Seminera
Lesona 81: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–31: Mampianatra sy mianatra ny filazantsara ao an-tokantrano


“Lesona 81—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–31: Mampianatra sy mianatra ny filazantsara ao an-tokantrano,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–31,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 81: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67–70

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–31

Mampianatra sy mianatra ny filazantsara ao an-tokantrano

ray aman-dreny mampianatra ny zanany ny filazantsara

Ny fianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manampy amin’ny fanomanana ny zanaka hiatrika ireo fanamby sy fakam-panahin’ny fiainana miaraka amin’ny finoana ny Mpamonjy. Manana hery anaty miavaka ny ray aman-dreny amn’ny fanampiana ireo zanany hianatra ny filazantsara. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra kokoa ny didin’ny Tompo ho an’ireo ray aman-dreny mba hampianatra ny filazantsara ny zanany ao an-tokantrano.

Sahanasa fianarana azo atao

Fanampiana mandritra ny fiainantsika eto an-tany

Hevero ny hampahatsiahy ny mpianatra fa rehefa tonga tety an-tany isika dia tsy tadidintsika ny momba ny fiainana talohan’ny nahaterahana niarahantsika tamin’ny Raintsika any An-danitra. Ankoatra izay dia tonga teo amina tontolo iray lavo isika izay ahitana ilay fitaomana feno fitaka sy mandrava avy amin’i Satana. Ireo zava-misy ireo dia miteraka olana eo amin’ny fiainana ao anatin’ny fahatokiana ny drafitry ny Ray any An-danitra.

  • Inona avy ireo zavatra sasantsasany izay nomen’ny Ray any An-danitra mba hanampiana antsika hianatra momba Azy sy hamakivaky ireo olana eto amin’ny fiainana an-tany?

    Azonao tanisaina eny amin’ny solaitrabe ny valinteny omen’ireo mpianatra. Raha tsy voalazan’ireo mpianatra ny hoe “ray aman-reny na mpitaiza” dia ampidiro anatin’ilay lisitra izany.

  • Ahoana no nandraisanao fitahiana avy amin’ny iray amin’ireo fitaomana ireo?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no afaka ny hisy fiantraikany eo amin’ny fanampiana ny zanaka hiatrika ireo olana eto amin’ny fiainana an-tany ny ray aman-dreny na ny mpitaiza?

Hevero ny hizara amin’ny mpianatra fa androany izy ireo dia hianatra avy amina andinin-tsoratra masina iray izay mamariparitra ny andraikitry ny ray aman-dreny amin’ny fanampiana ny ankizy hianatra ny filazantsara. Fantaro tsara fa ny mpianatra tsirairay dia avy amina toe-javatra samy hafa izay iainan’ny fianakaviana ary ny sasany amin’ireo mpianatra dia mety tsy manana fiainan-tokantrano mahafinaritra.

sary famantarana ny fanofananaFantaro ny toe-javatra iainan’ny mpianatra tsirairay: Mba hahitana fanofanana misimisy kokoa momba ny fahaizana mijery ny toe-javatra iainan’ny mpianatra tsirairay dia jereo ilay fanofanana izay mitondra ny lohateny hoe “Jereo amin’ny fomba hijeren’ Andriamanitra azy ireo ny mpianatra” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Tiavo ireo izay ampianarinao. Ampiharo ilay fahaiza-manao hoe “miatoa kely, mieritrereta, ary valio ireo fanontaniana apetratsika amin’ny tenantsika.”

Hevero ny hanazava ity manaraka ity:

Misy karazany maro ireo toe-javatra iainan’ny fianakaviana. Ny olona sasany tahaka an’i Nefia dia nateraka ray aman-dreny izay niezaka nitarika azy ireo hanaraka ny Mpamonjy (jereo ny 1 Nefia 1:1). Ny sasany tahaka ny Filoha Russell M. Nelson na ny Loholona David A. Bednar sy Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia lehibe niaraka tamina ray aman-dreny iray na maro izay tsy mpikamban’ny Fiangonana na tsy mpandray anjara mavitrika tao anatin’izany. Ny sasany tahaka ny Filoha Dallin H. Oaks kosa dia mbola kely dia namoy ray na reny teo amin’ny fiainany. Ny sasany amin’ireo zatovo dia mihalehibe lavitra ireo ray aman-dreniny tahaka an’i Mosesy (jereo ny Eksodosy 2:10) sy i Samoela (jereo ny 1 Samoela 1:24–28). Ary ny hafa toa an’i Abrahama sy i Limia kosa anefa dia nanana ray na reny izay tena nanao ratsy mandrakariva (jereo ny Abrahama 1:1–17, 27; Môzià 7:9; 11:1–5).

