Seminera
Lesona 106—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90: Ny Fiadidiana Voalohany


“Lesona 106—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90: Ny Fiadidiana Voalohany,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 106: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89–92

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90

Ny Fiadidiana Voalohany

ny Fiadidiana Voalohany

Tamin’ny Martsa 1833, dia nanome baiko an’i Joseph Smith ny Tompo mba hanokana an’i Sidney Rigdon sy i Frederick G. Williams ho mpanolotsainy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Amin’ny maha-fiadidiana azy dia nihazona ny fanalahidin’ny fisoronana ireo lehilahy telo ireo izay namela azy ireo hiahy ny fanjakan’ny Tompo eto an-tany. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fitarihana omen’i Jesoa Kristy ho an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny alalan’ny Fiadidiana Voalohany.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny fanalahidy dia afaka manome fahafahana hiditra

Fomba iray hanombohana ny kilasy ny fanehoana fa mamela antsika hiditra amin’ny zavatra manokana ny fanalahidy rehefa ilaina izany. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanoratra amin’ny taratasy kely ireo zavatra izay heveriny fa manan-danja ka tokony hotandrovana tsara. Asao izay mazoto mba hizara ny zavatra nosoratany sy ny anton’izany. Angony ireo taratasy ary hidio amin’ny toerana izay tsy azo idirana afa-tsy amin’ny fanalahidy iray. Raha tsy afaka manidy ireo taratasy ao anaty zavatra azo hidiana amin’ny fanalahidy ianao dia azonao atao ny mametraka azy ireo ao anaty boaty ary manasa ny mpianatra haka sary an-tsaina fa mihidy ao ny taratasiny. Asehoy ny mpianatra ny fanalahidy iray ary asao izy ireo hieritreritra ny lanjan’io fanalahidy io. Afaka manontany toy izao ianao:

  • Inona avy ireo zavatra vitsivitsy manan-danja eo amin’ny fiainanao izay mitaky fanalahidy mba hahafahanao mahazo izany?

  • Iza no atokisanao mba hampiasa sy hiaro ny fanalahidy? Nahoana?

Hazavao fa ny Mpamonjy dia mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana izay ampiasaina ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Asao ny mpianatra rehefa mandalina anio izy ireo mba hieritreritra hoe iza no hanankinany ireo fanalahidy ireo eto an-tany ary inona no manampy antsika hahazo izany.

Nanangana ny Fiadidiana Voalohany i Jesoa Kristy

Mba hanomanana ny mpianatra handalina ny andalan-tsoratra masina etsy ambany dia azonao atao ny mampiseho ny sarin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’ny 1833 (jereo ny sary voalohany ato amin’ity lesona ity) sy mizara ny sasany amin’ireto sahan-kevitra manaraka ireto:

Ilay antsoina ankehitriny hoe Fiadidiana Voalohany dia nantsoina hoe Fiadidian’ny Fisoronana Avo tamin’ny voalohany. Nantsoina sy natokana ho mpanolotsain’ny Mpaminany Joseph Smith i Sidney Rigdon sy Frederick G. Williams tamin’ny volana martsa 1833 mba handrafitra io fiadidiana io. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90 ny Tompo dia nanambara torolalana tamin’i Joseph Smith momba ny andraikitry ny Fiadidiana Voalohany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:1–3, 6, ka tadiavo ny zavatra nankinin’ Andriamanitra tamin’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ary i Frederick G. Williams.

  • Inona no andraikitra nomen’ny Tompo mba heken’ireo lehilahy ireo?

    Avelao ny mpianatra hizara ny zavatra azony momba ny fanalahidin’ny fisoronana. Omeo fotoana ihany koa ny mpianatra hametraka ireo fanontaniana izay mety hananany momba ny fanalahidin’ny fisoronana sy ny rafitry ny Fiangonan’ny Tompo. Raha ilaina, dia azonao atao ny manasa ireo mpianatra hitady ny “Fanalahidin’ny fisoronana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org) mba hianarana kokoa sy hizarana ny zavatra hitany.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba itarihan’ny Tompo ny Fiangonany?

Mety hilaza fahamarinana maro azontsika ianarana ny mpianatra. Fahamarinana iray azonao antitranterina ny hoe i Jesoa Kristy dia mitarika ny Fiangonany eto an-tany amin’ny alalan’ireo fanalahidin’ny fisoronana izay nomeny ny Fiadidiana Voalohany notendreny.

ChurchofJesusChrist.org.

2:51

Azonao atao koa ny mampiseho sy mifanakalo hevitra momba ity teny nambara manaraka ity.

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fomba ampiasan’ny Mpamonjy ireo fanalahidy ao amin’ny Fiangonany mba hitahiana ny fiainantsika:

Loholona D. Todd Christofferson

Ao anatin’ny fahefana avy amin’ireo fanalahidy ireo no hiarovan’ireo mpiandraikitra amin’ny fisoronana ato amin’ny Fiangonana ny fahadiovan’ny fotopampianaran’ny Mpamonjy sy ny fahamarinan’ireo ôrdônansin’ny famonjena. Izy ireo dia manampy ireo izay maniry ny handray azy ireny, mitsara ny fahafahana sy ny fahamendrehan’ireo izay mampihatra ary avy eo manatanteraka azy ireny.

