Seminera
Lesona 91—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:1–7: “Fa amin’izay omena be no takina be”


“Lesona 91—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:1–7: -Fa amin’izay omena be no takiana be,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:1–7,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 91: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:1–7

“Fa amin’izay omena be no takina be”

zatovo misaintsaina

Tamin’ny Aprily 1832, dia nandeha nankany Independence, Missouri, ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo olona hafa. Nanaraka ny didin’ny Tompo izy ireo mba hanangana rafitra hananganana an’i Ziona sy hikarakarana ny mahantra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78). Rehefa avy nanampy tamin’ny famahana ny disadisa teo amin’ny samy mpikambana ny Mpaminany dia nahazo io fanambarana io izay mamaritra ny zavatra andrasan’ny Tompo amin’ny olony. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba nitahian’ny Tompo azy ireo sy ny fomba andrasany mba hampiasan’izy ireo ireo fitahiana ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Izay nomen’ny Tompo anao

Mba hanampiana ireo mpianatra hanomana ity lesona ity, dia hevero ny hihira hira iray momba ireo fitahiana nomen’ny Tompo. Ohatra iray amin’izany ny “Seigneur, j’ai tant reçu” (Recueil de cantiques, no. 139). Ny hira ao amin’ny fihirana dia mety ho anisan’ny fampaherezam-panahy.

Manasà mpianatra telo hijoro eo anoloan’ny iray kilasy. Omeo tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna ny iray, ary ny iray valopy izay ahitana vola be misoratra ety ivelany (ohatra, 1.000.000 dolara), ary ny iray hafa vatomamy maromaro.

  • Araka ny zavatra nomena azy ireo, inona no antenainao fa hataon’ireo mpianatra ireo?

Hevero ny hanasa ny mpianatra handeha ho eny aloha mba hizara hevitra iray na roa mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo mitahy ny hafa amin’ny zavatra nomena azy ireo.

Mariho fa tsy hitovy ny zavatra andrasantsika amin’ny olona izay tsy nahazo zavatra mitovy.

Amin’ny maha-zanaky ny Ray any An-danitra antsika sy amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonany antsika dia nomena zavatra maro isika. Asao ireo mpianatra mba hanao ny lisitr’ireo fitahiana azon’izy ireo avy amin’ny Tompo. Mety hanampy ny mamorona sokajy vitsivitsy hosaintsainin’ny mpianatra rehefa manao ilay lisitra izy ireo (ohatra, ireo fitahiana avy amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Fiangonana azy, ireo zavatra ara-panahy niainany, ireo olona izay mitahy ny fiainany, ireo fananana sy fahafahana manao zavatra eto an-tany izay ananany, sy ny sisa).

Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto mba hosaintsainin’ny mpianatra.

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no fiantraikan’ireo fitahiana ireo teo aminao?

  • Inona no azon’izy ireo ampianarina anao momba ny Tompo?

  • Ahoana no mety hanantenan’ny Tompo anao haneho fihetsika hafa amin’ny olona iray izay tsy nahazo ireo fitahiana ireo?

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia mitadiava hevi-baovao fanampiny momba ireo fanontaniana ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82

Hevero ny hamintina ireto fampahalalana manaraka ireto:

Nahazo fitahiana lehibe avy amin’ny Tompo ireo Olomasina tamin’izany fotoana izany. Ireo fitahiana ireo dia nahitana ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny, ny Bokin’i Môrmôna, ary ny mpaminany velona iray izay manambara ny tenin’ny Tompo. Na izany aza, dia mbola sahirana izy ireo niaina araka ilay fomba tian’ny Tompo hiainan’izy ireo. Ohatra vitsivitsy amin’izany ireto manaraka ireto:

  • Nandritra ny volana maromaro dia nisy tsy fifankahazoana teo amin’i Sidney Rigdon tao Ohio sy ny Eveka Edward Partridge tao Missouri. Vao haingana izy ireo no nihavana.

  • Nanakiana an’i Joseph Smith ny mpikamban’ny Fiangonana sasany tao Missouri.

  • Rehefa nifindra tany Missouri ny mpikamban’ny Fiangonana dia maro tamin’izy ireo no tsy nankatò ny torohevitry ny Tompo sy ny didiny, ka anisan’izany ny fanajana ny lalàn’ny fanokanana.

Nandeha nankany Missouri ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana ary nanao filankevitry ny mpisorona avo tao amin’ny Fiangonana. Ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82 dia noraisina nandritra ny fivoriana tamin’ny tolakandro.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:1–7 mba hitadiavana ny zavatra nandrasan’ny Tompo tamin’ireo Olomasina satria nahazo fitahiana lehibe tokoa izy ireo.

  • Inona no zavatra nianaranao avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

    Afaka mizara fahamarinana samihafa ireo mpianatra. Anontanio azy ireo ny antony maha-zava-dehibe ny fahatakarana ireo fahamarinana izay zarainy.

    Ireo mpianatra dia mety hizara na tsia ilay fitsipika hoe mitaky betsaka amin’ireo izay nomeny betsaka ny Tompo. Raha tsy mizara izany ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny zavatra nianarany tao amin’ny andininy 3.

