Seminera
Lesona 90—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79–80: Hanambara ny vaovao mahafalin’ny fifaliana lehibe


“Lesona 90—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79–80: Hanambara ny vaovao mahafalin’ny fifaliana lehibe,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana(2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79–80,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 90: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77–80

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79–80

Hanambara ny vaovao mahafalin’ny fifaliana lehibe

miresaka momba ny Bokin’i Môrmôna

Rehefa nandray ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny ireo Olomasina tany am-boalohany dia nanana faniriana lehibe ny hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny hafa izy ireo. Ny sasany dia nizara ny finoany tamin’ny fianakaviany sy ny namany. Ny hafa namaly ny antso iray avy amin’ny Mpamonjy mba hanao asa fitoriana. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hizara ny filazantsaran’ny Mpamonjy mandritra ny fiainany.

Sahanasa fianarana azo atao

Fahafahana azo araraotina hizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Ampio ny mpianatra hitady fahafahana azo araraotina hizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Hevero ny hanasa ny mpianatra hiaraka tsiroaroa na ao anaty vondrona kely mba hamaky ireto teny nambara ireto sy hifanakalo hevitra mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto.

Nizara izao ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Dieter F. Uchtdorf

Na aiza na aiza misy anao eto an-tany dia misy fahafahana marobe hizarana ny vaovao mahafalin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny olona mifanena, na miara-mianatra, na miara-mipetraka, na miara-miasa na mifanerasera aminao. (Dieter F. Uchtdorf, “Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao,” Liahona, mey 2019, 15)

  • Inona avy ireo zavatra niainanao tamin’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

  • Araka ny eritreretinao, inona avy ireo fahafahana azo araraotina hizarana ny filazantsara hanananao mandritra ny fiainanao?

  • Manao ahoana ny fahatokian-tenanao eo amin’ny fahafahanao mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? Inona no mety hanasarotra ny fizarana ny filazantsara?

Asao ireo mpianatra hamantatra ombam-bavaka ny olona azon’izy ireo izarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Raha toa ka nasaina nanao ilay sahanasa fanomanana ireo mpianatra dia mety ho efa manana olona ao an-tsainy izy ireo. Asao ny mpianatra hanoratra ny anaran’ireo olona ireo ao amin’ny diary fandalinany. Na, raha tsy nisy olona tonga tao an-tsainy dia asao izy ireo hanohy hisaintsaina ireo fahafahana azo araraotina mety hananany hizarana ny filazantsara amin’ny hafa. Amporisiho ny mpianatra hikatsaka fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina mandritra ity traikefa amin’ny fianarana ity.

Vaovao mahafalin’ny fifaliana lehibe

Ao amin’ireo fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79–80, dia niantso olona telo ny Mpamonjy mba hanao asa fitoriana: Jared Carter, Stephen Burnett, ary Eden Smith.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79:1. Tadiavo ny fomba namariparitan’ny Tompo ny hafatra nasainy nozarain’i Jared Carter tamin’ny hafa.

  • Inona no avy ireo teny nanaitra anao avy amin’io andininy io? Inona no anasan’ny Mpamonjy antsika mba hataontsika?

Ampio ny mpianatra hamantatra fa i Jesoa Kristy dia manasa antsika hizara ny fifalian’ny filazantsarany amin’ny olona rehetra. Hevero ny hanoratra hoe Vaovao mahafalin’ny fifaliana lehibe eny amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra mba hanao lisitra ny zavatra fantany momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany mandrakizay izay mitondra fifaliana lehibe ho azy ireo.

Eritrereto ny fiainan’ireo olona izay nosoratanao tany am-piandohan’ny lesona ny anarany. Soraty eo akaikin’ny anaran’izy ireo ny fomba heverinao fa ahafahan’ny “vaovao mahafaly” ao amin’ny filazantsara mitondra fifaliana ho azy ireo.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79–80 dia mirakitra fampianarana avy amin’ny Mpamonjy izay afaka manampy ireo mpianatra amin’ny ezaka ataon’izy ireo hizara ny filazantsara. Eritrereto ny fomba ahafahanao manampy azy ireo hahita ireo fampianarana ireo. Fomba iray ahafahanao manao izany ity sahanasa manaraka ity. Azo ovaina izy io mba hifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny mpianatrao.

sary famantarana ny taratasy zarainaOmeo ny mpianatra tsirairay ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Torio ny Filazantsarako.” Na asao ny mpianatra mba hamorona tabilao mitovitovy amin’izany eo amin’ny taratasy tsy misy na inona na inona ary hanome azy ireo ny torolalana ho an’ny efajoro tsirairay.

