Seminera
Lesona 103—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:117–141: Katsaho ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary amin’ny alalan’ny finoana


“Lesona 103—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:117–141: Katsaho ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary amin’ny alalan’ny finoana,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:117–141,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Lesona 103: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:76–80, 117–141

Katsaho ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary amin’ny alalan’ny finoana

efitrano ambony rihana tao amin’ny tranombarotr’i Newel K. Whitney

Ao anatin’ity ampahany amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 ity, dia nanambara ireo fitsipiky ny fianarana ny Tompo ary nandidy an’i Joseph Smith sy ireo olona hafa mba hanangana ny Sekolin’ny Mpaminany. Ireo izay nandray anjara tao amin’ny sekoly dia notakina mba hikatsaka fahendrena “ao amin’ny boky tsara indrindra” ka hiara-hianatra “amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118). Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hianatra amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy amin’ny sehatra isan-karazany.

Sahanasa fianarana azo atao

Tian’ny Ray any An-danitra hianatra aho

Mba hanombohana ny lesona dia hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ny taranja tena tian’izy ireo indrindra any an-tsekoly na hamaritra fohifohy ny lohahevitra izay tena mahaliana azy ireo ny mianatra azy. Raha ilaina dia hazavao fa ny fianarana lahika dia ilazana ny fianarana izay tsy misy ifandraisany amin’ny fivavahana.

  • Nahoana no manan-danja ny fahazoana fahalalana laika sy ara-panahy mandritra ny androm-piainantsika?

  • Inona no mety tsy mampitovy ny fianarana taranja toy ny matematika sy siansa sy ny fandalinana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? Inona no mety mampitovy izany?

Tamin’ny janoary 1833 dia nanaraka ny torolalan’ny Tompo i Joseph Smith sy ny mpihazona ny fisoronana hafa mba hanangana sekoly iray antsoina hoe Sekolin’ny Mpaminany. Nandritra ny ririnina tamin’ny taona 1833 dia nivory tao amin’ny efitrano ambony rihana tao amin’ny tranombarotr’i Newel K. Whitney ny mpikambana tao amin’izany sekoly izany. Taty aoriana dia nivory tao amin’ny trano printin’ny Fiangonana sy tao amin’ny Tempolin’i Kirtland izy ireo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:77–80 mba hitadiavana ny zavatra nodidin’ny Tompo mba hianaran’ireo mpihazona ny fisoronana ireo.

Azonao atao ny manoratra taranja toy ny hoe atimbolantany, ny tantara, ny astrônômia, ny pôlitika ary ny jeôgrafia eny amin’ny solaitrabe ka asaivo mamantatra teny na andian-teny izay manondro ireo taranja ireo ny mpianatra.

  • Inona no hitanao?

  • Araka ny andininy 80, nahoana no nanome torolalana ireo lehilahy ireo ny Tompo mba hianaran’izy ireo taranja mivelatramaro isan-karazany?

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fianarana ireo zavatra ireo antsika hanompo ny Tompo?

Zarao amin’ny mpianatra fa ny ambiny sisa amin’ny lesona dia hifantoka amin’ireo fitsipiky ny fianarana izay afaka mampatanjaka ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy manoma azy ireo hanompo Azy amin’ny fomba tsara kokoa. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana momba ny zavatra azon’izy ireo atao mba hampitomboana ny finoany sy hampivoarana ny fianarany.

Katsaho ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary amin’ny alalan’ny finoana

sary famantarana ny fifehezana fotopampianaranaNy Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Asao hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ny mpianatra mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118 mba hitadiavana ny fomba anasan’ny Tompo antsika hikatsaka fianarana.

Rehefa avy nikaroka tao anatin’ilay andinin-tsoratra masina ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny zavatra nambaran’ny Tompo momba ny fianarana. Ny valintenin’izy ireo dia mety hahitana ny hoe mikatsaka amim-pahazotoana, mifampianatra, mikatsaka fahendrena amin’ny boky tsara indrindra ary mikatsaka fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana sy amin’ny alalan’ny finoana.

  • Inona no ampianarin’io andininy io momba ny fianarana?

