Seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84: Topimaso ankapobeny


“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84

Topimaso ankapobeny

Rehefa nody avy nanao asa fitoriana ireo andiana Loholona dia nisy nihaona tamin’ny Mpaminany Joseph Smith izy ireo. Rehefa niara-nivavaka izy ireo, dia nahazo fanambarana ny Mpaminany izay nanome hevi-baovao mikasika ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra afaka ny ho azon’ny vehivavy sy ny lehilahy amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fisoronana. Nanazava ihany koa ny momba ny fianianana sy fanekempihavanana izay mihatra amin’ny herin’ny fisoronany ny Mpamonjy, ary nandidy ny mpianany hijoro ho vavolombelona momba ny filazantsarany amin’izao tontolo izao.

sary famantarana ny fanofanana Mametraha fanontaniana izay manasa ny fandinihan-tena: Ny fandinihan-tena sy ny fanombanan-tena dia afaka manasa ny Fanahy Masina hanampy ny mpianatra tsirairay hahita ny zavatra “araka ny tena toetrany, sy … ny ho tena toetrany” (Jakoba 4:13). Ny fandinihan-tena mahomby dia manampy ireo mpianatra handinika ny fahatakarany amin’izao fotoana izao sy ny maha-zava-dehibe ny fahamarinan’ny filazantsara, ary koa ny fomba hiainana izany. Raha mila fanazavana fanampiny momba ny fomba nanaovan’ny Mpamonjy izany dia jereo ny fizarana “Ny Mpamonjy dia nanolotra fahafahana ho an’ny olona mba ho ampianarin’ny Fanahy Masina” ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Afaka mahita ohatra iray momba ny fomba hanaovana izany koa ianao ao amin’ny lesona ho an’ity herinandro ity izay mitondra ny lohateny hoe “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:1–32.”

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:1–32

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fandraisana ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra izay omen’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra fantany momba ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy ny antony maha-zava-dehibe azy ireo eo amin’ny fiainany manokana amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany azy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:33–44

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany ny fianianana sy ny fanekempihavanan’ny fisoronana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny fomba nitahiana azy ireo tamin’ny alalan’ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra. Asao izy ireo mba ho vonona hizara ny fomba nampitomboan’ny fiezahana hitandrina ny fanekempihavanan’izy ireo ny herin’ Andriamanitra teo amin’ny fiainany.

  • Taratasy zaraina: “Ampitomboy ny fahatakaranao ny fianianana sy ny fanekempihavanan’ny fisoronana (Tapany 1 sy Tapany 2)”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:49–102

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny faniriana tahaka ny an’i Kristy hizara ny filazantsara amin’ny olona rehetra manerana izao tontolo izao.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanontany olona iray momba ireo fitahiana avy amin’ny fanekena an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Raha azo atao dia asao izy ireo hanontany olona iray izay natao batisa rehefa avy nampianarin’ny misiônera.

  • Sary haseho: Sarintanin’izao tontolo izao

Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 6

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy hianatra sy hampihatra ireo fitsipika masina mba hahazoana fahalalana ara-panahy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanontany olon-dehibe iray ao amin’ny fianakaviana na olon-dehibe mpitarika ao amin’ny Fiangonanany antony hisafidianany ny hijanona ho mazoto ao amin’ny Fiangonana sy ho mahatoky amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.