“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–87: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–87,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–87
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–87
Topimaso ankapobeny
Rehefa nanao asa fandikan-teny azo avy amin’ny fanentanam-panahy ny Baiboly ny Mpaminany tamin’ny desambra 1832 dia nanambara ny hevitr’ilay fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86). Herinandro vitsy taty aoriana, tamin’ny Krismasy, dia nandinika ny savorovoro ara-pôlitika sy ny ady an-trano izay nifandray tamin’ny fanandevozana tany Etazonia ny Mpaminany. Nambaran’ny Tompo tamin’ny Mpaminany fa ireo tranga ireo dia hitarika any amin’ny ady hahafatesana olona.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra amin’ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely miaraka amin’ny Mpamonjy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hamaky ilay fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary ao amin’ny Matio 13:24–30 ary hiomana hizara ny dikan’io fanoharana io ho azy ireo.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa ny tenin’ny Tompo rehetra lazainy amin’ny Mpaminaniny dia ho tanteraka avokoa.
-
Fanomanana ny mpianatra: Tonga miaraka amin’ny fahavononana hizara ohatrana soratra masina iray izay ahitana mpaminanin’ Andriamanitra iray nilaza mialoha toe-javatra iray hitranga any aoriana.