“Lesona 102—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:51–95: -Manakaikeza Ahy dia hanakaiky anareo Aho,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:51–95,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Lesona 102: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:51–95
“Manakaikeza Ahy dia hanakaiky anareo Aho”
Ao amin’ity ampahany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 ity dia manambara ny fomba fitantanany ny zavatra nohariany i Jesoa Kristy ary manasa antsika hanakaiky Azy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra handray ireo fitahiana avy amin’ny fanakaikezana ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy.
Sahanasa fianarana azo atao
Fifandraisana akaiky
Namaritra ny heriny izay mifehy ny zavatra nohariny ny Mpamonjy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 (jereo ny andininy 41–45). Nampianatra Izy fa rehefa mahita ny kintana sy ireo planeta eny amin’ny lanitra isika dia efa “nahita an’ Andriamanitra mihetsika ao amin’ny fahandrianany sy ny heriny.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:47). Nanome fanoharana avy eo i Jesoa Kristy mba hampianarana momba ny fifandraisan’ Andriamanitra amin’ny zavatra nohariny. Mampianatra izany fa Andriamanitra dia nahary tontolo maro izay ipetrahan’ireo zanany ary mitsidika ny tsirairay amin’izy ireo Izy. Nandidy ireo namany ny Tompo mba hiantsoan’izy ireo Azy dieny mbola akaiky Izy (jereo ny andininy 51–62).
“Manakaikeza Ahy”
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:63 mba hitadiavana ireo zavatra anasan’i Jesoa Kristy mba hataontsika.
-
Inona no fanasana izay hitanao fa manan-danja aminao manokana?
-
Inona avy ireo fitsipika hitanao avy amin’ireo fanasana ireo?
-
Ahoana no hamaritanao ny dikan’izany hoe manakaiky ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy izany?
-
Amin’ny fomba ahoana, araka ny hevitrao, no hanakaikezan’Izy Ireo antsika?
-
Inona ireo antony sasany izay mahatonga ny olona iray te hahatsapa ho akaiky ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy?
Fanasana sy fitahiana
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:63–69 ary fenoy ity tabilao manaraka ity:
Fomba hanakaikezana ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy |
Fitahiana azo avy amin’ny fanakaikezana ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy |
---|---|
-
Afaka manampy anao hanakaiky ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ny fanaovana ireo zavatra ireo?
-
Inona no mety ho fiantraikan’ireo fitahiana ireo eo amin’ny fifandraisanao amin’Izy Ireo?
Ny drafitro
-
Ahoana no fomba fiezahanao hanakaiky ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy?
-
Inona no fitahiana azonao na azon’ny olona fantatrao noho ny fiezahana hanakaiky Azy Ireo?