Lesona 85—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:1–19: “Nosokafana ny mason’ny fahatakaranay”
“Lesona 85—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:1–19: -Nosokafana ny mason’ny fahatakaranay,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana(2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:1–19,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 85: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76
Tamin’ny janoary 1832 dia nisaintsaina ny dikan’ny Jaona 5:29 i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon raha teo am-panaovana ny fandikana ny Baiboly araka ny fitaoman’ny Fanahy. Rehefa nisaintsaina izy ireo dia nahita fahitana nitohitohy izay nanambaran’ny Tompo fahamarinana manan-danja momba ny drafiny. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hianatra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina rehefa manokana fotoana hisaintsainana ny tenin’ny Mpamonjy izy ireo.
Nahoana ianao no maniry ny handray ny fanampian’ny Tompo amin’ireo zavatra ireo?
Androany ianao dia hianatra momba ny fomba iray ahafahanao manasa ny Tompo hiresaka aminao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Rehefa mandalina ianao dia henoy tsara ireo bitsika avy amin’ny Fanahy izay mety hanampy anao amin’ny iray amin’ireo toe-javatra na fanontaniana izay nofaritanao.
Ilay fahitana
Niaraka tao amin’ny efitrano ambony rihana tao amin’ny tranon’i John sy i Elsa Johnson tao Hiram, Ohio, i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ary ireo lehilahy niisa 12 hafa tamin’ny 16 febroary 1832. Raha teo am-panaovana ny fandikana ny Baiboly araka ny fitaoman’ny Fanahy i Joseph sy i Sidney dia nandalina ny Jaona 5:29 izy ireo, izay soratra masina iray namariparitra ny lanitra ary naniry ny hahafantatra misimisy kokoa izy ireo. Rehefa nisaintsaina izy ireo dia nahita fahitana iray izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76. Nampiseho fahitana tena miavaka nitohitohy tamin’i Joseph sy i Sidney ny Mpamonjy izay nampianatra azy ireo fahamarinana manan-danja momba ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:1–10: mba hikarohana ireo teny sy andian-teny izay tsapanao fa maneho ny zavatra tian’i Jesoa Kristy ho takatsika momba Azy. Marihina fa ny hoe matahotra an’ Andriamanitra (andininy 5) dia midika hoe mitsaoka sy mitia ary mankamamy Azy.
Ny Loholona D. Todd Christofferson avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namariparitra ny fomba ahafahantsika mandalina sy misaintsaina ny soratra masina izay hitondra any amin’ny fanambarana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
2:3
Rehefa miteny aho hoe “mandalina,” dia zavatra mihoatra noho ny hoe mamaky no tiako holazaina. … Indraindray dia azoko sary an-tsaina ianareo mamaky andininy vitsivitsy, miato mba handinika izany, mamaky amim-pitandremana indray ireo andininy, ary rehefa iny mieritreritra momba ny hevitra tian’izy ireo ambara iny, mivavaka mba hahatakatra izany, mametra-panontaniana ao an-tsainareo, miandry fahatsapana ara-panahy, ary manoratra ireo zavatra tsapa sy hevi-baovao izay tonga mba hahafahanareo mitadidy sy mianatra bebe kokoa. Rehefa mandalina toy izany ianareo, dia mety tsy mamaky toko na andininy maro ao anatin’ny antsasan-kadiny, saingy hanisy toerana ho an’ny tenin’ Andriamanitra ao am-ponareo ianareo ary hiresaka aminareo Izy. (D. Todd Christofferson, “When Thou Art Converted,” Liahona, mey 2004, 11)
Manaova fanazaran-tena amin’ny fandalinana sy fitsaintsainana ombam-bavaka
Makà fotoana hanaovana fanazaran-tena eo amin’ny fandalinana sy fisaintsainana ny soratra masina. Eritrereto ilay toe-javatra izay nofaritanao teo aloha ka nilanao ny fanampian’ny Tompo. Mivavaha mba handray fitarihana, saintsaino ny zavatra vakinao, ary henoy tsara ny bitsiky ny Fanahy izay afaka manolotra ny fitarihana na ny fanampiana ilainao. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao sy ny zavatra tsapanao.
Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fandalinana sy ny fisaintsainana ny soratra masina tamin’ny fanomanana anao handray fanambarana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina?
Inona no nampianarin’izany zavatra niainana izany anao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Krity ary ny Fanahy Masina?
Inona no azonao atao na tokony hotohizanao mba handraisana fanampiana sy fanambarana fanampiny avy amin’ny Tompo?