Seminera
Lesona 98—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86: Manangona an’i Isiraely ny Mpamonjy


“Lesona 98—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86: Manangona an’i Isiraely ny Mpamonjy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 98: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–87

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86

Manangona an’i Isiraely ny Mpamonjy

fijinjana vary

Ao amin’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86 dia manambara hevitra fanampiny tamin’ny fanazavana nomeny tany am-piandohana mikasika ilay fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary (Matio 13:36–43) ny Mpamonjy. Nampianatra momba ny ezaka nataony mba hanangonana ireo olo-marina ho fiomanana amin’ny Fiaviany Fanindroany Izy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra amin’ny ezaka ataon’izy ireo mba handraisana anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely miaraka amin’ny Mpamonjy.

Sahanasa fianarana azo atao

Manangona ny vahoakany ny Mpamonjy

I Jesoa ao amin’ny sehatra iray maneho fanangonana

Hevero ny hanasa ny mpianatra hieritreritra ohatra ahitana olona izay tian’izy ireo hiarahana sy ny anton’izany.

Azonao asaina izy ireo avy eo hieritreritra olona izay naniry ny hiaraka tamin’i Jesoa Kristy nandritra ny asa fanompoany teto an-tany. Raha ilaina dia afaka mizara ohatra vitsy amin’izany ianao toy ny Matio 9:10; 19:1–2, 13–15; Jaona 6:1–14; 3 Nefia 17:1–5.

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no te hiaraka amin’ny Mpamonjy ny olona?

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no irin’ny Mpamonjy ho voangona eo Aminy ny olona?

Hevero ny hanasa ny mpianatra handalina soratra masina vitsivitsy izay mampianatra ny antony anirian’ny Mpamonjy antsika ho voangona eo Aminy. Ohatra izay mety ho tafiditra ao anatin’izany ny Matio 11:28–30; 3 Nefia 9:13–14; 10:4–6.

Eritrereto ny fanirianao manokana hanaraka ny Mpamonjy sy hangonina eo Aminy. Eritrereto ihany koa ny fanirianao hanampy amin’ny fanangonana ny hafa ho eo Aminy. Rehefa mandalina ianao dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao hamantatra ny maha-zava-dehibe ny fanangonana anao sy ny hafa ho eo amin’i Jesoa Kristy.

Fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary

Vakio na fintino ity andiam-pehezanteny manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitry ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86.

Rehefa nanao ny asa fandikan-teny azo avy amin’ny fanentanam-panahy ny Baiboly i Joseph Smith sy i Frederick G. Williams dia nanambara ny hevitry ny fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary ny Mpamonjy. Io hevitra io dia voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86.

Mialoha ny handalinan’ny mpianatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86 dia ampio izy ireo hahatakatra ilay fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary. Afaka mamaky ny Matio 13:24–30 izy ireo, ary afaka mamintina ilay fanoharana ny mpianatra iray. ChurchofJesusChrist.org

Mety hanampy ny fanazavana fa ny tsimparifary dia karazana ahi-dratsy misy poizina. Saika mitovy ny vary sy ny tsimparifary raha vao mitsiry, saingy azo avahana izy roa rehefa feno ny fitombony. Raha manandrana manongotra ny tsimparifary alohan’ny maha-matoy ny vary sy ny tsimparifary ny olona iray dia mety hamotika ny ankamaroan’ny vary ihany koa izy.

2:15
  • Inona no nisarika ny sainao tao amin’io fanoharana io?

  • Maneho inona ny vary sy ny tsimparifary? (Jereo ny Matio 13:38.)

Manome ny hevitr’ilay fanoharana ny Mpamonjy

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:1–7 mba hitadiavana ireo tandindona ao amin’ilay fanoharana izay hanampian’ny Mpamonjy antsika mba ho takatsika.

  • Inona no nianaranao avy amin’io fanoharana io momba ny fiomanana ataon’ny Tompo ho an’ny Fiaviany Fanindroany?

