Seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89–92: Topimaso ankapobeny


“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89–92: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89–92,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89–92

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89–92

Topimaso ankapobeny

Toy ny nahazatra ny olona maro tamin’ny taona 1830 tany ho any, dia nifoka sigara sy nisotro toaka ny mpikamban’ny Fiangonana sasany. Ho valin’ny vavaka nataon’ny Mpaminany Joseph Smith momba izany, dia nanambara ny Tenin’ny Fahendrena ny Tompo, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89. Taty aoriana tamin’io taona io dia notendrena ho mpanolotsain’ny Mpaminany i Sidney Rigdon sy Frederick G. Williams. Nanambara torolalana mikasika ny andraikitr’io fiadidiana io ny Tompo.

sary famantarana ny fanofanana Ampiasao ny tenin’ireo mpaminany mba hanamafisana fotopampianarana sy fitsipika. Ny mpaminany sy ny apôstôly velona dia mampianatra sy manazava ary mamelabelatra ny fotopampianarana sy fitsipika izay ampianarina ao amin’ny soratra masina. Ny fampiasana ny tenin’ny mpaminany dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra sy hiaina tsara kokoa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Raha mila fanazavana fanampiny momba ny fomba nanaovan’ny Mpamonjy izany dia jereo ny fizarana “Nampianatra avy tao amin’ny soratra masina ny Mpamonjy” ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Afaka mahita ihany koa ohatra iray momba ny fomba hanaovana izany ianao ao amin’ny lesona amin’ity herinandro ity izay mitondra ny lohateny hoe “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90.”

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay:

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:1–17

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa fankasitrahana noho ny torolalana feno fitiavana nomen’ny Tompo izay fantatra amin’ny hoe ny Tenin’ny Fahendrena.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra fomba hahatonga izao tontolo izao ho toerana tsara kokoa raha toa ka tsy nisy ny zava-mahadomelina, ny toaka, ny paraky, na ny zavatra hafa mety hanimba. Mety hieritreritra ihany koa izy ireo hoe mety ho hafa ny fiainany manokana raha tsy misy ny olona mampiasa diso tafahoatra ireo zavatra ireo.

  • Votoatiny haseho: Hanin-jono (na sarina hanin-jono), boky torolalana ho an’ny fampiasana vokatra iray izay fantatry ny mpianatra tsara

  • Sary haseho: Efitra izay nanaovana ny Sekolin’ny Mpaminany

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Ravin-taratasy feno ho an’ny mpianatra tsirairay

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra handray ireo fitahiana nampanantenain’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fisafidianana ny hiaina ny Tenin’ny Fahendrena.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21, ka hitady ny zavatra ampanantenain’ny Tompo rehefa mitandrina ny Tenin’ny Fahendrena izy ireo. Amporisiho ny mpianatra ho tonga ao an-dakilasy efa vonona hizara ohatra mikasika ny fomba nahitany ny Tompo nanatanteraka ireo fampanantenana ireo.

  • Votoatiny haseho: Sarin’ny helodrano iray misy sakana artifisialy manasaraka azy amin’ny ranomasina

  • Sary haseho: I Daniela mandà tsy hihinana ny sakafon’ny mpanjaka, Paska mampiseho rà eo amin’ny tolam-baravarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fitarihana omen’i Jesoa Kristy ho an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny alalan’ny Fiadidiana Voalohany.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitady fampianarana na teny nambara avy amin’ny mpikambana iray ao amin’ny Fiadidiana Voalohany izay nisy fiantraikany teo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Fitaovana haseho: Fanalahidy iray, fitoeran-javatra azo hidiana amin’ny fanalahidy

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Taratasy kely ho an’ny mpianatra tsirairay, tahadikan’ireo lahateny vao haingana nataon’ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ho an’ireo mpianatra izay tsy afaka mahazo lahateny ao an-dakilasy amin’ny fitaovana elektrônikan’izy ireo

  • Sary haseho: Ny Fiadidiana Voalohany tamin’ny 1833 izay ahitana an’i Joseph Smith, Sidney Rigdon, ary Frederick G. Williams