Noho ireo fanalahidin’ny fanjakana, ireo mpanompon’ny Tompo dia afaka mahafantatra ny marina sy ny lainga, ka hiteny amim-pahefana indray hoe “Izao no lazain’ [ny Tompo].” (D. Todd Christofferson, “Nahoana no ilaina ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2015, 110)

  • Inona no azontsika ianarana momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ny fomba ampiasany ny fanalahidin’ny fisoronana ao amin’ny Fiangonany?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny andraikitry ny Fiadidiana Voalohany dia azonao atao ny manasa azy ireo hamorona sy hameno tabilao toy izao manaraka izao ao amin’ny diary fandalinany. Avelao ny mpianatra hianatra miaraka amina namana iray na amina vondrona kely amin’ny alalan’ny famakiana, ny fifanakalozan-kevitra, ary ny fizarana hevitra.

Soratra masina

Ny fomba itahian’ny Tompo antsika amin’ny alalan’ny Fiadidiana Voalohany

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:9

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:14–16

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:8–9

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:33

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 120, sasin-tenin’ny fizarana sy andininy 1

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:125–126

Ny Fiadidiana Voalohany sy ny fanambaran’ Andriamanitra

Ity fizarana ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra fa ny Tompo dia mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny Fiadidiana Voalohany. Hazavao fa ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny Tompo dia miantso ireo fanambarana omena ireo mpitarika nofinidiny ho toy ny “fanambaran’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:4–5).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:4–5, ka tadiavo ny zavatra tsapan’ny Tompo momba ireo fanambarana izay omeny antsika amin’ny alalan’ny Fiadidiana Voalohany.

  • Inona no zavatra ianaranao avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Oviana ianao no nahatsapa fa ireo fanambaran’ Andriamanitra dia niaro anao tamin’ireo tafio-drivotry ny fiainana?

Nanazava ny andraikitra lehibe indrindra ananan’ny mpaminanin’ny Tompo ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

2:3
Loholona Neil L. Andersen

Tsy mijoro manelanelana anao sy ny Mpamonjy ny mpaminany. Fa mijoro eo anilanao kosa izy ary manondro ny lalana mankany amin’ny Mpamonjy. Ny andraikitra lehibe indrindra izay sahanin’ny mpaminany iray sy ny fanomezana sarobidy indrindra izay omen’ny mpaminany iray antsika dia ny tenivavolombelony sy ny fahalalany azo antoka fa i Jesoa no Kristy. Tahaka an’i Petera fahiny, dia manambara ny mpaminanintsika hoe: “[Izy no] Kristy Zanak’ Andriamanitra velona” [Matio 16:16]. (Neil L. Andersen, “Ny mpaminanin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2018, 27)

  • Inona avy ireo fomba hampitodihan’ny Mpaminany sy ireo mpanolotsainy antsika ho any amin’i Jesoa Kristy?

    sary famantarana ny fanofanana Ampiasao ny tenin’ireo mpaminany mba hanamafisana fotopampianarana sy fitsipika. Ity sahanasa manaraka ity dia manome fahafahana ny mpianatra handalina ny tenin’ireo mpaminany. Mba hahafahana mampihatra bebe kokoa ny fomba fampiasana ny tenin’ireo mpaminany dia jereo ny fampiofanana mitondra ny lohateny hoe “Mampianara avy amin’ny soratra masina sy avy amin’ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ampianaro ny fotopampianarana. Hevero ny hanao fanazaran-tena miompana amin’ilay fahaiza-manao “Manomàna fanasana izay manampy ny mpianatra hampifandray ireo fahamarinana hita ao amin’ny soratra masina amin’ny zavatra lazain’ireo mpaminany velona.”

    Omeo fahafahana ny mpianatra handalina ireo hafatra vao haingana avy amin’ny mpaminany na ireo mpanolotsainy. Afaka misafidy mpikambana iray ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ny mpianatra ary mitady ny iray amin’ireo lahatenin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana farany indrindra nataony ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Angamba azonao zaraina ho vondrona telo ny kilasy, izay handalinan’ny vondrona tsirairay ny tenin’ny mpikambana iray ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, ka hitady ireo fampianarana izay tsapany fa manan-danja ka tokony ho takatry ny zatovo. Afaka manao tatitra ny zavatra nianarany avy eo ny mpianatra. Isaky ny fampianarana nozaraina dia amporisiho ny mpianatra hieritreritra sy haneho ny fomba ahafahany mampitodika antsika amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy.

    Azonao atao ny mamarana ny lesona amin’ny alalan’ny fanasana mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nianarany sy tsapany androany izay tena nanan-danja indrindra tamin’izy ireo. Hevero ny hametraka fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto:

  • Inona no nianaranao androany ka tianao hotsaroana?

  • Raha misy olona manontany hoe nahoana ianao no mihaino ny torolalana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia inona no zavatra iray tianao hazavaina aminy?