Lesona 99—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87: Naminany momba ny ady i Joseph Smith
“Lesona 99—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87: Naminany momba ny ady i Joseph Smith,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 99: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–87
Noho ny savorovoro ara-pôlitika nisy tany Etazonia tao anatin’ireo taona nanaraka ny taona 1830 dia nivavaka tamin’ Andriamanitra i Joseph Smith mba hahafantarana ny tao an-tsainy momba ny toe-javatra nisy. Ilay fanambarana izay nanaraka izany dia nahitana faminaniana amin’ny antsipiriany manokana momba ny ady izay Andriamanitra irery ihany no afaka nahalala azy tamin’izany fotoana izany. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra fa ny tenin’ny Tompo rehetra amin’ny Mpaminaniny dia ho tanteraka avokoa.
Sahanasa fianarana azo atao
Zavatra niainan’i Orson Pratt
Mpikamban’ny Fiangonana tany am-piandohana i Orson Pratt izay isan’ireo mpikambana voalohany tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Nantsoina hanompo tany amin’ny misiôna maro izy nandritra ny androm-piainany mba hitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny manerana an’i Etazonia sy i Kanadà. Nandritra ny dia nataony dia nentiny niaraka taminy ny tahadikana fanambarana iray manokana izay noraisin’i Joseph Smith avy tamin’ny Tompo tamin’ny 1832. Na dia mbola tsy tanteraka aza ilay faminaniana tao anatin’ilay fanambarana dia nozarain’ny Loholona Pratt matetika tamin’ny hafa izany. Voarabiraby matetika izy ary tsaroany fa ny olona dia nilaza ilay faminaniana ho “faran’izay tsy misy dikany” ary “nianjadian’ny fisandohana” izy (Orson Pratt, Journal of Discourses, 18:224–25).
Inona no mety ho fiantraikan’ny fihetsiky ny olona teo aminao raha teo amin’ny toeran’i Orson Pratt ianao?
Inona no nianaranao? Nahoana, araka ny eritreritrao, no zava-dehibe ny mahatakatra ireo zavatra momba an’i Jesoa Kristy ireo?
Inona no fiantraikan’io fahalalana io eo amin’ny fahatokiantsika Azy?
Finoana ny Tompo sy ireo faminaniany
Tamin’ny fiandohan’ny taona 1833, fotoana fohy taorian’ny nanomezana ilay faminanian’i Joseph Smith, dia voavaha tamim-pilaminana ireo tsy fitovian-kevitra izay nampihevitra fa hisy ady hipoaka tao Amerika afaka fotoana fohy.
Inona, araka ny eritreritrao, no fanontaniana mety ho nanananao raha nahafantatra momba ilay faminanian’i Joseph Smith ianao tamin’izany fotoana izany?
Notantarain’i Orson Pratt ireo eritreritra nananany rehefa tsy nazava tsara hoe ahoana sy rahoviana no hahatanterahan’ilay faminaniana.
Fantatro fa marina ilay faminaniana satria niresaka tamiko ny Tompo ary nanome fanambarana ahy. Fantatro ihany koa ny fahamasinan’ity asa ity. Taona maro no nandalo ary indraindray ny sasany tamin’ireo olona nifankahafantatra tamiko teo aloha dia nilaza hoe: “Nanao ahoana ihany ilay faminaniana e? Toa tsy ho tanteraka velively ilay izy.” Nilaza aho hoe, “Miandrasa fa manana ny fotoanany ny Tompo.” (Orson Pratt, Journal of Discourses, 18:224–25)
Inona no nisarika ny sainao tao anatin’ny valintenin’i Orson Pratt?
Tamin’ny fomba ahoana no nanaovany asa amim-pinoana sy nananany fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?
Misafidy ny hiara-hijoro amin’ny Tompo
Inona ireo toe-javatra sasantsasany izay mety hitaky ny fanaovan’ny olona iray asa amim-pinoana ho valin’ny hafatry ny mpaminany ankehitriny?
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38 sy ny 21:4–6. Tadiavo ireo fampianarana izay afaka manampy anao hitoetra ho mahatoky amin’ny Tompo sy ireo mpaminaniny na dia tsy manaiky ny tenin’izy ireo aza ny hafa.
Inona no hitanao?
Na dia efa maty aza i Joseph Smith ka tsy nahita ny fahatanterahan’ilay faminaniana, dia tanteraka 30 taona latsaka kely taorian’ny nanomezana izany ny ampahany tamin’izany. Nanomboka tao Caroline du Sud ilay fifandirana ary niady ny Faritany Tatsimo sy ny Faritany Tavaratra nanomboka tamin’ny 1861 ka hatramin’ny 1865. Araka ny efa naminaniana dia nangataka fanampiana tamin’i Grande Bretagne ny Tatsimo ary maro tamin’ireo izay nandevozina no niady tamin’ireo tompony teo aloha (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:1–4). Maro ireo olona maty nandritra izany ady izany. Araka ny voafariparitra ao amin’ilay faminaniana dia nisy ireo ady nitranga tany amin’ireo firenena maneran-tany taorian’izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:6–7).