“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77–80: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77–80,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77–80
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77–80
Topimaso ankapobeny
Ny Tompo dia nanome toromarika an’i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana mba hanangana orinasa iray hitantana ny asa aman-draharahan’ny Fiangonana sy ny ezaka atao eo amin’ny fanontana printy. Io orinasa io dia nantsoina hoe Orinasa Miray ary nanara-maso ny ezaka nataon’ny Fiangonana mba hanangonam-bola sy hikarakarana ireo sahirana. Mba hanatanterahana ny didin’ny Mpamonjy hoe “hitory ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 80:1), dia nantsoina hanao asa fitoriana ny tsirairay. Nahazo antso hanao asa fitoriana i Jared Carter, i Stephen Burnett, ary i Eden Smith.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hampitombo ny faniriany ho tonga tahaka ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fikarakarana ireo izay sahirana.
-
Fanomanana ny mpianatra: Ny fandalinana ny soratra masina dia fomba iray ahafahan’ny mpianatra miomana tsara kokoa handray fanambarana ho an’ny tena manokana. Asao ny mpianatra hivavaka mangina mandritra ny lesona mba hahafantarana ny zavatra tian’ny Ray any An-danitra hianarany, na ho tsapany, na na hataony vokatry ny zavatra nianarany.
-
Fitaovana ilaina: Baoritra misy soratra hoe “Trano fitehirizan’ny Tompo”; taratasy kely ho an’ny mpianatra tsirairay
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79–80
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hizara ny filazantsaran’ny Mpamonjy mandritra ny fiainany.
-
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra mba handinika ombam-bavaka ireo olona izay azony izarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Amporisiho ny mpianatra hieritreritra ny fomba hitahiana ireo olona ireo amin’ny alalan’ny hafatry ny filazantsara ary hieritreritra ireo fomba tsotra ahafahan’izy ireo mizara izany.
-
Fitaovana ilaina: Tahadikan’ireo taratasy nozaraina hoe “Torio ny Filazantsarako”