Seminera
Lesona 88—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:71–112: “Maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa”


“Lesona 88: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:71–112: -Maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:71–112,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 88: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:71–112

“Maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa”

ambaratongam-boninahitra telo

Rehefa avy nahita fahitana maro i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon, anisan’izany ny fahitana ny voninahitry ny Ray sy ny Zanaka, ny fahalavoan’i Losifera ary ny fanjakana selestialy, dia nahita ireo izay handova ny fanjakana terestrialy sy telestialy izy ireo. Ny toetra hiavahan’ireo izay ao amin’ny fanjakana terestrialy dia izy ireo tsy naherifo tamin’ny tenivavolombelon’i Jesoa. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra ho lasa maherifo kokoa amin’ny tenivavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy.

Sahanasa fianarana azo atao

Tenivavolombelona iray momba an’i Jesoa Kristy

Hevero ny hanoratra ny teny hoe Tenivavolombelon’i Jesoa Kristy eny amin’ny solaitrabe. Anontanio ny mpianatra ny dikan’ny hoe manana tenivavolombelon’ny Mpamonjy araka ny eritreritr’izy ireo. Raha ilaina dia hazavao fa ny tenivavolombelona dia izay fantatsika fa marina ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika izay omena antsika amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2). Avy eo dia mifanakaloza hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity:

sary famantarana ny fanofanana Mametraha fanontaniana izay manasa ny fandinihan-tena: Mba hahitana fanofanana misimisy kokoa momba ny fomba hanaovana izany dia jereo ny fanofanana mitondra ny lohateny hoe “Mamoròna sehatra sy fahafahana ho an’ireo mpianatra mba ho ampianarina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy ireo,” izay hita ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy. Hevero ny hampihatra ilay fahaiza-manao amin’ny alalan’ny famoronana fanombanan-tena ho an’ny mpianatra momba ny fotopampianarana, na ny fahamarinana, na ny fitsipika iray.

  • Ahoana no ahafahan’ny tenivavolombelon’ny Mpamonjy hisy fiantraikany eo aminao eto amin’ity fiainana ity sy hatrany amin’ny mandrakizay?

Asao ny mpianatra hieritreritra momba ny fijoroana ho vavolombelona ananany manokana momba an’i Jesoa Kristy, ka tafiditra ao anatin’izany ny fiantraikan’ny fijoroana ho vavolombelona nananan’izy ireo teo amin’ny zavatra nataony. Azonao atao ihany koa ny manasa azy ireo hieritreritra ireo faniriana ananany mahakasika ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

Amporisiho ny mpianatra rehefa mandalina mba hitady ireo fampianarana izay afaka manampy azy ireo hamantatra ny maha-zava-dehibe ny fananana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny fananana fiainana mifanaraka amin’ny zavatra fantany.

Fahitana ireo fanjakam-boninahitra

Hevero ny hanasa ny mpianatra hamintina ny zavatra nianarany hatreto mikasika ilay fahitana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76. Hazavao avy eo izao manaraka izao.

Mety ho tadidinao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 dia mirakitra famaritana ny fahitana lehibe iray nomen’ny Tompo an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon. Tao anatin’ny fahitan’izy ireo dia nianatra ny toetran’ny olona izay hipetraka ao amin’ireo fanjakam-boninahitra samihafa i Joseph sy i Sidney aorian’ny Fitsanganana amin’ny maty.

Mety hanampy ny manazava fa tsy handalina ireo andininy rehetra izay mamaritra ny fanjakam-boninahitra ao amin’ity lesona ity ny mpianatra. Ny voninahitra selestialy dia voafaritra ao amin’ny andininy 50–70, 92–96; ny voninahitra terestrialy ao amin’ny andininy 71–80; ary ny voninahitra telestialy ao amin’ny andininy 81–90, 98–112. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika na hanisy soratra famantarana ireo andinin-tsoratra masina ireo ao amin’ny soratra masiny mba hahafahan’izy ireo mandalina izany amin’ny antsipiriany bebe kokoa samirery.

Vakio ireto soratra masina manaraka ireto mba hitadiavana ny fahasamihafana misy eo amin’ireo tenivavolombelona ananan’ny mponin’ny fanjakam-boninahitra tsirairay avy:

Rehefa nahavita nandalina izany ny mpianatra, dia asao izy ireo hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto miaraka amin’ny mpiara-mianatra aminy iray na ao anatina vondrona kely:

  • Inona no fahasamihafana hitanao teo amin’ny tenivavolombelona nataon’ireo vondrona ireo?

  • Inona no ampianarin’izany anao mikasika ny karazana tenivavolombelona izay ilaina mba handovana ny fanjakana selestialy?

Ampio ireo mpianatra hahita fahamarinana tahaka izao manaraka izao: Raha toa ka maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa Kristy isika dia afaka mahazo ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra.

Maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa Kristy

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa Kristy?

Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitrao momba ilay fanontaniana teo aloha dia asao ny mpianatra handalina ny 2 Nefia 31:20–21 ary hitady ireo fampianarana izay afaka manampy ny fahatakarany. Mety hanampy ihany koa ity teny manaraka ity.

Ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia manampy antsika hahatakatra ny dikan’ny hoe maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa:

15:34
Loholona Quentin L. Cook

Ny fizarana faha-76 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia manazava tsara fa ny “maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa Kristy” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:79] dia fitsapana tsotra sy manan-danja eo amin’ireo izay handova ireo fitahian’ny fanjakana selestialy sy ireo izay ho ao amin’ny fanjakana terestrialy ambanimbany kokoa. Mba ho maherifo, isika dia mila mifantoka amin’ny herin’i Jesoa Kristy sy ny sorompanavotany mba handresy ny fahafatesana sy hanadio antsika amin’ny fahotana amin’ny alalan’ny fibebahantsika ary ilaintsika ny manaraka ny fotopampianaran’i Kristy [jereo ny 2 Nefia 31:17–21]. Ilaintsika ihany koa ny fahazavan’ny Mpamonjy sy ny fahalalana momba ny fiainany sy ireo fampianarany mba hitarika antsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, ka tafiditra ao anatin’izany ireo ôrdônansy masina any amin’ny tempoly. Tsy maintsy mibosesika ao amin’i Kristy isika, mivoky amin’ny teniny, ary maharitra hatramin’ny farany [2 Nefia 31:20–21]. (Quentin L. Cook, “Maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa,” Liahona, nôv. 2016, 43)

  • Inona no mety hanakana anao na ny hafa tsy hijanona ho mahatoky amin’ny tenivavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no manampy anao hiezaka ny ho maherifo amin’ny tenivavolombelon’ny Mpamonjy?

Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra momba ilay fanontaniana teo aloha dia hevero ny hanasa ny mpianatra hitady sy hizara soratra masina izay mandrisika azy ireo ho maherifo amin’ny tenivavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo mba hanomboka amin’ny Helamàna 5:12.

Manaova drafitra

Mandania fotoana kely hisaintsainana ny zavatra azonao atao mba ho maherifo kokoa amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa Kristy. Fenoy ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fehezan-teny telo manaraka ireto.

  1. Afaka ny ho maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa Kristy aho androany amin’ny alalan’ny…

  2. Afaka ny ho maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa Kristy aho mandritra ny volana vitsivitsy manaraka amin’ny alalan’ny…

  3. Afaka manampy ny hafa aho mba hitoetra ho maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa amin’ny alalan’ny…

Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy izay mahazo aina hizara fanambarana iray na maromaro izay vitany. Ho famaranana dia asao ny olona iray hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy na zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba Azy.