Lesona 95—Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:33–44: Ny fianianana sy ny fanekempihavanan’ny fisoronana
“Lesona 95—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:33–44: Ny fianianana sy ny fanekempihavanan’ny fisoronana,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana(2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:33–44,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 95: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84
Ny fianianana sy ny fanekempihavanan’ny fisoronana
Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20, ny Mpamonjy dia nanambara fa “ao amin’ny ôrdônansi[n’ny fisoronana], dia miseho ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra.” Io herin’ny fisoronana io dia afaka ny ho azon’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra izay manao sy mitandrina ny fanekempihavanan’ny batisa sy ny tempoly. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:33–44, ny Mpamonjy dia nampianatra fianianana sy fanekempihavanana izay mifehy ny fampiasana ny herin’ny fisoronany. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hampitombo ny fahatakarany ny fianianana sy ny fanekempihavanan’ny fisoronana.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny Ray any An-danitra dia mitahy ireo mpitandrina ny fanekempihavanana amin’ny heriny
Inona no ampanantenain’ny Ray any An-danitra antsika rehefa miezaka ny mankatò io fanekempihavanana io isika?
Halalino ity teny manaraka avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson ity, ka tadiavo ny fitahiana omen’ny Ray any An-danitra ho an’ireo izay manao fanekempihavanana Aminy sy mitandrina izany.
Ny olona tsirairay izay manao fanekempihavanana ao amin’ny dobo fanaovana batisa sy any amin’ny tempoly—ka mitandrina izany—dia mampitombo ny fahafahana hahazo ny herin’i Jesoa Kristy. Mba saintsaino io fahamarinana mampitolagaga io!
Ny valisoa amin’ny fitandremana ny fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia hery avy any an-danitra—hery izay mampatanjaka antsika mba hanohitra tsara kokoa ny fitsapana sy ny fakam-panahy ary ny ratram-pontsika. Manamora ny lalantsika io hery io. Ireo izay miaina ny lalàn’i Jesoa Kristy izay ambony kokoa dia afaka mahazo ny heriny ambony kokoa. (Russell M. Nelson, “Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana,” Liahona, nôv. 2022, 96)
Nahoana ireo fitahiana avy amin’ny fanekempihavanana izay nofaritan’ny Filoha Nelson no ilaina eny amin’ny lalantsika hiverina any amin’ny Ray any An-danitra?
Ny fianianana sy ny fanekempihavanan’ny fisoronana
Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84, dia nanome “fanambarana momba ny fisoronana” an’i Joseph Smith i Jesoa Kristy (jereo ny sasin-tenin’ny fizarana). Ao anatin’ity fanambarana ity dia namaritra ny “fianianana sy fanekempihavanana” (andininy 39–40) izay an’ny fisoronana Izy. (Ny fianianana dia fanaovana fampanantenana lehibe.)
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny hoe “Fianianana sy ny fanekempihavanan’ny fisoronana” eo amin’ny tampon’ny pejy iray. Manaova tsanganana roa eo ambanin’io lohateny io. Omeo anarana ny tsanganana iray hoe “Ireo fampanantenan’ny Ray any An-danitra” ary ilay iray hafa “Ireo fampanantenantsika.”
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:33–44. Hevero ny hanisy marika amin’ny fomba iray ireo fampanantenana izay anasan’ny Ray any An-danitra antsika mba hatao sy hanisy marika amin’ny fomba hafa ny fitahiana atolony ho an’ireo izay mitandrina ny fanekempihavanany. Soraty ao amin’ireo tsanganana mifanaraka amin’izany ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra hitanao.
Nahoana io fitahiana io no ho manan-danja aminao amin’izao fotoana izao?
Inona no ampianarin’io fitahiana io anao momba ny Ray any An-danitra?
Mizarà ohatra iray (avy amin’ny soratra masina na avy amin’ny fiainanao) momba ny olona iray izay hitanao fa nampiseho ny fitandremana ilay fampanantenana nofidinao.