Seminera
Lesona 83: Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 5: Fanaovana tsianjery sy fahazoana fahalalana ara-panahy


“Lesona 83: Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 5: Fanaovana tsianjery sy fahazoana fahalalana ara-panahy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana(2025)

“Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 5,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 83: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71–75

Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 5

Fanaovana tsianjery sy fahazoana fahalalana ara-panahy

sary hosodoko iray maneho ny fiverenan’ilay zanaka adala

Ny fifehezana fotopampianarana dia ahafahana manampy ireo mpianatra hanorina ny fototra iorenan’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ity lesona ity dia manome fahafahana ireo mpianatra hanao tsianjery andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina mifandray amin’izy ireo ary hianatra sy hampihatra ireo fitsipika masin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Sahanasa fianarana azo atao

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana: ataovy tsianjery

Mieritrereta fotoana iray teo amin’ny fiainanao izay nanampian’ny fanaovana tsianjery fampahalalana anao tamin’ny fanatanterahana asa iray.

  • Inona no fitahiana nentin’ny fanaovana tsianjery fampahalalana teo amin’ny fiainanao?

  • Amin’ny toe-javatra manao ahoana no mety ho tombontsoa ho anao ny fanaovana tsianjery andinin-tsoratra masina vitsivitsy?

Ity sahanasa manaraka ity dia fomba iray hanampiana ny mpianatra hanao tsianjery andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Misy hevitra fanampiny amin’ny fanaovana tsianjery hita ao amin’ny tovana eo ambanin’ny “Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana.” Tsy tokony haharitra mihoatra ny 10-15 minitra ireo sahanasa fanaovana tsianjery izay nosafidinao mba hanananao fotoana amin’ny fampiharana ilay fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana.

Zarao ho vondrona kely maromaro ireo mpianatra ary ataovy printy ity tabilao manaraka ity ho an’ny vondrona tsirairay. Asao ireo vondrona mba hanety ny andinin-tsoratra masina tsirairay sy ny andian-teny manan-danja tsirairay mba hisaratsaraka tsara. Asaivo afangaron’ny mpianatra ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ary avy eo asaivo miasa anaty vondrona ireo mpianatra mba hampifandray azy ireo indray haingana araka izay azony atao. Azon’ireo vondrona averina imbetsaka ity sahanasa ity mba hahitana raha toa ka vitan’izy ireo ny mampifandray azy ireo haingana kokoa isaky ny andrana ataon’izy ireo.

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Joseph Smith—Tantara 1:15–20

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

I Joseph Smith “dia nahita Olona roa, izay mihoatra ny famaritana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny.”

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ilay hany Fiangonana velona sady marina.”

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Na amin’ny alalan’ny feoko na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompoko, dia iray ihany izany.”

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra.”

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Hiteny anao ao an-tsainao sy ao am-ponao Aho, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.”

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Ny Fisoronana Aharôna no “mihazona ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely sy ny an’ny filazantsaran’ny fibebahana ary ny batisa.”

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–11

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra.”

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15–16

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Akory ny ho halehiben’ny fifalianareo raha mitondra fanahy maro ho Ahy!”

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Izaho, [Jesoa Kristy], dia efa nijaly tamin’ireo zavatra rehetra ireo ho an’ny rehetra.”

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–6

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny tenin[’ny mpaminany] dia horaisinareo toa ireny avy amin’ny vavako ireny.”

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:10–11

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Fa haneho ny tenako avy any an-danitra amin’ny hery sy ny voninahi-dehibe Aho … ka hitoetra amim-pahamarinana miaraka amin’ny olona eto an-tany arivo taona.”

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny fanambadiana dia voatendrin’ Andriamanitra.”

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Izay efa nibebaka tamin’ny fahotany, dia izy no voavela.”

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–11

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Fa takiana aminareo kosa ny hamela ny olon-drehetra.”

Fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy

Ny ambin’ny lesona dia mifantoka amin’ny fanampiana ireo mpianatra hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana. Mialoha ny hamakiana ilay toe-javatra etsy ambany dia asao ny mpianatra hamerina hijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Ireo sahanasa famerenana naroso dia tafiditra ao amin’ny tovana eo ambanin’ny “Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana.” Afaka mahita ny famariparitana ireo fitsipika ao amin’ny andiam-pehezan-teny 5–12 ianao ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023).

Ity rafi-tantara amin’ny fampiharana fanazaran-tena ity dia mifototra amin’ny zavatra niainan’ny Rahavavy Kristin M. Yee, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany izay nozaraina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Raha manampy izany dia azonao atao ny mampiasa rafi-tantara iray hafa momba ny famelan-keloka mba hampifanaraka izany kokoa amin’ny zavatra ilain’ireo mpianatra.

Nizara izao zavatra niainany manokana izao ny Rahavavy Kristin M. Yee, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany.

