Seminera
Lesona 92—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8–24: “Izaho Tompo dia voafatotra rehefa ataonareo izay lazaiko”


“Lesona 92: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8–24: -Izaho Tompo dia voafatotra rehefa ataonareo izay lazaiko-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8–24,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 92: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8–24

“Izaho Tompo dia voafatotra rehefa ataonareo izay lazaiko”

ny Mpamonjy

Nanasa ireo mpikambana tao amin’ny Orinasa Miray ny Mpamonjy mba hamatotra ny tenany amin’ny alalan’ny fanekempihavanana hitantana ny raharahan’ny Fiangonany. Nomeny didy izy ireo ary nampanantena ny hitahy azy ireo rehefa mankatò izy ireo. Rehefa manao fanekempihavanana ny hankatò ny didin’i Jesoa Kristy isika dia mampanantena ny hitahy antsika Izy. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny fomba fitandremana ireo fanekempihavanana ataontsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Sahanasa fianarana azo atao

Mifamatotra amin’ny Tompo

Ity lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana manaraka ity dia afaka manampy ireo mpianatra hisaintsaina ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mampisehoa andriamby roa amin’ny mpianatra. Azon’ny mpianatra atao ny mampiseho hoe rehefa mifanakaiky ireo andriamby, dia mety hifanintona izy ireo na hifanifika. Angataho ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe ny iray amin’ireo andriamby dia maneho an’i Jesoa Kristy ary ny iray kosa maneho azy ireo.

  • Inona no azontsika ianarana mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’ireo andriamby ireo?

Asao ny mpianatra hieritreritra momba ny fifandraisany amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82 ny mpianatra dia amporisiho izy ireo hikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo manamafy orina ny fifandraisany amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

“Izaho Tompo dia voafatotra rehefa ataonareo izay lazaiko”

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82, ny Tompo dia namerina ny torolalana nomena tao amin’ny fanambarana teo aloha (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78). Ny toromarika dia ny hanorina ny Orinasa Miray mba hitantana ny raharaha ara-nofon’ny Fiangonana sy hanorina an’i Ziona.

sary famantarana ny fifehezana fotopampianarana Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:10 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Asao hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ny mpianatra mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8–10 mba hitadiavana ny zavatra nambaran’ny Tompo momba ny didiny.

  • Inona no antony nanomezan’ny Mpamonjy antsika didy?

  • Inona no ampanantenain’ny Tompo raha mankatò ny didiny isika?

Asao ny mpianatra hamerina hilaza fahamarinana iray ao amin’ireo andininy ireo amin’ny alalan’ny fampiasany ny teniny manokana. Afaka manoratra izany ao amin’ny diariny na eny amin’ny solaitrabe koa izy ireo. Mety hahita fahamarinana mitovy amin’ity ny mpianatra: Rehefa mankatò ny didin’ny Tompo isika dia mampanantena ny hitahy antsika Izy.

Inona no ampianarin’ireo andininy ireo anao momba ny toetran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ny fotoana nahitan’izy ireo ny fahatanterahan’io fahamarinana io dia azonao atao ny manao sahanasa iray toy ity manaraka ity:

Zarao ho vondrona kely vitsivitsy ny mpianatra. Angataho ny vondrona tsirairay mba hitady ohatra ahitana ny fitahian’ny Mpamonjy ny olona noho ny fankatoavana ny didiny. Afaka mitanisa ohatra avy ao amin’ny soratra masina na ny fiainan’izy ireo manokana na ny fiainan’ny olona fantany ny mpianatra. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra, dia azonao atao ny manasa ireo vondrona hifandimby hizara ohatra. Azonao atao ny mifanakalo hevitra momba ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ireo ohatra ireo mikasika ny fahavononan’ny Mpamonjy hitandrina ny fampanantenany.

Voafatotry ny fanekempihavanana

Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hahita ny fomba ahafahan’ny andininy 1 mampianatra momba ny fifandraisantsika mifono fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Amin’ny alalan’ny fanekempihavanana dia manao fampanantenana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika, ary manao fampanantenana amintsika Izy Ireo.

