Lesona 93—Tombano ny fianaranao 6: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76–83
“Lesona 93—Tombano ny fianaranao 6: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76–83,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Tombano ny fianaranao 6,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 93: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83
Ny fakana fotoana hamantarana ny fitomboana sy ny fivoarana ara-panahy dia afaka manamafy ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary mandrisika antsika hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hanombana ny fivoarany ara-panahy avy amin’ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana hatramin’izao.
Sahanasa fianarana azo atao
Mankasitraka ny fitomboana sy ny fivoarana
Inona no azonao atao mba hankafizana ilay dia?
Ahoana no ahafahantsika mampitaha izany karazana dia izany amin’ny dingana arahina mba hahatongavana bebe kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy?
Inona avy ireo fomba ahafahantsika mankafy sy mankasitraka bebe kokoa ny dingana arahina eo amin’ny fivoarana ara-panahy?
Ahoana no ahatsapanao fa mivoatra sy mihamanakaiky kokoa ny Tompo ianao?
Ahoana ny fomba anampian’ny Tompo anao?
Manazava ny ambaratongam-boninahitra telo
Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana akaiky antsoina hoe Olivia ianao, izay tsy mpikamban’ny Fiangonana saingy mino mafy an’i Jesoa Kristy. Indray andro dia nanatona anao izy ary nanontany hoe: “Inona no inoan’ny mpikamban’ny Fiangonanao momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana? Nampianarina aho fa na ho any an-danitra na ho any amin’ny helo ny olona rehetra, saingy reko fa ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mino ny fisian’ny lanitra maro. Inona izany rehetra izany?”
Mandania minitra vitsivitsy hanoratana valinteny ho an’i Olivia izay manazava ny fahatakaranao sy ny fahalalanao momba ireo ambaratongam-boninahitra telo. Raha tianao dia azonao atao ny mampiditra sary hanampiana an’i Olivia haka sary an-tsaina ny zavatra hazavainao.
Fanehoana fanajana ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy
Inona no ianaranao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay mampitombo ny fitiavanao sy ny fankasitrahanao ary ny fanehoanao fanajana Azy Ireo?
Mandalina sy misaintsaina ny soratra masina
Inona no nataon’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon talohan’ny nahazoan’izy ireo ny fahitana momba ny ambaratongam-boninahitra telo?
Inona no nianaranao avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo?