Seminera
Lesona 100—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:1–13, 41–50: Ny fahazavan’i Kristy


“Lesona 100—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:1–13, 41–50: Ny fahazavan’i Kristy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:1–13, 41–50,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 100: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:1–13, 41–50

Ny Fahazavan’i Kristy

sarin’i Kristy, mifantoka amin’ny fahazavana

Fony tao Kirtland, Ohio, i Joseph Smith sy ireo mpisorona avo maromaro dia nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra mba handray fanambarana momba ny fanorenana an’i Ziona. Nampianatra fahamarinana momba ny hery sy ny halehiben’ny Fahazavan’i Jesoa Kristy ilay fanambarana. Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatsapa fankasitrahana kokoa noho ny fitarihan’ny Fahazavan’i Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Zavatra tsapantsika

Hevero ny hametraka ity fanontaniana manaraka ity amin’ny mpianatra ary ataovy lisitra ny valintenin’izy ireo. Afaka mifanakalo hevitra momba ilay fanontaniana ao anaty vondrona kely izy ireo ary avy eo manoratra ny valinteniny eny amin’ny solaitrabe.

  • Inona ireo karazana zavatra izay tsapanao kanefa tsy hitanao?

    Mety hitanisa zavatra toy ny hafanana, ny rivotra, ny fitiavana, ny fankasitrahana, ny finoana, sy ny sisa ny mpianatra.

  • Nahoana no zava-dehibe ny fahafantarana fa misy ireo zavatra izay tsapanao kanefa tsy hitanao?

Afaka manasa ny mpianatra hikatsaka fanentanam-panahy ianao mba hamantarany ny fitarihan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainany.

Ireo asan’ny Fahazavan’i Kristy

Nivory tao amin’ny efitra ambony tao amin’ny trano fivarotan’ i Newel K. Whitney tao Kirtland, Ohio, i Joseph Smith sy ireo loholona sivy tao amin’ny Fiangonana. Naniry handray fahatakarana misimisy kokoa momba ny andraikitr’izy ireo amin’ny fanorenana an’i Ziona izy ireo. Nanasa ny olona tsirairay i Joseph mba hifandimby hivavaka mba hamantarana ny sitrapon’ny Tompo. Rehefa avy nivavaka ny Mpaminany dia naharay ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 ankehitriny.

Rehefa manomboka mamaky ity manaraka ity ny mpianatra dia ataovy izay hahatakaran’izy ireo fa ny andininy 6 dia miresaka momba an’i Jesoa Kristy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6–13 mba hitadiavana ny zavatra azon’ireo andininy ireo ampianarina anao momba an’i Jesoa Kristy sy ny fahazavany.

  • Inona no nianaranao momba ny Fahazavan’i Kristy avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

    Ankoatra ireo hevitra izay mety hozarain’ny mpianatra dia ampio izy ireo hamantatra ilay fahamarinana hoe ny Fahazavan’i Kristy dia manome fahazavana sy fiainana amin’ny zavatra nohariny rehetra.

    Ampio ny mpianatra hahita ny mety ho fiantraikan’ny fahatakarana ny fitarihan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fahazavan’i Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo. Fomba iray hanaovana izany ity fanontaniana manaraka ity.

  • Inona avy ireo toe-javatra sasany atrehin’ny zatovo izay hahazoan’izy ireo tombontsoa amin’ny famantarana ny fitaoman’ Andriamanitra? Nahoana?

sary famantarana ny taratasy zarainaIty sahanasa manaraka ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatsapa fankasitrahana kokoa noho ny Fahazavan’i Kristy sy ny fiantraikan’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Afaka mamorona toeram-piantsonana miisa efatra ahitana asa atao ianao manodidina ny efitrano, izay azon’ny mpianatra tsirairay tsidihina sy atao. Azo asaina mba hitondra ny diariny sy zavatra hanoratana ary soratra masina ny mpianatra eny amin’ny toeram-piantsonana tsirairay avy. Raha sy izany dia azonao atao ny mizara ny mpianatra ho vondrona ahitana mpianatra efatra ary manendry ny mpianatra tsirairay hisahana fizarana iray ao anatin’ilay taratasy zaraina. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mizara ny zavatra nianaran’izy ireo amin’ny vondrona misy azy.

Ny Fahazavan’i Kristy

Farito ny Fahazavan’i Kristy

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:12–13 mba hitadiavana ny famaritana ny Fahazavan’i Kristy.

Vakio ity famaritana ny Fahazavan’i Kristy manaraka ity:

“[Ny Fahazavan’i Kristy] dia ny herin’ Andriamanitra, hery fitarihana mivoaka avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy ary manome aina sy fahazavana ho an’ny zava-drehetra. Izy no lalàna izay ifehezana ny zava-drehetra any an-danitra sy ety an-tany (F&F 88:6–13). Izy koa no manampy ny olona hahatakatra ireo fahamarinan’ny filazantsara sy manampy amin’ny fametrahana ny olona eo amin’ny lalan’ny filazantsara izay mitondra ho amin’ny famonjena.” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahazavana, Fahazavan’i Kristy,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org)

  • Ahoana no hamintinanao ny fahatakaranao ny atao hoe Fahazavan’i Kristy?

  • Ahoana, araka ny hevitrao, no itaoman’ny Fahazavan’i Kristy anao manokana?

Ny Fahazavan’i Kristy ho ny fieritreretantsika

Ny fieritreretantsika dia fisehoan’ny Fahazavan’i Kristy iray. Manorata famaritana ny fahatakaranao ny atao hoe fieritreretana izay takatry ny ankizy ao amin’ny Kilonga.

Vakio ity famaritana manaraka ity ary diniho izay mety azonao ampiana amin’ny famaritana nomenao:

“[Ny fieritreretana] dia ilay fahatsapana ny marina sy ny diso ao anaty, avy amin’ny Fahazavan’ i Kristy izay ao anatin’ ny olona rehetra (Môrô. 7:16). Miara-teraka amintsika ny fahaizana voajanahary hanavaka ny marina sy ny diso noho ny fahazavan’ i Kristy izay omena ny olon-drehetra (F&F 84:46). Izany fahaizana izany no atao hoe fieritreretana. Ny fananana izany dia mahatonga antsika ho olona tompon’andraikitra. Toy ireo fahaizana hafa, ny fieritreretantsika dia mety ho faty noho ny fahotana na ny fampiasana azy tsy araka ny tokony ho izy.” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fieritreretana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org)

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:45–46 sy ny Môrônia 7:16 mba hitadiavana ireo teny sy andian-teny izay mamaritra ny fomba fiasan’ny Fahazavan’i Kristy ho toy ny fieritreretantsika. Hevero ny hamorona fanoroana soratra masina mifandray ho an’ireo andininy roa ireo.

  • Inona no andian-teny avy amin’ireo andininy ireo izay manampy anao hahatakatra ny atao hoe fieritreretana?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nomen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy fieritreretana ianao?

Amin’ny fomba ahoana no mety hampisy fiantraikany ny fihainoana na ny tsy firaharahiana ny fieritreretanao eo amin’ny safidy ataonao sy ny toerana hiafaranao mandrakizay?

Ao anatin’ny olon-drehetra ny Fahazavan’i Kristy

Alaivo sary an-tsaina hoe asaina mizara vatsim-panahy fohy ao amin’ny Sekoly Alahady ianao momba ny fomba tokony hijerentsika sy hitondrantsika ny hafa amin’ny fomba tsaratsara kokoa indrindra indrindra ireo izay tsy mitovy amintsika. Azonao ampiasaina ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto sy izay hitanao fa manampy.

Ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao:

Filoha Boyd K. Packer

Rehefa mahafantatra bebe kokoa momba ny Fahazavan’i Kristy isika dia hahatakatra bebe kokoa momba ny fiainana sy hanana fitiavana lalina ny olombelona rehetra. Ho mpampianatra sy misiônera ary ray aman-dreny tsara kokoa isika, sy ho lehilahy sy vehivavy ary zanaka tsara kokoa. Haneho fanajana lalina kokoa an’ireo rahalahintsika sy anabavintsika sy anadahintsika sy rahavavintsika ao amin’ny Fiangonana sy an’ireo izay tsy mino isika. …

Ny Fahazavan’i Kristy dia natao ho an’ny olon-drehetra tahaka ny taramasoandro. Na aiza na aiza misy ain’olombelona dia ahitana ny Fanahin’i Kristy. Manana izany avokoa ny fanahy velona rehetra. …

Raha takatsika ny maha-tena misy ny Fahazavan’i Kristy ao amin’ny olon-drehetra izay hitantsika … sy ao anatintsika, … dia hanana herim-po sy fitaomam-panahy izay mbola tsy nananantsika hatramin’izay isika. Ary tokony ho izany no ho izy! Ary izany tokoa no ho izy! Izany rehetra izany dia fatrana fahamarinan’ny filazantsara izay vitsy loatra no mahatakatra azy. (Boyd K. Packer, “The Light of Christ,” Ensign, apr. 2005, 8, 13–14)

Manorata fehezan-teny roa na telo izay maneho ny hevitrao momba ny fiantraikan’ny fahatakarana ny Fahazavan’i Kristy amin’ny fomba fijerinao ny hafa.

Ny Fahazavan’i Kristy eto amin’izao tontolo izao

Efa nanohina ny fonao ve hatrizay ny hatsarana sy ny halehiben’ity tany ity sy ny habakabaka? Inona no fahatsapana entin’ireo zavatra ireo ao anatinao?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:7–10, 45–47 ary tadiavo izay azonao ianarana momba ny Fahazavan’i Kristy sy ny tany ary ny habakabaka.

  • Inona no azontsika ianarana mikasika ny Tompo avy amin’ny zavatra nohariny?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahitana ny fitarihan’ Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao manampy antsika hamantatra ny fitarihany eo amin’ny fiainantsika?

Rehefa nanana fotoana ampy nananterahana ireo asa nanerana ireo toeram-piantsonana ny mpianatra dia hevero ny hanome azy ireo fahafahana hizara ny zavatra nianarany sy tsapany. Mety ho afaka manampy ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no nianaranao momba ny Fahazavan’i Kristy ka nisy fiantraikany taminao?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ny fitarihan’ny Fahazavan’i Kristy teo amin’ny fiainanao?

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny famantarana ny Fahazavan’i Kristy eo amin’ny fiainanao hisy fiantraikany eo amin’ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Azonao zaraina ny fomba nahazoanao fitarihana tamin’ny alalan’ny fahatakaranao kokoa ny Fahazavan’i Kristy.