Lesona 84—Tombano ny fianaranao 5: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–75
“Lesona 84—Tombano ny fianaranao 5: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–75,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Tombano ny fianaranao 5,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 84: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71–75
Ny fisaintsainana sy ny fanombantombanana ny fianarana ara-panahy dia afaka manampy antsika hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsiaro sy hanombantombana ny fomba nanampian’ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana azy ireo hivoatra ara-panahy.
Sahanasa fianarana azo atao
Tombano ny fivoaranao
Inona ny zavatra iray ataonao izay tianao ny mandray anjara aminy?
Ahoana no ahafantaranao raha mivoatra ianao amin’izany? Misy fitaovana miavaka ve izay ampiasainao mba handrefesana ny fivoaranao?
Toy ny fanampian’ny fandrefesana ny fivoarantsika ara-batana antsika mba hahita ny fitomboantsika, dia ilaintsika koa ny maka fotoana mba hanombantombanana ny fivoarantsika ara-panahy. Ny Fanahy Masina dia fitaovana fampiasa amin’ny fanampiana antsika handrefy ny fivoaransika ara-panahy. Fomba iray ahafahantsika manasa ny Fanahy Masina hanampy antsika hahita ny fivoarantsika ny fandinihana ombam-bavaka ireo lesona ara-panahy izay nianarantsika sy ny fieritreretana ny fomba nivoarantsika ara-panahy rehefa nampihatra ireo lesona ireo teo amin’ny fiainantsika isika.
Inona ireo zavatra sasantsasany efa nataonao mba hampiharana ireo fahamarinana ara-panahy izay nianaranao nandritra ny seminera? Amin’ny fomba ahoana no anampian’ny fampiharana ireo fahamarinana ireo anao hivoatra ara-panahy?
Ahoana no nahitanao fa rehefa mampihatra ny zavatra izay nianaranao ianao, ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy dia manampy anao amin’ny ezaka ataonao mba ho tonga kokoa tahaka Azy ireo?
Hazavao ny tanjon’ny didy
Satria tia antsika amin’ny fitiavana tsy manam-petra sy lavorary ny Ray sy ny Zanaka ary satria fantatr’Izy Ireo fa tsy afaka mahita ny zavatra rehetra hitany isika, dia nanome antsika lalàna izay hitarika sy hiaro antsika Izy Ireo. Misy fifandraisana mafy orina eo amin’ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny lalàny. (Russell M. Nelson, “The Love and Laws of God” [Brigham Young University devotional, Sept. 17, 2019], 2, speeches.byu.edu)
Inona ny didy iray izay nanampy anao hahatsapa ho voaro sy ho tian’ Andriamanitra?
Inona ny sasany amin’ireo lalàn’ Andriamanitra izay nohalalinintsika vao haingana tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana?
Alaivo sary an-tsaina hoe ny iray amin’ireo namanao dia mizara aminao ny fahasorenany momba ny didy iray. Manontany tena izy hoe nahoana Andriamanitra no handany fotoana hanome antsika didy.
Misafidiana didy iray izay nianaranao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana tamin’ity taona ity ary zarao:
Ny maha-fiarovana sy maha-tari-dalana avy amin’ny Ray any An-danitra an’io didy io.
Ny maha-porofom-pitiavan’ Andriamanitra an’io didy io.
Manome ny fonao sy ny sainao marisika ho an’ny Tompo
Inona no nataonao na azonao atao mba hampitomboana ny fanirianao hanome ny fonao sy ny sainao ho an’ny Mpamonjy?
Inona ireo fiovana izay tsikaritrao teo amin’ny fanirianao hanome ny fonao sy ny sainao ho an’ny Mpamonjy?
Inona no fiantraikan’ny eritreritrao sy ny zavatra natanao teo amin’ny fifandraisanao tamin’ny hafa sy tamin’i Jesoa Kristy?
Mitandrina ny andro Sabata ho masina
Miezaka ny mitandrina ny andro Sabata ho masina ve ianao any an-tokantrano sy any am-piangonana…
Mieritrereta zavatra iray nataonao mba hitandremana ny andro Sabata ho masina. Ahoana ny fomba nanatsaran’ny fanaovana io zavatra io ny zavatra iainanao amin’ny andro Sabata?
Ahoana ny fomba nampanakaikezan’ny ezaka ataonao mba hitandremana ny andro Sabata ho masina anao tamin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy?
Inona ireo olana sasantsasany izay atrehinao eo amin’ny fitandremana ny andro Sabata ho masina?
Inona ny zavatra iray izay tianao hatomboka mba hitandremana ny andro Sabata ho masina?
Nahoana no zava-dehibe ny mitandrina ny andro Sabata ho masina?
Inona ny zavatra iray ao anatin’ilay lisitra nataonao ka tsy mbola nataonao kanefa azonao atao amin’ny alahady ho avy izao mba hitandremana ny andro Sabata ho masina?
Tamin’ny fomba ahoana no nahafahanao nanaja kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa nanomboka nanao na nitsahatra tsy nanao zavatra sasantsasany ianao mandritra ny andro Sabata?