“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76
Topimaso ankapobeny
Rehefa nanao ny asa fandikan-teny azo avy amin’ny fanentanam-panahy ny Baiboly sy nisaintsaina ny soratra masina ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdon, dia nahita fahitana niavaka. Nasehon’ny Mpamonjy azy ireo ny fahitana kely maromaro izay nanampy tamin’ny fampianarana ny momba ny anjara asany amin’ny maha-Mpamonjy ny olombelona rehetra Azy sy ny fahalavoan’i Satana ary ny filazalazana momba ny fanjakam-boninahitra tsirairay avy.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:1–19
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hianatra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina rehefa manokana fotoana hisaintsainana ny tenin’ny Mpamonjy izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ireo toe-javatra atrehiny na mety hatrehiny amin’izao fotoana izao izay ilany fahazoana fitarihana na tiany hahazoana fitarihana avy amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:19–24
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa fitomboan’ny fitiavana ho an’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.
-
Fanomanana ny mpianatra: Amporisiho ny mpianatra hanoratra fehezan-teny iray izay tiany ho fantatry ny olona rehetra momba an’i Jesoa Kristy ary ho vonona ny hizara ny zavatra nosoratany.
-
Fitaovana ilaina entina: Taratasy lehibe raha toa ka misafidy ny hangataka ny mpianatra mba hanoratra sy hampiseho ny heviny ianao; tahadika vita printin’ny“Velona ilay Mpanavotra ahy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 76) raha toa ka tsy manana boky fihirana ny mpianatra
-
Votoatiny haseho: Torolalana ho an’ny sahanasa A sy B raha toa ka miasa irery na miaraka amin’ny vondrona ny mpianatra
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa fanantenana fa afaka mahazo ny fisandratana izy ireo amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70 mba hitadiavana ny zavatra nosoratan’ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdon momba ny fanjakana selestialy sy ireo izay handova izany.
-
Votoatiny haseho: Tabilao hanampiana ny mpianatra handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70
-
Taratasy zaraina: “Fanantenana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:71–112
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra ho lasa maherifo kokoa amin’ny tenivavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny dikan’ny hoe maherifo amin’ny tenivavolombelona ananan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy. Azon’izy ireo atao ny manombantombana ny halehiben’ny herim-pony ary mandinika ny fanatsarana azony atao.