Seminera
Lesona 94—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:1–32: “Ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra”


“Lesona 94—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:1–32: -Ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:1–32,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 94: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:1–32

“Ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra”

ôrdônansy

Rehefa nody avy nanao asa fitoriana izy ireo dia nihaona tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ireo andiana loholona. Rehefa niara-nivavaka izy ireo, dia nahazo fanambarana izay nanolotra hevi-baovao mikasika ny “herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20) ny Mpaminany, izay afaka ny ho azon’ny vehivavy sy ny lehilahy amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fisoronana. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fandraisana ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra izay atolotr’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana.

Sahanasa fianarana azo atao

Ôrdônansin’ny fisoronana

Asehoy ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany momba ireo fanontaniany sy ny fomba mety hamalian’izy ireo izany.

Loholona Neil L. Andersen

Ao anatin’ireo dia ataoko amin’ny maha-mpikambana ahy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mihaona amin’ireo tanora manerana izao tontolo izao aho. Maro amin’izy ireo no sahirana miatrika olana tena misy: “Hanampy ahy ve Andriamanitra? Hitarika ny fiainako ve Izy? Ahoana no ahafahako mahazo ny fanampiana sy ny fitarihana ary ny fiadanana ilaiko?” (Neil L. Andersen, “The Power of Godliness through Priesthood Ordinances and Blessings,” For the Strength of Youth, Aug. 2021, 10)

  • Eritrereto ireo fotoana nilanao fanampiana sy fitarihana ary fiadanana teo amin’ny fiainanao. Inona no nataonao na azonao natao mba hitadiavana ny fanampian’ Andriamanitra sy ny fitarihany?

Vakio ny ambin’ny teny nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen, ka tadiavo ny zavatra iray nomen’ Andriamanitra mba hanampiana antsika.

Loholona Neil L. Andersen

Ry tanora namako malala, hanampy anareo Andriamanitra ary vonona ny hitahy anareo Izy. Amin’ny maha-Raintsika be fitiavana Azy, dia nomeny ôrdônansy izay manampy antsika hahatsapa ny heriny eo amin’ny fiainantsika isika, izany hoe ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra. (Neil L. Andersen, “The Power of Godliness through Priesthood Ordinances and Blessings,” For the Strength of Youth, Aug. 2021, 10)

Mety mbola tsy nandinika ny fomba ahafahan’ny ôrdônansy manampy azy ireo eo amin’ny fiainany ny mpianatra. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hisaintsaina ny eritreriny sy ny fahatsapany mikasika ireo ôrdônansy. Azonao atao ny mampiseho izao fanombanan-tena izao mba hanaovana izany:

Amin’ny alalan’ny fampiasana maridrefy 1–5 (1 = ambany; 5 = ambony), ahoana no hanombananao ny fahatokian-tenanao eo anatrehan’ireto fanambarana manaraka ireto:

  • Fantatro ny atao hoe ôrdônansin’ny fisoronana.

  • Fantatro ny fomba efa nitahian’ Andriamanitra ny fiainako tamin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana.

  • Miomana amim-pisainana tsara amin’ny fandraisana ny ôrdônansy manaraka eo amin’ny fiainako aho.

Asao ny mpianatra ho vonona handray ireo fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina rehefa mandalina ny fizarana 84 sy mianatra bebe kokoa momba ny herin’ Andriamanitra izay afaka ny ho tonga eo amin’ny fiainany amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fisoronana izy ireo.

Ny tempoly sy ny fisoronana

Diniho ny fomba ahafahanao mizara ireto fampahalalana manaraka ireto amin’ny mpianatra:

Tamin’ny volana Septambra 1832 dia niverina tany Kirtland, Ohio, ireo misiônera rehefa avy nitory ny filazantsara tany amin’ny faritra antsinanan’i Etazonia. Nandritra ny fihaonan’izy ireo, dia nandray fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84 ny Mpaminany Joseph Smith. Nampitombo ny fahatakaran’ny Olomasina momba ny fisoronana ny Tompo ao amin’io fanambarana io. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:1–5 mba hitadiavana ny zavatra nasain’ny Tompo nataon’ny Olomasina ho laharam-pahamehana rehefa manorina ny tanànan’i Jerosalema Vaovao izy ireo.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny hanombohan’ny Tompo fanambarana iray momba ny fisoronana amin’ny alalan’ny fampianarana momba ny maha-zava-dehibe ny tempoly?

Raha toa ka tsy lazain’ny mpianatra ity, dia azonao atao ny manamarika fa ao amin’ny tempoly no hanatanterahana ireo ôrdônansin’ny fisoronana izay ilaina amin’ny famonjena antsika sy ny fisandratantsika.

Azonao atao ny mizara amin’ny mpianatra fa ao amin’ny andininy 6–18, ny Tompo dia nanambara fa nomena an’i Adama ny fisoronany ary nitohy hatramin’ny andron’i Mosesy. Nanome ny fisoronana an’i Aharôna sy ny taranany koa i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manamarika fa ny fisoronany dia mitohy ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ankehitriny. Ny fahefan’ny fisoronana rehetra, tafiditra ao anatin’izany izay takina amin’ny fanatanterahana ireo ôrdônansin’ny tempoly, dia avy amin’i Jesoa Kristy.