Torio ny filazantsarako

Torio ny filazantsarako

Rehefa manao ity asa ity ianao dia mitadiava fampianarana avy amin’i Jesoa Kristy izay afaka manampy anao amin’ny ezaka ataonao hizara ny fifalian’ny filazantsarany.

Vakio ny andinin-tsoratra masina ary fenoy ny torolalana eo amin’ny efamira tsirairay. Raha mila toerana bebe kokoa ianao dia afaka mampiasa ny ao ambadik’ilay taratasy zaraina.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79:2

Avereno soratana amin’ny alalan’ny teninao manokana io andininy io.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79:3

Ataovy sary io andininy io. (Ny amboara dia salohim-barimbazaha ary fanehoana an’ohatra ny olona izay manaiky ny filazantsara.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79:4

Soraty izay inoanao fa teny na andian-teny manan-danja indrindra ao amin’io andininy io ary manorata fanazavana fohy momba ny antony ahatsapanao fa manan-danja amin’ny fizarana ny filazantsara izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 80:1

Mitadiava andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana na soratra masina hafa izay mifandray amin’io andininy io. Soraty eto amin’ity efamira ity ilay andinin-tsoratra masina.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 80:2

Soraty ny antony iray eritreretinao fa anomezan’ny Tompo namana mpiara-mitory ho an’ny misiônera.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 80:3

Soraty izay tsapanao fa ifandraisan’io andininy io amin’ny ezaka ataontsika manokana amin’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 80:4

Manorata zavatra izay henonao, na inoanao, na fantatrao fa marina momba an’i Jesoa Kristy na ny filazantsarany. Ampidiro ny antony mety hahasarobidy io fahamarinana io ho an’ny hafa.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 80:5

Vakio io andininy io toy ny hoe nolazaina mivantana taminao izany. Soraty ny fomba ahafahan’ny fahafantarana ny niantsoan’ny Mpamonjy anao mba hizara ny filazantsara manome fahatokian-tena anao hanao izany.

Fomba iray azo ampiasana ity taratasy zaraina ity ny famaritana mialoha ny fotoana mety hilain’ny mpianatra hamitana ny sahanasa tsirairay. Ampahafantaro ny mpianatra ny fotoana omena azy ireo mba hamitana ilay sahanasa ao anatin’ny efajoro tsirairay ary asio fameram-potoana. Isaky ny maneno ny fameram-potoana dia asao izy ireo hampita ny taratasiny eny amin’ny mpianatra iray hafa, hamaky ny zavatra nosoratan’ny mpiara-mianatra aminy ary hanao ilay sahanasa ao amin’ny efajoro manaraka.

Aorian’io sahanasa io, dia asao ny mpianatra hamerina ireo taratasy any amin’ny tompony. Asao ny mpianatra hamaky samirery izay rehetra voasoratra ao amin’ny taratasiny. Afaka mizara hevi-baovao avy amin’ny mpiara-mianatra aminy na ny fandalinany manokana ny mpianatra izay tsapan’izy ireo fa hanampy eo amin’ny ezaka ataon’izy ireo hizara ny fifaliana avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Mizara izay rentsika, inoantsika, ary fantatsika fa marina

Hevero ny hamerina hijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 80:4. Ao amin’io andininy io, ny Tompo dia mangataka antsika mba hizara izay henontsika sy inoantsika ary fantatsika fa marina. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratan’izy ireo na ny mpiara-mianatra taminy teo amin’io efamira io.

Mba hanampiana ireo mpianatra haka sary an-tsaina ny fomba ahafahan’izy ireo mampiasa ny zavatra nianarany mba hizarana ny filazantsara dia hevero ny hizara ohatra iray avy amin’ny tantara iray. ChurchofJesusChrist.org.

2:21

Good Things to Share

Sharing what matters most is not unusual at all. What good things will you share?

  • Inona no tsapanao androany ka nampitombo ny fanirianao hizara ny fifaliana avy amin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy?

  • Inona avy ireo fomba ahafahanao mampihatra ireo fahamarinana nianaranao androany mandritra ny androm-piainanao?

Asao ny mpianatra mba hirakitra ireo fahatsapana azon’izy ireo izay afaka manampy azy ireo hizara ny fifaliana avy amin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy amin’ireo olona izay hitan’izy ireo tany am-piandohan’ny fotoam-pianarana. Amporisiho ny mpianatra hanaraka ireo zavatra tsapany sy hizara ny finoany amin’ny hafa amin’ny fomba manan-danja toy ny amin’ny alalan’ny resaka manokana, na hafatra fohy an-tsoratra, na amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera.