Seminera
Lesona 89—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78: Ny trano fitehirizan’ny Tompo


“Lesona 89—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78: Ny trano fitehirizan’ny Tompo,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 89: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77–80

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78

Ny trano fitehirizan’ny Tompo

Ny fivarotan’i Newel K. Whitney

Nandidy an’i Joseph Smith, i Sidney Rigdon, i Newel K. Whitney, ary ireo mpisorona avo hafa ny Tompo mba hanao fandaminana eo amin’izy samy izy ho lasa vondrona iray antsoina hoe Orinasa Miray. Ilay orinasa dia nitantana ny fananan’ny Fiangonana sy ny trano fitehirizany ary ny ezaka nataony teo amin’ny fanontana, ary nanome loharanom-pitaovana hanampiana amin’ny fanomezana fahafaham-po ny zavatra ara-nofo ilain’ny Olomasina. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hampitombo ny faniriany ho tonga tahaka ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fikarakarana ireo izay sahirana.

Sahanasa fianarana azo atao

Ilay Orinasa Miray

Ny fomba iray hanombohana ny lesona dia ny fanampiana ireo mpianatra hamorona rafi-tantara iray ahitana fianakaviana manana zavatra ilaina ara-nofo. Ao anatin’ny rafi-tantara, dia ampidiro ny fahasahiranana ara-bola atrehin’ilay fianakaviana sy ny zavatra ilainy manokana. Horesahina any aoriana any ao amin’ny lesona io rafi-tantara io.

Hazavao fa hianatra bebe kokoa momba ny fomba hanampian’ny Tompo antsika hikarakara ireo sahirana ireo mpianatra rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78. Asao ny mpianatra hikatsaka fanambarana mba hahafantarana izay olona mety hasain’ny Tompo hampian’izy ireo sy ny zavatra azon’izy ireo atao.

Tamin’ny 1 martsa 1832, dia nihaona tamin’ny andiana mpisorona avo iray tao Kirtland, Ohio, ny Mpaminany Joseph Smith. Nandritra ilay fivoriana, ny Mpaminany dia nanonona ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78. Taty aoriana dia noforonina ny Orinasa Miray. Araka ny lalàn’ny fanokanana dia nitantana ny fananan’ny Fiangonana sy ny ezaka ara-bola nataony ary ny fanontana printy tany Ohio sy Missouri ny Orinasa Miray. Tamin’ny alalan’ilay orinasa no nanorenan’ny Tompo trano fitehirizana hikarakarana ireo sahirana, ary i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ary i Newel K. Whitney dia nasaina nandeha tany Missouri (Ziona) mba handamina izany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:1–6 mba hitadiavana ny antony nanirian’ny Tompo ny mpanompony mba handamina eo amin’izy samy izy amin’izany fomba izany.

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny fanirian’ny Tompo ho an’ny olony?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no ilaina ny fikarakarana ny mahantra mba “hampandroso[ana] ny foto-kevitr[’i]” Ziona? Ahoana no ahafahan’izany mitondra voninahitra ho an’ny Ray any An-danitra?

Ny trano fitehirizan’ny Tompo

Hevero ny hitondra baoritra iray ao an-dakilasy ary asio soratra hoe “Ny trano fitehirizan’ny Tompo” izany. Anontanio ny mpianatra ny atao hoe trano fitehirizan’ny Tompo araka ny eritreritr’izy ireo. Azonao atao ny manasa eveka na filohan’ny sampana iray mba hiresaka momba ny fomba fiasan’ny trano fitehirizan’ny Tompo ao amin’ny faritra misy anao.

Vakio ity famaritana manaraka ity momba ny trano fitehirizan’ny Tompo, ka tadiavo ny fomba nanampian’ny Mpamonjy ireo izay sahirana.

Ireo loharanom-panampiana rehetra misy ao amin’ny Fiangonana mba hanampiana ireo izay mila fanampiana ara-nofo dia antsoina hoe trano fitehirizan’ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:18–19). Tafiditra ao anatin’izany ny fanoloran’ireo mpikambana fotoana, talenta, fangorahana, fitaovana ary fanampiana ara-bola mba hanampiana ireo izay sahirana.

Ny trano fitehirizan’ny Tompo dia misy isaky ny paroasy sy ny tsatòka tsirairay. Ny mpitarika dia afaka manampy ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mba hahita vahaolana mahakasika ny zavatra ilain’izy ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ny fahalalana sy ny fahaiza-manao ary ny fahafaha-manompo atolotr’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy sy tsatòka. (General Handbook: Serving in The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, 22.2.1, ChurchofJesusChrist.org)

Ifanakalozy hevitra ireo fomba manokana ahafahan’ny tanora mandray anjara amin’ny trano fitehirizan’ny Tompo (izany hoe, fotoana, talenta, fangorahana, fitaovana, loharano ara-bola). Omeo taratasy kely ny mpianatra. Angataho ny mpianatra mba hanoratra zavatra manokana iray farafahakeliny izay azon’izy ireo atolotra manokana ao amin’ny trano fitehirizan’ny Tompo ary avy eo dia hametraka ny taratasiny ao anaty boaty.