Ny Rahavavy Kristin M. Yee

Nahita manokana ny fahagagan’ny fanasitranan’i Kristy ny fo feno fahatezerana ny tenako. Rehefa nahazo lalana avy amin’ny raiko, dia zaraiko aminareo fa lehibe tao amin’ny tokantrano izay tsy nahatsapana ho voaro foana aho noho ny fampijaliana ara-pihetseham-po sy ny fanaovana teny marary. Fony aho zatovo sy tanora dia nanana lolompo tamin-draiko aho ary tezitra tato am-poko noho izany ratra izany. (Kristin M. Yee, “Hatsarana ho solon’ny lavenona: Ny lalana manasitran’ny famelan-keloka,” Liahona, nôv. 2022, 37)

Makà fotoana hieritreretana hoe mety ho nanao ahoana ny niaina ny toe-javatra niainan’ny Rahavavy Yee. Eritrereto ny zavatra mety ho nataonao raha niaina zavatra mitovitovy amin’izany ianao.

Rehefa mandalina ny zavatra nataon’ny Rahavavy Yee isika dia eritrereto ny lesona azonao sintonina avy amin’ny zavatra niainany. Diniho manokana ny fomba nampiharany ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fomba nanampian’ny Mpamonjy azy.

sary famantarana ny taratasy zarainaOmeo ireo mpianatra ity taratasy zaraina ity. Hevero ny hampiseho eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto mba ho hitan’ireo mpianatra izany eo am-pandalinan’izy ireo ny lahatenin’ny Rahavavy Yee. Amporisiho ny mpianatra mba hieritreritra fomba hafa ahafahan’ny olona iray izay miaina toe-javatra mitovitovy amin’io mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

  • Inona no nataon’ny Rahavavy Yee mba hanaovana asa amim-pinoana? Ahoana no nanampian’ny Mpamonjy azy?

  • Inona no nataon’ny Rahavavy Yee mba hahitany ny toe-javatra nisy azy tao amin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjena sy ny fampianaran’ny Mpamonjy?

  • Inona ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra izay nianteheran’ny Rahavavy Yee? Ahoana no nanampian’ireo loharanom-pahalalana ireo azy hahazo fahatakarana sy fomba fijery hafa momba ilay toe-javatra niainany?

Hevero ny hampiasa ny iray amin’ireto hevitra manaraka ireto mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra ny fomba nampiharan’ny Rahavavy Yee ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy:

  • Mamarita fomba vitsivitsy miavaka tsara miaraka amin’ny iray kilasy mba hanisiana marika ireo fomba nampiharan’ny Rahavavy Yee ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy tsirairay. Ohatra, azonao atao ny manipika fitsipika iray ary manisy efamira amin’ny iray hafa na faribolana amin’ny iray hafa. Afaka mampiasa loko samihafa koa ianao mba hanisiana marika ny fitsipika tsirairay. Asao ny mpianatra mba handalina ny sisa ambiny amin’ilay taratasy zaraina, ka hitady ohatra maneho ny fitsipika tsirairay sy hanisy marika izany.

  • Omeo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy hafa ireo mpianatra na vondrona mpianatra. Rehefa mandalina ny lahateny nataon’ny Rahavavy Yee izy ireo dia asao mba hanoratra ny zavatra nataony mba hampiharana izany fitsipika izany.

  • Azonao atao ny mampiseho ny horonan-tsarin’ilay lahateny nataon’ny Rahavavy Yee ho solon’ny fampiasana ilay taratasy zaraina. Asao ny mpianatra mba hihaino ireo fomba nampiasany ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Afaka mananga-tanana ireo mpianatra rehefa maheno ohatra momba izany, ary azonao ajanona ilay horonan-tsary ka asainao mizara ny zavatra hitany izy ireo.

10:7

Beauty for Ashes: The Healing Path of Forgiveness

Sister Yee teaches that we are blessed as we follow the Savior on the healing path of forgiveness.

Hatsarana ho solon’ny lavenona: Ny lalana manasitran’ny famelan-keloka

Ny Rahavavy Kristin M. Yee

Rehefa nandeha ny fotoana ary nanoloana ny ezaka hitadiavana fiadanana sy fanasitranana eo amin’ny lalan’ny famelana, dia lasa tonga saina tamin’ny fomba lalina tokoa aho fa ilay Zanak’ Andriamanitra izay nanao sorona ho an’ny fahotako ihany no ilay Mpanavotra izay hamonjy ihany koa ireo izay nandratra mafy ahy. Tsy afaka nino ilay fahamarinana voalohany aho raha tsy nino ilay faharoa.

