Seminera
Lesona 101—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:14–41: Miezaka mankatò ny lalàna selestialy


“Lesona 101—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:14–41: -Miezaka mankatò ny lalàna selestialy,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:14–41,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 101: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:14–41

Miezaka mankatò ny lalàna selestialy

zatovovavy tarafin’ny masoandro ny tarehiny

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88, ny Tompo dia nanambara fahamarinana momba ny Fitsanganana amin’ny maty sy ireo fanjakam-boninahitra ka tafiditra ao anatin’izany ny voninahitra selestialy. Ireo fahamarinana ireo dia afaka mampiray sy mitahy ireo mpikamban’ny Fiangonana rehefa manaraka amim-pahatokiana an’i Jesoa Kristy izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampitombo ny fahatokian-tenan’izy ireo fa afaka mandray ny voninahitra selestialy izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Tanjona ho amin’ny voninahitra selestialy

Asao ny mpianatra mba hanao sarina tohatra ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ary hanisy soratra eo amin’ny tampon’ilay tohatra hoe “Ny Fanjakana selestialy.” Angataho ny mpianatra mba hanao ny sariny eo amin’izay tohatra ahitany ny tenany. Amporisiho izy ireo hirakitra an-tsoratra ny valintenin’izy ireo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Mahatsapa ve ianao fa ireo safidy ataonao ankehitriny dia manampy anao handroso ho any amin’ny fanjakana selestialy? Nahoana no eny, na nahoana no tsia?

  • Manao ahoana ny fahatokian-tenanao fa afaka ny hahatratra ny voninahitra selestialy ianao miaraka amin’ny fanampian’i Jesoa Kristy?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa satria i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika dia afaka miantehitra Aminy isika mba hanampy antsika hiova sy hibebaka ary hanome hery eo am-piezahantsika hanatratra ny voninahitra selestialy.

Ny fanambaran’ny Tompo voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 dia manome fahazavana masina mba hanampiana antsika hahatakatra ireo fahamarinana mandrakizay. Ao amin’ny fizarana 88 dia mianatra antsipirian-javatra momba ny drafitry ny Ray any An-danitra sy fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy ary ny fomba ahafahantsika miverina eo anatrehan’izy ireo isika.

Azonao atao ny mizara ny zavatra tsapanao momba ny hatsaran’ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ny halehibeny. Amporisiho ny mpianatra eo am-pianaran’izy ireo anio mba hikatsaka fitaomam-panahy hahafantarana ny fomba hanaovan’izy ireo asa amim-pinoana sy handraisan’izy ireo ny fanampian’ny Mpamonjy eo am-pandrosoan’izy ireo mankany amin’ny fanjakana selestialy.

Ny vatantsika mety maty

Hazavao fa ampahany manan-danja ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny hahatongavantsika ho tahaka Azy ara-panahy sy ara-batana. Nandray vatana isika tamin’ny fahaterahana. Io vatana io dia ho faty indray andro any ary hitsangana amin’ny maty.

Hevero ny hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra amin’ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona ny zavatra efa fantatrao mikasika ny Fitsanganana amin’ny maty?

Raha ilaina dia azon’ny mpianatra ampiasaina ny Sujets et Questions, “Résurrection,” topics.ChurchofJesusChrist.org mba hanohanany ny valintenin’izy ireo.

Azon’ny mpianatra atao ny mamita ity asa manaraka fandalinana ity miaraka amin’ny namany iray. Azonao atao ny mampiseho ireo fanontaniana mba hakan’ny mpianatra hevitra ka ny mpiara-miasa tsirairay no tompon’andraikitra amin’ny famaliana ny iray amin’ireo fanontaniana. Mety hanampy ny mpianatra ny fahafantarana fa ny teny hoe mamelona dia mety hidika hoe manome aina.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:14–17, 27–31. Saintsaino ireto manaraka ireto rehefa mamaky izany ianao:

  • Inona no nianaranao momba ny Fitsanganana amin’ny maty?

  • Inona no nianaranao momba ireo ambaratongam-boninahitra telo?

Asao ny mpianatra hanao tatitra momba ny zavatra nianarany. Mihainoa amim-pitandremana ary mametraha fanontaniana fanaraha-maso mba hanampiana amin’ny fanazavana ny fahatakaran’izy ireo raha ilaina izany. Raha manana fanontaniana fanampiny ny mpianatra dia afaka mifanakalo hevitra momba izany ny iray kilasy.

sary famantarana ny fanofananaManombantombana ny fahalalan’ny mpianatra: Mba hanazaran-tena misimisy kokoa momba ity dia jereo ilay fanofanana mitondra ny lohateny hoe “Aoka ianao ho vonona mandrakariva hanaraka ireo bitsiky ny Fanahy momba ny zavatra ilain’ireo mpianatra.” izay hita ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy. Hevero ny hanao fanazaran-tena amin’ny fampiasana ilay fahaiza-manao “Mametraha fanontaniana mba hanombanana ny fianarana alohan’ny hanohizana ny lesona.”

Mitondra mankany amin’ny voninahitra ny fankatoavana ireo lalàn’ Andriamanitra

Hevero ny hanasa ny mpianatra mba hizara hoe mety ho tahaka ny inona izany manana vatana selestialy izany, na hoe nahoana izy ireo no maniry handray vatana selestialy amin’ny Fitsanganana amin’ny maty.

Raha niara-niasa tamina namana iray ny mpianatra teo aloha dia afaka miara-miasa amin’ny namana iray hafa indray izy ireo mandritra ity asa fandalinana manaraka ity.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:21–24, 34–36, 38–39 mba hitadiavana ny fomba ahafahantsika hitsangana amin’ny maty miaraka amin’ny vatana selestialy. Hevero ny hanisy marika ireo teny sy andian-teny tena manan-danja aminao.

