Seminera
Lesona 107: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:1–22: Ampitomboy ny fahafantaranao an’i Jesoa Kristy


“Lesona 107: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:1–22: Ampitomboy ny fahafantaranao an’i Jesoa Kristy,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:1–22,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 107: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:1–22

Ampitomboy ny fahafantaranao an’i Jesoa Kristy

Sarin’i Jesoa Kristy

Tamin’ny 6 mey 1833 no nandraisan’ny Mpaminany Joseph Smith ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93. Tao anatin’izany no nanambaran’ny Mpamonjy ireo fahamarinana manan-danja momba ny Tenany mba hanampiana antsika hahatakatra kokoa hoe iza Izy. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hampitombo ny fahatakarany ny sasany amin’ireo anjara asa sy toetoetran’i Jesoa Kristy.

Sahanasa fianarana azo atao

Olona iray izay fantatry ny olona

Hevero ny hanomboka ny lesona amin’ny alalan’ny fampisehoana sarin’olona fanta-daza iray izay fantatry ny mpianatrao, ary anontanio izy ireo raha fantany ny anaran’ilay olona. Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra mikasika ny antony mahatonga io olona io ho fantatra tsara, sy ny antony maha-zava-dehibe ny fahafantaran’ny olona iray hoe iza io olona io.

Asehoy avy eo ny sarin’i Jesoa Kristy ary asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mahafantatra hoe iza i Jesoa Kristy ary inona no nataony?

  • Inona avy ireo ohatra sasantsasany mikasika ny fiantraikan’ny fahalalantsika an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainantsika?

Asao ireo mpianatra hieritreritra mangina ny fomba naha-voakasika azy ireo manokana noho ny zavatra fantany momba an’i Jesoa Kristy. Rehefa mandalina izy ireo dia amporisiho mba hitady ireo fahamarinana izay afaka manampy azy ireo hahatakatra kokoa hoe iza i Jesoa Kristy ary inona no azony atao ho azy ireo.

“Hahita ny tavako ary hahafantatra fa Izy Aho”

Nizara fahamarinana manan-danja maro momba ny Tenany ny Mpamonjy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93. Nanazava Izy fa ny iray amin’ireo tanjony amin’ny fanambarana ireo fahamarinana ireo dia ny hanampy antsika hahafantatra hoe mitsaoka an’iza isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:19).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:1, dia tadiavo ny fomba nanombohan’ny Mpamonjy ity fanambarana ity.

Mba hanampiana ireo mpianatra hirakitra ireo fanasan’ny Mpamonjy ao amin’io andininy io dia asao izy ireo hanisy laharana tsirairay ao amin’ny soratra masiny. Azo atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hanao lisitra ireo fanasana ireo ao amin’ny diary fandalinany na hanoratra izany eny amin’ny solaitrabe.

  • Nanampy anao hianatra na hahatsapa inona momba ny fanirian’ny Mpamonjy ho antsika io andininy io?

  • Ahoana no ahafahan’ny fihetsika tsirairay ao amin’ity andininy ity manampy antsika hahafantatra kokoa ny Mpamonjy?

Mety hanana fanontaniana mikasika ny fampanantenan’ny Mpamonjy ny mpianatra fa ireo izay manaraka ny fanasany ao amin’ny andininy 1 dia hahita ny tavany. Azonao atao ny manamafy fa io fitahiana io dia ho tonga amin’ny “fotoa[n’ny Tompo] sy araka ny fombany ary araka ny sitrapony” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:68).

Ireo toetoetran’ny Mpamonjy

Rehefa nanohy ny fampianarany tao amin’ity fanambarana ity ny Mpamonjy dia nizara endrika sy toetoetra mampiavaka sy toetra ananana isan-karazany momba ny Tenany. Ny fianarana momba ireo toetoetra mampiavaka sy toetra ananana ireo dia afaka manampy anao hahatakatra ny sasany amin’ireo fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy anao eo amin’ny fiainanao.