Rehefa nihanitombo ny fitiavako ny Mpamonjy, dia torak’izany koa ny faniriako hanolo ny faharatrana sy ny fahatezerana amin’ny balsamany manasitrana. Tao anatin’ny taona maro izany dingana nolalovana izany, nitaky herim-po sy fahalemem-panahy sy faharetana ary fianarana ny matoky ny hery masin’ny Mpamonjy mba hamonjy sy hanasitrana. Mbola misy ny asa ilaina ataoko saingy tsy mankamin’ny fahatezerana sy valifaty intsony ny foko. Nomena “fo vaovao” aho [Ezekiela 36:26] dia fo nahatsapa ny fitiavana lalina sy mitoetran’ny Mpamonjy ahy manokana, izay niara-dalana tamiko, izay nitarika ahy tamin-katsaram-panahy sy tamim-paharetana ho amin’ny toerana tsara kokoa, izay niara-nitomany tamiko, izay mahafantatra ny alaheloko. …

Nilaza ny Loholona Richard G. Scott hoe: “Tsy afaka mamafa ny zavatra efa vita ianao saingy afaka mamela izany. Manasitrana ireo ratra mahatsiravina sy mandoza ny famelan-keloka satria mamela ny fitiavan’ Andriamanitra hanadio ny fo sy ny saintsika amin’ny poizin’ny fankahalana. Manafaka ny eritreritsika amin’ny faniriana ny hamaly faty izany. Manome toerana ho an’ny fanadiovana sy ny fanasitranana ary ny famerenana amin’ny laoniny ny fitiavan’ny Tompo izany” [“Healing the Tragic Scars of Abuse,” Ensign, mey 1992, 33].

Ny raiko niteraka ahy koa dia niaina fiovam-po mahatalanjona tao anatin’ireo taona vao tsy ela ka nitodika tamin’ny Tompo, izay zavatra tsy nampoiziko hitranga amin’ity fiainana ity. Izany dia fijoroana ho vavolombelona ho ahy ny amin’ny hery feno sy manova an’i Jesoa Kristy.

Fantatro fa afaka manasitrana ny mpanota sy ireo izay niharan’ny fahotana Izy. Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra an’izao tontolo izao, izay nanolotra ny ainy mba hahafahantsika ho velona indray. Hoy Izy: “Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy; efa naniraka Ahy hanasitrana ny torotoro fo Izy, naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy, sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorina” [Lioka 4:18; nampiana fanamafisana].

Ho an’ireo rehetra izay torotoro ny fony, mpifatotra, nampahorina, ary angamba nojambain’ny fampahoriana na ny fahotana, manolotra fanasitranana sy fanarenana ary fanafahana Izy. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fanasitranana sy fanarenana atolony dia tena misy. Samy manana ny azy ny fotoan’izany fanasitranana izany, ary tsy afaka mitsara ny fotoan’ny an’ny hafa isika. Zava-dehibe ny hamelantsika ho an’ny tenantsika ny fotoana ilaina mba hahasitranana ary ny ho tsara fanahy amin’ny tenantsika ao anatin’izany dingana izany. Ny Mpamonjy dia be famindram-po sy mihaino antsika hatrany, ary vonona hatrany ny hanolotra ny fanampiana ilaintsika Izy.

Eo amin’ny lalan’ny famelana sy ny fanasitranana dia misy ny safidy tsy hamerimberenana intsony ireo trangan-javatra na fifandraisana tsy mahasoa ao amin’ny fianakaviantsika na aiza na aiza. Ho an’ireo rehetra izay azontsika taomina, afaka manolotra hatsaram-panahy isika ho solon’ny fahasiahana, fitiavana ho solon’ny fankahalana, fahalemem-panahy ho solon’ny fanevatevana, fiarovana ho solon’ny fampahoriana ary fiadanana ho solon’ny fifandirana.

Ny fanomezanao ny zavatra izay nolavina taminao dia ampahany mahery vaika amin’ilay fanasitranana masina izay afaka ny hisy amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ny miaina amin’ny fomba izay manome, araka ny nolazain’i Isaia hoe, hatsarana ho solon’ny lavenona eo amin’ny fiainanao [jereo ny Isaia 61:3], dia fampiharana finoana izay manaraka ny ohatra tonga lafatry ny Mpamonjy izay nizaka ny zava-drehetra mba hahafahany manavotra ny olon-drehetra. …

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny ohatra lehibe indrindra amin’ny fitiavana sy ny famelana dia i Jesoa Kristy ilay Mpamonjy antsika, izay nilaza tao anatin’ny fangirifiriana mangidy hoe: “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.” [Lioka 23:34]. (Kristin M. Yee, “Hatsarana ho solon’ny lavenona: Ny lalana manasitran’ny famelan-keloka,” Liahona, nôv. 2022, 37–38)

Rehefa avy mizara ny zavatra hitany ny mpianatra dia asao izy ireo hamantatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manan-danja sy hanazava ny fomba ahafahan’ireo andinin-tsoratra masina ireo manampy olona iray ao anatin’ny karazana toe-javatra tahaka izany. Ohatra sasany mety ho tafiditra ao anatin’izany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–11.

  • Ahoana no nanampian’izany anao handalina ohatra iray izay ahitana olona iray mampiasa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy tao anatina toe-javatra iray niainan’izy ireo?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fampiasana ireo fitsipika ireo manampy anao ao anatin’ireo toe-javatra atrehinao?