“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83
Topimaso ankapobeny
Ny lohataonan’ny taona 1832 dia nandeha nankany Independence, Missouri, ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo olona hafa mba ho fankatoavana ny didin’ny Tompo mikasika ny fananganana rafitra iray hanorenana an’i Ziona sy hikarakarana ny mahantra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78). Tao dia nahazo fanambarana iray ny Mpaminany izay namaritra ny zavatra andrasan’ny Tompo amin’ny olony ary nanasa ireo mpikambana ao amin’ny Orinasa Miray mba hamatotra ny tenany amin’ny alalan’ny fanekempihavanana hitantana ny raharahan’ny Fiangonany.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:1–7
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ireo fomba nitahian’ny Tompo azy ireo sy ny fomba andrasany mba hampiasan’izy ireo ireo fitahiana ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao ny lisitr’ireo fitahiana azony avy amin’ny Tompo.
-
Fitaovana ilaina omanina: Ireo zavatra hotazonin’ny mpianatra eny aloha ao an-dakilasy, toy ny tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna, valopy izay ahitana vola be misoratra ety ivelany (ohatra, 1.000.000 dolara), ary vatomamy maromaro
-
Taratasy zaraina: “Fitahiana avy amin’nyTompo”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8–24
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba fitandremana ireo fanekempihavanana ataontsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanontany ray na reny na mpitarika zatovo iray ny mahatonga ny fifandraisany amin’i Jesoa Kristy ho mafy orina amin’ny alalan’ny fankatoavana ny didiny .
-
Fitaovana ilaina omanina: Andriamby roa
Tombano ny fianaranao 6
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hanombantombana ny fivoarany ara-panahy avy amin’ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana hatramin’izao.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba mety hivoaran’izy ireo ara-panahy, indrindra mba hanakaikezana kokoa an’i Jesoa Kristy.
-
Sary haseho: Olona manao fitsangantsanganana an-tongotra, mitaingina bisikileta ary mihazakazaka; i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon; kisary momba ny famakiana soratra masina