“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88
Topimaso ankapobeny
Tamin’ny faramparan’ny taona 1832 sy ny fiandohan’ny taona 1833 dia nanambara hafatra iray tamin’i Joseph Smith ny Tompo izay nantsoina hoe “ravin’oliva.” Io hafatra mitondra fiadanana avy amin’ny Tompo io dia nanambara fahamarinana maro izay manana lanjany mandrakizay, ka tafiditra ao anatin’izany ilay hery izay ifehezany ireo zavatra nohariny sy ny fahamarinana momba ny lalàny mandrakizay. Nampianatra momba ny Fitsanganana amin’ny maty ny Mpamonjy ary ny lalàna izay ankatoavintsika no mamaritra ny voninahitra izay horaisintsika rehefa hitsangana amin’ny maty isika. Nanasa ireo mpanara-dia Azy Izy mba hanakaiky Azy. Nandidy ny olony Izy mba hanorina tempoly ary nanome torolalana mba hanangana ny Sekolin’ny Mpaminany.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:1–13, 41–50
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa fankasitrahana kokoa noho ny fitarihan’ny Fahazavan’i Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba haka fotoana handinihana ny lanitra amin’ny andro alina na hitady sarin’ny habakabaka iray amin’ny internet ka hisaintsaina ny fiandrianan’ Andriamanitra araka ny hita eo amin’ilay habakabaka hita maso.
-
Taratasy zaraina: “Ny Fahazavan’i Kristy (Tapany 1 sy Tapany 2)”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:14–41
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahatokian-tenan’izy ireo fa afaka mandray ny voninahitra selestialy izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamorona lisitra fohy iray mitanisa ny fomba itondran’ireo lalàna soa eo amin’ny fiainantsika. Amporisiho izy ireo hiomana hizara ny eritreriny.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:51–95
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra handray ireo fitahiana avy amin’ny fanakaikezana ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hangataka ombam-bavaka amin’ny Ray any An-danitra ireo zavatra azon’izy ireo atao mba hahatsapany ho akaiky kokoa Azy sy an’i Jesoa Kristy.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:76-80,117–141
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hianatra amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy ao anatin’ny toe-javatra samihafa.
-
Fanomanana ny mpianatra: Amporisiho ny mpianatra mba hisaintsaina izay zavatra ataon’izy ireo mba hianarany momba an’i Jesoa Kristy sy hampitomboany ny finoany Azy. Amporisiho izy ireo mba ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hizara ny heviny sy ny fivoarany amin’ny iray kilasy.
-
Horonan-tsary: “Raiso amim-pinoana ny hoavy” (16:24; jereo manomboka amin’ny mari-potoana 10:28 hatramin’ny 11:20)
-
Zavatra ampiasaina: Kitapo iray sy tapa-taratasy kely maromaro