  • Inona araka ny eritreritrao no ampianarin’ny andininy 10 momba ireo fanekempihavanana ataontsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Vakio ity teny manaraka nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ity, ka tadiavo ny zavatra nampianariny momba ny fanekempihavanana.

Filoha Russell M. Nelson

Rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika dia miala mandrakizay amin’ny tsy fiandaniana. Andriamanitra dia tsy hanary ny fifandraisany amin’ireo izay nikolokolo fifamatorana toy izany Taminy. Raha ny marina, ireo rehetra izay nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra dia afaka mahazo karazana fitiavana sy famindram-po manokana. …

Rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra izaho sy ianao, ny fifandraisantsika Aminy dia lasa tena akaiky kokoa noho ny talohan’ny fanekempihavanantsika. Mifamatotra isika izao. Noho ny fanekempihavanantsika amin’ Andriamanitra, dia tsy ho reraka mihitsy Izy amin’ny ezaka ataony hanampiana antsika, ary tsy ho lany mihitsy ny faharetany feno famindram-po amintsika. Samy manana anjara toerana manokana ao am-pon’ Andriamanitra isika tsirairay avy. Avo dia avo ny fanantenany ho antsika. (Russell M. Nelson, “Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay,” Liahona, ôkt. 2022, 5, 6).

  • Inona araka ny eritreritrao no zava-dehibe hotadidina avy amin’io fanambarana io?

Mitondra fitahiana ny fitandremana fanekempihavanana

Tao anatin’ny torolalan’ny Tompo ho an’ireo mpitarika tao amin’ny Orinasa Miray dia nanoro hevitra an’i Joseph Smith, Oliver Cowdery, Edward Partridge, ary ny hafa Izy mba “hiara-hofehezina ao amin’ny … alalan’ny famehezana sy ny fanekempihavanana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:11) mba hitantana ny raharaha ara-nofon’ny Fiangonana. Amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra nanao fanekempihavanana antsika dia manao fanekempihavanana ihany koa isika fa hanao zavatra vitsivitsy rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy.

Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona kely sy hanasa ny vondrona tsirairay hanambatra ny iray amin’ireto lisitra manaraka ireto. Azon’ny mpianatra soratana eny amin’ny solaitrabe ny lisitr’izy ireo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:12–19 ary ataovy lisitra ny zavatra nasain’ny Tompo nanaovan’ireo mpikambana tao amin’ny Orinasa Miray fanekempihavanana fa hataon’izy ireo.

Vakio ny Môzià 18:8–10 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77 ary ataovy lisitra ireo zavatra asain’ny Tompo anaovantsika fanekempihavanana fa hataontsika amin’izao fotoana izao.

  • Inona avy ireo zavatra nisarika ny sainao avy tao amin’ireo lisitra ireo?

  • Inona no mampitovy ireo andraikitra avy amin’ireo fanekempihavanana ireo?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fitandremana ny fanekempihavanantsika manampy antsika ho tonga tahaka ny Mpamonjy?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:24 mba hitadiavana ny zavatra ampanantenain’ny Tompo an’ireo izay mitandrina ny fanekempihavanana nataony Taminy.

Hevero ny hampiseho ireo andriamby mifandray. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany avy amin’ity lesona ity mikasika ny fifandraisany amin’i Jesoa Kristy. Azonao atao koa ny mizara ny zavatra tsapanao momba ireo fitahiana azonao tamin’ny fanaovana fanekempihavanana tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy ny fitandremana izany.

Manao tsianjery fifehezana fotopampianarana

Mandritra ity lesona ity dia azonao atao ny manampy ny mpianatra hitadidy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:10 sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina hoe “Izaho Tompo dia voafatotra rehefa ataonareo izay lazaiko.” Azonao atao avy eo ny mamerina izany any amin’ny lesona any aoriana. Ireo hevitra ho an’ny asa fitadidiana dia ao amin’ireo fitaovana ao amin’ny tovana etsy ambany “Asa famerenana ny fifehezana fotopampianarana.”