Seminera
Lesona 86—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:19–24: “Inty ny tenivavolombelona … izay ataonay momba Azy”


“Lesona 86—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:19–24: -Inty ny tenivavolombelona … izay ataonay momba Azy,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana(2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:19–24,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 86: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:19–24

“Inty ny tenivavolombelona … izay ataonay momba Azy”

i Jesoa mitsiky

Ao anatin’ireo fahitana izay noraketina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76, dia nahita an’i Jesoa Kristy Tenany i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon. Nianatra ny maha-ivony ny Mpamonjy amin’ny famonjena antsika izy ireo ary avy eo nijoro ho vavolombelona momba Azy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa fitomboan’ny fitiavana ho an’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Sahanasa fianarana azo atao

Manan-danja amiko i Jesoa Kristy

Omeo fahafahana ny mpianatra mba hifanakalo hevitra momba ny maha-manan-danja an’i Jesoa Kristy amin’izy ireo. Mety hampiasa ity rafi-tantara manaraka ity ianao na afaka manasa ny mpianatra hamorona iray hafa.

Tafaray amin’ny fanatrehana kilasy maromaro any an-tsekoly i Abbey sy i Sarika. Indray andro, nandritra ny sakafo antoandro, dia nijery an’i Abbey i Sarika ary niteny hoe, “Nahare ny olona miresaka momba an’i Jesoa foana aho nandritra ny androm-piainako manontolo. Efa henoko mihitsy aza ianao nilaza fa mino Azy ianao. Tsy tena mbola nianatra momba an’i Jesoa aho ka liana. Inona no azonao lazaina amiko momba Azy ary nahoana no manan-danja aminao Izy?”

  • Raha ianao no teo amin’ny toeran’i Abbey dia inona no ho nolazainao an’i Sarika?

Mialoha ny hangatahanao mpianatra vitsivitsy mba hamaly izany dia omeo fotoana izy ireo hieritreretana ny zavatra mety holazain’izy ireo. Mety hanampy ny mpianatra ny mamorona lisitra ao anaty diary fandalinan’izy ireo izay ahitana ny zavatra izay eritreretin’izy ireo fa tokony ho fantatry ny olona rehetra momba an’i Jesoa.

Eritrereto ny zavatra tsapanao momba an’i Jesoa Kristy sy ny fahazoanao aina rehefa miresaka momba Azy amin’ny hafa ianao. Rehefa mandalina ianao androany dia tadiavo ireo fampianarana izay manampy anao hahatsapa fitiavana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy.

Fahitana ilay Zanak’ Andriamanitra tao anaty fahitana

Mety hanampy ny manasa ny mpianatra hizara ny zavatra tsaroan’izy ireo momba ireo toe-javatra izay nitarika an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon hahita ilay fahitana noraketina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76. Raha ilaina dia ampahatsiahivo azy ireo fa rehefa nisaintsaina ny soratra masina i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon dia “nikasika ny mason’ny fahatakaran’[izy ireo] ny Tompo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:19), ary nahita fahitana goavana izy ireo.

sary famantarana ny fifehezana fotopampianarana Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:22–24 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora amin’izy ireo ny mahita ny toerana misy izany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:1–6, 19–24, mba hitadiavana ny zavatra nambaran’i Joseph sy i Sidney momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Amporisiho ny mpianatra mba hirakitra tsara ny zavatra izay hitan’izy ireo tao anaty soratra masina. Ohatra, afaka mamorona lisitra iray ahitana ireo zavatra hitany izy ireo ao anatin’ny diary fandalinan’izy ireo.

Raha tsy izany, dia hevero ny hanome taratasy lehibe maromaro mba hahafahan’ireo mpianatra mirakitra ny zavatra nianaran’izy ireo. Rehefa vitan’ny mpianatra izany dia azonao apetaka amin’ny rindrina ao an-dakilasy ireo taratasy mba haseho. Afaka mandehandeha manerana ny efitrano mba hamaky ny zavatra hitan’ny hafa ny mpianatra ary avy eo manao sarina fo iray eo akaikin’ny zavatra iray izay tiany na tiany hianarana kokoa. Omeo fotoana hifanakalozana hevitra momba ny zavatra hitany ny mpianatra.

  • Inona avy ireo fahamarinana tao anatin’ireo andininy ireo izay nanaitra anao? Nahoana?

Mety nahita fahamarinana maro tao anatin’ireo andininy ireo ianao. Mety nahatsikaritra ianao tao anatin’izany hoe:

  • Be famindram-po i Jesoa Kristy ary finaritra amin’ny fitahiana antsika rehefa manaja sy manompo Azy isika (andininy 5).

  • I Jesoa Kristy dia velona sy feno voninahitra (andininy 22).

