Fihetsika aseho manoloana ireo mitsikera ny Fiangonan’ny Mpamonjy
Tamin’ny ririnin’ny 1831 dia nisy taratasy nahitana fampahalalana diso momba an’i Joseph Smith sy ny Fiangonana izay naparitaka tao amin’ny faritr’i Kirtland. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71, dia nanome torolalana an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ny Tompo mba handeha manerana ilay faritra ka hanitsy ireo fahadisoan-kevitra (jereo ny adininy 1–2). Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fihetsika tian’i Mpamonjy hasehontsika rehefa mitsikera ny zavatra inoantsika ny olona.
Sahanasa fianarana azo atao
Mamaly ireo mpitsikera ny Fiangonan’ny Mpamonjy
Nitombo izaitsizy ny fanenjehana an’i Joseph Smith sy ireo Olomasina tao Kirtland tamin’ny ririnina 1831. Nanomboka nandao ny Fiangonana ny Olomasina sasany, tao anatin’izany i Ezra Booth sy i Symonds Ryder. Nanomboka namoaka taratasy izay nanenjika an’i Joseph sy niezaka nandrava ny asan’ny Tompo i Booth (jereo ny History, 1838–1856 [Manuscript History of the Church], volume A-1, 153–54, josephsmithpapers.org). Nangataka torohevitra tamin’ny Tompo i Joseph ary dia voaray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71.
Ahoana no mety ho fihetsika tianao naseho nanoloana ireo fanenjehana natao tamin’ny fiangonan’ny Mpamonjy sy i Joseph Smith?
Ahoana no ahafahantsika mahafantatra ny fomba tsara indrindra hiatrehana ireo toe-javatra izay ahitana ny fitsikeran’ny hafa ireo zavatra inoantsika na fizaran’izy ireo fampahalalana diso momba ny Fiangonan’ny Mpamonjy?
Amin’ny fotoana toy ny ahoana no tsara kokoa ny tsy miraharaha ny fisikerana araka ny eritreritrao?
Saintsaino ny fahatokian-tenanao eo anatrehan’ny fahafantarana ny fihetsika tian’i Jesoa hasehonao. Rehefa mandalina ianao dia tadiavo ireo karazana fihetsika ampianarin’ny Mpamonjy izay tokony hasehontsika.
Mampianatra antsika hanambara amim-pahasahiana sy hizara ny filazantsarany ny Mpamonjy
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71:1–3 mba hitadiavana ny fihetsika tian’ny Mpamonjy nasehon’i Joseph sy i Sidney nanoloana ireo fahadisoan-kevitra izay niparitaka momba ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany.
Inona no zavatra nanaitra anao?
Inona no natolotry ny Mpamonjy mba hanampiana an’i Joseph sy i Sidney hahafantatra ny fihetsika tokonyhasehon’izy ireo araka ny andininy 1?
Ahoana no fomba hanampian’ny torohevitry ny Mpamonjy antsika amin’izao androntsika izao?
Nahoana araka ny eritreritrao no fomba tsara indrindra hamaliana ny fitsikerana ny fampiasana ny soratra masina sy ny fanarahana ny bitsiky ny Fanahy?
Amin’ny fomba ahoana no hisian’ny fitaoman’ny Fanahy fiantraikany eo amin’ny fihetsika asehontsika manoloana ny fitsikerana?
Nampiasa ilay fanehoana an’ohatra ao amin’ny soratra masina hoe zana-tsipika mirehitra ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo raha namariparitra ny fitsikeran’ny hafa ny finoantsika. Rehefa mandalina ity fanambarana ity ianao dia eritrereto ny zavatra azonao ampiana ao amin’ilay lisitra hoe “Fihetsika aseho araka ny fomban’ny Mpamonjy.”
Amin’ny alalan’ny ampingan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy, dia lasa mpampihavana isika, mandresy … ny zana-tsipika mirehitra rehetra an’ny fahavalo [jereo ny Efesiana 6:16; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:8]. …
Ahoana no ataon’ny mpampihavana mba hampitoniana sy hanalefahana ny zana-tsipika mirehitra? Azo antoka fa tsy amin’ny alalan’ny fihemorana eo anatrehan’ireo izay manao tsinontsinona antsika. Fa amin’ny alalan’ny fijanonana ho matoky tena amin’ny finoantsika kosa, ny fizarana ny finoantsika amin’ny faharesen-dahatra, nefa tsy misy fahatezerana na faniriana hanao ratsy. …
Tsy mipetra-potsiny ny mpampihavana fa mandresy lahatra amin’ny fomban’ny Mpamonjy izy ireo.
Inona no manome antsika hery anaty mba hanalefaka sy hampitony ary hamono ireo zana-tsipika mirehitra mikendry ny fahamarinana izay tiantsika? Ilay hery dia avy amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny finoantsika ny teniny. (Neil L. Andersen, “Manaraka an’i Jesoa: mpampihavana,” Liahona, mey 2022, 17–18)
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71:4–7, ary karohy ny zavatra nampianarin’ny Tompo an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon tao anatin’io toe-javatra manokana io mba hiatrehana ny fanaparitahana fampahalalana diso.
Inona no hitanao?
Inona ireo fifandraisana hitanao eo amin’ny torohevitry ny Tompo ao amin’ireo andininy ireo sy ny fampianaran’ny Loholona Andersen?
Matio 4:3–11 (Namaly ny fakan’i Satana fanahy tamin’ny alalan’ny soratra masina i Jesoa.)
Lioka 23:8–10 (Nijoro teo anoloan’i Heroda i Jesoa, nitoetra mangina.)
Jaona 8:2–11 (Nanavotra ny ain’ny vehivavy iray i Jesoa teo am-piatrehana ireo mpitarika Jiosy.)
Ampiharo ny fihetsika aseho araka ny fomban’ny Mpamonjy
Mizarà fomba vitsivitsy hafa izay mety hamalianao ny tsirairay amin’ireto toe-javatra manaraka ireto araka ny fomban’i Kristy:
Mamoaka sarin’ny tempoly ao amin’ny tambajotran-tserasera ianao, ary misy olona mitsikera ny Fiangonana ao momba ny fametrahan’ny Fiangonana fitsipika ambony mba hidirana ny tempoly.
Milaza zavatra ratsy mifono haratsiam-panahy momba ny Mpaminany Joseph Smith ny dadatoanao mandritra ny fivoriam-pianakaviana iray.
Milaza ny namanao iray fa hadalana ny finoana Andriamanitra iray izay tsy azo porofoina ny fisiany.
Milaza amin’ireo mpiara-miasa aminao ny olona iray ao amin’ny toeram-piasanao fa ny Olomasin’ny Andro Farany dia tsy Kristiana.
Amin’ny fotoana mahamety izany amin’ny Mpamonjy
Nankatò ny fanambarana noraisain’izy ireo i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon. Nitety ilay faritra iray manontolo izy ireo ary nitory ny filazantsaran’ny Mpamonjy sady nanitsy ireo fahadisoan-kevitra izay naparitaka.
Mampianatra anao inona momba an’i Jesoa Kristy sy ny asany ireo andininy ireo?
Inona araka ny hevitrao ny dikan’ny hoe tsy misy feo na fiadiana izay hiroborobo amintsika (jereo ny andininy 9–10)?
Inona ny zavatra nianaranao androany ka afaka manampy anao hiatrika ireo toe-javatra izay ahitana olona fantatrao mitsikera ny Fiangonana na ny fampianaran’ny Mpamonjy?