Farito ao anaty diarinao ho an’ny soratra masina ny toe-javatra iainan’ny fianakavianao. Saintsaino ny zavatra nianaranao avy amin’ny zavatra niainan’ny fianakavianao. Azonao ampidirina ao anatin’izany ny fahatsapanao rehefa ho lasa ray aman-dreny ianao rahatrizay sy ny fomba tianao hitaizanao amin’izany.

Raha mahazo aina amin’izany ny mpianatra dia afaka mizara ny ao an-tsain’izy ireo.

Asao ny mpianatra hieritreritra hoe ny fomba mety hanampian’ny zavatra nianaran’izy ireo androany azy ireo eo amin’ny fanohanana ireo izay miezaka mafy mampianatra azy ireo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, tafiditra ao anatin’izay ireo ray aman-dreny na mpitaiza. Afaka mieritreritra momba ny fomba ahafahan’izy ireo mampihatra ny zavatra ianarany any aoriana ihany koa izy ireo.

Ny zavatra izay nodidin’ny Tompo mba hampianarin’ireo ray aman-dreny ny zanak’izy ireo

Raha tafavory nandritra ny fihaonambe iray tany Ohio dia nisy lehilahy efatra izay nikatsaka fitarihana avy amin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Rehefa avy nanome torohevitra ireo lehilahy ireo momba ny andraikitr’izy ireo ny Tompo, dia nanome torohevitra ankapobeny kokoa ho an’ireo fianakaviana rehetra izay anisan’i Ziona.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny fehezan-teny tsy feno hoe Nandidy ny Tompo ny hampianaran’ireo ray aman-dreny ny zanak’izy ireo …. Avy eo dia afaka manampy teny na andian-teny eo amin’ilay teny nambara eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra rehefa hitan’izy ireo izany ao anatin’ireto andininy manaraka ireto. Raha tsy izany dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hanoratra ilay fehezan-teny ao anatin’ny diarin’izy ireo ary avy eo hanoratra ny valiny ao.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–31 mba hitadiavana ny zavatra nandidian’ny Tompo ireo ray aman-dreny mba hampianarin’izy ireo ny zanany.

Rehefa ampy ny fotoana nomena ny mpianatra hamenoana ilay fehezan-teny amina fitsipika isan-karazany izay tian’ny Tompo hampianaran’ireo ray aman-dreny, dia asao izy ireo hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Raha tsy ahitana ny filazantsara ao an-tokantranon’ny olona dia inona ireo fomba hafa natolotry ny Tompo mba hahafahan’izy ireo mianatra ireo fitsipika ireo?

  • Iza no nampianatra anao ny iray amin’ireo fitsipika ao anatin’ireo andininy ireo rehefa nihalehibe ianao? Tadidinao ve izy ireo nampianatra anao? Raha izany dia inona ny zavatra sasany tadidinao?

  • Inona no fiantraikan’ireo fitsipika ao amin’ireo andininy ireo teo amin’ny fiainanao na ahoana no ahafahan’izany hisy fiantraikany eo amin’ny fiainanao?

Azon’ny mpianatra atao ny misaintsaina hoe ahoana no nanampian’ireo fampianarana avy amin’io olona io na ireo andininy azy ireo, na ahoana no ahafahan’izany manampy azy ireo, hahatsapa ny fitiavan’ny Tompo sy ny faniriany mba hianaran’izy ireo fitsipika ireo.

Mampihatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–31

Mba handinihana ny fomba ahafahan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–31 manampy ny zatovo ao anatin’ny toe-javatra isan-karazany dia omeo rafi-tantara mba ho trandrahina ny mpianatra. Afaka mampiasa ireo rafi-tantara sy fanontaniana omena etsy ambany ianao na mamorona vitsivitsy avy aminao manokana izay afaka manampy ny mpianatra. Azon’ireo mpianatra dinihina miaraka amin’ny iray kilasy, na ao anaty vondrona, na samirery ireo rafi-tantara.