Hevero ny hampiseho ity tabilao manaraka ity ary asao ny mpianatra handika izany ao amin’ny diary fandalinany. Afaka miara-miasa tsiroaroa na ao anaty vondrona kely izy ireo mba handalina ny andinin-tsoratra masina tsirairay ao amin’ilay tabilao. Azonao atao ho solon’izany ny manoratra ireo andininy amin’ny taratasy kely ary mametraka ireo taratasy ao anaty fitoeran-javatra iray. Afaka misafidy taratasy iray na maromaro ao amin’ilay fitoeran-javatra ny mpianatra ary mandalina ireo andinin-tsoratra masina nofidiny.

sary famantarana ny fanofanana Ampio ny mpianatra hampitombo ny fankasitrahany sy ny fitiavan’izy ireo an’i Jesoa Kristy. Mba hanaovana fanazaran-tena misimisy kokoa momba ity dia jereo ilay fampiofanana mitondra ny lohateny hoe “Ampianaro ny momba ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy sy ireo anjara asany ary ireo toetra nananany” izay hita ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mifantoha amin’i Jesoa Kristy. Hevero ny hampihatra ilay fahaiza-manao amin’ny alalan’ny famoronana fanontaniana mampikaroka mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra ireo anjara asan’i Jesoa Kristy, ireo anarana fiantsoana Azy, ireo fanehoana an’ohatra momba Azy, ary ireo toetoetra mampiavaka Azy.

Asao ny mpianatra rehefa mandalina mba hieritreritra ny fomba ahafahan’ny zavatra ianarany momba ny Mpamonjy manampy azy ireo eo amin’ny fiainany.

Andinin-tsoratra masina hohalalinina

Ny zavatra ianarako momba an’i Jesoa Kristy

Andinin-tsoratra masina hohalalinina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:2, 9

Jaona 8:12

Andinin-tsoratra masina hohalalinina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22

Andinin-tsoratra masina hohalalinina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:6–7

Etera 3:14

Andinin-tsoratra masina hohalalinina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:8

Almà 38:9

Andinin-tsoratra masina hohalalinina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:10

Mosesy 1:33

Andinin-tsoratra masina hohalalinina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:11

Môzià 3:5–8

Andinin-tsoratra masina hohalalinina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:12–14

Lioka 2:40, 52

Andinin-tsoratra masina hohalalinina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:16–17

Matio 28:18–20

Andinin-tsoratra masina hohalalinina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:21

Kolosiana 1:15, 18

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo andinin-tsoratra masina izay nohalalininy. Raha asehonao eny amin’ny solaitrabe ilay tabilao dia afaka mameno izany amin’ny alalan’ny fanoratana ireo fahamarinana nianarany eo akaikin’ireo andininy nianaran’izy ireo ny mpianatra samihafa.

Ny fahamarinana sasany izay azon’ny mpianatra hifanakalozana hevitra na zaraina dia ny hoe i Jesoa Kristy no Fahazavan’izao tontolo izao (jereo ny andininy 2, 9); I Jesoa Kristy no iraky ny famonjena (jereo ny andininy 8); Nitombo avy tamin’ny fahasoavana niampy fahasoavana i Jesoa Kristy mandra-pandraisany ny fahafenoan’ny Ray (jereo ny andininy 12–14); ary I Jesoa Kristy no lahimatoa amin’ireo fanahy rehetra zanaky ny Ray any An-danitra (jereo ny andininy 21).

Mba hanampiana ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny zavatra hitany sy ny hevitra azony momba ny Mpamonjy dia mametraha fanontaniana toy izao manaraka izao:

  • Inona amin’ireo fahamarinana nohalalininao momba an’i Jesoa Kristy no nanan-danja indrindra taminao? Nahoana?

  • Manampy inona amin’ny fahatakarana anananao momba ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93 ireo soratra masina mifandray nohalalininao?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahalalana ireo fahamarinana momba ny Mpamonjy ireo hisy fiantraikany amin’ny fifandraisanao Aminy?

Amporisiho ny mpianatra hikatsaka ny hahafantatra kokoa an’i Jesoa Kristy rehefa miezaka manohy ny fandalinany manokana ny soratra masina izy ireo. Raha ampy ny fotoana dia ampiasao ny teny nambaran’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ireo fomba fanampiny ahafahan’izy ireo mahafantatra kokoa ny Mpamonjy. Mety ho fotoana tsara izany hanasana azy ireo hizara fahatsapana momba ny Mpamonjy sy hijoroana ho vavolombelona momba ireo fitahiana azo avy amin’ny fitomboan’ny fahalalantsika Azy.

Azonao atao ny mamarana ny lesona amin’ny famakiana ny Jaona 17:3 sy ny fanasana ny mpianatra hitady ny fitahiana manan-danja indrindra azontsika raisina amin’ny alalan’ny fanakaikezana kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.