Miseho amin’ny alalan’ny ôrdônansy ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra

Mety ho fotoana tsara hanontaniana ny mpianatrao ny atao hoe ôrdônansy izao. Raha sahirana izy ireo manazava izany dia azonao atao ny manasa azy ireo hampiasa ny fanampiana amin’ny fandalinana ny soratra masina mba hahitana izany. Ampio izy ireo hahatakatra fa ny ôrdônansy dia zavata atao na fombafomba masina sy manara-pitsipika izay tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana. Ny ôrdônansy sasany dia tena ilaina ho an’ny fisandratantsika.

Azonao atao ny mitanisa ireo ôrdônansin’ny fisoronana eny amin’ny solaitrabe, toy ny batisa, ny fanasan’ny Tompo, ny tsodrano fankaherezana sy fanoroan-kevitra, ny tsodranon’ny patriarika, ny fandraisana ho mpikambana sy ny fanomezana ny Fanahy Masina, ny fanafiana masina any amin’ny tempoly, ary ny famehezana any amin’ny tempoly.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–22 mba hitadiavana ny zavatra ampianarin’ny Tompo momba ireo ôrdônansy.

sary famantarana ny fifehezana fotopampianarana Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20–22 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy.

  • Inona no nianaranao momba ireo ôrdônansin’ny fisoronana?

  • Inona no fanontaniana anananao momba ny zavatra novakinao?

    Azonao atao ny mizara ny sasany amin’ireto manaraka ireto na izy rehetra, miankina amin’ny fahatakaran’ny mpianatra sy ny fanontaniana apetrany:

  • Ny hoe “Ity fisoronana ambony ity dia mitantana ny filazantsara” dia entina ilazana ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka mba hanatanteraka ireo ôrdônansy ilaina amin’ny famonjena antsika sy ny fisandratantsika.

  • Ny “Mistery” dia “fahamarinana ara-panahy tsy fantatra raha tsy amin’ny alalan’ny fanambarana” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Misterin’ Andriamanitra,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • Ny “herin’ny toetra araka an’Andriamanitra” dia entina ilazana ny hery avy amin’ Andriamanitra mba hanampy antsika eto amin’ity fiainana ity sy hanomana antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Ampio ny mpianatra hamantatra fa amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana dia afaka mahazo ny herin’ny toetra araka an’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika isika.

Mba hanampiana ireo mpianatra hampitombo ny fahatakarany an’io fahamarinana io dia asao izy ireo hisafidy ny iray amin’ireo ôrdônansy voatanisa eny amin’ny solaitrabe izay tiany hianarana bebe kokoa. Omeo fotoana izy ireo hanoratra fanontaniana roa na telo ananany momba io ôrdônansy io. Na azonao atao ny mampiseho ireo fanontaniana telo voatanisa etsy ambany mba hodinihin’izy ireo.

  • Ahoana no ahafahan’ny olona iray miomana handray io ôrdônansy io?

  • Araka ny hevitrao, amin’ny fomba ahoana no anampian’ity ôrdônansin’ny fisoronana ity antsika hahazo ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra mba hanampiana antsika eto amin’ity fiainana ity?

  • Ahoana no ahafahan’ny fandraisana io ôrdônansy io manampy antsika ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy bebe kokoa?

Asao ireo mpianatra hikaroka ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra mba hianarana bebe kokoa momba ny ôrdônansy nofidin’izy ireo sy ny valin’ny fanontanian’izy ireo. Afaka manao izany samirery izy ireo na miaraka amin’ny olon-kafa izay nisafidy io ôrdônansy io ihany koa. Ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, dia manome fampahalalana mahasoa ho an’ireo izay misafidy ny handalina ny fanafiana masina any amin’ny tempoly (27.2) sy ny famehezana (27.3). Afaka misaintsaina ny zavatra niainany manokana koa izy ireo rehefa nanampy azy ireo hahatsapa ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra teo amin’ny fiainany ireo ôrdônansy niainany.

Rehefa avy nomena fotoana ampy dia asao ny tsirairay na ny vondrona hizara ny zavatra nianarany amin’ny iray kilasy.

Ny maha-zava-dehibe ny ôrdônansy

Mba hanampiana ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra nianarany mikasika ny maha-zava-dehibe ny ôrdônansin’ny fisoronana dia azonao atao ny mangataka ny mpianatra hamaly ny sasany na ny rehetra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. Afaka misafidy fanontaniana iray ny mpianatra ary mizara ny valinteniny amin’ireo mpiara-mianatra aminy.

  • Inona no nianaranao momba ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra sy ireo ôrdônansin’ny fisoronana?

  • Ahoana no ahafahan’ny fanaovana asa eo anatrehan’ireo ôrdônansy ireo sy ny fandraisana ireo ôrdônansy ireo manampy anao hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy?

  • Oviana ianao no nahatsapa ny herin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana noraisinao?

Hevero ny hizara ny eritreritrao sy ny zavatra tsapanao momba ny herin’ Andriamanitra izay noraisinao teo amin’ny fiainanao tamin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana.

Manao tsianjery

Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hitadidy ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity, ary mamerin mijery izany mandritra ireo lesona hafa any aoriana any. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina dia ny hoe “Koa miharihary ao amin’ny ôrdônansiny ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra.” Ireo hevitra ho an’ny asa fitadidiana dia ao amin’ireo fitaovana ao amin’ny tovana etsy ambany “Asa famerenana ny fifehezana fotopampianarana.”