“Lesona 87—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70: -Natao fanaperana tamin’ny alalan’i Jesoa,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Ao amin’ilay fahitana momba ireo fanjakam-boninahitra izay hitan’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon dia mandray fahatakarana momba ny anjara asa manan-danja sahanin’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainan’ireo rehetra izay handova ny fanjakana selestialy isika. Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatsapa fanantenana fa afaka mahazo ny fisandratana izy ireo amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Sahanasa fianarana azo atao
Azo tratrarina ve ny fanjakana selestialy?
Hevero ny hizara ity rafi-tantara manaraka ity ary ifanakalozy hevitra ireo fanontaniana izay aorian’izany. Homena fahafahana haneho ny heviny amin’ny fotoana natokana ho an’izany mikasika ilay rafi-tantara ireo mpianatra ao aoriana kely ao amin’ity lesona ity.
Zatovolahy izay manam-pinoana an’ Andriamanitra ary manao ny tsara indrindra vitany mba hiaina amim-pahamarinana i Luke. Te ho mendrika ny hiara-hiaina amin’ Andriamanitra izy aorian’ity fiainana ity. Miaiky anefa i Luke fa tsy mitandrina ny didy foana izy ary lavitry ny fahalavorariana. Kivy izy indraindray noho ireo fahalemeny ary mieritreritra izy fa tsy azo heverina ny ho mendrika ny fanjakana selestialy.
Asao ny mpianatra mba hieritreritra ny fahatsapana na ireo fanontaniana ananan’izy ireo manokana momba ny fahafahan’izy ireo miverina eo anatrehan’ Andriamanitra sy mandray ireo fitahiana avy amin’ny fisandratana. Azonao atao ny manazava fa ny fisandratana dia midika hoe mitoetra mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra ao amin’ny fanjakana selestialy. Io fitahiana io dia fantatra amin’ny hoe fiainana mandrakizay ihany koa ao amin’ny soratra masina.
Amporisiho ny mpianatra rehefa mandalina mba hitady fahamarinana izay afaka manampy azy ireo hahatsapa fanantenana kokoa fa afaka ny handray io fitahiana io izy ireo sy ny hafa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Fahitana momba ny fanjakana selestialy
Mety hotsaroanao fa nahita fahitana lehibe i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon teo am-panatanterahan’izy ireo ny fandikana ny Baiboly araka ny fitaoman’ny fanahy. Tao anatin’izany fahitana izany dia nianatra izy ireo fa ahitana ambaratonga na fanjakam-boninahitra samihafa any an-danitra. Hifantoka amin’ny zavatra nianaran’i Joseph sy i Sidney momba ny fanjakana selestialy sy ireo izay handova izany isika ato anatin’ity lesona ity.
Mba hanampiana ireo mpianatra hiomana amin’ny fandalinana ity ampahany amin’ilay fahitana ity dia asao izy ireo hamorona tabilao iray ahitana tsanganana roa mitondra ireto lohateny manaraka ireto ao amin’ny pejy iray ao anaty diary fandalinan’izy ireo.
Ny fomba ahatongavan’ny olona any amin’ny fanjakana selestialy
Fitahiana raisin’ny olona ao amin’ny fanjakana selestialy
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70 ary fenoy ny tabilao mifototra amin’ny zavatra nianaranao.
Azonao atao ny manasa ny mpianatra mba hiara-hiasa amin’ny namana iray rehefa mamaky ireo andinin-tsoratra masina sy mameno ilay tabilao. Afaka manasa ny mpianatra ianao hametraka ny fanontaniana mety hananan’izy ireo momba ny zavatra novakiny.
Ny sasany amin’ireo fanambarana ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia mety hanampy amin’ny famaliana ny fanontaniana apetrak’ireo mpianatra.
Inona no hitanao tao amin’ireo andininy ireo ka nanan-danja taminao? Nahoana?
Ahoana no hamaritanao ny fitaomana ananan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainan’ireo izay mandova ny fanjakana selestialy?
Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra momba ilay fanontaniana teo aloha dia ataovy azo antoka fa takatr’ireo mpianatra ity fahamarinana manaraka ity: Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia afaka ny hatao fanaperana sy handray ireo fitahiana avy amin’ny fisandratana isika.
Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe atao fanaperana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy?
Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ity fahamarinana ity antsika hahatsapa fanantenana lehibe kokoa fa afaka ny handova ny fanjakana selestialy isika sy ny hafa indray andro any?
Fanantenana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra kokoa ny fanantenana ananantsika rehetra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, dia hevero ny hanasa azy ireo handalina ireo fanambarana hita ao amin’ilay taratasy zaraina miaraka amin’ity lesona ity. Asao hanisy marika ireo andian-teny izay manan-danja manokana aminy izy ireo. ChurchofJesusChrist.org .
3:28
Nampianatra izao ny Loholona J. Devn Cornish ao amin’ny Fitopololahy:
Matetika ireo mpikambana ao amintsika no manontany hoe, “Moa ve manana fahatsarana ampy aho amin’ny maha-olona ahy?” na “Moa ve tena ho tonga any amin’ny fanjakana selestialy aho?” Mazava ho azy fa tsy misy an’izany hoe “efa ampy fahatsarana” izany. Tsy misy velively na iza na iza amintsika hanao hoe efa “mendrika” ilay famonjena omena antsika, saingy tsy tokony hahagaga ny manontany tena hoe azo ekena ve isika eo anoloan’ny Tompo. Izay no fahazoako ireo fanontaniana ireo. …
Aleo ataoko mivantana sy mazava. Ny valin’ny fanontaniana hoe “Manana fahatsarana ampy ve aho?” sy ny hoe “Ho tonga any ve aho?” dia “Eny! Hanana fahatsarana ampy ianao” ary “Eny, ho tonga any ianao rehefa manohy mibebaka sy tsy manamarin-tena ary tsy mikomy.” Ilay Andriamanitry ny lanitra dia tsy hoe mpitsara tsy miantra ka mitady izay mety ho fialan-tsiny handroahana antsika hiala ao anatin’ny lalao. Izy ilay Raintsika be fitiavana tanteraka, izay maniry mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra ny hiverenan’ny zanany rehetra hody sy hiaraka hipetraka Aminy ho toy ny fianakaviana mandrakizay. Tena nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay! Aoka ianareo mba hino sy handray fanantenana sy fampaherezana avy amin’izany fahamarinana mandrakizay izany. Maniry ny hahatongavantsika any ny Raintsika any An-danitra! Izay no Asany sy Voninahiny. (J. Devn Cornish, “Manana fahatsarana ampy ve aho? Ho tonga any ve aho? ,” Liahona , nôv. 2016, 32–33)
Ny Rahavavy Carol F. McConkie, izay tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany teo aloha, dia nampianatra izao:
Ny fanantenantsika hanana fahamasinana dia mifototra amin’i Kristy, ao amin’ny famindram-pony sy ny fahasoavany. Afaka ny ho lasa madio tsy misy pentina amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany isika rehefa lavintsika amin’ny tenantsika ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra [jereo ny Môrônia 10:32–33 ] ary mibebaka marina isika. Atao batisa amin’ny rano isika ho famelana ny fahotana. Hamasinina ny fanahintsika rehefa mandray ny Fanahy Masina amin’ny fo manontolo isika. Isan-kerinandro dia mandray ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo isika. Manao fanekena ao anatin’ny toe-panahy vonona ny hibebaka omban’ny fanirina amin-kintsim-po hanao ny marina isika fa vonona ny hitondra eo amintsika ny anaran’i Kristy, ny hahatsiaro azy, ary ny hitandrina ny didiny mba hananantsika mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika. Rehefa mandeha ny fotoana, rehefa miezaka ny ho lasa iray miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina isika dia lasa manana ny toetra araka an’ Andriamanitra tahaka ny Azy Ireo [jereo ny 2 Petera 1:4 ]. (Carol F. McConkie, “Ny hatsaran’ny fahamasinana ,” Liahona , mey 2017, 10)
Nampianatra izao ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Miraharaha bebe kokoa ny maha-isika antsika sy izay hahatongavantsika Andriamanitra raha oharina amin’ny naha-isika antsika teo aloha. Manan-danja Aminy ny fanohizantsika ny ezaka. (Dale G. Renlund, “Manohy miezaka ny Olomasin’ny Andro Farany ,” Liahona , mey 2015, 56)
Rehefa avy nomena fotoana handalinana ny mpianatra dia asao izy ireo mba hifankalo hevitra momba ny zavatra nianarany sy tsapany. Fomba iray hanaovana izany ny fampahatsiahivana azy ireo ilay rafi-tantara tamin’ny fiandohan’ny lesona. Azonao atao ny manasa azy ireo hanoratra valiny ho an’i Luke izay afaka manampy azy hahatsapa fanantenana fa afaka ny ho tonga any amin’ny fanjakana selestialy izy. Asao izy ireo mba hampiditra ao anatin’ny valintenin’izy ireo ny fampianarana avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 , ary koa zavatra avy amin’ny iray na maromaro amin’ireo teny nambara nianaran’izy ireo. Avy eo dia afaka mizara sy mamintina ny valintenin’izy ireo miaraka amin’ilay mpianatra iray niasa-taminy ireo mpianatra, na afaka mizara izany amin’ny iray kilasy ireo mpianatra izay manolo-tena hanao izany.
