika ireo zava-tsarotra mahazatra izay nataonao lisitra?

Mianatra sy mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy

Mialoha ny hampidirana ity toe-javatra manaraka ity dia mety hanampy ny manasa ny mpianatra hamerina hijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. (Misy sahanasa famerenanaatolotra ao amin’ny “Sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana” izay hita ao amin’ny tovana ho an’ity boky torolalana ity.)

Fomba iray hamerenana izany ny fanoratana ny fitsipika tsirairay eny amin’ny solaitrabe ho tahaka ny lohateny misaratsaraka ary asiana toerana hanoratana eo ambaniny. Manasà mpianatra mitovitovy isa mba hamerina hijery fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy samihafa avy ao amin’ny andiam-pehezanteny 5–12 avy ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023). Manasà mpianatra manolo-tena telo avy eo, iray isaky ny fitsipika tsirairay, hankeny amin’ny solaitrabe. Angataho izy ireo hanoratra andian-teny na foto-kevitra iray manan-danja avy ao amin’ireo andiam-pehezan-teny izay naverin’izy ireo nojerena, eo ambanin’ilay lohateny mifanaraka amin’izany. Ireo andian-teny na foto-kevitra ireo dia hampiasaina aoriana kely ao amin’ity lesona ity.

Vakio ity rafi-tantara manaraka ity ary eritrereto ny fomba ahafahan’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manampy:

Mikorontan-tsaina i Chris. Vao haingana no nilaza taminy ny zokiny vavy izay manambady fa niala tao amin’ny Fiangonana ary tsy manam-paniriana ny ho mpikambana intsony. Manana olona hafa ao amin’ny fianakaviana sy namana hafa i Chris izay nisy fotoana natanjaka tao amin’ny filazantsara saingy nitsahatra tsy niangona intsony. Olona tsara izy ireo ary toa feno fifaliana sy mahomby amin’ny fiainana. Nanana drafitra ny hitoetra ho mazoto ao amin’ny Fiangonana foana i Chris saingy manomboka manontany teny izy raha toa ka tena manan-danja tokoa ny fijanonana ho mazoto ao amin’ny Fiangonana mandritra ny androm-piainany.

Asao ny mpianatra hanorina vondrona ahitana mpianatra telo izay namerina nijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy samihafa, raha azo atao izany. Angataho ireo vondrona hifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahan’ireo andian-tsoratra masina na foto-kevitra tsirairay manampy an’i Chris.

Azonao atao ny mamerina ilay sahanasa teo aloha imbetsaka arakaraka ny fotoana amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra hafa manolo-tena hanoratra andian-teny na foto-kevitra samihafa eo ambanin’ny fitsipika tsirairay eny amin’ny solaitrabe. Mba hiovana kely dia azon’ny mpianatra atao ny manorina vondrona telo hafa isaky ny fihodinana mba hifanakalo hevitra momba ireo andian-teny na foto-kevitra vaovao eny amin’ny solaitrabe.

Azon’ireo mpianatra atao ny manorina vondrona vaovao indray mba hifanakalo hevitra momba ireto manaraka ireto mba hamaranana ity sahanasa ity:

  • Inona no andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana tena afaka manampy tsara an’i Chris hahatakatra ny zavatra atolotr’i Jesoa Kristy ho an’ireo izay mitoetra ho mazoto ao amin’ny Fiangonany?

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana hafa avy ao amin’ny bokin-tsoratra masina hafa izay afaka manampy an’i Chris koa?

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra hikarohana sy hifanakalozana hevitra tao amin’ny vondrona nisy azy ireo dia asao izy ireo hizara amin’ny iray kilasy ireo andinin-tsoratra masina izay tsapan’izy ireo fa tena hanampy ary hilaza ny antony. Mamporisiha vondrona maromaro hizara. (Ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina mety hosafidin’ny mpianatra dia ahitana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30; 84:20–22; Helamàna 5:12; Josoa 24:15; Isaia 58:13–14; Lioka 22:19–20; Efesiana 2:19–20.)

Azonao faranana ny lesona amin’ny alalan’ny fangatahana ny mpianatra hamaly ny sasany amin’ireto tari-dresaka manaraka ireto na izy rehetra ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo:

Raha amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay dia tian’ny Ray any An-danitra hijanona ho mahatoky amin’i Jesoa Kristy sy ho mazoto ao amin’ny Fiangonany aho satria .

Andinin-tsoratra masina iray izay manampy ahy hijanona ho mahatoky amin’i Jesoa Kristy sy ho mazoto ao amin’ny Fiangonany ny .

Zavatra iray izay azoko atao mba hijanonako ho mahatoky amin’i Jesoa Kristy sy ho mazoto ao amin’ny Fiangonany mandritra ny androm-piainako ny .