    Rehefa avy mizara ny zavatra hitany ny mpianatra vitsivitsy dia antitrantero ity fahamarinana ity: Manangona an’i Isiraely alohan’ny Fiaviany Fanindroany ny Tompo.

  • Ahoana no anampian’ny fahalalana izany fahamarinana izany anao hahatsapa fanantenana sy fiadanana rehefa mieritreritra momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany ianao?

  • Ahoana no ahafahan’io fahamarinana io mitarika ny fanapahan-kevitra raisinao ankehitriny?

Nizara ny fomba ahafahantsika mandray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely miaraka amin’ny Tompo ny Filoha Russell M. Nelson.

18:51
Filoha Russell M. Nelson

Manangona ireo izay hisafidy ny hamela an’ Andriamanitra ho ny hery mitaona indrindra eo amin’ny fiainany ny Tompo.

Nandritra ny taonjato maro dia nanambara mialoha an’io fanangonana io ny mpaminany [jereo ny Isaia 11:11–12; 2 Nefia 21:11–12; Môzià 15:11], ary efa mitranga izany amin’izao! Amin’ny maha-tranga manan-danja hialoha ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany azy dia io no asa manan-danja indrindra eto amin’izao tontolo izao! …

Rehefa miresaka momba ny fanangonana an’i Isiraely eo amin’ny lafy roa amin’ny voaly isika dia mazava ho azy fa miresaka momba ny asa fitoriana ny filazantsara sy ny asa atao any amin’ny tempoly ary ny asa atao momba ny tantaram-pianakaviana. Miresaka momba ny fanorenana finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona ao am-pon’ireo izay miara-miaina sy miasa ary manompo amintsika ihany koa isika. Isaky ny manao zavatra izay hanampy olona isika, eo amin’ny lafy roa amin’ny voaly, mba hanao dingana mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay isika. (Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 92–93)

  • Inona no nianaranao avy amin’ity teny nambara ity mikasika ny fomba ahafahanao manampy ny Tompo hanangona an’i Isiraely?

“Fahazavana ho an’ny Jentilisa”

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:11 mba hitadiavana ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy mikasika ny fomba ahafahantsika manampy amin’ny fanangonana ny olona ho eo Aminy.

Mety hanampy ny manazava fa ny teny hoe Jentilisa ao amin’ny andininy 11 dia manondro ireo izay tsy mpikamban’ny Fiangonana.

Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo miompana amin’ny fanontaniana manaraka dia asao ny mpianatra hamaky ny Matio 5:14–16 sy ny 3 Nefia 18:24. Azon’izy ireo zaraina ny zavatra avy amin’ireo andininy ireo izay nampitombo ny fahatakaran’izy ireo.

  • Inona araka ny eritreritrao ny dikan’ny hoe “fahazavana ho an’ny Jentilisa”?

  • Inona ireo fomba sasany ahafahanao manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny alalan’ny fizarana ny fahazavan’ny Mpamonjy amin’ny hafa?

Hevero ny hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny hevitry ny mpianatra. Ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny zavatra efa niainan’izy ireo.

2:37

Manaova drafitra amin’ny fanangonana an’i Isiraely miaraka amin’ny Mpamonjy

Ampio ny mpianatra hampihatra ireo fahamarinana izay nianaran’izy ireo amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hamaly ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy roa ao anaty diary fandalinan’izy ireo.

  • Inona no zavatra hezahinao atao mba ho voangona eo amin’ny Mpamonjy ianao?

  • Inona no zavatra iray manokana hataonao mba hanampianao ny Mpamonjy amin’ny fanangonana an’i Isiraely?

Ataovy ao anatin’izany ny antsipiriany momba ny fomba sy ny fotoana hanatratraranao ny tanjonao.

Afaka mizara izay zavatra nosoratany ny mpianatra vitsivitsy. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana noresahinareo ary amporisiho ny mpianatra handray andraikitra eo anatrehan’ny tanjona napetrak’izy ireo ho an’ny tenany.