  • Inona no azontsika ianarana momba ny fomba fampitomboana ny finoantsika an’i Jesoa Kristy?

Azonao atao rehefa ilaina ny milaza fa any amin’ny fiandohan’ny andininy 118 dia milaza ny Tompo fa nisy ny sasany izay tsy ampy finoana. Afaka manasa ny mpianatra mba hizara torolalana mazava izay nomen’ny Tompo mba hanampiana ireo izay tsy ampy finoana ihany koa ianao.

Ity manaraka ity dia fomba iray hilazana fitsipika iray izay azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo: Raha mikatsaka amim-pahazotoana ny hianatra amin’ny alalan’ny fandinihana sy ny finoana isika dia hitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.

  • Ankoatra ny fianarana amim-pahazotoana amin’ny alalan’ny fandinihana dia inona ny dikan’ny hoe mianatra amin’ny alalan’ny finoana araka ny hevitrao?

Hevero ny hampiseho ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ity mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra kokoa ny dikan’ny hoe mianatra amin’ny alalan’ny finoana. Afaka mijery ilay horonan-tsary hoe “Atreho amim-pinoana ny hoavy” manomboka amin’ny mari-potoana 10:28 ka hatramin’ny mari--potoana 11:20.

16:24

Nanazava ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Filoha Russell M. Nelson

Nampianarin’ny Tompo antsika ny fomba hampitomboana ny finoantsika amin’ny fikatsahana “fianarana, amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana.” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118; nampiana fanamafisana]. Manamafy orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika rehefa miezaka mitandrina ireo didiny sy “mahatsiaro azy mandrakariva” [Môrônia 4:3]. Ankoatr’izay dia mitombo ny finoantsika isaky ny mampihatra ny finoantsika Azy isika. Izany no dikan’ny hoe mianatra amim-pinoana.

Ohatra, isaky ny manana finoana isika hankatoavana ireo lalàn’ Andriamanitra, eny fa na manambany antsika aza ny hevitr’izao tontolo izao, na koa isaky ny mahatohitra ny fampifalifaliana na hevi-dravina izay manindrahindra fandikana fanekempihavanana isika, dia mampihatra ny finoantsika isika, ary izany indray avy eo no mampitombo ny finoantsika. (Russell M. Nelson, “Raiso amim-pinoana ny hoavy,” Liahona, nôv. 2020, 75)

  • Inona no zavatra nianaranao avy tamin’io fanambarana nataon’ny Filoha Nelson io?

  • Ahoana no ahafahana mampihatra ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana ao anatin’ireo fahafahahana mianatra isan-karazany izay azo araraotina (toy ny any an-trano, any an-tsekoly, any amin’ny seminera ary any am-piangonana)?

Mba hanampiana ny mpianatra hanombantombana ny ezaka ataon’izy ireo ankehitriny amin’ny fikatsahana fianarana amin’ny alalan’ny finoana dia asao izy ireo hanao lisitra ireto sokajy manaraka ireto ao anaty diary fandalinan’izy ireo eo am-panoratanao izany eny amin’ny solaitrabe: tokantrano, sekoly, seminera ary fiangonana. Amporisiho ny mpianatra mba hanome naoty ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fianarana amim-pahazotoana amin’ny alalan’ny finoana ao amin’ny sokajy tsirairay amin’ny alalan’ny fampiasana ny mari-drefy 1 ka hatramin’ny 5 ka ny 5 no tsara indrindra.

Raha ilaina dia ampahatsiahivo azy ireo fa tafiditra ao anatin’ny fandalinana amin’ny alalan’ny fandinihana sy ny finoana ny mirotsaka amim-pahavitrihana hianatra ary avy eo mandray andraikitra eo anatrehan’ireo zavatra ianaran’izy ireo sy tsapan’izy ireo. Asao ny mpianatra mba hifantina sehatra iray izay tian’izy ireo hivoarana ary handalina ny ambiny sisa amin’ny lesona miaraka amin’izany sehatra izany ao an-tsaina.

“Mifandamina ianareo”

zatovo manokatra kitapo

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119–126 mba hitadiavana ny torohevitra avy amin’ny Tompo izay afaka mampitombo ny fahaizantsika mianatra amin’ny alalan’ny fandinihana sy amin’ny alalan’ny finoana.