  • Inona no zavatra tsapanao fa zava-dehibe ka tokony hotakarina avy amin’ireo andininy ireo?

  • Inona no mamaritra ny voninahitra azontsika raisina aorian’ny Fitsarana Farany? Nahoana?

Omeo fotoana hifanakalozana hevitra momba ny zavatra nianarany ny mpianatra. Mety hilaza fahamarinana isan-karazany ny mpianatra, tafiditra ao anatin’izany ny hoe raha mankatò ireo lalàna selestialy isika da handray voninahitra selestialy na mandritra ny Fitsanganana amin’ny maty dia handray voninahitra arakaraka ny lalàna hankatoavintsika isika. Azonao atao ny manoratra ireo fahamarinana ireo eny amin’ny solaitrabe.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra sy hahatsapa ny lanjan’ny lalàna masina dia azonao atao ny mizara izao fanambarana manaraka izao:

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Loholona D. Todd Christofferson

Mazava ho azy fa ny lalànʼny fanjakana selestialy no lalàna sy fanekempihavananʼny filazantsara, izay ahitana ny fahatsiarovantsika lalandava ny Mpamonjy sy ny fanekempihavanantsika aminʼny fankatoavana, fahafoizan-tena sy fanokanana ary fahatokiana. (D. Todd Christofferson, “Avia aty Ziona,” Liahona, nôv. 2008, 38)

  • Inona no zavatra ianaranao momba ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fahamarinany ary ny famindram-pony?

  • Inona no zavatra tsapanao momba ny fomba fiasany manokana miaraka amin’ireo zanany?

Fanampiana eny an-dalana

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba hamaliany namana iray izay kivy sy mahatsapa fa tsy ampy fahatsarana mba handraisany ny voninahitra selestialy. Azonao asaina ny mpianatra mba hamaky ireto andininy manaraka ireto ary avy eo hanoratra valinteny fohy mahakasika ilay olan’ny naman’izy ireo.

Vakio ny 3 Nefia 27:19–20 mba hitadiavana ny fomba nomanin’ny Ray any An-danitra mba hahafahan’ireo zanany handray ny voninahitra selestialy. Azonao atao ny mampifandray ireo andininy ireo amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:21, 34.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika ny teny hoe afa-tsy ao amin’ny 3 Nefia 27:19. Mariho fa ireo teny ireo dia mety hidika hoe “ankoatra ny.” Azonao anontaniana ny mpianatra ny fomba hanampian’izany azy ireo hahatakatra ireo tenin’i Jesoa tamin’ny Nefita.

Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ny fanantenana sy ny fiovana misy ho azy ireo amin’ny alalan’i Jesoa dia afaka mizara ity fanambarana manaraka ity ianao:

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

2:3
Loholona D. Todd Christofferson

Tokony hivavaka bebe kokoa hanana fotoana sy fahafahana hiasa sy hiezaka ary handresy ny ota isika, izay angamba mitovy amin’ny fanaovantsika vavaka bebe kokoa mba hahazo famindram-po. Tena azo antoka fa hitahy ilay olona izay maniry ny hijoro manoloana ny fitsarana amim-pahamendrehana ny Tompo. Olona izay niasa mafy isan’ andro isan’ andro mba hanova ny fahalemena ho tanjaka. Mety mitaky andrana miverimberina ny fibebahana sy ny fiovana marina, kanefa misy zavatra manadio sy manamasina ao anatin’ny fiezahana toy izany. Mirotsaka ho azy amin’ny fanahy toy izany ny famelan-keloka sy ny fanasitranana avy any an-danitra, satria, “ny hatsaran-toetra tia ny hatsaran-toetra; ny fahazavana miraikitra amin’ny fahazavana; [ary] ny famindram-po manana fangorahana ny famindram-po ary mitaky izay azy” (F&F 88:40).

Rehefa mibebaka isika dia afaka mampivoatra tsikelikely ny fahafahantsika miaina ny lalàna selestialy, satria fantatsika fa “izay tsy afaka mandray ny lalàn’ny fanjakana selestialy dia tsy afaka handray ny voninahitra selestialy” (F&F 88:22). (D. Todd Christofferson, “Ilay fanomezana masin’ny fibebahana,” Liahona, nôv. 2011, 39)

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakaranao ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy hisy fiantraikany amin’ny finoanao amin’ny fahatratrarana ny voninahitra selestialy?

  • Inona no mety holazainao amin’ny olona iray izay matahotra ny tsy ho afaka hahatratra ny voninahitra selestialy raha araka ny zavatra nianaranao anio?

Asao ny mpianatra hamerina hijery ilay sarina tohatra nataon’izy ireo tany amin’ny fiandohan’ny fotoam-pianarana. Amporisiho izy ireo hanoratra ny zavatra nianarany eo amin’ilay tohatra na manodidina izany izay afaka manampy azy ireo hanakaiky ny fanjakana selestialy. Afaka mirakitra ny ao an-tsainy na ny zavatra tsapany momba ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa ny mpianatra. Azon’izy ireo ampidirina ao anatin’izany ihany koa ny fomba nanatanjahana ny fanapahan-kevitr’izy ireo sy ny fanantenan’izy ireo ny hahatratra ny voninahitra selestialy na ny fomba ahafahan’ny fahamarinana nianaran’izy ireo hisy fiantraikany eo amin’ny safidiny ankehitriny sy any aoriana.

Raha mbola misy ny fotoana dia azonao atao ny manasa mpianatra iray na roa hizara amin’ny iray kilasy ny eritreritr’izy ireo.