Diniho ny zavatra nianaranao
Farano amin’ny fanomezana fotoana ireo mpianatra hieritreretany ny zavatra nianaran’izy ireo sy tsapan’izy ireo tamin’ny lesona androany ny lesona. Azonao aseho ireto fanontaniana manaraka ireto ary omeo fotoana ny mpianatra hiraketany an-tsoratra ny valintenin’izy ireo ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo:
Inona ny zavatra nianaranao na tsapanao androany izay nanolotra fanantenana ho anao tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy?
Inona no mety ho fiantraikan’ny zavatra nianaranao sy tsapanao eo amin’ny fomba tianao hiainana ny fiainanao andavanandro?
Ny Loholona Paul V. Johnson ao amin’ny Fitopololahy dia nilaza hoe:
10:54
Mety ho voasarika isika hieritreritra hoe tsy maintsy manao izay hahatanteraka ny tenantsika isika, saingy tsy izany anefa no izy. Ny fanarahana ny sosokevitra rehetra hita ao amin’ireny boky mampianatra ny fivoaran’ny tena avy amin’ny ezaka ataon’ny tena rehetra ireny dia tsy hahatonga izany. Lalana tokana ihany sy anarana tokana ihany no hahatongavan’ny fahatanterahana. Isika dia “natao fanaperana tamin’ny alalan’i Jesoa, ilay mpanalalan’ny fanekempihavanana vaovao, izay nanatontosa ity sorompanavotana fanaperana ity tamin’ny alalan’ny fandatsahana ny rany ihany.” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:69 ]. Amin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra ihany no hitrangan’ny fahatanterahantsika. (Paul V. Johnson, “Aoka hatao tanteraka ao Aminy ,” Liahona , nôv. 2022, 40)
Nampianatra izao ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
15:23
Saingy na dia tara tahaka ny ahoana aza ny fiheveranao ny tenanao, na dia betsaka tahaka ny inona aza ireo tombontsoa izay heverinao fa navotsotrao, na betsaka toy inona aza ny fahadisoana izay tsapanao fa efa vitanao, na dia firy aza ireo talenta izay heverinao fa tsy anananao, na dia lavitra toy ny inona aza ny dia nataonao izay tsapanao fa nanalaviranao ny tokantrano na ny fianakaviana na an’ Andriamanitra, dia mijoro ho vavolombelona aminao aho fa tsy nanalavitra loatra ianao ka hoe tsy ho takatry ny fitiavan’ Andriamanitra. Tsy misy izany hoe milentika lalina loatra ianao ka tsy ho tratran’ny hazavana tsy manam-pahataperan’ny Sorompanavotan’ i Kristy.