Afaka mitondra kitapo sy manomana tapa-taratasy kely maromaro hampiasain’ny mpianatra ao anaty vondrona kely ianao. Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119–126 ny mpianatra dia asao izy ireo hanoratra ao anaty tapa-taratasy misaraka miavaka tsara ireo fampianarana avy amin’ny Tompo izay afaka manampy azy ireo hianatra amin’ny alalan’ny finoana. Azon’izy ireo atao ny manao lisitra ahitana ireo toetra sy fitondran-tena izay amporisihin’ny Tompo ny hananana azy sy ireo izay tokony hialantsika. Rehefa vitan’izy ireo izany dia azon’ny mpianatra atao ao anatin’ilay kitapo ireo tapa-taratasy kely.

  • Inona amin’ireo toetra sy fitondran-tena ireo no nisy fiantraikany teo amin’ny fahafahanao hianatra?

  • Inona amin’ireo toetra sy fitondran-tena ireo no tsapanao fa amporisihin’ny Fanahy anao mba handramanao?

Angataho ireo mpianatra mba hieritreritra ireo sakana isan-karazany amin’ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana izay mety hatrehin’ireo zatovo any amin’ny sehatra isan-karazany (tokantrano, sekoly, seminera ary fiangonana). Tanisao eo ambanin’ny sokajy tsirairay avy ny hevitr’izy ireo. Asao ny mpianatra hisafidy tapa-taratasy avy ao anatin’ilay kitapo. Afaka mamaky izay voasoratra ny mpianatra avy eo ary mitarika fifanakalozan-kevitra mikasika ny fomba hanampian’ny torohevitry ny Tompo ny olona iray mba handresena ny iray amin’ireo olana amin’ny fianarana. Afaka manasa ny mpianatra ihany koa ianao hieritreritra fomba nanehoan’ny Mpamonjy io torohevitra io.

Ohatra, ny mpianatra dia mety hahita olana eo amin’ny fiomanana amin’ny fanadinana any an-tsekoly na eo amin’ny fandraisana valiny amin’ireo vavaka manokana natao. Raha tapa-taratasy kely nisy soratra hoe manorena tranon’ny fifadian-kanina no voafantina dia azon’ny mpianatra atao ny mifanakalo hevitra momba ireo hevitra sy zavatra niainana mikasika ny fahafahan’ny fifadian-kanina sy ny vavaka mampitombo ny fahafahan’izy ireo hianatra sy hamantatra tsara kokoa ireo valim-bavaka avy amin’ny Tompo. Raha nangataka ny mpianatra ianao mba hieritreritra ohatra iray izay nanehoan’ny Mpamonjy fianarana amin’ny alalan’ny fifadian-kanina dia mety hotsaroan’izy ireo fa nifady hanina Izy mba hiomanany amin’ny asany sy ny asa fanompoany (jereo ny Matio 4:1–10). Avereno atao imbetsaka ilay sahanasa mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ny maha-manan-danja ny fampianaran’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Fampiharana ataon’ny tena manokana

Mba hamaranana dia omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ireo fomba izay ahafahan’izy ireo mikatsaka tsara kokoa fianarana amin’ny alalan’ny finoana. Azonao atao ny mamporisika azy ireo hirakitra an-tsoratra ny ao an-tsain’izy ireo ao anaty diary fandalinana ka hampiasa ireto tari-dresaka ireto.

  • Misafidiana sehatra iray eo amin’ny fiainanao izay azonao hanatsarana ny ezaka ataonao amin’ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana (toy ny tokantrano, sekoly, seminera ary fiangonana).

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana anao amin’io sehatra iray io araka ny eritreritrao?

  • Inona no hezahinao hatao mba hianaranao amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy?

Asao ireo mpianatra izay manolo-tena mba hizara ny sasantsasany amin’ny hevitr’izy ireo. Mety ho fotoana tsara ihany koa izany mba hanasana ny mpianatra hijoro ho vavolombelona momba ny fahombiazan’izy ireo tamin’izany tamin’ny lasa.