Seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71–75: Topimaso ankapobeny


“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71–75: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71–75,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71–75

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71–75

Topimaso ankapobeny

Nandritra ny ririnina tamin’ny taona 1831 dia nisy taratasy nahitana fampahalalana diso momba an’i Joseph Smith sy ny Fiangonana izay naparitaka tao amin’ny faritra Kirtland, Ohio. Nomen’ny Mpamonjy toromarika i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon mba hamakivaky ilay faritra ka hanitsy ireo fahadisoan-kevitra.

sary famantarana ny fanofanana Antitrantero ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy: Fomba iray hametrahana an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fampianarana sy ny fianarana ny manantitrantitra fa Izy no ohatra tonga lafatra amin’ireo fitsipiky ny filazantsara rehetra. Na dia tsy resahina mivantana ao amin’ny andinin-tsoratra masina iray aza ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy, dia afaka manampy ireo mpianatsika isika mba hampifandray ny zavatra ianarantsika ao amin’ny tantara ao amin’ny soratra masina sy ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy. Mba hahitana fampahalalana bebe kokoa momba ny fomba nanaovan’ny Mpamonjy izany dia jereo ny fizarana hoe “Antitrantero ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy” ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Afaka mahita ohatra iray momba ny fomba hanaovana izany koa ianao ao amin’ny lesona amin’ity herinandro ity mitondra ny lohateny hoe “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71.”

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fihetsika tian’i Mpamonjy hasehontsika rehefa mitsikera ny finoantsika ny olona.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hieritreritra fotoana iray izay nandrenesan’izy ireo olona iray nitsikera na nandrabiraby Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany na ny zavatra inoan’izy ireo ary hisaintsaina ireto fanontaniana ireto: Inona ny zavatra tsara nolazaiko na nataoko? Inona no zavatra tsara kokoa tokony ho nataoko?

Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 5

Tanjon’ny lesona: Mba hanomezana fahafahana ireo mpianatra hanao tsianjery andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina mifandray amin’izy ireo ary hianatra sy hampihatra ireo fitsipika masin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hieritreritra fampahalalana izay nataon’izy ireo tsianjery ka nanampy azy ireo tany am-pianarana na tany am-piasana na nandritra ny sahanasa izay nahafinaritra azy ireo. Azon’ireo mpianatra atao ny mieritreritra momba ny antony maha-feno fankasitrahana azy ireo noho ny nanaovan’izy ireo tsianjery ilay fampahalalana.

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra Tahadikana tabilao misy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina; hety

  • Taratasy zaraina:Hatsarana ho solon’ny lavenona: Ny lalana manasitran’ny famelan-keloka

Tombano ny fianaranao 5

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatsiaro sy hanombantombana ny fomba nanampian’ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana hivoatra ara-panahy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hisafidy sahanasa iray izay mahafinaritra azy ireo ary hieritreritra momba ireto fanontaniana manaraka ireto: Ahoana no ahafantaranao raha toa ianao ka mivoatra? Ahoana ny fomba ahafahanao mandrefy ny fivoaranao ao amin’io sahanasa io?

  • Fitaovana: Fitaovana iray toy ny metatra fandrefesana na famantaranandro fandrefesam-potoana, izay manampy anao handrefy ny fivoaranao ao amin’ny sahanasa iray izay andraisanao anjara

  • Sary: Fo sy saina

  • Votoatiny haseho: Lisitrana fanontaniana natao hosafidin’ireo mpianatra sy hovaliny