“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93
Topimaso ankapobeny
Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93, ny Mpamonjy dia nanambara fahamarinana manan-danja momba ny Tenany omban’ny fikasana hanampy antsika “[h]ahafantatra ny fomba ivavahan[tsika] sy izay ivavahana[tsika]” (andininy 19). Mianatra isika fa afaka mandray fahafenoan’ny fahazavana sy fahamarinana izay avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa mitandrina ireo didy.
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra momba ny zavatra mety hilainao omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:1–22
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany ny sasany amin’ireo anjara asa sy toetoetran’i Jesoa Kristy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra momba ny fiantraikan’ny zavatra fantany momba an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo.
-
Sary: Olona fanta-daza, sy sary fanehoana an’i Jesoa Kristy
-
Votoatiny haseho: Tabilao misy ireo sahanasa ho an’ny fianarana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:19–53
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hanao drafitra handraisana misimisy kokoa amin’ny fahazavana sy ny fahamarinan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao ny lisitr’ireo zavatra ataon’izy ireo mba hanasana ny fitaoman’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainany. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny manao lisitra ireo zavatra tsapan’izy ireo fa azony atao mba hahazoana kokoa ny fitaomany isan’andro.
-
Horonan-tsary: “Ny fahazavana miraikitra amin’ny fahazavana” (11:02; jereo manomboka amin’ny mari-potoana 0:32 hatramin’ny 2:15 sy ny 2:15 hatramin’ny 2:52); “Mpihazona fahazavana avy any an-danitra” (22:09; jereo manomboka amin’ny mari-potoana 18:26 hatramin’ny 19:36)
-
Votoatiny haseho: Tabilao misy ireo sahanasa ho an’ny fianarana
-
Sary: Fahazavana misimisy kokoa eo amin’ny fahamarinana ary fahazavana mihamihena eo amin’ny fahamarinana
Tombano ny fianaranao 7
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsiaro sy hanombantombana ny fivoarany ara-panahy amin’ny alalan’ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny fomba niovany na nitomboany ara-panahy vokatry ny fandalinany vao haingana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.
-
Votoatiny haseho: Safidy voatanisa eo ambanin’ny sahanasa mitondra ny lohateny hoe “Hazavao ny anjara asa sy ny anarana fiantsoana ary ny toetoetran’i Kristy”