Maro ireo mpitarika ny Fiangonana izay nanohana ny famoahana ireo fanambarana izay noraisin’ny Mpaminany Joseph Smith ary nahatakatra fa avy amin’ Andriamanitra izy ireny. Ny hafa dia nifantoka tamin’ireo tsy fahalavorariana izay tsikaritr’izy ireo tao amin’ireo fanambarana ary vokatr’izany dia tsy nanana antoka izy ireo fa avy amin’ny Tompo izany. Ity lesona ity dia afaka manampy amin’ny fampitomboana ny fahatokian’ny mpianatra fa ny Tompo dia miteny amintsika amin’ny alalan’ny mpaminany ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia teniny.
Sahanasa fianarana azo atao
Tenivavolombelona iray
Nahoana no manampy ny fananana tenivavolombelona momba ireo lafin-javatra ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ireo?
Ahoana no fomba hahazoana sy hanatanjahana tenivavolombelona iray
Tany amin’ny faramparan’ny taona 1831, dia nanana amboarana fanambarana avy amin’ny Tompo i Joseph Smith saingy vitsy ireo olona izay afaka nampiasa ny tahadikan’ireo. Nanambara ny Tompo fa ilaina ny hamoahan’izy ireo ireo fanambarana ireo ao anatina boky. Tahaka ny Bokin’i Môrmôna, dia tokony ho nahitana tenivavolombelona avy amina vavolombelona ny Bokin’ireo Didy (izay navoaka ho lasa hoe Fotopampianarana sy Fanekempihavanana taty aoriana). Kanefa nisalasala hijoro ho vavolombelona ny sasany tamin’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana. Nanana olana tamin’ny sasany tamin’ireo fiteny nampiasaina tao izy ireo ary naniry ny hanatsara izany.
Inona no zavatra neken’ny Tompo momba an’i Joseph Smith tao amin’ny andininy 5? Nahoana no tsy fahendrena ny “maneho mihoatra noho ny fiteniny” na dia tsy tonga lafatra na nahay nandaha-teny aza ny Mpaminany? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61:5).
Fantatry ny Tompo ny ao am-pontsika ary afaka manampy antsika Izy handresy ireo sakantsakana amin’ny tenivavolombelona ananantsika. Eto dia nampanao fanamby ireo loholon’ny Fiangonany ny Tompo mba hanampiana azy ireo hahazo “tenivavolombelon’ny fahamarinana” (andininy 4) tamin’ireo fanambarana noraisin’i Joseph Smith.
Inona no karazana fanambarana tokony ho nofidin’izy ireo? (Jereo ny andininy 6.)
Karazan’olona toy ny ahoana no tokony ho nofidin’izy ireo? (Jereo ny andininy 6.)
Inona no zavatra nasaina nosoratan’io olona io? (Jereo ny andininy 7.)
Inona no hitranga raha mahavita izany izy ireo? (Jereo ny andininy 7.)
Inona no hitranga raha tsy mahavita izany izy ireo? (Jereo ny andininy 8–9.)
Inona araka ny eritreritrao no lesona sasantsasany nianaran’ireo lehilahy ireo avy amin’ity zavatra niainana ity?
Ahoana no anehoan’ity zavatra niainana ity fa ny Tompo dia nahafantatra azy ireo ary afaka nanampy tamin’ny tenivavolombelona nananan’izy ireo?
Notohizan’ny Tompo izany tamin’ny fampanantenana traikefa ara-panahy goavana kokoa tamin’ireo lehilahy ireo raha “[esorin’izy ireo] [amin’ny] tenan’[izy ireo] ny fialonana sy ny tahotra ary [manetry] tena eo anoloako [izy ireo]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:10).
Ahoana no ampiharana io fahamarinana io ankehitriny
Eritrereto hoe misy olona fantatrao izay sahirana amin’ny finoana fa ny Tompo dia miteny amintsika amin’ny alalan’ny mpaminany ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia tenin’ny Tompo.
Soraty ny mety holazainao mba hanampiana azy hahafantatra fa ny Tompo dia mahare ireo vavaka ataontsika ary afaka manome tenivavolombelona antsika momba ny mpaminany sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Raha azo atao dia afaka mizara zavatra niainanao manokana na niainan’ny olona iray akaiky anao izay mijoro ho vavolombelona momba ireo fahamarinana ireo ianao.
Mampiasà soratra masina, na tantara ao anaty soratra masina, na zavatra niainanao manokana mba hizarana zavatra izay azontsika atao hampitomboana ny tenivavolombelona ananantsika momba ny mpaminany sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (ohatra sasany amin’izany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38; 21:4–6; Môrônia 10:4–5). Zarao ny fomba izay ahafahan’ny Tompo mitahy antsika noho ireo asa atao ireo.