Sahanasa A

Nisy zatovolahy iray nanana ray aman-dreny izay niezaka ho ohatra eo amin’ny fanarahana ny Mpamonjy, saingy mimenomenona izy matetika rehefa manasa azy hanao fandalinana soratra masina na vavaky ny mpianakavy ny ray aman-dreniny. Matetika izy no tsy miraharaha azy ireo na milalao telefaonina rehefa miezaka manome torohevitra azy izy ireo.

  • Ahoana no ahafahan’ny fampianaran’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–31 manampy azy hahatakatra ny zavatra tsapan’ny Tompo momba ny ezaka ataon’ny ray aman-dreniny?

  • Inona no soratra masina izay mety hitarika azy hiatrika amin’ny fomba tsaratsara kokoa izany toe-javatra izany? (Ohatra sasany amin’izany ny Efesiana 6:1–3; Môzià 4:14–15; sy ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy fony izy 12 taona ao amin’ny Lioka 2:51–52.)

  • Inona avy ireo fomba sasany ahafahany manohana ireo ray aman-dreniny? Mety hanova inona eo amin’ny fianakaviany ny fanaovana ireo zavatra ireo?

Sahanasa B

Nisara-panambadiana ny ray aman-drenin’ny zatovovavy iray. Mizara ny fotoanany amin’izy ireo izy. Mandrabiraby ny Fiangonana ny reniny ary tsy manantena ny hanarahan’ny zanany vavy ireo fampianaran’ny filazantsara rehefa ao an-tranony. Mamporisika azy hiaina ny filazantsara sy hanatrika seminera sy handeha hivavaka ary hanatrika ireo fiaraha-mientan’ny zatovo ny rainy. Raha oharina amin’ny fiarahany amin’ny reniny dia toa mafy sy voafehy kokoa ny miara-miaina amin’ny rainy.

Vakio ny Eksodosy 20:12.

  • Inona ireo fomba sasany izay ahafahan’ity zatovovavy ity manaja ny rainy sy ny reniny no sady manaraka ny Tompo?

  • Inona avy ireo hevitra, na fampianarana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana na zavatra niainana hafa izay mety hanampy azy?

Sahanasa D

Misy zatovolahy iray izay niaina zava-tsarotra nandritra ny fahatanorany ary tsy miara-miaina amin’ny ray aman-dreniny intsony izy. Mankarary azy ny mieritreritra momba azy ireo.

Hamaranana ity sahanasa ity dia misafidiana fitsipika iray izay nodidin’ny Tompo mba hampianarin’ireo ray aman-dreny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–31, ary mitadiava andinin-tsoratra masina iray avy eo izay azonao ampiasaina mba hampianarana io fitsipika io. Zarao ny fomba ahafahan’io fitsipika io manampy ny zatovo ankehitriny.

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianaran’izy ireo. Mety hanampy ny fanomezana fahafahana ny mpianatra hizara ny zavatra niainany manokana na fanontaniana, na olana mifandray amin’ny fianarana ny filazantsara ao an-tokantrano. Hevero ny hamela ny mpianatra hamaly ireo fanontaniana na ireo ahiahin’ireo mpiara-mianatra aminy amin’ny alalan’ny fampiasana loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra sy ny zavatra niainan’izy ireo manokana.

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa na inona na inona toe-javatra iainan’ny fianakaviany dia maniry azy ireo handray fiovam-po lalina sy maharitra ao Aminy sy amin’ny filazantsarany araka izay tsara indrindra vitan’izy ireo ny Tompo. Hevero ny hanasa ny mpianatra hikatsaka fanambarana ho an’ny tenany manokana mikasika ny mety hahafahan’izy ireo mampihatra ny zavatra nianarany. Mety ho amin’ny alalan’ny fanohanana ny ray aman-dreniny izany eo am-panaovan’izy ireo ny andraikiny amin’ny fanampiana azy hanatona an’i Jesoa Kristy, na amin’ny alalan’ny fankasitrahana ny hafa izay nomanin’ny Tompo mba hampianatra azy ireo ny fitsipika nianarana androany, na amin’ny alalan’ny fiomanana hampianatra ny zanak’izy ireo ihany any aoriana.