Raha toa avy amin’ ny finoana hafa ianareo na efa niaraka taminay fa tsy nijanona dia tsy misy zavatra, raha ao anatin’ ireo toe-javatra roa ireo, izay efa nataonareo ka hoe tsy azo ravana. Tsy misy izany olana hoe tsy azonao vahana izany. Tsy misy an’izany hoe nofinofy ka tsy ho tanteraka mandritra izao fiainana mandalo izao na any amin’ny mandrakizay. (Jeffrey R. Holland, “Ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka ,” Liahona , mey 2012, 33)
Nampianatra izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana dia ilay hery manamafin’ny Fanahy Masina. Rehefa fehezina amin’ny alalan’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana dia mamehy eto an-tany sy any an-danitra ny ôrdônansy na voady na fanekempihavanana iray. (Jereo ny F&F 132:7 .) Ny fandraisana io “tombokasen’ny fankatoavana” avy amin’ny Fanahy Masina io dia vokatry ny fahatokiana, hitsim-po ary fiorenana amin’ny fanajana ireo fanekempihavanan’ny filazantsara “rehefa afaka elaela” (Mosesy 7:21 ). Io famehezana io anefa dia azo ahemotra noho ny tsy fahamarinan-toetra sy ny fandikan-dalàna. (David A. Bednar, “Ye Must Be Born Again ,” Liahona , May 2007, 22)
Ny fiangonan’ny Lahimatoa dia “teny fampiasa iray hilazana ireo izay mandray ny fahafenoan’ Andriamanitra sy ny voninahiny aorian’izao fiainana izao” (Glossary, “Church of the Firstborn ,” The Joseph Smith Papers , josephsmithpapers.org ).
Ankoatra ny fanehoana amintsika ny fanampiana atolotr’ Andriamanitra mba hahatongavana tahaka Azy, dia afaka manampy antsika hahatakatra ny safidy ataon’ireo izay any amin’ny fanjakana selestialy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:51–53 . Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hamaky ireo andininy mba hikarohana ireo safidy nataon’ireo izay resahina ao amin’ireo andininy ireo. Hevero avy eo ny hanasa ireo mpianatra mba hiara-hiasa amin’ny mpiara-mianatra iray ary hizara famaritana ankapobeny kokoa momba ny fahitan’izy ireo ny fomba fiainan’ireo olona faritana ao amin’ny fanjakana selestialy eto amin’ity fiainana an-tany ity. Moa ve izy ireo mieritreritra fa manao fahadisoana ireo olona ireo? Moa ve izy ireo maka sary an-tsaina fahalemena izay mifandray amin’ny fomba fiainan’ireo olona ireo andavanandro?
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra kokoa ny fomba ahafahan’izy ireo “mandresy amin’ny finoana” dia hevero ny hanontany azy ireo ny zavatra mety hilain’ny olona iray horesena. Azonao atao ny mitarika azy ireo hamaky ny Môzià 3:19 mba hahitana ny zavatra nampianarin’i Bejamina Mpanjaka momba ny tokony handresentsika ilay olona araka ny nofo. Ankoatra izany dia zarao amin’izy ireo fa niresaka momba ny maha-zava-dehibe ny tokony handresentsika izao tontolo izao ny Filoha Rusell M. Nelson. Zarao ity teny manaraka nambarany ity na teny iray hafa izay nosafidinao avy amin’ity lahateny nataony ity:
Ahoana ary izany no handresentsika izao tontolo izao? Ny Mpanjaka Benjamina dia nampianatra antsika ny fomba hanaovana izany. Nilaza ny Mpanjaka Benjamina fa “ny olona araka ny nofo dia fahavalon’ Andriamanitra” ary hijanona toy izany mandrakizay “raha tsy manaiky ny fitaoman’ny Fanahy Masina izy ary manaisotra ny maha-olona araka ny nofo azy sy tonga olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy Tompo.” [Môzià 3:19 ]. Isaky ny mikatsaka sy manaraka ny bitsiky ny Fanahy ianao, ary isaky ny manao zavatra tsara—zavatra izay tsy hataon’ny “olona araka ny nofo” dia mandresy izao tontolo izao ianao. (Russell M. Nelson, “Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana ,” Liahona , nôv. 2022, 97)
Hevero ny hanasa ny mpianatra mba hizara izay ohatra ahitana zavatra tsara nataon’izy ireo vao haingana izay tsy ho nataon’ilay lehilahy na vehivavy araka ny nofo.