  • I Jesoa Kristy no Ilay Zanaka Lahitokan’ny Ray (andininy 23).

  • I Jesoa Kristy no Mpahary ny zava-drehetra teo ambanin’ny fitarihan’ny Ray any An-danitra (andininy 24).

  • Manampy anao hahatakatra inona momba ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy manampy anao sy ny hafa ireo fahamarinana ireo?

Ireto sahanasa manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hampitombo ny fahatakaran’izy ireo sy hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny roa amin’ireo fahamarinana ampianarin’ireo andininy ireo. Afaka misafidy iray na roa amin’ireo sahanasa ianao mba hiarahan’ny iray kilasy mandalina. Na afaka mampiseho ireo toromarika momba ilay sahasana ianao ary manendry vondrona kely na olon-droa mba hiara-hamita ny iray na roa amin’ireo sahanasa.

Sahanasa A: Velona i Jesoa Kristy!

Raha ilaina, dia omeo tahadika natao printy an’ny tononkiran’ilay hira ao amin’ny fihirana hoe Velona ilay Mpanavotra ahy (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, no. 76–77) ny mpianatra mba hampiasainy. Raha miara-manao ity sahanasa ity ny iray kilasy dia afaka mihira ilay hira ao amin’ny fihirana ianareo mandritra ity ampahany amin’ilay lesona ity.

Ankoatra ny fangatahana ny mpianatra handalina ilay hira ao amin’ny fihirana ao amin’ny dingana 3 dia azonao asaina ihany koa izy ireo hitady soratra masina na teny nambaran’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay mamariparitra ny zavatra azon’ny Mpamonjy atao ho antsika satria velona Izy. Anisan’ny soratra masina azonao atolotra ny Jaona 6:40; Filipiana 4:13; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42; 84:88.

  1. Hevero ny hanisy marika ireo teny hoe “velona Izy!” ao amin’ny andininy 22 amin’ny fomba izay mampiavaka azy ireo ao anatin’ny soratra masina.

  2. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny andian-teny hoe Satria velona i Jesoa Kristy dia ….

  3. Vakio ny tononkiran’ilay hira ao amin’ny fihirana “Velona ilay Mpanavotra ahy” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, no. 76–77) mba hitadiavana ireo ohatra maneho ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy manampy anao satria velona Izy.

  4. Manorata fomba dimy farafahakeliny manan-danja indrindra aminao mba hahafahanao mameno io andian-teny io.

Sahanasa B: Mpahary ny zava-drehetra i Jesoa Kristy

Mba hanampiana ny mpianatra hiomana amin’ny fomba tsara kokoa amin’ny famaliana ny dingana 4 dia zarao ilay teny nambaran’ny Filoha Boyd K. Packer izay hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

  1. Hevero ny hanisy marika ilay andian-teny hoe “tamin’ny alalany sy tao Aminy ary avy Aminy no ary sy nahariana ireo tontolo” (andininy 24) amin’ny fomba izay mampiavaka io andian-teny io ao anatin’ny soratra masina ampiasainao.

  2. Mitadiava soratra masina na teny nnambaran’ireo mpitarika ny Fiangonana izay mampitombo ny fahatakaranao ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpahary Azy. Anisan’ny soratra masina azonao halalinina ny Jaona 1:1–3; 3 Nefia 9:15; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:9–10; Mosesy 1:33; 7:30.

  3. Mifanakaloza hevitra momba ny sasany amin’ireo zavatra noharin’ny Mpamonjy izay manampy anao hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Hazavao ny antony.

  4. Manoràta fomba telo farafahakeliny izay ahatsapanao fa afaka manampy anao Izy satria Izy ilay Mpahary ny zava-drehetra.

Rehefa vitan’ny mpianatra ilay sahanasa na ireo sahanasa dia avelao izy ireo hizara ny zavatra nianarany sy tsapany. Ataovy azo antoka fa asainao izy ireo hizara ny zavatra nianarany momba ny fahafahan’i Jesoa Kristy manampy azy ireo satria velona Izy ary satria Izy no ilay Mpahary. Afaka mizara ny hevi-baovao hitany avy eny am-pitoerana ny mpianatra, na afaka manasa mpianatra manolo-tena ianao mba ho eny aloha ary hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy.

Manao tsianjery

Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hitadidy ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity, ary avereno jerena izany mandritra ireo lesona hafa any aoriana any. Ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina dia ny hoe “Tamin’ny alalan’[i Jesoa Kristy] no ary sy nahariana ireo tontolo.” Ireo hevitra ho an’ny sahanasa fanaovana tsianjery dia ao amin’ny fitaovana tovana etsy ambany “Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana.”