Asao ny mpianatra iray hanala ireo zavatra ao amin’ny trano fitehirizana ary hitarika fifanakalozan-kevitra mikasika ny fomba ahafahan’ny fandraisana anjara manokana manampy ny fianakaviana ao anatin’ilay rafi-tantara noforonin’ny kilasy. Avereno imbetsaka io fanazaran-tena io.

Natao hosaintsainin’ny mpianatra samirery ity teny nambara manaraka ity.

Eritrereto hoe hatraiza ny fahavononanao hanome ny fotoananao, ny talentanao, ary ny fanananao mba hanampiana ireo sahirana (tena vonona, vonombonona kely ihany, na tsy tena vonona).

Amporisiho ny mpianatra hikatsaka fitaomam-panahy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hanampiana azy ireo hahatsapa ho vonona kokoa hanampy ireo sahirana ary koa hahafantatra ny fomba ahafahan’izy ireo mitondra anjara biriky ao amin’ny trano fitehirizan’ny Tompo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:7–8, 14–15 mba hitadiavana ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo.

  • Ahoana no ahafahan’ireo fitahiana ireo hisy fiantraikany eo aminao sy eo amin’ny olona fantatrao?

  • Inona no nampanantenain’ny Tompo ireo izay mikarakara ireo sahirana?

    Ampio ny mpianatra hamantatra fahamarinana iray toy izao manaraka izao: Ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana dia manampy antsika hiomana amin’ny toerana iray ao amin’ny fanjakana selestialy.

    Ny Matio 25:31–40 dia azo ampiasaina mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ilay fitsipika.

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no manampy antsika handova ny fanjakana selestialy ny fikarakarana ireo sahirana?

  • Ahoana no mahatonga ny Mpamonjy ho ohatra amin’ny fikarakarana ireo sahirana?

  • Ahoana no ahafahan’ny olona iray mampitombo ny faniriany hitia sy hikarakara ireo izay sahirana tahaka ny ataon’ny Mpamonjy?

Ny zavatra azontsika atao

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:17–22 mba hitadiavana ireo teny na andian-teny manan-danja izay afaka manampy antsika hanaraka ny Mpamonjy.

Mba hanampiana ireo mpianatra handray anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra dia azonao atao ny mampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto ary manome fahafahana ny mpianatra hieritreritra ny fomba hamaliany izany. Azonao atao ny misafidy an-kisendrasendra mpianatra mba hamaly amin’ny alalan’ny fangatahana olona iray mba hisafidy volana iray ao anatin’ny taona. Ireo mpianatra vonona izay teraka tamin’io volana io dia afaka misafidy fanontaniana iray hovalina nefa tsy tokony hahatsiaro ho voatery handray anjara.

sary famantarana ny fanofanana Ampio ny mpianatra tsirairay handray anjara amin’ny traikefa amin’ny fianarana: Raha mila fanazaran-tena bebe kokoa momba izany, dia jereo ny fanofanana mitondra ny lohateny hoe “Mamoròna tontolo isian’ny fanajana ny rehetra sy hahafantarany fa sarobidy ny anjara biriky entiny” hita ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Tiavo ireo izay ampianarinao. Hevero ny hampihatra ilay fahaiza-manao amin’ny alalan’ny fampitana fa manome lanja ny mpianatra ianao alohan’ny hanehoany hevitra na rehefa manangana ny tanany izy ireo mba haneho hevitra.

  • Inona no teny na andian-teny manan-danja indrindra aminao? Nahoana?

  • Inona no hitanao fa afaka manampy antsika hankatò ny didin’ny Mpamonjy mba hahafahana mikarakara ireo izay sahirana?

  • Inona no hitanao izay maneho ny fanirian’ny Mpamonjy mba hahatongavantsika tahaka Azy?

Omeo taratasy hafa ny mpianatra. Omeo fotoana izy ireo hamantatra ireo bitsika mety ho azony mikasika ny fanampiana olona sahirana na ireo fomba manokana tsapany fa azony itondrana anjara biriky ao amin’ny trano fitehirizan’ny Tompo. Asao izy ireo hanoratra ny zavatra tsapany. Azon’ny mpianatra atao avy eo ny mametraka ny taratasiny ao anatin’ilay efajoro maneho ny trano fitehirizan’ny Tompo ho fomba iray hanehoana ny fahavononany hanampy, na azony entina mody ilay taratasy ho fampahatsiahivana.