    Raha manontany momba ny fiverenan’ny fahotana teo aloha ny mpianatra (jereo ny andininy 7), dia ampio izy ireo hahatakatra fa raha manohy manao izany fahotana izany ihany isika dia mila manohy ny fibebahantsika. Afaka miantehitra amim-paharetana amin’ny Mpamonjy isika ary manohy miezaka ny hivoatra, satria mahafantatra fa hanampy antsika Izy. (See Neil L. Andersen, “Repent … That I May Heal You,” Liahona, Nov. 2009, 40).

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no miandry ireo zavatra ireo ny Tompo?

  • Nahoana no zava-dehibe amintsika ny mahatakatra azy ireny?

Mba hahazoana hevi-baovao fanampiny dia vakio ity teny manaraka nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Loholona D. Todd Christofferson

Ny Raintsika any An-danitra dia Andriamanitra iray miandrandra zavatra lehibe. …

… Ny tanjon’ Andriamanitra dia ny hahafahantsika zanany hiaina fifaliana sesehena sy hiaraka Aminy mandrakizay ary ho tonga tahaka Azy mihitsy aza. …

Rehefa maniry sy miezaka amin-kitsimpo ny ho mendrika ireo zavatra lehibe andrasan’ny Raintsika any An-danitra amintsika isika, dia hataony izay hahazoantsika ny fanampiana rehetra ilaintsika na izany fampiononana, na fampaherezana na famaizana. (D. Todd Christofferson, “Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko,” Liahona, mey 2011, 97, 99)

  • Nahoana no manampy koa ny mahatsiaro ny fahatakarana an-tsaina ananan’ny Tompo sy ny toetrany feno fangorahana? (jereo ny andininy 1, 7).

Mahatsiaro izay nomen’ny Tompo antsika

sary famantarana ny taratasy zarainaIty manaraka ity dia fomba iray hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny antony anantenan’ Andriamanitra bebe kokoa amin’ireo “izay omena be” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:3). Azon’ny mpianatra atao samirery na ao anaty vondrona kely ilay sahanasa.

Fitahiana avy amin’ny Tompo

Misafidiana roa farafahakeliny amin’ireto fitahiana manaraka ireto, na misafidiana fitahiana hafa tsy voatanisa.

  • Soratra masina

  • Ireo mpaminany velona

  • Famelan-keloka

  • Ny fanomezana ny Fanahy Masina

  • Fahalalana momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ho antsika

  • Tempoly

Halalino mandritra ny minitra vitsivitsy ireo fitahiana izay nofidinao. Ampiasao ny soratra masina, ireo lahateny nandritra ireo fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, ary ireo loharano hafa ao amin’ny Fiangonana toy ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022). Tadiavo ireto:

  1. Ireo fomba anatsaran’ny Tompo ny fiainantsika amin’ny alalan’ireo fitahiana ireo.

  2. Ny zavatra andrasan’ny Tompo amin’ireo izay omena ireo fitahiana ireo.

Ampidiro ao anatin’izany izay eritreritrao manokana na izay hevi-baovao avy amin’ny zavatra niainanao manokana. Azonao atao ny mampiditrany fomba mety ahafahan’ireo olona manana ireo fitahiana ireo manampy na ho ohatra ho an’ireo izay tsy niaina ireo zavatra ireo sy tsy manana fahalalana mitovy amin’ireo.

Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra nianarany. Fomba iray hanaovana izany ny fangatahana olona iray manolo-tena mba hizara ary avy eo dia hanonona mpianatra iray hafa izay tsapan’izy ireo fa fitahiana lehibe ho an’ny iray kilasy. Anontanio avy eo ny mpianatra natolotra raha toa ka vonona ny hizara ny zavatra nianarany izy ireo. Ataovy azo antoka fa fantany fa tsy voatery hizara izy ireo. Avereno imbetsaka io fanazaran-tena io.

2:3

Ny zavatra andrasan’ Andriamanitra sy ny fitiavany

Rehefa mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra dia tombantombano hoe hatraiza ny fahatakarany ny fitsipika voaresaka tato amin’ity lesona ity. Mitadiava fomba hanamafisana ny fitiavan’ny Tompo sy ny fomba ahafahantsika mitahy ireo zanany maro kokoa rehefa miaina araka izay nomeny antsika isika.

sary famantarana ny fanofananaTariho ireo mpianatra hamantatra ny fitaoman’ny Tompo eo amin’ny fiainany: Mba hahazoana fanofanana bebe kokoa momba ny fomba hanaovana izany dia jereo ny fanofanana mitondra ny lohateny hoe “Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindrampony.” izay hita ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mifantoha amin’i Jesoa Kristy. Hevero ny hanao fanazaran-tena amin’ny fampiasana ilay fahaiza-manao. Azonao atao ny mametraka fanontaniana amin’ny mpianatra izay mifantoka amin’ny fampifandraisana ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindram-pony eo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Nahoana ianao no mankasitraka ny zavatra andrasan’ny Tompo?

  • Ahoana no anehoan’ny zavatra andrasan’ny Tompo ny fitiavany?

Asao ny mpianatra hijery ny lisitr’izy ireo izay ahitana ny zavatra nomen’ny Tompo azy ireo. Afaka manampy izay fitahiana fanampiny neritreretiny nandritra ny lesona izy ireo. Angataho izy ireo mba hirakitra an-tsoratra ny zavatra tian’izy ireo hotsaroana na hatao noho ny zavatra nomen’ny Tompo azy ireo.